Mpitondra azo Ompaina, haratsiana fa ny manompa hajaina ve?
1. Jeankely
(
08/06/2008 03:11)
Ao ny milaza hoe tsy mety ny ataon'ny mpitondra ary milaza izay ara-dalana. Ataoko fa rariny izany ary fitiavana ny tanindrazana ny fanehoana ny tsy mety. Ny sasany kosa avy dia manambanimbany ny mpitondra ary manakilasy ny mpitondra izay voafidin'ny vahoaka sahalan'ny tsisy dikany. Lazaina daholo izay tiana hambara tsisy fepetra. Mba olombelona koa ny mihaino na mamaky ary mba manana ny valiny alefany. Ny mahagaga anefa dia mitaraina indray ireo mpanompa raha mba voaompa na mahazo ny tsy zakan'ny sainy. Fa Andriamanitra angaha nareo no andeha ila izy ity ? Mamely ianao dia mba mamely koa ny sasany ary izay resy tosika hitan'ny vahoaka ihany hoe iza no tena mpampiresaka.
Ny mpitondra azo atao hoe tsy nianatra fa ianao milaza marary andoha raha atao vendrana. Mampiomehy ihany. Rehefa tsy mahatanty mba hevero koa ny ataonao. Ny mMpitondra tsy manana fotoana hamaly fa izay manankevitra afaka maneho ny azy koa.

répondu par Jeankely le 12/06/2008 00:08
2. kanota
(
08/06/2008 03:21)
Ah io indray raha manompa na manaratsy nefa tsy voafafa dia azo atao izany ny manompa sy manaratsy azy koa. Noho izany ompay koa. Raha mitady hanapaka, vao miainga dia tapaho. Hifanaovana io. Izay no naha-kanota ny kanota. JK koa asiako kanota raha mitapy :-D :-D :-D
3. Jeankely
(
08/06/2008 04:55)
Mazava ho azy fa miporitsika ny azon'ny kanotanao ka izay tratra ao izany. Aiza va re ko ampianatra ny mpitondra ny sasany nefa mbola ao andakilasy. Izay lesona hitany sy ampianarin'ny mpampianatra azy dia ny mpitondra Malagasy no petahany voalohany. Tsy hainy fa hafa ny lesona ary hafa ny mirotsaka manao. Asaina mirotsaka indray izy andraso aloha fa mbola afaka 20 taona hoy ry badboy. Dia ahoana izany tsy hiasa ny olona fa hiandry anao sy ny fanadihadianao. Ny sasany indray mivadika xxx rehefa hamely mafy. Izay voanao eo asio. Ny sarety lasa ihany fa ny tohiny anao. =)) =)) =))
4. rahiratra
(
08/06/2008 11:34)
Tsisy asa avy dia vita izany ry leiry a. Mahantra lasa mpanana daholo tsy vita izany fa ny asa tsy maintsy tohizana. Izay zatra mampanonofy na ao anaty fitondrana na mpanohatra dia samy tsy mety ary omena ny anjarany. Ny manimba saimbahoaka kosa aloha dia izaho koa mba tsy mankasitraka. Aleo hifampitady eto. Tsy sahiny sady tsy tiany hidirana koa ny hevitr'ialahy.
5. Jeankely
(
08/06/2008 13:47)
Aleo ny samy mpihinamparaky ihany no mifanaraka any ambadika rehefa tsy zakany ny aty e. :-D :-D :-D
6. Annie2006
(
08/06/2008 14:43)
Tena ratsy ny ompa. Kanefa raha misy filoham-pirenena be lainga sy mivarotra tanindrazan amain'ny vahiny no sady mandroba ny harempirenena ary mangala-bato amin'ny fifidianana, dia mpitondra tsy mendrika haja, satria tsy manaj a tena.
rariny loatra raha ompa sisa ny hany vitan'ny vahoaka malagasy satria fehezina izy ao anatin'ny didiy jadona.
"Tsy raharahako izay hevitry ny vahoaka; izay mahaso azy no ataoko fa tsy izay mahafaly azy". Io aloha NY OMPA LEHIBE INDRINDRA nataon'ny mpitondra ny vahoaka malagasy. Ary tsy azo kosehina amin'ny tantaran'ny malagasy

