VOLAN-DRANOMASO

1. ainaheri ( 07/07/2008 08:13)
Za zany mba manontany hoe;raha oh ka niharam-pahoriana ilay fianakaviana 1 ,ilay oul maty nefa manana vady aman-janaka,ary koa mbola velon-dray amandreny,ny zavtra tiako hanontaniana dia ;iza no mitantana sy mandray tanteraka ilay volan-dranomaso? Afaka maka ampahany @ iny ve ilay ray aman-dreniny?? Araka ny henoko manko we raha olona tsy fantatry vadin'ny maty fa fantatr'ilay ray aman-drenin'ny maty,dia an'ny RARn'ny maty hono ilay famangiana........Mitombona ve zany??
répondu par ainaheri le 12/07/2008 06:30
2. ni81 ( 07/07/2008 09:39)
Io dia araka izay hifanarahany eo ihany raha ny fahalalako azy. Nanana rahavavy aho, maty ny vadiny ary nisy olona betsaka tsy fantatray fa ny rafozany no mifankafatatra t@ ireo olona sasany tonga namangy tao, fa dia nijanona ho an'ilay rahavaviko daholo ny vola rehefa nesorina ny vidin'ny lambamena sy ny frais isankarazany lany t@ fikarakarana ny razana.
3. ainaheri ( 07/07/2008 11:18)
ni81>> Ilay izy tô tsisy fifanarahana fa tondé kendain'ilay rar doli izay mamangy fantany kou,....somary gaga iany aho notantarain'ilay namako an'ilay izy we otr'zany,...d nanampy mou izy we ;manahirana mou ny miady ao anaty fahoriana ka naleo nandefitra.
4. ni81 ( 07/07/2008 11:45)
Eny e! tsy dia nisy hoe fifanarahana manao ahoana ange e! fa ilay rahavaviko teo foana t@ fotoana namangian'ny olona rehetra, ary indraindray izy sendra mba mitsangana kely, dia izay eo no toloran'ny olona ny famangiana. Dia napetraka t@ toerana iray aloha ny vola rehetra fa rehefa vita ny fandevenana dia nisaina ny vola rehetra azo teo. Dia niteny ilay rafozany hoe: tazony ny vola rehetra ho anao hikarakaranao ny ankizy navelan'ny maty. Mbola nesorina koa fa adinoko ny vola namidy savony sy natao sakafo teny @ fisasàna. Fa rehefa sendra ny rafozana ratsy loha dia tazoniny daholo izay an'ny olona fantany fa izaho koa efa nandre toy izany! Tsy tsara ny miady dia aleo mandefitra manana ny rariny...sady hampitombo ny alahelo indray.
5. ari.malala ( 07/07/2008 12:45)
raha ny fahalalako azy alou d an'ilay tompo-manjo direkta (izany hoe ny vady ama-janaky ny maty) ny famangiana rehetra e! ekena hoe tompo-manjo direkta iany kou na ny rafozana na ny rar fa efa nanangana ny fianakaviany ilay olona fahavelony d ireo no tena akaiky anazy ndray (raha ny fahalalako alou e) Ny tao aminay ndray ts mbola vady no maty fa ny zanak'ilay rahavaavin'i neninay d naika nalain'ny dadan'ilay vadiny ny famangiana, any an-tranony (le rafozan'ilay rahavavin'i neny) hono no andrasana ny razana, d refa lasa ny mpamangy d anontaniany we aiza le valopy teo, tena rangitra kely mints za tamizay! le tantine ko efa difotry ny fahoriana ko ny andrangahibe ny vola no mahafaty azy! fa soa iany tantine anay fa ts be fo otranà fa ra ts zany alou d efa ady saritaka tao e! za efa nanomboka niaka-peo tsin tamle isak'izay misy avy mamangy d aiza le valopy teo...
6. naritsimba ( 07/07/2008 13:31)
Hoy ari.malala>
raha ny fahalalako azy alou d an'ilay tompo-manjo direkta (izany hoe ny vady ama-janaky ny maty) ny famangiana rehetra


Tena marina io voalaza io, ary azo ampiana toy izao: raha misy maty vady dia an'ilay tompom-bady ny vola famangiana rehetra fa raha misy moa olona tiany omena satria nandray anjara mivantana t@ ho enti-manana t@ ilay olona maty dia anjarany izay.
7. niryna ( 07/07/2008 16:45)
naritsimba:

Hoy ari.malala>
raha ny fahalalako azy alou d an'ilay tompo-manjo direkta (izany hoe ny vady ama-janaky ny maty) ny famangiana rehetra


Tena marina io voalaza io, ary azo ampiana toy izao: raha misy maty vady dia an'ilay tompom-bady ny vola famangiana rehetra fa raha misy moa olona tiany omena satria nandray anjara mivantana t@ ho enti-manana t@ ilay olona maty dia anjarany izay.

