Mpitondra azo Ompaina, haratsiana fa ny manompa hajaina ve?

21. Annie2006 ( 09/06/2008 14:50)
hoy ra-xxx "Fa miverina amin’ny lohahevitra naroso aho : ny fanompana filoham-pirenena dia toa ny fanompana ray aman-dreny ihany amiko. Ary ny malagasy dia mba ohatran’ny manaja ray aman-dreny ihany, nanaja ireo filoha teo aloha rehetra ihany fa nony injay mba afaka niteny dia toa manosihosy ny sasany ! izaho tsy milaza hoe ny ankabeazany fa ny malagasy mankahala an-dRavalomanana ! rehefa tsy misy ny fankahalana dia mandeha ho azy ny tsikera izay mahasoa !"

Volaohany aloha dia nazava ny fanontanian'ny mpanao gazety raha vao resy ity rafalimanana ity tao antananarivo, satria naneho ny heviny ny vahoaka tao: "Tsy raharahako" hoy ravalomanana. Ompa io na tiana na tsy tiana. ary izy io tsy misy resaka lalàna fa ny fanajàna ny safidim-bahoaka. Ka raha "TSY MANDRAHARAHA" ny safidim-bahoaka ity ravalomanana ity dia midika izany fa MANOMPA vahoaka.
Ny iodinkavia na iodinkavanana, dia ny fanajàn'ny vahoaka andravalomanana no mandeha voalohany fa ny fanajan'ity olona ity ny vahoaka. Hiasa hoan'ny vahoaka no nametrahana azy eo fa tsy ho tompoin'ny vahoaka.
Iray zay.

Faharoa, Marina fa ny fanompanana filoham-pirenena dia sahala manompa ray amandreny, fa raha ray amandreny manompa zanaka kosa dia tsy mendrika ho hajaina satria efa niala amin'ny maha ray amandreny azy izy. Tsy hananako havana ny raharahampirenena hoy ingahy rainy izay. Tsy hoe ka Ravalomanana eo ka dia izay tiany atao dia ekena daholo satria hoe ray amandreny izy na dia lafo sy voavidy amin'ny vahiny daholo ny tanindrazana. Tsia, tsy resaka adala ny fanaovana politika.

Eo ary ny fivarotana tanindrazana. Mba misaina ihany raha manao zavatra fa tsy tokony maka antenondrony ny zavatra rehetra. Hilaina ny "investisseurs" HAMPANDROSO firenena fa tsy HITRONGY SY HADROBA FANANAn'ny malagasy.
Mba sokafy ny maso, ahirato ny saina, fa io QMM, SHERIIT, EXXON sy ny hafa ireo dia HANDROBA ny fananan'ny malagasy fa tsy hamelona azy velively. efa amanjatony mahery ny fianakaviana gasy notrongisana amin'ireo tany ireo, efa ama'etsiny ny tany andeha holotoina sy hopotehina ka ny vahoaka malagasy ihany no hibaby an'izany loza eo amin'ny tontolo iainana izany. Tsy ireo miliara dé dolara ireo akory no hiditra ao anaty ny kitapom-bolampanjakana ka ny ampahan'arivony kanefa ny tontolo iainanana sy ny harena ankibon'ny tany no voaroba. Ahoana ny amin'ny fara sy dimby? Ny loha no tokony ampiasaina fa tsy ny maso tia vola sy ny paosy tsy mety feno.

47 taona ny zanaka malagasy handoa ireo trosa azo taoa antin'ny taona 2002-2006. Tsy i TIKO sy MAGRO no handoa an'io.

Matoa ianao milaza fa ny ankabeazan'ny malagasy dia mankahala andravalomanana dia NOHO IZY ITY MANABOTRY VAHOAKA sy MANOMPA VAHOAKA... fa raha tsy izany dia tsy nisy olona nakahala azy teo.
22. Jeankely ( 09/06/2008 15:39)
Rehefa manompa izany izy dia omany ny 2012 e. Sao lasan'ny hafa ka lazaina tariny ihany indray no mahazo ny laka mba hiarovana azy. Mihetsiketse dieny izao sao hilaozan'ny omby miahaka variana miwaiwai eo.
23. xxx ( 09/06/2008 17:52)
Annie2006:

Raha raisiko ny contexte dia « ny hevitry ny vahoaka” = “valin’ny fifdianana” no tiana holazaina ? amiko dia tsy mampiova ny plan izay noheveriny ho tanterahina ny valim-pifidianana maire, izay no tiany lazaina. Amiko izany tsy ompa fa détermination. Fa averiko indray, rehefa tsy tinao ilay olona dia azonao avadika horreur daholo izay mivoaka ny vavany.
Hiasa ho an’ny vahoaka hoy ianao no nametrahana azy eo : dia averiko aminao ny fanontaniako tsy novalianao : inona aloha ilay hoe “tian’ny vahoaka e” dia inona no atao hoe « mahasoa ny vahoaka » ?