7. Jeankely
(
08/06/2008 15:28)
Arabaina tongasoa. Aiza ny ompa amin'izany hoe "izay mahaso azy no ataoko fa tsy izay mahafaly azy". Ho anay dia izany no tena izy.
Mazava fa tsy raisina toy ny zaza akory ny vahoaka saingy misy ny miborioka ary mendrika azy ny fanasaziana sy famaizana. Ny olon-dehibe tsy mila hatoro hoe inona no mahasoa saingy resaka firenena ity. Ny olona zarina toloram-potsony mamono ano ny farany ary hita izany fa na i Pedro aza nisy namely.
Ny olona mangalatra kosa dia rariny raha petahanao. Maninona no tsy homena ny tarehimarika, ny toerana, ny andro nangalarany. Ataoko fa manaraka anao daholo ny vahoaka raha toa ka tarehimarika ara-dalana no havoakanao. Ny milaza hoe iry tahaka izao ambava fotsiny tsy ampy amiko. Ary tsy manaraka anao amin'ny zavatra tsisy porofo raha tsy ny olona marary saina angaha.

8. euh
(
08/06/2008 16:34)
razanety = sefo ny panakiana be tsikera
oshy awé le rafotsybe tongalafatra sy tia namana ééééééééé

9. Koditra
(
08/06/2008 19:42)
Mialatsiny @ jeankely, nahita ilay lohahevitra dia tsy maharitra fa manontany ihany.
Aza afangaro ny hoe ompa sy ny tsikera. Raha efa nisy nanompa reny an'ny mpitondra teto @serasera, sanatrian'izany na mitovy2 @zany, dia lazao hoe iza fa hotorahitsika @ siligaoma.
Ny filazana tsikera, tsy tokony ho olana izany, ôtran'ny jeankely mitsikera ny mpitondra teo aloha ihany io.
Averiko ihany, aza afangaro ny ompa sy ny tsikera, ny dikan'ny hoe tsikera dia filazana ny zavatra tsy mety, hevitra io, afaka mamaly sy manazava soamantsara izay mahita fa tsy mitombina ilay tsikera.
Zay ihany.

10. Jeankely
(
09/06/2008 00:46)
Asa na tsy mamaky tsara ny zavatra voalazako ary nataoko matevina mihintsy aza ilay soratra ka averiko sao tsy nipetraka ny solomasonao. Ity nosoratako vao nanokatra ny loha-hevitra:"....Ataoko fa rariny izany ary fitiavana ny tanindrazana ny fanehoana ny tsy mety." Vakio tsara fa tsy milaza hoe tsy asiana tsikera no dikan'izany.
Tena hafa ny ompa sy tsikera. Misy manompa eto ary io navalin'i Annie2006 io manamafy azy hoe "...rariny loatra raha ompa sisa". Vakio tsara fa aza mirafarafa fahatany. Ary apetaho ilay solomaso fa sahalan'ny mandingana ka tsy mety fa manjary manova hevitra.
Ny tiako ambara dia azo tsikeraina ny Mpitondra ary ny manompa koa azo ompaina sy tsikeraina fa tsy mandeha ila.

