Cancer: mety manampy antsika ity

1. niryna ( 01/09/2008 22:22)
Zaraiko anareo ireto karazana sakafo izay mety manampy ny rehetra mba tsy hiombo na ho fiarovana ny cancer tsy hianaka be loatra.
Maro karazany ny fipoitran'ny cancer ary indraindray tsy fantatra mihitsy,lazany angamba no mety mahatonga ilay fiteny hoe homamiadana e !
Misy karazana sakafo izay tena manampy ny io aretina io tsy hitombo ary tafiditra amin'izany ireo aretina ao anaty ati-doha(brain),colon,avokavoka (lung) ary ny prostate.
Ireto avy ary izany sakafo izany mety misy any amintsika ary misy tsy dia fantatro ny fiteny azy any amintsika fa dia mba araho eo na mety tsy misy koa aza
Ny apongabeandanitra(pommegrenade) ,laisoa,tongologasy,tongolomaintsokely, ilay mitovy ny tongolomaintso fa ngezabe (leek) betiravy(beets),inona no anaran'ireny laisoa kely ireny (brussel sprouts) no fahalalako azy,dia ireny karazana ana-maintso ireny toy (kale) toa tsy misy an'io angamba any e


leeks



Brussel sprouts.


kale
mbola hitohy
(l) niryna
répondu par niryna le 19/09/2008 23:29
2. niryna ( 01/09/2008 23:05)
3. niryna ( 02/09/2008 17:28)
Nahavariana ahy ity fa tena ilaina ny voatabia saingy tsara raha ohanina masaka noho toy izay hohanina manta .
4. tsiambaratelo ( 03/09/2008 17:10)
niryna:
Zaraiko anareo ireto karazana sakafo izay mety manampy ny rehetra mba tsy hiombo na ho fiarovana ny cancer tsy hianaka be loatra. Maro karazany ny fipoitran\'ny cancer ary indraindray tsy fantatra mihitsy,lazany angamba no mety mahatonga ilay fiteny hoe homamiadana e ! Misy karazana sakafo izay tena manampy ny io aretina io tsy hitombo ary tafiditra amin\'izany ireo aretina ao anaty ati-doha(brain),colon,avokavoka (lung) ary ny prostate. Ireto avy ary izany sakafo izany mety misy any amintsika ary misy tsy dia fantatro ny fiteny azy any amintsika fa dia mba araho eo na mety tsy misy koa aza Ny apongabeandanitra(pommegrenade) ,laisoa,tongologasy,tongolomaintsokely, ilay mitovy ny tongolomaintso fa ngezabe (leek) betiravy(beets),inona no anaran\'ireny laisoa kely ireny (brussel sprouts) no fahalalako azy,dia ireny karazana ana-maintso ireny toy (kale) toa tsy misy an\'io angamba any e leeks Brussel sprouts. kale mbola hitohy (l) niryna
misaotra an i niryna nizara.Azo atao koa ny misotro huile d olive eraky ny sotrokely isa-maraina.Fadiana ny mihinana yaourt trop cremeux matetika fa mahavoa ny cancer ihany koa izy io,na raha mihinana matetika de light vidiana.
5. niryna ( 03/09/2008 17:42)
Tsy misy fisaorana e ,ny tamotamo koa dia manampy raha voa ny olona fa mampiadana ny fianany amin'ny tena raha mbola tsy voa moa dia manampy toa ireo ambony ireo .Io tamotamo io koa dia manadio ny ra,manampy ny olona allergie satria madio ny ra
6. ikaretsaka ( 05/09/2008 02:48)
tandremo ny diso daozina tamotramo fa eo ianao no raisina an
7. tsiambaratelo ( 05/09/2008 07:39)
niryna:
Tsy misy fisaorana e ,ny tamotamo koa dia manampy raha voa ny olona fa mampiadana ny fianany amin\'ny tena raha mbola tsy voa moa dia manampy toa ireo ambony ireo .Io tamotamo io koa dia manadio ny ra,manampy ny olona allergie satria madio ny ra
De atao ahoana ny fampiasa lay tamotamo,zah mantsy ndraindray Allergie be an reny trondron-dranomasina ireny,tena misy botsibotsina be reny aminy lela,tonga de mivoaka hoatrany lay kakeriny moka mivontovoto reny aby ny vatana mantolo asa na le trondro no misy microba na zah no maloto rà,roa zahay no tratra anio cas io.:-P
8. niryna ( 15/09/2008 17:34)
ikaretsaka:

