Avy amin ny Ray ihany no hahazoana zo-pirenena Malagasy

1. Bola ( 03/08/2008 23:13)
Namaly dinika aho no nahatsiaro tokoa fa ny zaza ateraky ny reny Malagasy ary Ray tsy Malagasy dia tsy mahazo zo-pirenena Malagasy. Mila hoe Malagasy ilay Ray niteraka fara-faharatsiny na ny Ray sy Reny miaraka...
Tsy hitanareo hafahafa ve izany sa misy afaka manazava hoe inona no nahatonga io lalana io satria tsy tokony ho ny reny miteraka aza ve no mamindra ilay zo-pirenena ho an janany...Betsaka ny olona fantatro no io lalana io dia tsy malagasy taratasy ilay zaza nefa dia mitondra ra Malagasy izao...
HS kely: zo-pirenena sa zom-pirenena no fanoratana azy satria zo ny fototeny kanefa misy p avy eo...Misaotra betsaka!
répondu par xxx le 11/08/2008 14:42
2. fahamarinana ( 04/08/2008 08:23)
:arrow: za koa mba gaga ry bola,tany dago no nanao ny any zanako 1 aho dia tsy maintsy nila ny karapanondron'ny dadany sy demande sign"-ny dadany ihany koa...,na naseho aza ny ahy dia tsy nisy varany.Asa taty aoriana fa toa mbola zay foana araka io lazainao io...Ary ireo vehivavy manambady vazaha zany ahoana no ataondry zareo ?? (l)
3. Bola ( 04/08/2008 09:58)
fahamarinana:

...Ary ireo vehivavy manambady vazaha zany ahoana no ataondry zareo ?? (l)


Ahoana ahoana ...tsy misy azo atao e! Mampalahelo fa tsy mahazo taratasy gasy ilay zaza ary mandoa visa eny Ivato rehefa ho any Madagasikara e!!!
Asa iza no nanao io lalana io...tiako lazaina hoe inona no tanjona...
Mampalahelo ilay ankizy...mba gasy ra ihany nefa tsy misy taratasy gasy...Toa tsy gasy anie izany hoe tonga ao Ivato dia maka visa...zany no maha mafy ilay hoe metisy...sady tsy an ny atsy tanteraka no tsy an ny aroa koa...Ny ary tsy mandray anao ho toa azy ireo, ny andaniny koa toa tsy mandray anao ho tena isany...


4. booboo ( 04/08/2008 10:54)
Efa nisy nanazava tary @ dinika " Hoy ny lalàna " io fa tsy haiko raha mbola ao na tsia.
5. fahamarinana ( 04/08/2008 11:19)
:arrow: ka ny mahatalanjona manko aty frantsa aloha dia mahazo nationalité foana na vazaha aza ny reniny ka gasy ny rainy oh na hafa e...,ny rainy mazava ho azy fa mahazo hatrany na fa tsy misy difference amin'izy roa tonta...mbola hiova angamba ny any amintsika any aoriana any... (l)
6. Bola ( 04/08/2008 11:45)
aleo aza fa hojereko io booboo a!
Eny ho aho ry Fa e....
7. Bola ( 04/08/2008 11:56)
Tsy hitako ilay dinika nefa tsy dia misy betsaka ao @ ilay lalana...sa mety dinika hafa...Izay mahita ilay izy tampoka ka afaka manome ny lien avy hatrany anie merci e! Ny tiako ho fantatrao hoe efa ela ve io lalantsika io dia inona no mety ho antony nametrahana azy io...merci daholo!
8. fahamarinana ( 04/08/2008 11:58)
:arrow: mety efa voafafa raha efa elabe angambany ... (l)
9. simplex ( 05/08/2008 13:22)

:arrow: ra teraka any Madagasikara tsy mila ray na reny malagasy izany fa tonga dia gasy :P

sinon, aza miady vitana @ akoho wa :°) :-P ;-)
10. Herimiafina ( 05/08/2008 13:41)
Salama aby!


La nationalité est essentiellement une nationalité de filiation.

Art. 9 - Est malgache :
1° L’enfant légitime né d’un père malgache ;
2° L’enfant légitime né d’une mère malgache et d’un père qui n’a pas de nationalité ou
dont la nationalité est inconnue.

En bref,une femme a un enfant mais le père est apatride ou disparu, décédé etc. l'enfant est malgache...

1-> première conclusion...français mariés à des malgaches ne reconnaissez pas vos enfants, ils seront malgaches d'office (;==)

Art. 10 - Est malgache :
1° L’enfant né hors mariage lorsque la mère est malgache ;
2° L’enfant né hors mariage lorsque la mère est inconnue ou de nationalité inconnue,
mais dont le père est malgache.

"Conformément à la règle malgache selon laquelle la filiation est toujours établie à
l’égard de la mère par le seul fait de l’accouchement, l’enfant né hors du mariage aura toujours la nationalité de sa mère malgache. La règle s’appliquera à tous sans distinction."