Ravalomanana ve no maka antendrony sa ianao ? miala tsiny aho fa raha nisaina noho izy ianao dia ianao no ho fantatray nialoha fa tsy izy… !
Tsy hoe akory rehefa mitrosa dia ho very mandrakizay. Mila fahaizana ny mitrosa ary raha ianao no mitrosa ho an’ny firenena dia tsy atokisako, raha izaho tsy atokisako, fa raha Ravalomanana atokisako. Izaho matoky fa tsy manao zavatra tsy rentable izany Ravalomanana ary mieritreritra lavitra noho izaho sy ianao izay mahasoa ny firenena.
Fa ianao moa ohatran’ny mahay noho izy, ka inona aza no nataonao raha ianao no filoha ? tsy nitrosa ianao, tsy nampiditra investisseur ianao, tsy nampiasa ny volanao ao madagasikara ianao…! Mba lazao aza hoe inona amin’ireo nataony no tsy nataonao ? raha ianao no teo amin’ny toerany après ny fifidianana maire dia inona no nataonao ? ni démissionne ? aza milaza hoe tsy eo amin’ny toerany ianao fa mipetraha eo amin’ny toerany dia mba lazao izay ho nataonao. Nahavita nahazo ireo vola hatram 2005 ve ianao aloha, d’abord. Rehefa azonao ireo, dia sahinao no milaza fa tafavoaka tao anatin’ny 3 taona I Madagasikara ?

Ary mba vakio tsara fa aza alaina antendrony ny hafatro fa tsy niteny mihitsy aho hoe ny ankabeazan’ny malagasy no mankahala an-dRavalomanana. Tsy ny ankabeazan’ny malagasy no manompa filoha hoy aho fa ireo izay mankahala an-dRavalomanana.

Ary na dia atao aza hoe nanompa izy : samy manana ny foto-pisainany fa izaho aloha tsy hanompa ny ray amandreniko mihitsy e !

24. Koditra ( 09/06/2008 19:01)
jeankely:
Ny tiako ambara dia azo tsikeraina ny Mpitondra ary ny manompa koa azo ompaina sy tsikeraina fa tsy mandeha ila.

Raha enao no voaompa, tsy mila manokatra dinika fierana ôtran'zao enao fa tonga dia omeko fankatoavana avy hatrany, ompao izay manompa anao.
Mbola milay be sy mahita tsara daholo ireo masoko roa ireo, mbola mahita ny hatrany anaty eritreritrao any aza na dia hakipiko aza ny masoko ilany.

Raha ny Tim sy ny mpitondra no voaompa dia avelao rizareo sy ny fianankaviany no hamaly fa tsy anjaranao, enao rahateo efa impiry izay no nanizingizina fa sady tsy TIM no tsy fianankavian'ny mpitondra. Sa efa niova?
Tsy mbola nisy nanompa mpitondra teto na dia miteny aza enao hoe 'Ny mpitondra azo ompaina", ny tsikera sasantsasany no lazainao fa ompa, tsikera no nisy ary izay no maha-forum an'ity fa tsy resaka toraka voninkazo ranoray fotsiny akory, any @TVM sy ny RNM enao mivalampatra raha te-hihaino toraka voninkazo bobaka be.

