Efa tsy misy delestazy intsony?

1. hery ( 22/06/2008 04:07)
Izaho ry zareo mbola menatra ihany hatramin'izao raha nandre an'ireny resaka delestazy ireny. Toa efa tsy dia misy resaka intsony izy amin'izao ka asa na efa voavahan'i Ravalo (filoha hajaina moa izy teo? :-D ) ny olana.

Raha sendra mbola tsy voavaha dia tokony tsy havela hangina fa ny Malagasy mantsy matetika miari-pery izay rehefa ela ny ela.

Raha sendra mbola tsy voavaha dia io no tokony hataon'ny mpitondra vaindohan-draharaha ambonin'izany resaka petrole sy fibre optique izany...

Fa mbola misy delestazy ve sa mba efa tsy misy intsony?
répondu par penguin le 24/06/2008 13:05
2. ni81 ( 22/06/2008 06:19)
Fa mbola misy delestazy ve sa mba efa tsy misy intsony?
Tamin'ny Zoma 20/06 teo aho niandry mail avy any @ cousin-ko mipetraka eny Ambanidia, dia nandefa sms izy niala tsiny fa tsy afaka miditra internet mihitsy satria tsy nisy courant nanomboka t@ 9 ora maraina ka hatr@ 6 ora sy fahefany hariva nanoratany tamiko io.
Ka mazava ho azy angamba fa mbola misy ny delestazy!
3. kidoropamba ( 22/06/2008 08:00)
Aoka kosa tsy afenina e: Ny delestazy dia tsy mba afaka izany mihitsy ary mbola 5jours/7 izao ny any atsimo, 6jours/7 any avarabaratara any ary ny an'i mahajanga sy toamasina aloha dia eo ho eo amin'ny 3 na 4jours/7 eo ny delestazy.

Fa izao kosa: Ilaina ny delestazy satria izao:
- Ny delestazy no nahitana fa misy olana ny jirama
- Ny delestazy no nanaitra ny kamo be tenda amin'ny torimasony satria nozarina izy nomena jiro maimampoana.
- Ny delestazy koa anefa no fika avy tamin'ny governemanta mba hiantsoana voalohany ny mpandraharaha vahiny ho tonga eto Madagasikara hitrandraka ny harena ankibon'ny tany, dia ny angovo koa izany.
- Ny delestazy no ahafahan'ny mpitondra miady amin'ny fiakaran'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena
- Ny delestazy no ahafahan'ny mpandraharaha vahiny mitantana ny jirama hampiakatra hatrany ny vidin'ny jiro, ka mahatonga io jirama io mba compétitif fa tsy bankoropotra fotsiny hatrany.

ka noho izany dia tsara ny fisian'ny delestazy ka tsy tokony esorina mihitsy aloha raha tsy efa milamina ny tany.

Hita fa mbola tsy takatrareo tsara ilay fika ato ambadiki'ny delestazy. Aza ilay tanAna maizina no jerena fa ilay vola mitobaka ato aoriana.

God save Ravalomanana^:^
4. lemenakely ( 22/06/2008 08:32)
hery:

Izaho ry zareo mbola menatra ihany hatramin'izao raha nandre an'ireny resaka delestazy ireny. Toa efa tsy dia misy resaka intsony izy amin'izao ka asa na efa voavahan'i Ravalo (filoha hajaina moa izy teo? :-D ) ny olana.

Raha sendra mbola tsy voavaha dia tokony tsy havela hangina fa ny Malagasy mantsy matetika miari-pery izay rehefa ela ny ela.

Raha sendra mbola tsy voavaha dia io no tokony hataon'ny mpitondra vaindohan-draharaha ambonin'izany resaka petrole sy fibre optique izany...

Fa mbola misy delestazy ve sa mba efa tsy misy intsony?

mbà mahagàga ihany ianao izany prézidà HERY olona avy tany dago dia tsy mahita ny fahoriam-bahoaka @ ity déléstage ity ! na ny eto TANA na ny any @ faritany dia mbola misy !tsy hitanao angaha ohatra ny jiro @ poteau erak 'ANTANANARIVO nony tsy lany RAFALIMANANA dia nogafiany tsy naloan ny commune ny facturen ny JIRAMA dia izao ny vokany

5. jentilisa ( 22/06/2008 13:44)
Ny delestazy dia mbola misy, raha ny eto Antananarivo no lazaina dia fahatapahan-jiro noho ny voina ataon'olombelona na fahateran'ny fitaovana saingy tsy sahin'ny mpitondra hanaovana delestazy izany loatra intsony! rehefa misy zavatra simba kosa ny an'ny jirama dia elbe iny vao vita eny fa na dia amin'ny toerana feno orinasa madinika sy vaventy ary biraon'ny andrim-panjakana aza.

