izao no vokany rehefa....[jereo ato]

1. ratakktikk ( 20/08/2008 18:15)
Mba lanjalanjao ihany ny teny avoaka rehefa mahazo fahalalahana.
Raha ianao malagasy vahoakany no tsy manaja ny filohanao, dia aza malahelo raha ny vahiny no tsy manome hasina azy.


Eritrereto hoe mitovy @ io loha(be)-nao io ny filoham-pirenenao. Ra misaina zavatra ratsy ianao na manao fahadisoana bevava, dia tsy ny tananao mihitsy no handeha hanapaka ny lohanao. [Ny olona adala sy efa mamoy fo ihany no manao izany]

Efa fotopisainan'ny malagasy mihitsy ve ny tsy TIA ny azy sa...?

Tranga voalohany: Ny vahiny (sasany) manome hasina ny filoha'i Madagasikara (oh:@ alalan'ny mari-pankasitrahana sns..) fa ny malagasy indray no tsy manaja azy (oh:vendrana, dondrona, ompa sns...).

Tranga faharoa: Manoro hevitra ny vahiny ny amin'ny tokony hampiasaina ny teny malagasy entina hanabeazana ny zaza malagasy (UNESCO), [mba hanomezana lanja sy hasina ilay fiteny ary hiarovana azy tsy ho faty vetivety], ny malagasy indray no milaza fa tsy mila izany fa tsy mampandroso.

Tranga fahatelo: Aleon'ny malagasy ny mijanona any andafy hanompo sy hampandroso firenena tsy azy, toy izay hody sy hipetraka aty madagasikara tanindrazany ka hampiasa ny fahaizany hampandrosoana ny fireneny.
[izany hoe: Aleon'ny gasy andafy lavitra "vola" toy izay ny "fianakaviana" na ny "tanindrazana" / nefa marary ery ny fony mahita azy hitsakitsahin'ny olona (mampihomehy ihany)]


Aza manantena fiainana hanjary na fandroasoana eto madagasikara raha mbola io toetra feno TSY FIRAISAN-TSAINA sy fifanaratsiana ary FANKAHALANA ny AN'NY TENA io ihany no mbola fikirina.

"FIRAISANKINA ihany no mampandroso" - io ny teniko [under copyleft :ie: azo adika sy alain-tahaka ary ampiasaina tsy mila era]


répondu par kidoropamba le 22/08/2008 09:34
2. xxx ( 20/08/2008 21:03)
Izy aloha dia miombi-kevitra amin'ny rabefikafika ny tenanay amin'ny hoe tsy mety ny mitsikera ny an'ny tena, ny mitsikera amin'ny tsy misy antony koa, ny mitsikera ny fampianarana ny teny malagasy satria fomba amam-panao izany hoe ny maha-malagasy mihitsy no ho entin'izany hoe tenin-drazana izany fa ny teny vahiny tsy maintsy hianarana koa.

Fa kosa rehefa vendrana ary ilay filoha, dia hikipy maso ve satria io ny anao. Ataoko fa ny tsikera koa dia ho entina hampivoatra fa tsy handetehana foana. Ka raha vendrana izy dia vendrana no fiantsoana azy, raha mangalatra izy dia mpangalatra no filaza azy, sns...