Samy olom-pirenena mitovy zo na ny mpitondra na ny vahoaka, samy saro-piaro @firenena itambarana. Raha misy manao ny tsy mety vahoaka dia mampiatra lalàna ny mpitondra. Raha misy tsy mety hataon'ny mpitondra, zay mbola te-hitoraka voninkazo mitoraka voninkazo fa izay tonga saina sy mahatsapa an'izay tsy fetezana izay aza tampenambava fa avelao hilaza ny tsy mety. Ilain'ny mpitondra koa io tsikera io, indrindra indrindra raha tena tia tanindrazana sy olona nianatra izy. Ny toraka voninkazo tsy mampandroso, raha io no nampandroso dia efa ela isika no lasa lavitra t@ OEOE sy ny HANY KA TSY IZANY VA.
25. Jeankely ( 10/06/2008 00:08)
Mazavabe ary tsy hitariko intsony sao mahamonamonaina ny sasany marary saina sy manao ny hafa ho adala.
Voalohany raha tsy nianatra ny Filoha ankehitriny iza no nahatonga azy teo. Ny vahoaka mpifidy sa nisy basy niakarany teo ? NOho izany ny mpifidy no hozongozoninao @'io. Ary nilaza aho hoe ampianaro dieny izao ary ny vahoaka Malagasy mpifidy mba tsy ho lalaovin'ny olona ka efa lany sy mitondra vao hoe kay ity sahala izao sy izao.
26. Koditra ( 10/06/2008 04:52)
Jeankely> Ok ra azonao tsara ny tiako nambara.
Momba ny vahoaka mpividy, tsy anjarako ny manao propagandy ny hifidy an'iza na tsy hifidy an'iza.
27. Jeankely ( 10/06/2008 05:51)
Mbola mazava koa fa tsy andron'ny propagandy izao fa ny zavatra ataonao no hita taratra manomboka izao na koa nandritra ny tantaranao. Raha tsy mananana hatolotra mazava koa fa tsy maintsy manaiky ny lanin'ny be sy ny maro fa tsy faly mitanisa izao rehetra izao. Sady tsy hirira no tsy hanao tsianjery rehefa misokatra ny sehatra fa efa mikatona ny sehatra vao miwaiwaiwai
28. Koditra ( 10/06/2008 12:35)
JK> fa enao nihira sa nanao tsianjery sa ilay mpitoraka voninkazo fotsiny? Omeko soupapa jeankely, refa lany ny voninkazo eny Analakely dia mbola betsaka mpivarotra eny Anosy akaikin'ny hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona. :-D :-D
29. Jeankely ( 10/06/2008 13:55)
Efa hoe manaova raha mahay sy mahavita ho jerenay sy io xxx ambony io. Efa misasaka ny taona ary akaiky kely ny 2012 ka io handraindraina. Raha manankatokona. Ankoatr'izay fandaniana rora.
30. Koditra ( 10/06/2008 14:01)
Za iany ange io xxx io ambony io ry jeankely eh :-D :-D
31. Jeankely ( 10/06/2008 14:04)
Sady manenjika no maninona izany ? Tsy raharahiko fa tongava raha mahavoa. Akaiky ny 2012.
32. Koditra ( 10/06/2008 14:50)
Dé aiza izany no fotoanantsika sy jeankely dé @firy?
33. Annie2006 ( 10/06/2008 15:10)
Mazava raha toa ka tsy ompain'i xxx i ravalomanana satria ho raisin'ny toy ray amandreniny.
Tsy ray amandreny velively ary tsy raisiko (sanatria ny vava) ray amandreny velively ity mpandainga ratsy ity fa filohampirenena malagasy. Ary tokony mendrika haja izy saingy tsy manaja tena ka azon'izay voa ompa ny manompa azy.
Tsy misy resaka antendrony io fa izany ny maha ravalo andravalo: Mandainga sy mangalatra. Mbola tsy misy ompa aloha hatram'izao.

Raha vao nandeha teny amin'ireo mpanjono tany frantsa ingahy sarko dia nahazo hoe encu... satria nampiakatra ny karamany kanefa ny vahoaka tsy noraharahiny. Ompa io. Kanefa raha vao niala ny kirizy kosa ny malagasy ary maro ny vaky sahirana, dia boeing no nividian'ilay raika lahy ho azy; nangoroniny dolidoly ny sinpa sy ny sisa, soavanio moa farany teo. Nomeny subvention ary nomeny detaxation sy ny amnistie fiscale... ka tokony encu... impolo na injato avo heny no mendrika andravalomanana satria manompa vahoaka.