2-> deuxième...français ne vous mariez pas ! Vivez en concubinage : vos enfants, ils seront malgaches d'office. (;==)

Art. 16 - L’enfant légitime né d’une mère malgache et d’un père de nationalité étrangère
pourra, jusqu’à sa majorité, réclamer la nationalité malgache.
La même faculté appartiendra à l’enfant né hors mariage, lorsque celui de ses parents à
l’égard duquel la filiation a été établie en second lieu est malgache, si l’autre parent est de nationalité étrangère.

"Lorsque le père a une nationalité étrangère, l’enfant ne nait pas Malgache. Il peut
seulement le devenir. Encore, le Gouvernement peut-il s’opposer à ce qu’il acquière la
nationalité malgache (art.16, 18 et suivants)."

3-> La, on est bien d'accord...mes enfants ne naissent pas malgaches...ils peuvent le demander, le devenir. Cela ne me gêne pas, c'est pour cela que l'on a fait des démarches...mais dans les faits c'est un parcours du combattant...quasi impossible.

Et le mariage? Si ma fille, au moins elle, épousait un malgache ?

Art. 22 - La femme étrangère qui épouse un Malgache n’acquiert la nationalité de
Malgache que sur sa demande expresse ou si, en conformité des dispositions de sa loi
nationale, elle perd nécessairement sa nationalité.

3-> Elle demande la nationalité malgache par le mariage...elle perd sa nationalité française...ce n'est pas le cas en France pour l'inverse.

Conclusion pour les enfants, le mieux ce serait d'avoir un père malgache..

Pas plus facile !

Art. 27 - La naturalisation ne pourra être accordée qu’aux étrangers remplissant les
conditions suivantes :

1° Avoir dix-huit ans révolus ; OUI - c'est OK
2° Etre sain d’esprit ; OUAILLE - Ca va être juste mais bon - OK
3° Ne pas présenter de danger pour la collectivité en raison de son état de santé physique - Disons OK
4° Etre de bonne vie et moeurs et n’avoir encouru aucune condamnation supérieure à
une année d’emprisonnement, etc. - OK
5° Avoir eu sa résidence habituelle à Madagascar pendant cinq années - Pas le cas mais peut s'envisager...
6° Justifier de son assimilation à la Communauté malgache, notamment par une
connaissance suffisante, selon sa condition, de la langue malgache. - Ok je vais faire un effort.

Mais tout cela disparait du fait du prince eventuellement


Art. 29.- Pourront toutefois être naturalisés sans condition de stage:
1° L’étranger qui a rendu des services importants à Madagascar, tels que l’apport de
talents scientifiques, artistiques ou littéraires, l’introduction d’industrie ou d’inventions utiles,
la création d’établissements industriels ou d’exploitation agricoles et, d’une façon générale,
celui dont la naturalisation présente pour la République Malgache un intérêt exceptionnel.
Dans ce cas, le décret sera pris en conseil des Ministres;
2° La femme de l’étranger qui acquiert la nationalité malgache. !!!!!!

Bon je m'y perds ...comme à Mada devant les tribunaux @+++


Loharano: http://mademada.canalblog.com/archives/2006/11/06/3047432.html
11. yonikafopl ( 05/08/2008 14:54)
Fa ny mbo tena manirikiry any Dago kou an, de betsaka ny ankizy, mba be zesita ny RAD zany de natao we Raymonde Marie ALice ohatra ny anaran le zanaka vavy, gasy ray sy reny an, manana ny copie nahaterahana sy karapanondro, fa rehefa hanao demande passeport de tsy mahazo raha tsy maka nationalité malagasy indray kalou, mbola mila tribonaly sy vavolombelona koa.
Tena krizy mintsy za refa maheno anzany, efa hita zao fa gasy ray sy reny, manana copie nahaterahana,gasy endrika,manana CIN gasy fa de tsy mahazo passeport raha tsy maka ilay nationalité satria hono tsy misy anarana malagasy ilay anarana , odoy eeee :evil:
12. Herimiafina ( 05/08/2008 18:03)
Toa ohatry ny mila maka certificat de nationalité daholo rehefa hanao passeport knou, na iza na iza. :roll:
13. yonikafopl ( 05/08/2008 18:16)
Herimiafina, non kou, ny anarana tsy misy teny gasy ihany no mila maka nationalitE ka,fa raha gasy ny anarana dia tsy misy olana.

