Petsay - Bok Chow
1. Bola
(
18/07/2008 18:26)
Misy mahay fahandro petsay ve ka nahandro tena gasy. Kanefa kosa tsy misy henakisoa...Tsy fady henakisoa fa ilay matavy iny mihitsy no tsy laitra na ny mijery azy aza...
Ny fanaovan ny olona azy aty manko atao @ lasopy akoho fa mba te hanandrana zavatra tena malagasy @ io petsay io!
Misoatra betsaka!

répondu par rose4u le 19/10/2008 10:52
2. ni81
(
18/07/2008 20:34)
Misy mahay fahandro petsay ve ka nahandro tena gasy. Kanefa kosa tsy misy henakisoa...Tsy fady henakisoa fa ilay matavy iny mihitsy no tsy laitra na ny mijery azy aza...Tsy fantatro na nahandro gasy aloha ity na tsia!Azo andrahoina miaraka @ hen'omby tsy dia matavy loatra dia somary atao ketsaketsa fa tsy tena ritra. Asiana tongolo egypta sy voatabia. Na koa afangaro @ totokena dia asiana tongolo sy voatabia ihany koa. Tena tsotra ireo. Mazotoa homana! :)
3. Bola
(
19/07/2008 02:23)
Misoatra e! :D
Io koa no efa noeritreretiko fa asa hanao ahoana raha toton kenan akoho no hanaovana azy...io mahia kokoa no ho ny hen omby saingy tsy matsiro kokoa...mety ny epices angamba no ampiana...
Na tsy gasy aza dia hazavaina hoe adi gasy! :wink: iny fa hitako ilay mavo mipi maso! :D
Raha mahita hafa ianao @ i petsay io dia alefaso ihany! io no hany anana mbola hitako aty manko!

4. haritianah
(
19/07/2008 07:01)
tsara bé raha atao @ nofotra akoho, fa endandasina kely fotsiny lé nofotra akoho ho anopy mena kely ny lokony tsy atao bé ny menaka à, de aveo teneho ho masaka ny anana+sakamalao kely+tongologasy kely+tongolo bé kely+menala kely dia kely+sira+epice zé tinao+voatabia kely raha tia nao(azo tsy asiana koa).Miaraka arotsaka aminy doly ireo an.Ka rehefa hitanao fa manomboka ridritra iny ireo dia arotsay miaraka ao aminy ami'izay ilay nofotra akoho manopy mena.Avelao ho ritra tsara ao.
Misy koa manao azy ketsaketsa fa arakaraka ny itiavanao azy io, fa raha io no atao dia ts asiana menaka refa mahandro lé anana.
Nofona trondro koa, tetehana ngezangeza dé sahalan'ny manao lé akoho io ihany.
Sakafo gasy alou sakamalao sy tongolo gasy no tena manomé tsirony tsara, io arakarakao ny habetsany, misy tena tia azy io dia atao misimisy, misy ts mahazaka dia asiana fa kely nefa raha tena ts mahazaka dia aza asiana.

5. yonikafopl
(
19/07/2008 07:40)
Za tsy mba tia anana, indrindra le fofony iny,
fa ny fomba fanaon'ny olona azy de zao,
endasina ny tongolo sy voatabia, rehefa mendimendy dia arotsaka ny tongolo gasy sy kotomila voatetika madinika mba hanome fofona tsara azy, avy eo arotsaka ny totokena,rehefa hita fa masaka tsara ireo, dia arotsaka ny petsay,tsy asiana rano fa izy ilay sasana iny dia tsy fihazana tsara rehefa arotsaka, endrasana ho ketsaketsa dia alana . Ilay petsay somary mantamanta no tsara.
Mazotoa homana

6. fahamarinana
(
19/07/2008 07:56)
:arrow: tahakan'ny hatsiro izy zany,ilay nofon'akoho mbola tsy nadramako fa mety hatsiro angambany,asiana kub'or vrac be :-P , :-D :-D vazivazy izany an... Ohatrany mampihomehy maheno ilay nofotra lazain'ny haritianah,izany tokoa moa am teny gasy no tena filaza azy? HS kely fa azafady indrindra an..(l)
8. mirianah
(
19/07/2008 14:27)
misaotra any yonika tam lé oe nofony no izy fa tsy nofotra , zah efa nanontany tena be tato oe inn ndray mou zany :{ oe aiza ho aiza am akoho !!! :^) :^)
9. Bola
(
19/07/2008 17:05)
Misoatra dasholo!
Andramako ireo ....Mba azo ovaovaina @ izay na dia toa mitovy ilay base e...
Ilay asiana cubor zany aloha ry Fahamarinana ... tsy tiako satria sira fotsiny iny (sodium) nefa za mila mitandrina sira, sady efa zavatra nahodina fa aleo mijanona @ vitan-janahary ihany...@ izao efa tsy hay intsony ny ataon dreo anatin ireny zavatra mampatsiro ireny nefa mila tandremana ny ampidirana @ vatana...TSy afaka manao strict be koa nefa satria na ny zava maniry koa aza na bio zao tsy tena azo antoka...
Solon ilay cubor na jumbo raha lasopy dia taolana akoho, na taolana jambon iny no alaina ro sy andrahoina ilay lasopy atao...zay no nisy nanoro... raha zavatra ritra asa raha misy mahay inona no azo asolo ireny cube cube ireny...Sa mila manokatra hevitra hafa mihitsy indray...