Momba ny gasy aty an-dafy indray dia malahelo mafy izahay aty an-tany lavitra. Fa akory atao, mila mijery ny réalité koa e! raha hody nefa tsy misy zavatra miandry any, ka aleo mi-livr, mitaiza zaza etsy sy eroa, manao caissiera ...mba ahafahana hividy zavatra any amin'ny tang frere e!
3. bazylou ( 21/08/2008 01:17)
ka le madagsikaranao koa anie ho pma mandrakizay ka inona no atao any!!!?? jereo fa tsy mba medaille no azony tany amin'ny JO 2008 fa honoris causa fopla sy fahafam baraka .. diiinnn , beuuurlk :-D :-D
4. neo83 ( 21/08/2008 07:01)
Za klou d mray evitra amin'i rataktik klou e. Otran'ny mahagaga ana kou tsin' le be oaoaoa bdb, ts'mifaly amzé ananany e, mahita ny an'ny hafa oe tsara, d minainaina no atao, fa tszé afaka anatsarana no tadiavina. Tsy mahamenatra anie ny mitia ny an'ny tena e, zany ary no tena tokony ho izy, tsy voatery hoe tsy maintsy ho mpampianatra malagasy enao, na oe tsy maintsy ho antoko etsy sy eroa zay vao afaka mitia, tena mitia izay anao. Tsy mahamenatra ny manana zvt tsara, tsy ny vahiny no tokony ahitanao oe tsara kay ny anao tamlé fotoana ts'niraraina azy iny, fa tokony ny ao anatinao no asina eritreritra. Tsy mahamenatra ny mitia ny maha-malagasy, fa tsy oe mahita rirany kely (raha nisy) taminzé hafa akory, dia atao analabaraka ny oe mitia ny malagasy sy izay rehetra ao aminy.
5. kidoropamba ( 21/08/2008 08:16)
Tena marina mihitsy io lazain'i ratakitika io. Miombonkevitra aminy aho: Na ho faty, na voahitsaka ny loha, na mihinana izay naloany, na miankohoka amin'ny vozongo, na milelapaladihan'ireo mpanome vola, na manao bizna ny tanindrazan'ireo gasy kamo be tenda, na mividy fiangonana, na mangalatra volam-bahoaka, na mamono zaza, na voafidy @ halatra sy ny sisa dia tsy azo kianina, ary tsy azo resahina satria antsika io, mahamenatra ary aleo amin'ny maha malagasy dia tsy lazaina fa tazomina ao ampo ihany mba ho fanajAna izay olona tiantsika na dia mandoa antsika aza. Fahendrena marina io ary miombonkevitra @ ratakitika aho.

Saotra ratakitika fa ekeko ny hevitrao.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
6. Izy ( 21/08/2008 09:43)
Ny zavatra kely indrindra tokony ho fantatry ny be sy ny maro dia "Tsy misy lehibe tsy handriankeloka na kely tsy mba mamindro" ary ny hevitra toa ny tera-bary ary mbola ao koa ilay teny malagasy manao hoe ny hevitra tsy azo raha tsy avy amin'ny zanak'olombelona koa samia mahay mihaino sy mamakafaka fa io no anisan'ny fahendrena Malagasy hiavahany amin'ny tany hafa, Aza mitompo tena ho fatratra, ary tadidio koa ilay hoe aza manao mpiatri-bato vila-bava ka ny lazain'ny vavany hafa ary ny ataon'ny tanany hafa!Marina ny hoe aza atao valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia fa tadidio ihany koa fa tany demokratika i Madagasikara ary tsy 100% no nahalany ny mpitondra azy noho izany manana zo ny vitsy anisa ilaza izay hitany sy fahatsapany ny zava-misy.Fa izao Masina i Madagasikara ary tsarovy fa anaovana fandinihana manonkana ny fahendren'ny Malagasy, raha toa ka miverina siècle kely vitsivitsy ao aoriana n'izao iainantsika izao isika dia fantatrareo fa mandalina izany fahendrena sy fahombiazana nisy teo aloha izany ny firenena mandroso mbola hogaga ve isika raha toa ka nisy fotoana ny Japonais nanao fandalinana ny fomba fanjakan'i Andrianampoina.Masina ny taniko ka izay rehetra manao ratsy ao dia hotsarain'ny tantara fa aza manahy mahareta hahita ny farany.Ary aoka tsy hanao fisitrik'alika rehefa manoloana an'Andriamanitra fa Izy mahalala ny hatrany anatintsinay mainty any fa ny olona no azonao fahanana izay tianao satria tsy mahalala ny ao andohanao sy ny ao amponao tsy miloaka.
7. nikah ( 21/08/2008 11:38)
Tsy mahazaka demokrasia angaha ratakktika?
Mbola tsy alainy ny fanananao fa refa alainy ny fanananao sy izay tokony ho anjaranao dia ataoko fa tsy hitazona io hevitrao io itsony ianao.
8. naughtyboy ( 21/08/2008 11:40)
ozy neo :
Otran'ny mahagaga ana kou tsin' le be oaoaoa bdb, ts'mifaly amzé ananany e, mahita ny an'ny hafa oe tsara, d minainaina no atao, fa tszé afaka anatsarana no
no tadiavina
ra arahina ny volaza de somary mifandipaka ny teninao eto tsy mazava ny hafatra

