Kidoropamba = Jeankely
1. Marindrano
(
19/06/2008 21:21)
Tsy adala ny Malagasy. Mandinika izy. Na dia tsy nandalo sekoly aza. Avelany ianao hanaram-po androany. Hanao izay tianao atao, hiteny izay tianao tenenina ary hotsarain'izany rahampitso. Izay ilay antsoiny hoe Tody. "Manody ny atao"
Kidoropamba ihany i Jeankely. Na dia miezaka ny nanova fomba fanehoan-kevitra sy mametraka rangopohy isaky ny faran'ny teny soratana aza. Mbola hita taratra sy tsy miala eny ihany ny foto-kevitra sy ny toe-toetra maha- Jeankely azy.
Betsaka ny zavatra azo hanaporofoina izany saingy tsy tsara raha tanisaina eto satria tsy maintsy hanova an'ireny pitsopitsony kely tsy voatandriny ireny i Jeankely ka mety hanahirana ny mpamakafaka adihevitra.
Tsarovy fa tsy vitsy ireo mpianatra malagasy (an-toerana sy ivelany) no manovo hevitra eto satria mino izy ireo fa olona ambony sy avara-pianarana no maneho hevitra eto. Ny vahiny sy ireo olona sendra mandalo koa dia mitaratra ny fomba fihevitry ny Malagasy sy ny haavon'ny fisainanay eto ka mitsara avy hatrany izay zavatra voarakitra eto. Ao ny mandinika ny fomba fanoratra ny teny Malagasy sy ny kolon-tsainy eto.
Koa lanjalanjao ny hevitra havoaka, tsakotsakoy ny teny hosoratana, ary saino ny fironana tokony arahina. "Ny fo ranomafana".
...ny atao no miverina.

répondu par penguin le 23/06/2008 23:47
2. LazaDaddy
(
19/06/2008 22:13)
Marindrano:Ny ahy indray mifanohitra amin'izay =)) manketo aho rehefa te hihomehy satria eto no ahitako ny fahadalan'ny olona isan-karazany.
Tsarovy fa tsy vitsy ireo mpianatra malagasy (an-toerana sy ivelany) no manovo hevitra eto satria mino izy ireo fa olona ambony sy avara-pianarana no maneho hevitra eto.
3. naughtyboy
(
19/06/2008 23:12)
full of shiiiit my friend tsy ny fihomezanla nge no ampihato ny adalany sasany fa ny fahendrenla no ampangina ny hadalana njainjay :°) :°) :°)
4. kanota
(
20/06/2008 01:38)
Izaho kanota no voalaza fa Jeankely voalohany. Tsy hanamarina na handiso aho fa tsy maintsy hitranga ihany. Ny azoko lazaina kosa dia tsy hety ho kiropamba na sesikidoro mihintsy i kanota. Hita ary misongadina fa na i Hery sefon'ny SERASERA aza dia nametraka fanontaniana ny hoe fa inona ny diplaoman'ny Filoha ra8manana. Hamarino koa izay raha diso. NOho ny fironan'ny serasera any amin'ny tsy fankatoavana ny Fitondrana Malagasy dia mitady ny hevitra rehetra ny ato anatiny satria leo. Nesorina i Jeankely satria mitifitra mivantana izay manohitra ary tsy miala mihintsy araka ny voalazan'ny namana izay mbola lazaina fa izy ihany koa. Avy eo miditra sy mamorona solon'anarana hafa mba hanasoketana tanteraka ny Fitondrana. Tiana haseho indray fa olona mitapy manao fanohanan'adla tsy mihevitra ny mpanohana ny fitondrana. JEREO NY FOTOANA NIDIRAN'IREO REHETRA IREO HO MPIKAMBANA DIA HO HITA IZAY VAO NIDITRA HANAKOROTANA.
Tsy voanao amin'izany izahay aloha.
Tsy voanao amin'izany izahay aloha.
5. patrick2002
(
20/06/2008 01:52)
jeankely=kanota=penguin=kidoropamba izy ihany reo ,dia mody mifamaly miteny rery eo ,tena efa lasa adala ty jeankely ,very ny mahaolona manana feon'ny fieritreretana azy,
Tanjony ny hanapotehana tanteraka ny forum eto @ serasera, vao maika niombo ny adalany satria nosakanany mpiandraikitra ao @ serasera izy .
Tena efa ataon'ny fitadiavana mivaha ity vehivavy ity, raha ireto ny manam-pahaizana ambony @ informatique sur izaho fa efa potiky ny virus sy ny decripter ny hafatra rehetra tato ity jeankely ity.
Ny tanjona amin'izany dia mba ny hitiavanao azy zay no ilainy ianao ,manaiky azy sy mandoka azy hoe MARINA NY AN'i JEANKELY =D> =D>