11. Annie2006
(
09/06/2008 11:54)
Sarotra ihany, na dia manana fo tony sy fitiavan-tanindrazana ianao, ny tsy hamaly izay ompa variraraka asesy hoanao.
Tsy hananana havana ny raharahampirenena hoy ingahy iray izay.
Ompa goavana be mihitsy ny filazana fa "tsy raharahako izay hevitry ny vahoaka fa izay ahasoa azy fa tsy izay ahafaly azy no tadiaviko" satria:
- Midika izany io olona miteny io fa IZY no manantsaina lavitra toy izay ny vahoaka
- Midika izany fa io olona miteny io dia TSY misolo ny hevitry ny vahoaka ary mandrafitra sy manatanteraka ny hevitry ny vahoaka fa izay masaka ao antsainy ihany. Kanefa ny filohampirenena dia tsy natao hanao izay saimpatany fa kosa hametraka ny hetahetam-bahoaka mba ahasoa ny vahoaka. Ka raha "tsy izay tian'ny vahoaka no heverin'ity rangahy ity fa ny ahasoa an'i vahoaka" dia midika izany fa te hanabotry vahoaka izy satria MIHEVITENA fa MARANITSAINA lavitra toy izay ny vahoaka izay nifidy azy. OMPA izany amin'ny vahoaka satria nivadika ny rasa.
Masimandidy ny vahoaka ao anatin'ny lalampanorenena. Ny filazana fa TSY HAIN'NY VAHOAKA NY MAHASOA AZY fa ingahy rainy ihany no tena maranitsaina mihoatr'ireo vahoaka masimandidy ireo ka manao izay saimpatany, dia amiko, TENA OMPA MAHATSIRAVINA mihitsy.
Ary mihevitra izany ity olona ity fa ny détaxation, amnistie fiscale, delestage, hala-bato, famoretana ny mpianatra, ny fivarotana tanindrazana sy ny fandrobana harena hoazy sy hoan'ny ekipa vozongo dia MAHASOA VAHOAKA???????
OMPA anankiroa be izao no mifono io fehezan-teny io: Ao ilay OMPA mihevitra fa gisa ary tena gisa ny malagasy ka tsy mahalala mihitsy izay mahasoa azy; ary ao koa ny OMPA izay mihevitra fa tena DONDRONA ity vahoaka ka mendrika ilazana an'io OMPA io.
Izay ny ahy, aru aleo potseriko ny voamasony.

12. Jeankely
(
09/06/2008 12:06)
Resabe koa ny anao aloha. Efa manaraka moa ny sasany ka hanamafy ihany ny namanao mpanarakefa avy eo. Voalaza fa matin-trosa ny Malagasy ary ireo mpanome trosa tsy ny hevitrao ihany no ahazoana vola entina miasa fa manana fepetra izy ary mifanaraka amin'ny mahasoa ny vahoaka no fahitany azy. Anjaranao sy ny firenenao na hiditra sy hanaraka fepetra na mitady lalana hafa. Hatramin'izao nefa dia tsy mahita lalana hafa noho izany mandray ny tolo-kevitra aroson'ny mpamatsy vola. Koa nanonina no misy mpanolontsaina, PM, Ministra, SG, DG sns fa tsy avy dia nataony irery ?
Dondrona izany ve ny Miaramila sy ny manampahaizana rehetra io manaraka izay tapaky ny Governemanta sa tokony hiandry an'i Annie2006 Madagasikara ?
Matao resy ny Malagasy tamin'ny fanjanahantany dia hery tsy mitovy hoy ny filaza tsotsotra. Ka matoa olona iray no mibaiko dia DONDRONA DAHOLO IZANY NY REHETRA. Ka anontanio ny rehetra raha manaiky izany hoe feon'olontokana izany.

13. Annie2006
(
09/06/2008 12:26)
Tsy vitany hoe misy lalana hafa, fa indrindra koa ny trosa azo hatramin'ny 2005 dia efa nahafahana nampivoatra impolo avo heny ny toekarena sy ny farimpiainan'ny malagasy. tadidio fa mitovy amin'ny trosa azo tao anatin'ny 20 taona no azon'ity fitondrana ity noho ny ezaka maro ary namoizana aina tao anatin'ny taona maromaro, ity IPPTE ity.
Aiza ho aiza ary izao?
Raha ny fepetra hanomezan'ireo mpamtsy vola ny firenena iray indray dia mazava be. Raha ny tanindrazana no ataonao debaka na hypothèque dia mazava ho azy fa hampitrosainy enao satria io trosa omeny anao io dia ampahany aman'alina na aman'etsin'ny harena izay ao ankibon'ny tanin'ny madagasikara. Fantany koa fa tsy mbola nahita mpitondra kamo sahala amin'ity izy ka vao maika faly be ny mpamatsy vola satria nomen'ny fitondrana malagasy ny vahiny sy ireo mpamtsy vola antanana mihitsy ny fitondrana ny firenena. Io no mahatonga anao milaza ary vaky vava fa hoe "tsy misy lalana hafa" intsony. odoyé. Mampalahelo raha izany e.
Raha mihevitra kosa enao fa DONDRONA NY VAHOAKA matoa tsy mihetsika ny tafika na manaraka ambokony ny mpanao lalàna, diso be izany. Tsy kilalaonjaza io fitondrana io ka ny fanampahankevitra sadasada sy tsy voahevitra dia mitarika loza ratsy indrindra hoan'ny vahoaka (ohatra detaxation, amnistie fiscale, varotra tanindrazana...) ka aza maika rakoto sa rajean fa tsy hijanona eo mandrakizay ity fanjakanareo manabotry vahoaka ity. Ary raha mitohy ihany ny fiheveranao fa dondrona IO vahoaka io ka azonao ompaina sy lantsalantsaina dia anao izany fa ho hitanao eo ny tohiny.
Mivavaha mafy(ary omano ny taratasy vazaha mba handosirana) mba tsy hoan'isan'ireo ho tsaraina ianao amin'io andro io.