simplex , ka teraka tany Dago ilay olona, ny ray sy reny gasy fa ny anarany no tsy misy teny gasy mintsy, de we tsy gasy hono fa mila maka nationalité kou.
14. ni81 ( 05/08/2008 18:17)
Toa ohatry ny mila maka certificat de nationalité daholo rehefa hanao passeport knou, na iza na iza.
tsy mila maka certificat de nationalité zany fa ilay copie intégrale iny fotsiny d efa ampy kah! fa io lazain'i yonika io indray no mahagaga ahy
15. Herimiafina ( 05/08/2008 18:37)
Ny ahy izao fahiny sady mila certificat de nationalité nefa gasy piora, no mbola tsy maintsy naka taratasy nitsarana miaramila, sns, satria izay no ilaina hono. :roll:
16. yonikafopl ( 05/08/2008 18:47)
niraikambivalo , tsy vitan'ny mahagaga akia io fa mahakrizy mintsy ilay lalAna ao Dago ao aaa, naninn raha vao nanamboatra CIN de notakiana ilay nationalité, hita mintsy we tsy logique le izy, matoa manana copie lava , manana karapanondro de gasy izay, ny ray sy reny niteraka gasy koa, nefa dia tsy mahazo passeport raha tsy maka nationalité. Mba hafa mintsy le lalAna gasy ka :roll: . Amzay le maka nationalitE mbola mila tribonaly, mitondra vavolombelona sns, de mbola arirariranjareo any, tsy ray na roa ny tratranzany fa tena maro mihintsy.
Ka mba anatra omena anareo kou rey olona, mba tsy hanahirana ny ankizy any aoriana any dia asio teny gasy ny anarany refa miteraka. :wink:
17. Bola ( 05/08/2008 23:04)
Misaotra betsaka Herimiafina...variana mihitsy aho namaky ilay site iray manontolo...tena zany no hoe mitovy daholo na aiza na aiza raha vao hoe hanao taratasim panjakana. Samy hafa fotsiny angaha hoe ny sasany momba an izao mora fa zavatra hafa sarotra dia any @ tany hafa mifanohitra aminio...
Ilay certificat de nationalite - tranga 20075 ity - dia raha tsy gasy ihany ny anarana vao mila. Na izany aza toy ny mahazatra @ fanaovana taratasy itony: raha izay no mampihiratra sy mampadiavolana ny sain ilay mpiasa birao hoe mampangataka certificat de nationalite dia asainy manao ianao...Izany no mahatonga ahy raha vao mpiasa birao dia mangina ny vava na inona ataony eo na inona...ny teny moramora hono manko mampitony ny fo hendratrendratra fa raha miara miakatra eo...mety sotainy...manahirana fa atao ahoana...
Yonik: Tena misy ve ilay hoe Raymonde Marie Alice...Ny anarana koa raha misy arabo dia hangatahan dreo hoe maka certificat...Araka io ambony io hoe izay mampadiavolana ny sainy e...Toy ny visa ihany...
Fa zao kosa..ilay resaka nationalite zany dia tena mafy ka...zany angamba no mahatonga misy olona an, miteraka izy aloha any iveany any dia misoratra @ anaran drainy nefa tsy hatsangany eo no eo...Efa taty aoriana vao natsangany...Hay zany hahazoana nationalite gasy aloha dia zay vao nivady taty aoriana sy natsangan ilay rainy ilay zanany...Tsy manohana an io aho nefa na izany aza hita hoe zay mahay lalana izany mahay mi contourner azy io...
Fa ity koa no loza: raha frantsay manambady gasy ilay vehivavy dia mety mahazo nationalite gasy saingy mila mandao ny maha frantsay azy...Dadany koa zany... :{
18. SHOAN ( 08/08/2008 21:53)
samy manana ny fomba fikarakarany azy angamba fa ny ahy ny rahavaviko manambady vazaha frantsay kanefa manana ny zo maha-malagasy azy ny ankizy zanany
ny anadahiko manambady vazaha dia ohatrizay koa manana ny zo maha-malagasy azy ny zanany
izaho indray aloha dia tsy olana satrai ny vadiko gasy ary ny zanako gasy daholo
euh ... zà koa gasy kah 100% pir-pork hozizy superJr ao amy dailymotion zay !
;-) ;-) ;-) xo
Bola:

Namaly dinika aho no nahatsiaro tokoa fa ny zaza ateraky ny reny Malagasy ary Ray tsy Malagasy dia tsy mahazo zo-pirenena Malagasy. Mila hoe Malagasy ilay Ray niteraka fara-faharatsiny na ny Ray sy Reny miaraka...
Tsy hitanareo hafahafa ve izany sa misy afaka manazava hoe inona no nahatonga io lalana io satria tsy tokony ho ny reny miteraka aza ve no mamindra ilay zo-pirenena ho an janany...Betsaka ny olona fantatro no io lalana io dia tsy malagasy taratasy ilay zaza nefa dia mitondra ra Malagasy izao...
HS kely: zo-pirenena sa zom-pirenena no fanoratana azy satria zo ny fototeny kanefa misy p avy eo...Misaotra betsaka!



19. fahamarinana ( 09/08/2008 10:28)
simplex:
aza miady vitana @ akoho wa

:arrow: ny akoho koa ngaha manana nationalité ? :-P (l)
20. sipagasy ( 09/08/2008 15:39)
hihih oudryyy, ka izany no mahatonga hoe akoho gasy io na poulet de chair na koa akoho borbonezy, na koa akoho rodhisland moa sa inn koa ireny nianarana tany @ t5 ireny e!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4365