6. kanota
(
20/06/2008 02:00)
Izay hifanarahanareo any fa aza adino ny mijery ny dikan'ny hoe voaharaka akaiky an.
7. Marindrano
(
20/06/2008 09:44)
Malalaka ny tsirairay haneho ny hadalany, ny redirediny na ny fahendreny eto. Izy ihany no hotsarain'ireny any aoriana.
Amin'ny maha-mpiandraikitra azy, dia tsy tokony hifandramatra amin'ny mpaneho hevitra eto i Hery ( Hita taratra amin'ny solon'anarana isan-karazany izay tsy ambara...). Satria isan'ny antony anankiray mahatonga mpiserasera sasany tsy hanaja ny fitsipika apetraka eto izany. Mety aminy raha maka ny toeran'ny mpamakafaka adi-hevitra izy.
Eto koa no asahian'ny sasany maneho ny ao am-pony sy ny tena eritreriny izay tsy sahiny tenenina sy havoaka rehafa tena miseho vatana eny amin'ny vahoaka izy.
Tsy ny fanaratsiana na fandokafana olona iray no hahitanao voka-tsoa ho an'ny fiainanao na ny fiainan'ny vahoaka, fa ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny. "Aza ny lohasaha mangina no jerena" - "Aza ny solon'anarana hiafenana no hianteherana, f'efa mandroso ny haitao"

8. Marindrano
(
20/06/2008 10:14)
Na misy fitsipika mifehy aza ny fanehoan-kevitra, dia afaka manoratra ny tora-pony sy ny tena eritreriny eto ny rehetra. Dia izay zavatra tsy sahiny havoaka sy tenenina mivantana eny am-pahibemaso, na sahiny fa tsy nisy fomba nafahany nanao izany.
--------------------------------------
Amin'ny maha-piandraikitra azy dia tsy tsara amin i Hery ny mifandramatra amin'ny mpaneho hevitra eto. Satria isan'ny antony iray mahatonga ny mpiserasera sasany tsy hanaja ny fitsipka eto izany. Mety aminy ny maka ny toeran'ny mpamakafaka adihevitra.
---------------------------------------
Tsy ny fanaratsina na fandokafana olona no miteraka vokatsoa ho an'ny fiainan'izay manao izany, na ny fiainan'ny vahoaka fa ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny hatrany.
"Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa ny atao". Aza ny Solon'anarana hiafenana no hianteherana fa ny mety vokatry teny tsy voahevitra sy ny safidy na fironana be fahatany.

9. kidoropamba
(
20/06/2008 11:30)
Tsy be zesta zahay fa tena marina ny filazana fa maro ny manampahaizana ao amin'ny antokonay TIM. PhD be dia be, dokotera aman'arivony, ekonomista, sosiology, agironômy sy ny sisa.
Ka io ange ny filoha hajaina ihany no harahinay e . Ce qui ressemble s'assemble hoy ny teny baiko. Manana honoris causa anankiroa be izao ny filoha hajaina ary izy no manana an'io diplaoma io be indrindra eran-tany satria ny an'i MUGABE dia vao nesorin'ny oniversité any zamerika, ka lasa ny filoha hajaina, marani-tsaina, fotsy sady bôgôsy, Ravalomanana no manana honoris causa betsaka indrindra eran-tany.
Reharehantsika io. Faly izay ny razabe antsika fa tafiditra ao anatin'ny ekipa be diplaoma erantany ny zanany iray, dia ny filoha hajaina izany.
Tohizo ny lalantsika
God bless and save Ravalomanana^:^

10. tsoraka
(
20/06/2008 12:41)
Mba omeo ary hoe ny an'i Kidoro sao tselaran'ny olona afokasoka ka ho may ty sesika mainabe ty. :-D :-D :-D
11. kidoropamba
(
20/06/2008 13:38)
Ho tonga atsy ho atsy ny manampaizana ao amin'ny firenena mikambana(ONU) handinika ny code electoral satria tsy dia maro loatra ny malagasy mahay manatsara an'io; ho tonga koa ny injeniera amerikana hikirakira ny fambolena sy ny ranch. Ho tonga koa ny mpandraharaha kanadiana hanome tosika antsika amin'ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany. Ireo filipianina moa tsy lazaina instony satria ho tonga hampianatra antsika malagasy ny amin'izany hoe hady lavaka moderna izany.
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
12. Marindrano
(
20/06/2008 17:19)
Na dia efa miezaka fatratra aza ny hanova fomba fanehoan-kevitra dia mbola hita ihany ilay maha-Jeankely. Ohatra \"zamerika\", \"PhD\", sns....
-----------------------------
Noho ny tsy fahampian\'ny fahendrena sy ny fanabeazana avy amin\'ny ray aman-dreny dia lasa votsa saina ny zanaky ny tandrefana sy ny firenena mandroso. Hany ka tsy maintsy hianarana any an-tsekoly avokoa ny zavatra rehetra, na hatramin\'izay heverina ho tsotra indrindra aza.
Miova ny tontolo. Raha mbola harena ankibon\'ny tany sy akora fanodina ary vokatry ny fiompiana sy jono hatrany no ianteheran\'ny firenena iray mba hampiroboroboana ny toe-kareny dia mbola mijanona ho borizanon\'ny firenena mandroso sy manana orinasa matanjaka izy.
Tsy ny fanafarana vahiny(olona) velivelivy no fanafana(fanafody) hampiroborobo haingana sy maharitra ny toekaren\'ny firenena iray fa ny firaisan-tsain\'ny olona ao aminy (vahoaka, mpitondra, mpanohitra), ka ny tombotsoam-pirenena hatrany no laharam-pahamehana fa tsy ny resaka tsy fitoviana na fankahalana na loko ...
\"Masina ny tanindrazana...\"