14. Jeankely
(
09/06/2008 12:46)
Sao ataoko adala ka tezitra hoy ny Ntaolo. Taiza i JK no nifandona tamin'ny vahoaka Malagasy. Ianao taranaky ny avy namely mafy ny Malagasy no mila misaina. Tsy ny Malagasy rehetra no afaka nandositra fa nisy ny tratra tao na nilefa aza ary nampalehelo tokoa ny sasany efa anti-dahy nefa niafina kanjo hita ihany. Ny be hatoka tsy azo fa vaomainka aza malaza. :-D :-D :-D . Koa iza no tsarainao ny vahoaka rehetra izay nifidy ireo mpitondra ireo, sa ny TIM, sa iza fa toa miteniteny foana ity izy.
15. Annie2006
(
09/06/2008 12:58)
F'angaha lasa tsy nahay tampoka ny resaky ny olona indray ingahy JK? :-D :-D :-D
16. xxx
(
09/06/2008 13:18)
Annie2006:
Sarotra ihany, na dia manana fo tony sy fitiavan-tanindrazana ianao, ny tsy hamaly izay ompa variraraka asesy hoanao.
Tsy hananana havana ny raharahampirenena hoy ingahy iray izay.
Ompa goavana be mihitsy ny filazana fa "tsy raharahako izay hevitry ny vahoaka fa izay ahasoa azy fa tsy izay ahafaly azy no tadiaviko" satria:
- Midika izany io olona miteny io fa IZY no manantsaina lavitra toy izay ny vahoaka
- Midika izany fa io olona miteny io dia TSY misolo ny hevitry ny vahoaka ary mandrafitra sy manatanteraka ny hevitry ny vahoaka fa izay masaka ao antsainy ihany. Kanefa ny filohampirenena dia tsy natao hanao izay saimpatany fa kosa hametraka ny hetahetam-bahoaka mba ahasoa ny vahoaka. Ka raha "tsy izay tian'ny vahoaka no heverin'ity rangahy ity fa ny ahasoa an'i vahoaka" dia midika izany fa te hanabotry vahoaka izy satria MIHEVITENA fa MARANITSAINA lavitra toy izay ny vahoaka izay nifidy azy. OMPA izany amin'ny vahoaka satria nivadika ny rasa.
Masimandidy ny vahoaka ao anatin'ny lalampanorenena. Ny filazana fa TSY HAIN'NY VAHOAKA NY MAHASOA AZY fa ingahy rainy ihany no tena maranitsaina mihoatr'ireo vahoaka masimandidy ireo ka manao izay saimpatany, dia amiko, TENA OMPA MAHATSIRAVINA mihitsy.
Ary mihevitra izany ity olona ity fa ny détaxation, amnistie fiscale, delestage, hala-bato, famoretana ny mpianatra, ny fivarotana tanindrazana sy ny fandrobana harena hoazy sy hoan'ny ekipa vozongo dia MAHASOA VAHOAKA???????
OMPA anankiroa be izao no mifono io fehezan-teny io: Ao ilay OMPA mihevitra fa gisa ary tena gisa ny malagasy ka tsy mahalala mihitsy izay mahasoa azy; ary ao koa ny OMPA izay mihevitra fa tena DONDRONA ity vahoaka ka mendrika ilazana an'io OMPA io.
Izay ny ahy, aru aleo potseriko ny voamasony.
Midika izany, midika izany…! Fandraisanao azy izany ary tsy hanomezantsiny anao fa io ny foto-pisainana ihany no mampilaza ny dikan’ny zava-miseho.
Amiko (ary amin’olon-kafa mety mbola zavatra hafa koa) dia tsy milaza velively izy hoe izy no manantsaina fa izy no voafidy hiasa hanao izay hampandrosoana ny firenena koa dia anjarany ny mieritreritra izay tokony atao. Fa ianao ve raha ianao no filoha dia hiandry izay lazain’ny olona foana ianao ? raha izany mantsy no tokony ho izy dia samy milaza ny hetahetany eo dia izay adala indrindra no atao filoha !