-ts'mifaly amzé ananany e
tsy ekeny saina tia fivoarana na aiza io n aiza ..

-fa tszé afaka anatsarana no no tadiavina
io no iarahana mitady nefa aviliny reo mitazona fahefana ny lalana..

-Tsy mahamenatra ny mitia ny maha-malagasy,
mapirehareha ahy sy maro eto ny mahamalagasy de ekena tsisy adihevitra :lol:
9. ratakktikk ( 21/08/2008 18:11)
Aleo hazava ny resaka fa ny an'ny Gasy tsy hoe fitiavana ilay itsikerana fa fankahalana. Ny olona TIA mitsikera dia mandroso vahaolana @zay zavatra tsy mety hitany fa tsy faly manaratsy fotsiny.

Ho an'i Kidoropamba:
Efa fisainana lomorina ao amin'ny malagasy sasany koa io tsy mijery afa-tsy ny lafiratsiny io, mandika vilana sy mamorina hevi-dratsy amin'izay fihetsika kely tsy mety ataon'ny olona hankahalaina.
Rehefa ny filoha @ tany mandroso sy firenen-dehibe no mamono olona (oh. tany Iraka, manitsakitsaka ny zon'olombelona, sns... dia tsy hita izay haratsiny fa mbola hajaina sy ankatoavina hatrany izy ireny. Fa ra vao ny filoha kely atsy Afirika na any @ tany mahantra, tonga dia loha-pejy eo @ gazety maneran-tany avy hatrany ny sariny, miampy fanimbazimbana sy fanalam-baraka.
Ka tsy haiko rangah fa mba diniho ihany.

Hoy nikah:
Tsy mahazaka demokrasia angaha ratakktika?

Ny olona mihoa-pefy rehefa omena fahalalahana no atao hoe tsy mahazaka demokrasia. Ka jereo hoe iza daholo izy ireo ato.

Hoy ihany Nikah :
Mbola tsy alainy ny fanananao fa refa alainy ny fanananao sy izay tokony ho anjaranao dia ataoko fa tsy hitazona io hevitrao io itsony ianao.

Ratakktikk tsy mba isan'ny olona tia valifaty.
"Tsy mahafaty ny mandefitra" raha ho an'ny mitovy ra sy tany niaviana amin'ny tena.
10. ratakktikk ( 21/08/2008 18:26)
Raha ny momba an'i Bazylou indray, dia ireny no atao hoe fatiantoka. Olona efa nanary toky sy fanantenana ka mivarilavo any an-tanin'olona sisa no hany hery.
Jereo ny mba fisainany:
ka le madagsikaranao koa anie ho pma mandrakizay ka inona no atao any!!!??

Efa tsisy azo antenaina aminy intsony raha ny momba an'i Madagasikara no resahana, nefa mba olona nandrovitra pataloha sy nandany fotoana nianatra ihany.
Enga anie mba tsy mitovy amin'izany daholo ny fisainan'ny Gasy lasa any andafy.
11. neo83 ( 21/08/2008 18:35)
Le hevitr'i naughtyboy zany tsipaako kou e, tsisy anjely mitondra zany, fa ze eo manao anzé afany, zé tonga reetra eo dia aitana kiana daoul', satria olombelona, miaiky anzay za, fa kosa, misy ireo hita fa maavita noho ny fahiny, nefa mbola betsaka foana ny minainaina e, ts'mety aminay eee, zao no tinay eee, maazo manao anie ze maavita e, raha toa ka sanatria ahavita, fa raha toa mou ka ts'tafa, d mandanjalanja no mety fa sy ny fanakianana fotsiny sy ny oaoaoa.
12. neo83 ( 21/08/2008 18:42)
Tsy maamenatra anie ny mitia ny Tanindrazana e, ts'voatery oe tsy maintsy anangana menalamba na mdrm anie vao oe tia ny Tanindrazany e. Sa tsara loatra le mialokaloka any aman'oul d ts'maita fiany ny tany niavina tsony.
13. ratakktikk ( 21/08/2008 18:50)
Ary ilay fitiavana koa mila asiana asa a tsy vitan'ny vava miteny sy fo mitempo fotsiny.