13. kidoropamba
(
20/06/2008 19:02)
Masina ny Tanindrazana hoy ianao. "Mamy" kosa hoy izahay. Ary Mamy ny tanindrazana hoy ny filoha hajaina Ravalomanana ka hiantsoany namana mena sofina hiaraka handrana kely izany ahamamin'ny tanindrazana izany. Ary samy vaky vava ry zareo fa tena mamy tokoa (fa tsy masina).
Ny tombotsoam-pirenena ange no mampitsangana an'i filoha hajaina, manampahaizana sy manatsaina ambonin'ny rehetra, Ravalomanana e. Tombotsoam-pirenena no hitrosany vola ampolony miliara de dolara zamerika satria vola entina hampiroboroboana ny toekarena io. Tombotsoam-pirenena no mahatonga azy voatery mangorona fahefana sao lahy dia lasa any amin'ny ratsy fanahy ny fahefana. Tombotsoam-pirenena no mahatonga azy mihazakazaka miaraka amin'ny fianianana miramila mamonjy traboina amin'ny sikilaonina. Tombotsoampirenena no mahatonga azy mifoha maraina miaraka amin'ny lamban'ny dokotera honoris causa manome voninahitra ireo dokoteram-biby. Tombotsoampirenena no mahatonga azy mitsangatsangana matetika amin'ny raopilanina any ivelany ka mamangy ireo filohampirenena any amin'ny tany matanjaka. sy ny sisa.
Ny tombotsoampirenena foana no nanosika ny filoha hajaina, zafihafin'ny andriamasinavalona, fotsy no sady bôgôdy, mpanana no sady fohifohy, Ravalomanana Marc, hiasa, hiasa tsara, hiasa mafy.
Ka hisaoran'ny malagasy ny filoha hajaina fa sahy nanafatra vahiny hampivoatra ity firenena mitsipozipozy tamin'ny 2002 ity.
Tohizo ny lalantsika
God bless and save Ravalomanana. ^:^

14. Marindrano
(
20/06/2008 19:33)
Ny tombotsoam-pirenena dia katsahina amin'ny rariny sy hitsiny. Fa tsy sanatria amin'ny fangoronam-pahefana na ny fanangonana izay tsara sy soa rehetra ho an'olon-tokana na olom-bitsy.
Raha mbola misy maro an'isa mitaraina dia mbola misy tsy rariny mianjady.
Ny Hasina sy Satan'ny firenena anankiray dia saro-pady tokoa ka ny mpaniratsira sy ny tsy tia tanindrazana ihany no sahy manitsakitsaka azy.
Raiketin'ny tantara avokoa izay atao rehetra na ny tsara na ny ratsy. Ny tantara koa dia mbola hitsara tsy hiangatra izay voarakiny momba ny nataon'ny tsirairay.

15. penguin
(
21/06/2008 06:22)
Tena hainao ve ny dikan'ilay Marindrano ? Tsy ny anarana no mitondra inona fa ny atiny. Ianao dia efa manomboka miseho ho kalaza ka hanarina na ny sefon'ny serasera na ny mpiserasera. raha Jeankely daholo izao mitranga rehatra izao dia ianao no anisany dodom voalohany satria tsy mety hizara toerana ny olona iray ka ny lohany ary ny vatany atsy ary ny kiboy any ho any. Ity Marindrano ity koa tsy mbola fahita firy noho izany tsy hay koa raha ity no tena Jeankely =)) =)) =))
16. Marindrano
(
21/06/2008 08:58)
Teny malagasy madiorano tsy misy fangarony ny teny hoe "Marindrano". Hain'ny malagasy izay mbola mandala ny tenin-drazany ny heviny sy ny dikany.
Kidoropamba=Jeankely, izay ihany ny fanambarana sy fanamarihana napetraky i Marindrano. Ny ankoatr'izay dia tsy azy.
Raha tsy diso i Marindrano dia afaka manana solon'anarana mihoatra ny iray ny mpiserasera rehetra raha tiany izany. Ohatra i Hery (mpiandraikitra).
Tsy misy tongalafatra, na dia i Marindrano aza. Mba maneho ny heviny toy ny mpiserasera rehetra izy.
Tsy misy tapi-pahaizana fa fianarana foana ny fiainana. "Mianara amin'ny fahadisoanao fahiny" - "Ianaro izay hitanao fa tsara ataon'ny hafa"