Ray amandreninao moa izy io hoy ianao ka tsy sahinao ompaina na dia manompa ny vahoaka malagasy aza.
Matoa misy mankahala ity ravalo ity satria misy antony (io izy voatonona etsy ambony io). Tsy vitany izany any fa varotra varoboba ny tanindrazana no nasesiny.
Tsy adala ve raha mbola hanaja an'izany olona izany????
Io indray fa lasa mamela-pe (miala tsiny amin'ny fitenenana fa io no mazava kokoa) amin'ny vozongo azahoana vola 5 miliara, mandohalika, mitalaho, manompo vozongo satria mila vola ho azy fa tsy hoan'ny vahoaka satria "tsy te halala" vahoaka ny anao lahy.
asakasakareo tsy te hanompa, fa raha manompa ny havanay dia tonga dia bala rora no alefanay.
34. Jeankely ( 10/06/2008 16:08)
F'angah izy vehivavy no amela-pe. Anontanio an'i Babanao fa niondrika no nataony tamin'ny vazaha. :-D :-D :-D
35. xxx ( 10/06/2008 17:32)
Annie2006:

Mazava raha toa ka tsy ompain'i xxx i ravalomanana satria ho raisin'ny toy ray amandreniny.

Raha ny hevitro dia tsy solution tsotr'izao ny manopa na iza na iza, ary indrindra moa ny ray aman-dreny sy filoha izany. Amiko dia resaka toetra sy culture io. Tsy ny ankabeazan'ny malagasy koa no mankahala an-dRavalomanana. Hafa ny tsy manohana ary hafa ny mankahala.
Ny tiako hanohizana ny lohahevitra fotsiny dia tsy ny fanompanao ny filoha akory no hampisondrotra an'i Madagasikara. Anjaranao no manao tsara kokoa noho izy ary tsy voatery ho filoha na eo amin'ny fitondrana vao afaka manao zavatra. Raha mahasorena anao ny zavatra ataony dia manohera azy amin'ny fomba mihaja sy actif fa aza mimenomenona fotsiny ety amin'ny forum fa tsy hamaky eto izy akory. Be ny azo atao fanoherana ankoatry ny manopa sy ny manongam-panjakàna.
Fa ny fahitàko dia susceptibles koa ny malagasy e ! zatra miolikolika ka rehefa sendran'ny direct dia tonga dia tohina...! sa...!!!

Ary aza be fandaingana ry Koditra a ! tsy ianao io XXX io !
36. Koditra ( 10/06/2008 20:35)
XXX> Mialatsiny ry XXX a. Mba nitsapa kely an jeankely za hoe tena mora tapena-maso sy azo andaingana sy fahanan-dalitra marina ve izy io ary tena nandaitra tokoa : Hoy ny filoha hoe " la pauvreté a considérablement diminué ", dia nino tokoa izy, hoy aho hoe za io XXX io dia tena nino tokoa izy =)) =)) =))
Tsy ianao no hihomehezako fa jeankely
Mbola mamerina ny fialana tsiny.
37. Jeankely ( 11/06/2008 00:18)
Ho an'i koditra: nilaza aho hoe tsy raharahiko na ianao na tsy ianao. Ka aiza no voa ? Lasa namely ilay xxx aho ve fa tsy ny resakao no nazavaiko ?
Hisaorana betsaka i xxx iray manoratra io amin'ireto:"Anjaranao no manao tsara kokoa noho izy ary tsy voatery ho filoha na eo amin'ny fitondrana vao afaka manao zavatra. Raha mahasorena anao ny zavatra ataony dia manohera azy amin'ny fomba mihaja sy actif fa aza mimenomenona fotsiny ety amin'ny forum fa tsy hamaky eto izy akory. Be ny azo atao fanoherana ankoatry ny manopa sy ny manongam-panjakàna.".
Mba anisany nampiasa io resakao io aho ary azo hamarinina izany t@ herintaona. Saingy mibosesika ny ompa sy famiravirana noho izany mba avy koa aho satria raha ireo manompa ihany no eto dia midika izany fa ny Malagasy rehetra no tia hanompa ny Mpitondra. Misy maro azaatao amin'ny tenim-bazaha izay tsy hainay tsy nianatra ilay izy mba hoa fantatry ny vazaha fa tsy raharahan'ny olona ny Mpitondra. Mba nivadika koa aho sy ny mitovy hevitra amiko ary mba mandona ny mpandona. Ny mahagaga dia mikaperotra ry zalahy rehefa domina koa.
38. Annie2006 ( 11/06/2008 17:03)
Inona ary ity?