tandremo ny diso daozina tamotramo fa eo ianao no raisina an


asa aloha ry ika fa izaho izao mihinana tamotamo isan'andro ary rehefa tenehina ilay izy toa tsy maheno ny tsirony aho.Inona tokoa moa no zavatra atao be tsy ahitan-doza ?
9. niryna ( 15/09/2008 17:39)

niryna:
Tsy misy fisaorana e ,ny tamotamo koa dia manampy raha voa ny olona fa mampiadana ny fianany amin\'ny tena raha mbola tsy voa moa dia manampy toa ireo ambony ireo .Io tamotamo io koa dia manadio ny ra,manampy ny olona allergie satria madio ny ra
tsiambaratelo:
De atao ahoana ny fampiasa lay tamotamo,zah mantsy ndraindray Allergie be an reny trondron-dranomasina ireny,tena misy botsibotsina be reny aminy lela,tonga de mivoaka hoatrany lay kakeriny moka mivontovoto reny aby ny vatana mantolo asa na le trondro no misy microba na zah no maloto rà,roa zahay no tratra anio cas io.:-P
ny ahy notenehiko dia tsy itako ny tsirony fa izy manta iny no hohaniko,sasako dia esoriko ny hodiny dia tsakotsakoko toy ireny mihinana sakamalaho ireny,maheno ny tsirony tsara aho amin'izay

:D
Tsiambaratelo a,tsara ny mahafantatra ny zavatra tsy zaka dia tsy mihinana intsony amin'ny manaraka..MIsy fanafody ity benadryl no anarany tsy fantatro raha misy aty antsika . Misy roa karazany ny iray creme fanositra ny vatana ny iray kosa ohanina rehefa mivoto na mangoritsina ny vatana raha misy zavatra tsy zaka,tena mandaitra be io na ny ankizy mangidihidy ireny aza ny orony ,ny tendany ,ny masony .
10. bobone ( 16/09/2008 05:55)
:D misaotra indrindra niryna an! misaotra anareo rehetra tsara ho fantatra ny tahaka izao! mankasitraka e!
fa izao tsara koa ny misotro rano be foana fa rano io manafaka zavatra maro
11. niryna ( 16/09/2008 16:55)
bobone:

:D misaotra indrindra niryna an! misaotra anareo rehetra tsara ho fantatra ny tahaka izao! mankasitraka e!
fa izao tsara koa ny misotro rano be foana fa rano io manafaka zavatra maro

Tsy misy fisaorana aky bobone a.
mbola ho tohizako izay tadidiko .
eo amin'ny mikohoka indray rehefa mamafa trano na feno vovoka ny fanaka ,rehefa matory ny tena dia mikoho-maina,misotro tantely kely eraky ny sotro dia afaka ilay izy.
Misy zavatra tsotra kenefa mandaitra ireny ny ahy no tiako noho izay mihinana fanafody.
Ny vahona koa hoy ny fiteny hoe tantely amam-bahona ny fianana,angamba ilay vahona tsy nesoriny ny hodiny dia nangidy tsy laitra ilay izy,ilay madity ao anatiny anefa no ilaina ,raha tsy tia azy dia asiana tantely kely fa manadio ny ao anaty,manampy amin'ny fery ihany koa raha misy maratra.
Vitamine E koa tena ilaina raha manana hianareo,raha misy maratra dia osorana an'iny indrindra raha misy peroxide dia tsy misy roa andro akory dia sitrana ilay fery
:D
12. niryna ( 19/09/2008 23:29)
Misy karazany efatra ny mety cancer mahazo ny olona dia ny cancer ao anaty ati-do ha izany(brain cancer),ny colon cancer,ny cancer-ny avokavoka(lung cancer) ary ny prostate cancer .
Ireto misy karazana sakafo mety hanampy antsika ho fiarovana na ho fijanonan'ny cancer tsy hianaka be.
Ireto avy sakafo manampy ireo karazana cancer efara ireo: betterave,sprout cabbage(eo ambony ny sary),laisoa tongolo gasy,tongolo maitso, kale (eo ambony koa ny sary),navet na leek no ilazana azy angamba .




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3139