17. betsi2
(
21/06/2008 13:02)
patrick2002:
jeankely=kanota=penguin=kidoropamba izy ihany reo ,dia mody mifamaly miteny rery eo ,tena efa lasa adala ty jeankely ,very ny mahaolona manana feon'ny fieritreretana azy,
Tanjony ny hanapotehana tanteraka ny forum eto @ serasera, vao maika niombo ny adalany satria nosakanany mpiandraikitra ao @ serasera izy .
Tena efa ataon'ny fitadiavana mivaha ity vehivavy ity, raha ireto ny manam-pahaizana ambony @ informatique sur izaho fa efa potiky ny virus sy ny decripter ny hafatra rehetra tato ity jeankely ity.
Ny tanjona amin'izany dia mba ny hitiavanao azy zay no ilainy ianao ,manaiky azy sy mandoka azy hoe MARINA NY AN'i JEANKELY =D> =D>
fa nahoana moa no ataonareo fa anapoteahny ity forum ity hevitra olona vitsy vé avita amigana ny hevitra ny maro izay tsy mifanohitra @ny, nahoana no tsy avoaka ny porofo ny maha iray any jeankely-kanota-penguin sns.. any fa insinuation tsy mety ho vita ny heto il se peut seulement fa mitovy fijery vé déaravona ho 1 fotsin tsotra izao porofohy fa mitombona izao lazainareo , ka manina koa moa raha atao hoe betsi2 hiany koa i jeankely satria mba miaro ny maha mpikambanana anì jeankaly
:*
18. Marindrano
(
21/06/2008 18:15)
Aza adino fa "ny singam-bolo mahalavo ny vositra"
Na izany aza anefa dia tsy tsara ny mamingana ny hafa. Ny manarina aza raha sendra lavo, manitsy azy raha misy tsy mety ataony, izay no rariny.
Tokana ny fanamarihan'i Marindrano hatreto Jeankely=Kidoropamba. Ianareo mpiandraikitra dia mahafantatra izany, fa tsy mila porofoina akory.
Ilaina mandrakariva ny fisian'ny sehatra afahana mifanakalo hevitra. Ny tsy fisian'izany no miteraka korontana sy disadisa matetika.

19. kidoropamba
(
22/06/2008 17:42)
Mangataka amin'ny tomponandraikitra aho mba hanala an'ity marindrano ity eto amin'ny serasera fa raha mitohy izao dia ho maro ny mpisera hiova hevitra ka mety hanaraka ny azy ka ho lasa hanohitra be fahatany ny filohampirenena hajaina Ravalomanana.
Raha hitanareo dia sahala amin'ny sekta ireny ity marindrano ity miresaka: manafosafo loha, manome tantely amin'izay dia rototra mankany daholo ny mpisera rehetra. Tsy adino koa anefa ny menasy ataony (...ny atao no miverina.).
Heveriko, amin'ny fo tsy miangatra fa toetsaina sekta (embrigadement) ity ataon'ny marindrano eto ity ka mety ho loza hoan'ny mpisera.
Fangatahana moa ny ahy fa hoanareo mpandridra no tompon-teny farany.
Tadidio fotsiny fa tena ratsy dia ratsy ny stratejia-na sekta.

20. Marindrano
(
22/06/2008 18:49)
Mbola tsy niresaka fivavahana teto i Marindrano, ary tsy mitaona olona hanaraka ny heviny velively fa miezaka maneho hevitra mifanaraka amin\'ny kolon-tsaina malagasy.
Tsy nampihorohoro na nandrahona olona ny Ntaolo malagasy raha nilaza hoe \"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina\".
Ny fitsarana hoe mampihorohoro i Marindrano dia mitovy amin\'ny filazana koa fa mpampihorohoro ny Ntaolo sy ny Razamben\'ny malagasy.
Mbola tsy nanaratsy olona na fitondrana -na- nanatsara olona na fitondrana i Marindrano tao anatin\'ny fanehoan-kevitra nosoratany teto.
Raha ny fomba fanehoan-kevitr\'i Marindrano no manohina olona iray dia tsara na misy lanjany izay ny dikany. Tsy mety ho voasarika amin\'ny hevi-dratsy velively olona rehetra izay mieritreritra.