Sao dia mba manampy anareo ity.

1. niryna ( 01/09/2008 21:41)
Sao dia mba mahalala zavatra toa heverintsika fa kely kanefa sady mora no tsotra ary manampy amin'ny fiainana isika ?
Ohatra hoe raha miantsena isika ka sendra nisy ranon-trondro nanaraka tao anaty fiara .Tena maimbo be tsy laitra mihitsy .
Ny fanalana fofona dia vinaigre kely miaraka amin'ny rano ,izay dia miala ny fofona .
ity koa moa misy iray.
Raha rarahan'ny menaka ny akanjonao na pantaloha dia osorana ranon-tsavony fanasana vilia ary sasana amin'ny rano matimaty fa tena miala teo ilay menaka.
Raha mianjera amin'ny tapis ny divay dia osorana rano miaraka amin'ny vinaigre kely dia miala ilay tasy.

Ireto koa misy mikasika ny Baking soda izay ampiasana rehefa mahandro sakafo toy ny mofo izany (karoty,menekely sns.) ary dia marobe koa no azo am-piasana azy

apetraka ao anaty refrigerator fa manala ny fofona maimbo amin'ny sakafo .
Fanafody koa io raha olona marary vavony ireny dia misotro kely 1/2 sotrokely miaraka amin'ny rano.
Raha voky be ka tsy mahalevon-kanina dia mihinana kely koa.

Fanadiovana nify asiana baking kely ny dentifrice ary dia fotsiana amin'iny ny lela sy ny nify.Tsy dia atao isan'andro akory fa tsy indraindray .
Fanadiovana volafotsy miaraka amin'ny dentifrice asiana rano kely dia atao eo ambon'ny tanana dia kosehina ny volafotsy,tena maloto mainty be mihitsy ilay izy ,kobanina amin'ny rano mangatsiaka ,fafana amin'ny lamba cotton fotsy ary dia mangirana ilay volafotsy.
Raha mangidihidy ny elakelaky ny tongotra dia sasana sy fafana tsara ary osorana ilay baking soda kely.
Izay aloha no tadidiko ary efa nampiasaiko daholo ireo.
Ilaina amin'ny fanadiovana ao an-trano,ao anaty refrig,ny saka,ny hoditra mangidihidy,ny lamba sasana,raha tsy mahazaka ravitoto kanefa te ihinana ,ny fanalana fofon-kelika sns .

Raha misy mahafantatra zavatra hafa dia mba zarao e.

(l) niryna
répondu par soa.tiana le 29/07/2016 08:03
2. ni81 ( 02/09/2008 06:26)
- Ny volamena koa dia lasa tena mangirana raha alona kely ora vitsivitsy fotsiny izy ka asiana karibonetra ny rano andomana azy, ary avy borosiana dia kobanina @ rano madio.
- Raha somary from koa ny tongotra dia mety ny karibonetra.
3. tslem ( 02/09/2008 07:37)
niryna:

Ireto koa misy mikasika ny Baking soda izay ampiasana rehefa mahandro sakafo toy ny mofo izany (karoty,menekely sns.) ary dia marobe koa no azo am-piasana azy

apetraka ao anaty refrigerator fa manala ny fofona maimbo amin'ny sakafo .
Fanafody koa io raha olona marary vavony ireny dia misotro kely 1/2 sotrokely miaraka amin'ny rano.


Tsy vao mainka ve mankarary vavony ireny? tsy izany manko fa zah rehefa manao kimofomofo reny ka asiana azy io d ohatry ny lasa milelalela be zany ny ambavafoko.