Momba ny tsy fisian-jiro amin'ny araben'Antananarivo kosa hita fa gafy avy amin'ny jirama araka ny fijeriko azy satria misy ny jiro tsy maty mihitsy 24/24 ora ary misy eto aminay eto mirehitra ny jiro amin'ny atoandro fa maty amin'ny alina...mampihomehy mampalahelo.
6. yonikafopl ( 22/06/2008 15:23)
vive le delestazy eeeeeeeeeeeeeeee

manjary tsy mande ny bizna groupinay eeeeeeeeeeee :-D :-D :-D
7. kidoropamba ( 22/06/2008 17:18)
NampihArina amin'ny jirama mantsy ilay antsoina hoe "deregulation", izany hoe "privatisation" ihany fa amin'ny endriny miafina. Tsotra ny dikan'io: Ny mpandraharaha privé (ny vahiny mantsy no tena matianina fa ny any gasy dia tsy misy ilAna azy mihitsy) no mitantana ny jiro sy rano ao madagasikara fa ny mpitondra dia mandray "pitik'afo" avy amindry zalahy fotsiny ary mifehy ny serasera (communication) hampatorIna ny vahoaka.
Raha io fanaovana delestazy io dia efa fikabe andry zalahy ahtr'izay ary amin'ny firenena maro satria io no hany ahafahany mampiroborobo ny masonkarenany satria tena sarotra no manao bizna amin'ireto sokajy stratejika sahala amin'ny angovo raha ohatra ka ny fanjakAna no mitantana azy.
Tamin'ny volaohany aho dia tsy nanaiky an'io delestazy io satria ny tsy fisian'ny jiro dia manapotika ny toekarena. Kanefa raha nodinihako tsara ilay izy ary raha nahazo fanazavAna avy tamin'ny tompon'andraikitra TIM izahay t@ fiofAnana natao anay, dia nazava fa tena ilaina ny delestazy

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
8. Koditra ( 22/06/2008 19:50)
ka noho izany dia tsara ny fisian'ny delestazy ka tsy tokony esorina mihitsy aloha raha tsy efa milamina ny tany.


Aiza ny TIC au TAC @zany? ity ny olana, ito ny vahaolana, io zany no sosokevitry mba takatry ny TIM e. soloan'ny kidoropamba tena eto @ serasera. God save filoha hajaina Ravalomanana, oéoé, moa ka tsy izany va, tsy mandohalika mandrakizay.

Dia tsy haiko fa dia aza tapenana ny vava raha te himémé nareo, ataovy mafy be fa tsy koi =)) =))
9. Marindrano ( 22/06/2008 20:59)
"Sarotra ny lalana mankany amin'ny fandrosoana..."


...ny atao no miverina.
10. nanas ( 22/06/2008 22:46)
hery:

Izaho ry zareo mbola menatra ihany hatramin'izao raha nandre an'ireny resaka delestazy ireny. Toa efa tsy dia misy resaka intsony izy amin'izao ka asa na efa voavahan'i Ravalo (filoha hajaina moa izy teo? :-D ) ny olana.

Raha sendra mbola tsy voavaha dia tokony tsy havela hangina fa ny Malagasy mantsy matetika miari-pery izay rehefa ela ny ela.

Raha sendra mbola tsy voavaha dia io no tokony hataon'ny mpitondra vaindohan-draharaha ambonin'izany resaka petrole sy fibre optique izany...

Fa mbola misy delestazy ve sa mba efa tsy misy intsony?


marina ny anao ry hery
11. kanota ( 23/06/2008 01:52)
I hery ihany no kidoropamba ary mampiseho ny fironan'ny SERASERA izany. Mazava ka azonao esorina tsirairay ireo izay mitady hanimba ny fotompisainana tianareo hovokarina eto. Dia mampamangy ry filoha hajaina hery.
12. ravatorano ( 23/06/2008 05:12)
kanota < :-D :-D :-D :-D !