Manana ny andraikitra tandrify ny zavatra hainy sy hananany avokoa ny malagasy rehetra na aiza na aiza ka tokony hamita ny adidiny raha tiany handroso ny tanindrazany.

14. ratakktikk ( 21/08/2008 18:53)
Ary ilay fitiavana koa mila asiana asa a tsy vitan'ny vava miteny sy fo mitempo fotsiny.
Fanitsiana:
Ary ilay fitiavana koa mila asiana asa fa tsy vitan'ny vava miteny sy fo mitempo fotsiny.

15. naughtyboy ( 21/08/2008 19:17)
ankasitrahako fa mahafinaritra ny fijoroanao ny hevitrao fa ny hafatra ampitainao no tsy mazava tsara fa mifangaro io no ezahiko takarina..nahona ?ozy neo etsy aloha:

\" Otran\'ny mahagaga ana kou tsin\' le be oaoaoa bdb, ts\'mifaly amzé ananany e, mahita ny an\'ny hafa oe tsara, d minainaina no atao \"

mino v enao fa misy olona ho faly @ ze fananana ao M.kara toy ny trosa miavovona izany sy ny didy jadona ataony fitondrany mpiray tanindrazana aminy(ra tsy oe saribakoliny mpitondra nga de ekeko),ary hangina sy hipetraka tsara fa zay no sahaza azy,TSIA ..mendrika ny ho avy tsara koko toy reo olompirenena hafa erantany ny malagasy satria manana ny zony hitaky zany ,io no resahiko mazava eto atr@ zay sao diso ny fandraisanao ny hevitro tsy sanatria fanakianana be fahatany -------------------------> fitakiana ny zo sy ny hasiny mahamalagasy io no resako fa tsy itady anjely intondra any M.kara

\"...fa tszé afaka anatsarana no tadiavina \"

io no nampanatenaina reo mitana ny fahefana nefa aviliny lalana ... ary io no resaka zao

\" Sa tsara loatra le mialokaloka any aman\'oul d ts\'maita fiany ny tany niavina tsony. \"
otrany somary miaro eso zany teninao zany fa tsy mahitsy aleo angaha ataoko oe safidiko ny miaina aty antanin\'olona atrizao ary tsy latsadanja ny fitiavanao
ny tanindrazana ny fitiavako ny tany niaviko tsy ho afaka atr@ farany fofonaiko

marihiko fa misy nefa reo voalazanao itovizako hevitra tanteraka aminai fa aiza ho aiza @ hevitro ary no tianao tsipahina eto fa mahaliana ahy tompoko ..

:lol:
16. naughtyboy ( 21/08/2008 19:31)
miandry ny valiny ampanajana avy aminy neo83 i notty tompoko :lol:
17. kidoropamba ( 22/08/2008 09:34)
Tsy misy ny fanaratsiana na dia maro ireo tsikeran'ireo kamo be tenda.
Fanaratsiana: avy @ hoe manaratsy: zavatra tsara kanefa lazaina fa ratsy. ohatra: Fanomezana honoris causa: zavatra tsara lazaina fa ratsy.
Tsikera: Zavatra ratsy dia lazaina fa ratsy, @ izay mba miova ho tsara. ohatra maligAsiZAsion.

Ravalomanana Ihany!

Tafita Isika Malagasy
tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana and give him four honoris causa. ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0614