4. xxx ( 02/09/2008 11:53)
Mialatsiny betsaka fa ianao ry niryna no olona mety afaka hanampy ahy ka mba valio kely azafady raha azonao atao ny mamaly le "vision" ao @ fivavahana sy ny finoana! Merci
5. booboo ( 02/09/2008 11:56)
asiana talc lé fanao @ zazakely ireny ny kiraro sy/na chaussette ho an'ny mora tsemboka tongotra. Mifoka ilay hamandoana ilay talc.
6. tsidina ( 02/09/2008 14:55)
F'inona kay le baking soda ? mba omeo anarany hafa fa tsy mahalala zah. Na omeo fanazavana mahakasika azy.
7. xxx ( 02/09/2008 15:36)
ndeha mijary diskonera e!hi!hi!hi!
8. niryna ( 02/09/2008 16:21)
ni81:

- Ny volamena koa dia lasa tena mangirana raha alona kely ora vitsivitsy fotsiny izy ka asiana karibonetra ny rano andomana azy, ary avy borosiana dia kobanina @ rano madio.
- Raha somary from koa ny tongotra dia mety ny karibonetra.

msaotra anao nizara.
Andao indray aza mikasika ireny biby kely misiditsidina ireny no resahina raha misy mahita.
Raha sarotina moka isika ka mody any an-tanana dia fadio ny mihinana akondro

:roll:
Toy izany koa raha tsy tian'ny moka na matsiro loatra ny ra dia maty kaikitra ny tena :D ,ny fanafody moka apetraka eraky ny trano ba tsy tiana hanaikitra izy ireny ? alaina ny ravina voatabia any an-tokotany ka apetrapetraka eraky ny trano.
9. Zozoro ( 02/09/2008 16:26)
Izaho koa dia mitovy amin'i tsidina. Tsy fantatro ity hoe baking soda. Mba lazao re e ! karbonetra ve ? : :)
10. niryna ( 02/09/2008 16:39)

tslem:

Tsy vao mainka ve mankarary vavony ireny? tsy izany manko fa zah rehefa manao kimofomofo reny ka asiana azy io d ohatry ny lasa milelalela be zany ny ambavafoko.



Arakaraky ny tsirairay io tslem a ,raha milelalela be ny vavoninao dia mihinana ireny "pepto bismole",fanafody kibo izy io ary fadio ny mihinana yaourt na zavatra vita avy amin'ny ronono,fromage .Tsy mahazo mihinana salade koa na zavatra be menaka na masiaka.Na ireny sakitsaky na junk food no ilazana ireny sakafo tsy mahavoky Na voakanzo aza tsy azo ohanina indrindra ny voasary.Ireny misy asidra ireny sady sarotra levonina.Minana laisoa manta miaraka amin'ny ovy manta misy odiny io an,atao ao anaty masinina fanaovana jus ary asiana rano dia tatavanina dia atao fisotro,fa tsy azo atao kosa anefa ny mihinana laisoa masaka .
aza atao ny miari-tory be fa mila ampy torimaso koa


11. niryna ( 02/09/2008 16:40)
xxx:

Mialatsiny betsaka fa ianao ry niryna no olona mety afaka hanampy ahy ka mba valio kely azafady raha azonao atao ny mamaly le "vision" ao @ fivavahana sy ny finoana! Merci

HS kely xxx e, tsy maninona fa alefaso any amiko izay tianao ho fantatro raha fantatro ny dikany e
niryna

12. niryna ( 02/09/2008 16:47)
booboo:

asiana talc lé fanao @ zazakely ireny ny kiraro sy/na chaussette ho an'ny mora tsemboka tongotra. Mifoka ilay hamandoana ilay talc.

miresaka zaza koa isika eto.Rehefa mangatsiaka be any amintsika dia lanin'ny fanala ny takolan'ny zazakely.Alaina ny vaseline dia osorana kely fotsiny e.Raha toa ka mitsitra ilay molotra dia osorana vitamine E ary rehefa sitrana dia asiana vaseline.Ho an'ny rehetra io rehefa ririnina ka vakivaky ny molotra.