Amiko ny filoha dia ohatran’ny ray aman-dreny ka tsy izay sitrapon-janany rehetra ity dia ho tanterahina daholo. Izay mahasoa azy, ny ray amandreny no mahafantatra. Tsy midika izany fa manambany ny zanany izy na manambony ny tenany. Izany no atao hoe fitaizana ! mety misy ny lesoka fa raha zaza tsara taiza dia ny tsara no betsaka.
Ny malagasy rehetra ve aminao dia manana capacité sy moyen hieritreretana izay mahasoa ny vahoaka rehetra ? tsy milaza akory izany fa dondrona ny malagasy fa zavatra normal izany. Mba omeo ohatra amin’ilay tian’ny vahoaka ? omena vola 1 million tsirairay isambolana tsy miala ao antrano ? Amiko dia ilay resabe eny an-dàlana no lazainy amin’ny hoe “hevitry ny vahoaka” fa tsy ilay hevitry ny vahoaka hateriny any amin’ny depiote, raha manao izany aza izy…! Mbola tsy tonga amin’izany akory ny malagasy satria tsy nampianarina izany.
Amiko dia ny lalàna isan-karazany mivoaka dia mahasoa izay rehetra efa vonona fa tsy izay taitaim-baombina rehetra ity. Ny délestage dia tsy avy amin-dRavalomanana en personne amiko fa misy fifangaroan-javatra sy olona maro. Ny famoretana ny mpianatra dia tsy haiko loatra ny tianao lazaina fa ny fantatro dia ny opérations ahalasa olom-banona ny tanora aza no hitako ataony. Fivarotana tanindrazana hoe ? manao izay azony hatao izy hijanonan’ny zavatra ho an’ny malagasy, lazaina fa mangoron-karena; mitondra investisseurs izy lazaina fa mivarotra tanindrazana !!! mba inona no ataon’ireo malagasy manankarena hafa ?
Fa miverina amin’ny lohahevitra naroso aho : ny fanompana filoham-pirenena dia toa ny fanompana ray aman-dreny ihany amiko. Ary ny malagasy dia mba ohatran’ny manaja ray aman-dreny ihany, nanaja ireo filoha teo aloha rehetra ihany fa nony injay mba afaka niteny dia toa manosihosy ny sasany ! izaho tsy milaza hoe ny ankabeazany fa ny malagasy mankahala an-dRavalomanana ! rehefa tsy misy ny fankahalana dia mandeha ho azy ny tsikera izay mahasoa !
17. Jeankely
(
09/06/2008 13:46)
Misaotra anao ra -xxx farany ity. Izaho manokana moa tsy dia mahazoazo ilay xxx satria rehefa hanompa na hanao ratsy ry zalahy dia mivadika xxx. Eto moa manazav ara-dalana ianao ka zavatra hafa indray koa. Tsisy misakana azy tsy hitsikera ary nefa koa ny mankatoa tsy sakanana ny haneo ny heviny ihany koa.
18. patrick2002
(
09/06/2008 14:08)
zay ny any razanety rehefa manohana ny heviny dia toraka vonikazo fa rehefa contre dia fahavalo ,ary lazaina fa dondrona :roll: tena ianao mihintsy no mi-deprime ,modia amin'izay na mangala visas mankany frantsa fa tsyt lany andro ao @ tany silamo ao ,hitapy ao ny afaranao razanety.
20. naughtyboy
(
09/06/2008 14:27)
otrizao ve zany fisainana malagasy modely vaovao :D :D :D
anjaratsika no mitsara ra mataty mivonto @ resaka ty olona ty na de fandoto rano fotsiny ka manimbazimba ny mpiserasera rehetra eto fotsiny :-D :-D :-D