Petsay - Bok Chow

21. Bola ( 22/07/2008 21:48)
haritianah:

bola à tsy tonton kena fa totokena kosa angamba.

Marina be ny anao! Misoatra betsaka! Totokena satria toto ny fototeny fa tsy totona :D
haritianah:

Zà indray mihinana hena na henakisoa fa ts atao misesisesy fotsiny, zay no ts mampitovy antsika.De preference alou viande blanc tsara fa nefa kosa ilaina koa ny mihinana viande rouge.

Izaho efa hatramin izay no tsy tia hena mihitsy...tsy hoe fady fa tsy tia fotsiny...Fa mihinana ihany tsindraindray indrindra raha totokena na charcuterie dia tsy dia maninona...Tsy maintsy mi se forcer mihinana nefa satria io foana no olana amiko tsy ampy fer hono satria tsy ampy ny hena hohanina nefa tsy avy hihinana ilay pilina omen ny dokotera...izany no hitiavako ananana hahazoana fer...
Ohatra izay koa ny ronono aho tsy tia mihitsy fa vao herintaona izay no nahitako hoe tiako raha ronono soja dia io no sotroiko...


22. haritianah ( 23/07/2008 06:07)
bola à ts fantatro alou zé tena fahamarinany, fa raha any dago dia tena tsis isalasalana io lazainao oé ny taolanan'akoho sns... io no afaka mahasolo ny cube jumbo sns... Fa raha any ivelany dia misy milaza fa ts tsara ny mizatra ny mampiasa reny taolana reny(hena,akoho sns..) fa mitsika ao anatin'ireny dolo hono ny menaka rehetra ary hormone analebiazana azy ireny hono dia mifikitra @ taolana, tsy fantatro oa fa betsaka ny nilaza an'izany.
Zà alou ty jumbo é, fa refa mampiasa azy io ao dia ts mampiasa sira mits.De toute facon ny zvtr retra @ zao fandrosoana zao anie efa miala ny natoraly doly fa anjarany tsy iray1 no mandanjalanja ny ampidirina ambava.
Dakoro indray alou ao @ lé lazain'ny namana tatsy ambony oé asiana jumbo dé matsiro.
Ts voatery ny 1 fonosana no atao ary ts ampiasaina matetika koa.Zay mou ny ts mampitovy antsika é, zà minana ny retra fa mitandrina eo @ quantité sy ny oé ts atao matetika.
Lé anana sotisoté na @ menaka fotsiny iny zao zà efa nanao fa matsiro bé mits, tongolo gasy,atao ritra tsara somary mendy kely iny.Fa zà ts minana an'izany matetika ary na soté na @menaka aza dia ts atao bé menaka.

23. Bola ( 23/07/2008 15:49)
Zany an...aleo fa hotadiaviko hoe ahoana ny @ io...
Dia inona izany fa no atao!
Fa nanao ilay anana sy trondro aho fa tena afa po...Tsy nisy cube na inona na inona...Ilay nahandro gasy nolazainao tsy misy menaka. Saumon no nataoko fa tsy nisy tilapia dia nampiako ovy ilay izy hihinana azy satria tsy nanao vary...tena tsara sady ny nitiavako azy: voky nefa tsy mavesatra fa maivana, nefa nahazo ny nilaina rehetra ny vatana!
Raha ny marina aho tsy misy hoe fady fa ny ahy izany raha mbola azo alavirina dia alaviriko foana mba ho minimum foana no miditra @ vatana. Azonao...
Zany hoe raha mbola misy solution hafa - ohatra tsy voatery hampiasa menaka dia lasa mitady solution hafa. Rehefa tsy misy vao mampiasa dia efa io lazainao io hoe kely. Fa rehefa mandeha ny fotoana zatra ny lela...Matetika aho no mihinana legumes atao a la vapeur fotsiny miaraka @ trondro dia tena tsara koa! nefa ho an ny olona tsy zavatra dia hoe tsy misy tsirony! :D
24. Rosila ( 23/08/2008 11:36)
Hoa anao zay tena tia petsay dia tongava aty Analavory, lalana mankany Manakara (40Km avy eo Irondro RN12 Madagascar) fa tena ho afapo petsay ianao ary tena ho lea koa aza. Zah aloha dia tena leo azy taty satria io no anana tena betsaka aty. Dia mazotoa ho an'izay mbola te-hihinana. :?
25. ni81 ( 23/08/2008 11:43)
Hoa anao zay tena tia petsay dia tongava aty Analavory, lalana mankany Manakara (40Km avy eo Irondro RN12 Madagascar) fa tena ho afapo petsay ianao ary tena ho lea koa aza. Zah aloha dia tena leo azy taty satria io no anana tena betsaka aty. Dia mazotoa ho an'izay mbola te-hihinana.
Misaotra fa ho avy @ fotoana mahamety azy e!
26. rose4u ( 19/10/2008 10:52)
HELLO
I AM Rose IN SEARCH OF A MAN WHO UNDERSTANDS THE MEANING OF LOVE AS TRUST AND FAITH IN EACH OTHER RATHER THAN ONE WHO SEES LOVE AS ONLY A WAY OF FUN BUT A MATURE MAN WITH NICE VISSION OF WHAT THE WORLD IS ALL ABOUT AND AFTER READING YOUR PROFILE I TOOK INTEREST IN YOU SO REPLY TO ME WITH THE (roselove42000@yahoo.co.in)forum.serasera.org
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082