13. niryna ( 02/09/2008 16:48)
tsidina:

F'inona kay le baking soda ? mba omeo anarany hafa fa tsy mahalala zah. Na omeo fanazavana mahakasika azy.

bi-carbonate angamba no filaza azy na karibonetra e,ahitsiho raha diso aho e

14. niryna ( 02/09/2008 16:57)
Fanafody angadrano indray ?
Aspirine sy vinaigre
Raha misy chewing gum na siligaoma ny akanjo dia asiana glace(ice) eo amboniny dia avela eo .
_________________________-
Ho an'ny vehivavy indray raha manana soutient efa ratsy ireny dia iny no anaovana rehefa matory fa manampy ny nono hiantona tsara .. :roll: :D
15. ni81 ( 02/09/2008 17:44)
Izaho koa dia mitovy amin'i tsidina. Tsy fantatro ity hoe baking soda. Mba lazao re e ! karbonetra ve ? :
karibonetra no dikany @ teny gasy e!
16. ni81 ( 02/09/2008 17:53)
Fiarovana moka:
- Ho fiarovana @ moka dia ataovy eo akaiky ny tongolo oignon voavaofy dia tsy hanatona ry zareo.
- Azo atao ahantona eo @ fidiran'ny moka koa ny ravim-boatabia fa tsy hiditra izy.

Fiarovana ny hatsembohana:
- Maka ranom-boasarimakirana kely dia ahosory ny helika fa tsy hisy fofona izy, toy izany koa ny tongotra.




17. ni81 ( 02/09/2008 21:00)
- Azo atao ahantona eo @ fidiran'ny moka koa ny ravim-boatabia fa tsy hiditra izy.
efa voalazan'i nyrina kay io ambony io

Karibonetra:
- Raha misy masaka ny aty vava na akanjo nify dia ahontsany @ rano nasiana karibonetra.

Ravin'ampongaben-danitra:
- Raha mivalana be ka tiana ny hampijanona azy dia alaivo ny ravin'ampongaben-danitra dia ataovy toy ny dité fa hiato ny fivalanana.

Ravin-goavy:
- Rehefa avy nanala nify (afaka 2j eo hoe eo) ka tiana ny hampikatona haingana ny hihy nify dia alaivo ny ravin-goavy dia andrahoy anaty rano dia iny no hanontsanana azy.
18. tsidina ( 03/09/2008 14:26)
ni81:
,misaotra betsaka aki ry ni a t@le fanazavana io.
Izaho koa dia mitovy amin'i tsidina. Tsy fantatro ity hoe baking soda. Mba lazao re e ! karbonetra ve ? :
karibonetra no dikany @ teny gasy e!



19. tsidina ( 03/09/2008 15:19)
momba ny sakafo indray:
-Rah any sakafo sisa tsy lany omaly ka mbola afanaina ho hanina raha pitso dia mahatonga ny aretim-bavony. Eo le hoe mitetika arivo maty iray alina.
-Raha tiana hitana hafanana tsara koa anefa ny sakafo andrahoina maraina, ka mody avy niasa na avy nianatra hisakafo azy @ atoandro de fonosina ttasy aloha na gazety ilay sopier nasiana azy zay vao fonosina bodofotsy na lamba be. Any dago io tena ilaina indrindra raha mbola etudiant(e).
20. niryna ( 03/09/2008 17:38)
ary inona no filazana ny baking powder ry ireto,ny levure dia yeast fa ilay baking powder tsy fantatro :lol:
raha malemy ny hoho dia ilazana fa tsy ampy calcium ilay olona,alaina ny tongologasy voavaofy ary dia atao eo ny hoho atao tsirairay ary atao toa izany indray rahampitso manao lavaka iray isan'andro,mety :lol: tsy ho azonareo angamba ny teneniko e, oops :D tsindromina ao anatin'ilay tongologasy ny hoho tanana fa mihalava ilay izy sady mihamafy.
Ny tamotamo ilay toy ny samalaho mavomavo indray dia betsaka ny ilaina azy raha misy mahalala hianareo: manadio ny ra,mampiakatra ny ra mena,raha toa ka voan'ny cancer ny olona dia mampitarazoka ny fianany amin'ny tena raha mbola tsy voa dia manampy azy tsy ho voan'io aretina io.
raha feno kalalao sa kadradraka (ilay kely ireny e) dia arehitra foana ny jiro ao an-dakozia na asiana la craie ny trano,misy karazana la craie amidy io any amin'ny sinoa ,andramo aloha ny la craie any an-tsekoly ooops :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1646