Arakarany i.o.Raha mbola tsy manambady ilay olona dia ny ray aman-dreniny no tompony.Ny ray aman-dreny koa anefa nivoahampahoriana fa zanany naterany ka raha omena aza izy mba rariny ihany.Tsy hoe ilay vola no tena zava-dehibe fa ilay hoe fizarana ny fahoriana.Mazava ho azy fa ireo vady navelany no tokony omena izay vola kely eo.
8. yonikafopl ( 08/07/2008 06:28)
VOLAN-DRANOMASO


otran hafahafa be ihany maheno io fitenin'i ainaheri azy io, ka tsy we fao-dranomaso ve no tokony ho izy ???
9. ainaheri ( 08/07/2008 07:17)
yonika>> hihihi izy iany zay kou :-D :-D :-D :-D nifoany ny volandranomaso d tsy nomeny ny vinantony,zay vô azoko no nahatonga ilay fao-dranomaso =))=))=))
10. diamondra27 ( 08/07/2008 12:10)
:-D :-D :-D

raha ny tokony ho izy dia de le vady no vangiana e , inon no mahavady azy raha tsy zany

zay ange le mahatonga ny fitenenana we" misy manararaopaty" e
11. ainaheri ( 09/07/2008 16:42)
diam's> tia kely ny tena marina fa tsy manararaopaty...satria rar ny maty iany no nikepoka ny vola,tsy mba tsinjovina ity navelan'ny maty,reo vady aman-janany...Eny ee tsy we akory volabe ahavita taona ,fa mba we;sitrany ahay hoy ny fitenenana
12. tsiambaratelo ( 11/07/2008 15:29)
Ny tompom-bady no omena ny vola,raha miara-mipetraka @Rafozana dia zarainy roa tonta.Raha misara-toerana dia samy masina an-taniny,ny vola tonga any @Rar tsy azony tompom-bady alaina na bobaka be aza!Ny azony lay vady ndray tsy azon-drafozana alaina!
13. Koditra ( 11/07/2008 17:22)
Ny fanontaniana voalohany aloha dia ny hoe raha misy olona iray ka maty, Iza no tena tompomanjo? Ny vady sa ny Rar?
(raha apetraka izany hoe manambady ilay satri zay mihitsy ilay cas apetraky ainahery)

Te hiombo-kevitra @ Ari sy naritsimba a @zany. Samy mahatsiaro maharary sy malaelo na ny Rar na ny vady tavela fa amiko dia ilay vady ngamba no tena tompo-manjo. Ny fahafatesana tsy mampilaza mialoha, koa raha nisy fifanampiana azon'ny Rar sy ny iraitampoha dia azo honerana @ alalan'ny vola azo avy @ famangiana izany raha toa ka tena ilain'ilay nampindrana ny famerenana azy (io ilay voalaza teo aloha ireo hoe arakarak'izay nifanarahana), ny ankoatran'izay dia tokony hijanona ho an'ilay tompom-bady.
14. fahamarinana ( 11/07/2008 17:44)
:arrow: mitovy hevitra amin'ny koditra koa aho eto,ny vady tavela no tompo-manjo 1er ,tsy hoe sanatria fanaovana tsinontsinona ny rar akory .....asa anefa fa samy manana ny fomba fijeriny moa. (l)
15. mbaliana ( 11/07/2008 18:13)
marina zany satria efa nandao ny rar ny olona rehefa manambady
16. ainaheri ( 12/07/2008 06:30)
ari.malala:

raha ny fahalalako azy alou d an'ilay tompo-manjo direkta (izany hoe ny vady ama-janaky ny maty) ny famangiana rehetra e! ekena hoe tompo-manjo direkta iany kou na ny rafozana na ny rar fa efa nanangana ny fianakaviany ilay olona fahavelony d ireo no tena akaiky anazy ndray (raha ny fahalalako alou e) Ny tao aminay ndray ts mbola vady no maty fa ny zanak'ilay rahavaavin'i neninay d naika nalain'ny dadan'ilay vadiny ny famangiana, any an-tranony (le rafozan'ilay rahavavin'i neny) hono no andrasana ny razana, d refa lasa ny mpamangy d anontaniany we aiza le valopy teo, tena rangitra kely mints za tamizay! le tantine ko efa difotry ny fahoriana ko ny andrangahibe ny vola no mahafaty azy! fa soa iany tantine anay fa ts be fo otranà fa ra ts zany alou d efa ady saritaka tao e! za efa nanomboka niaka-peo tsin tamle isak'izay misy avy mamangy d aiza le valopy teo...



Ny cas otr'tony zao tena mampiteny irery mitsy,zany hoe akory atao fa misy oul tsy mahafantatra afatsy ny vola,nefa na izany aza ,tsy tokony @ alalan'ny zany no itadiavan'azy,io moa ilay we ny fahorian'ny sasany hifalian'ny sasany,sa oe;manararao-paty???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3785