10. haritianah
(
19/07/2008 17:09)
ialana tsiny ré aminy fahazaran-dratsy tsy mahay manoratra teny gasy ity ary misaotra ny nanitsy azy.Mahafinaritra ny mifanitsy fa ts lany andro manakina satria lé fahazarandratsy raha vao tsy misy manitsy dia tsy fantantra.
11. pissoa
(
19/07/2008 18:15)
Ny anana ny ahy tongolo gasy sy sira ihany no atao aminy dia milay.
Sasana aloha dia tetehina madinika ny anana (tsy tiko le anana ngoza tetika be reny tssss) - dia endasina kely tsy atao be menaka. Avela iny rano kely iny no hanamasaka azy eo. Raha mila manampy dia rano kely ihany ny atao. Aza hadino ny sira.
Ampiana tongolo gasy rehefa ho masaka. Vita ny loaka atoandro sy hariva :-D :-D :-D :-D :-D

12. ainaheri
(
20/07/2008 06:15)
Ohatra ny hatsiro marina izy zany an,ny mitelindrora no tsy azi atao zany lol
13. booboo
(
20/07/2008 18:32)
Pissoa > mba ampio hena ihany hoà ny motika :°) ... na ho anà fotsiny aza eeeee, ny anana hano aby fa tsy rarahako :°)
14. simplex
(
20/07/2008 18:54)
kay
zay ndray vao nahita an'i booboo :)
soa fa tsy niova izy :°)
:-* :-*
bola,
ny sinoa otran'ny endakendasiny zany fotsiny le izy fa matsiro an... sao d mba mety aminao
15. pissoa
(
20/07/2008 19:21)
Booboo : taiza foana kloo :°)
Ok ok - dia asiantsika hoditra voatabia koa :-D :-D :-D

16. Bola
(
21/07/2008 21:49)
Misoatra daholo!
Toa tsy ratsy ilay ananana sy tongolo gasy!
Tsy mihinana hena betsaka koa manko aho ary ny tongolo gasy tena tsara @ resaka miady @ bakteria sy ny karazany! Fa noeritreretiko ilay menaka ve no mampatsiro azy sa misy azo asolo an io. satria hoy nareo ilay rano hanasana azy no handrahoina azy ka inona no ilana ilay menaka: hampatsiro sa handrahoana sa mila mendy ilay anana ...

17. haritianah
(
21/07/2008 22:08)
bola à nahatsiaro anao ao fa nanao trondro tilapia lena ao, dia nolafiako ilay anana.Nataoko nahandro gasy; zany oé niaraka narotsaka doly fa napifanelanelanina ny anana,trondro,voatabia,tongolo egypta,tongolo gasy+sira de nasiako curry kely varaventy fa ny rano dia dia nataoko kely varaventy satria efa misy ranontsasany trondro sy anana voatetika madinika dia navelako niketrika tao mandra-paharihitrany tsara.Trondro tilapia 1 salatsalany no nizaraiko roa ny fitetehako azy.
Tsy nasiako menaka mitsy fa tsara bé lay izy.

18. pissoa
(
21/07/2008 23:06)
bola : tsy haiko ... mety mba mampatsiro sy mampatavy aza angamba.
Fa zaho koa tia an'ilay fried fried an'ny sinoa ireny - ilay lazain'i simplex io ... dia somary endasiko kely foana ny loaka vao andrahoina ary atao mantamanta ! Matsiro :-D :-D :-D

19. Bola
(
22/07/2008 02:09)
Haritianah: io nanaovanao azy io toa tena manintona be ahy mihitsy!!!! Ao @ ilay tena tiako tsara tsy misy menaka surtout ny trondro efa misy ilay menaka ilain ny vatana Omega 3!!! Tonga dia hanao an io aho @ vao mahazo tilapia fa aty misy sady tiako be ny karazana trondro!!! Tsy tsaroako io fahandro gasy io nefa toa tena tsara!!!
Misoatra betsaka!
Pissoa: mahita io lazainao io aho dia matsiaro fa aty ny olona, ohatra izao manao tonton kena dia atao anaty vilany tsy misy na inona na inona iny dia ataingina ambony afo dia ilay miteraka menaka iny an, ariana daholo iny menaka sy rano mivaoka avy @ ilay hena iny...Na tontonkena omby io na tonton kena akoho na vorontsiloza (ie, zany no tonton kena aty...). Tsika gasy dia haiko fa tia io ki endy endy io, any amintsika zao tsy ariana izany io menaka io fa iny no tena izy hoy isika...sa ahoana...Za moa efa tsy dia tia hena fa rehefa sendra manao aho dia nahita an izay dia lasa manary koa... :{ izany no hihinanako trondro fa iny misy menaka tsara sady ilay tena ilain ny vatana!

20. haritianah
(
22/07/2008 13:43)
bola à tsy tonton kena fa totokena kosa angamba.
Zà kou ry bola nahatsikaritra io lazainao io fa na atao anaty vilany tsis menaka aza ny totokena dia miteramenaka ihany ary zà dia lasa zatra refa manao henabaolina dia tsy endasiko @ menaka tsony fa ataoko anaty lapoaly dia asiako rano kelikely ka refa elaela eo mivoaka lé menaka dia ariako iny rano+menaka mifangaro iny ary avelako mandimendy amin'izao eo lé henabaolina fa mitovy @ nendasina amin"ny menaka reny mits(zany oé ts mampiasa menaka tson).Mbola asiako taratsy famafana tanana reny aza ao ambaniny fa mbola misy menaka ihany mitsika.
toraka zany koa raha manao saosisy ao.
Zà indray mihinana hena na henakisoa fa ts atao misesisesy fotsiny, zay no ts mampitovy antsika.De preference alou viande blanc tsara fa nefa kosa ilaina koa ny mihinana viande rouge.