hery < mbola misy ny delestazy kah na dia tsy toy ny taloha intsony aza hoe lavareny be fa mbola misy io.Any amin'ny faritany no tena ahitana azy ho mitohy,za zao vao tsy ela no tany morondava talohan'ny nandalovann'ny filoha tany iny fa dia tena misy delestazy tany nanomboka amin'ny fito hariva ka hatramin ny marainan'ny andro ! ary io dia miovaova isaky ny kartie zany hoe mandeha tour izany ny delestazy ao.
izay no hitako tany.
Ny any avaratra indray Ambanja ,Sambava,Antalaha dia misy ihany ny delestazy izay toy ny any amin'ny faritra rehetra ary io voalazan i jentikisa io no mahafehy azy: antitra ny fitaovana, ny solika ampiasaina aminy miakatra izay tsizy ary tsy arakin'ny jirama tsony izany ny fikarakarana azy ireo e !
13. tsoraka ( 23/06/2008 06:28)
Hatrao Afrika delesatazy ry manampahaizana isany a. Vao niresaka tamin'ny namana avy Nigeria koa aho ary miresaka ny olana amin'ny resaka angovo izy. Tsy i Madagasikara irery mihintsy no sahirana amin'ny resaka angovo eraky Afrika fa aza mampiresaka na hery hajaina aza. Fa efa heniky ny herin'aratra ve Madagasikara iray manontolo teo aloha. Antanambaomanampotsy, Nosibean'ala akaiky kely io aza tsy vita jiro nandritra ny fitondran'i dadatoanareo.
14. kidoropamba ( 23/06/2008 19:50)
Hisaorana an'i filoha hajaina Ravalomanana, omby maherin'ny malagasy, amin'ity fitsangatsaganana @ raopilanina ataony noho ny fanaraha-maso ankaiky ny tetik'asa voarakitra ao amin'ny MAP. Tany Nosy Be izy, raha avy tany toliara, ary hiverina any faradofay (lazain'ny mpanohitra fa tokony nadeha tany faradofay hono izy rehefa tany toliara, satria akaikikaiky kokoa fa tsy mivezivezy...tsss, fialonana e). Ny Air Force one aloha no mitondra azy amin'izany ary solika ampy tsara no ao. Hita fa tena voafehin'ny filoha hajaina mihitsy ny alafon'ny solika satria ao amin'ny prezidansa dia misy foana (izany raha fahazai-mitantAna). Tsy ny vola no olana fa ny fampiasAna azy hoy dokotera, filohan'ny tafika ary filohampirenena hajaina Ravalomanana.

Tafita Isika Malagasy (TIM)
God bless Ravalomanana ^:^
15. ratakktikk ( 23/06/2008 21:01)
Vendrana koa ry tsoraka zany a.
m'tsoratsoraka fahatany !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! otranio
inona no idiran'i Gasy @ ze olan'ny afrikanina any? Ny olan'ny gasy vahana ra mafibe.
16. penguin ( 23/06/2008 23:29)
Misongadina ny fivoahan'ny solon'anarana vaovao tsy fahita mba ahavitana ny tiana ambara. Ny zava-misy nefa dia iray no tanjona ary mifanipaka ilay fomba fanehoana azy ka mbola tsy maha-koty kil hoy ny akama.
Tsy mpitondra tenin'ny TIM velively ny kidoropamba fa fahaizana miady no ampiasany.
17. kidoropamba ( 24/06/2008 08:49)
Moramora ianao ry peguin. Efa nolazaiko teto: raha tsy mahaloa kotizasion dia aza be vava eto. Tsy misy TIM izany raha tsy mahaloa kotizasion.
Nareo mbamindry ranjivason hoa efa rakatra ny fikanareo. Ndana any @ Matsilo any fa aza mialokaloka amin'ny TIM ato.

Deraina anie ny filoha hajaina Ravalomanana

God bless Ravalomanana ^:^
18. tsimati ( 24/06/2008 09:08)
Virtoaly ve ry vakonian an ? =)) =)) =))
19. kidoropamba ( 24/06/2008 11:51)
Voatendry indray ny PDS any Nosy be. Misaotra an'i Filoha hajaina manokana moa izahay satria efa ela no nandrasanay PDS ato Nosy be, ilay nosy manitra be.
Nihaino ny feonay izy ka tanteraka ny fanirianay. Na dia mitAtatata aza ny mpanohitra fa hoe tsy natao ny fifidianana Maire tao nosy be na koa hoe tokony olomboafidy fa tsy olona tendrena no eo amin'ny toeran'ny PDS, tsotra ny anay: Olona hiasa, hiasa tsara ary hiasa mafy no napetrak'i filoha hajaina eo ka mahafaly tanteraka ny vahoaka malagasy indrindra fa ny vahoakan'ny Nosy be.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
20. penguin ( 24/06/2008 13:05)
Roa volana rahabe indrindra dia mahazo herin'aratra daholo i Madagasikara raha manaraka ny hevitry ny mpanohatra ka harao izy fa hiadana i Madagasikara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0713