"Tsy mbola afaka manoratra
Vao minitra vitsivitsy ianao no nametraka hafatra vaovao tamin'io lohahevitra io. Mila miandry 52 minitra ianao vao afaka mametraka hafatra vaovao indray.
Azonao atao kosa ny mamaly ny hafatra hafa na mametraka hevitra vaovao any amin'ny lohahevitra hafa."

Censuré-na indray zany zahay?
39. nanas ( 11/06/2008 18:22)
xxx:

Annie2006:

Mazava raha toa ka tsy ompain'i xxx i ravalomanana satria ho raisin'ny toy ray amandreniny.

Raha ny hevitro dia tsy solution tsotr'izao ny manopa na iza na iza, ary indrindra moa ny ray aman-dreny sy filoha izany. Amiko dia resaka toetra sy culture io. Tsy ny ankabeazan'ny malagasy koa no mankahala an-dRavalomanana. Hafa ny tsy manohana ary hafa ny mankahala.
Ny tiako hanohizana ny lohahevitra fotsiny dia tsy ny fanompanao ny filoha akory no hampisondrotra an'i Madagasikara. Anjaranao no manao tsara kokoa noho izy ary tsy voatery ho filoha na eo amin'ny fitondrana vao afaka manao zavatra. Raha mahasorena anao ny zavatra ataony dia manohera azy amin'ny fomba mihaja sy actif fa aza mimenomenona fotsiny ety amin'ny forum fa tsy hamaky eto izy akory. Be ny azo atao fanoherana ankoatry ny manopa sy ny manongam-panjakàna.
Fa ny fahitàko dia susceptibles koa ny malagasy e ! zatra miolikolika ka rehefa sendran'ny direct dia tonga dia tohina...! sa...!!!

Ary aza be fandaingana ry Koditra a ! tsy ianao io XXX io !

Sao dia ny tokony mifamadika ami zao ny zavatra soratanao, tsy ny malagasy akory no miolikolika fa ny filohanao no efa zatra mandainga sy dedaka be taim-bava nefa tsy hita akory zay vita. Lany andro mamelatra plan eo ambony latabatra fa tsy zay asa no atao. Manginy fotsiny ny fangalana interet-ny tenany manokana amin ny firenena. MAP ohatra program efa hatramin ny nahalany azy, ny mahagaga tsy manomboka foana hatramin zao. Rehefa tsy mahavita tsy mila belazao etsy sy eroa, asaivo hakombiny ny vavany rehefa tsy mahatanteraka dia tsy hanopa ny olona. Amiko rariny loatra ny malagasy raha tezitra ( meme manopa) satria angamba maharary kokoa ny mizaka fahantrana vokatry ny havendranan ny sasany noho ny ompa.
Araka io voalazan i Annie io, tsy misy maha RXR azy satria tsy manaja tena, ary na filoha aza izy rehefa tsy mety ny ataony dia zahay vahoaka tsy maintsy miteny, an vahoaka Madagasikara fa tsy an olo-tokana.

Milaza ianao etsy ambony hoe raha mahasorena dia manohera . Ataoko angamba fa efa betsaka ihany zay fanoherena natao izay, na tsy t@ alalan ny grevy (oh nitariny ny vahoaka t@ 2002) Raha vonona izy ny hanaraka zay zavatra tadivin ny vahoaka izy dia efa niheno hatramin zay ela zay, ary na mbola hitatata eo aza ny ts-1-1, tsy misy dikany satria ny priority @ vahoaka tsy priority aminy, mazava hoazy. Solution, tsy maintsy asoriny izy, aleo mba olona afaka miheno ny hetahetam-bahoaka no hipetraka eo fa tsy izao olona zatra mikonty ny intereny manokana zao hany ka ny fitondrana fanjakana koa hitadiavana moyen hangala tombon-tsoa manokana. Rehefa tsy zay dia asaivo manaja tena izy mametra-pialana fa misy foana ny mahavita sy tia tanindrazana tsy mijery ny tombotsoany manokana hoatran ataon-R8
40. Jeankely ( 12/06/2008 00:08)
Hoy nanas: "Solution, tsy maintsy asoriny izy, aleo mba olona afaka miheno ny hetahetam-bahoaka no hipetraka eo fa tsy izao olona zatra mikonty ny intereny manokana zao hany ka ny fitondrana fanjakana koa hitadiavana moyen hangala tombon-tsoa manokana."
Iza no misakana anao fa asory hoe raha afaka ary aiza na iza no fantatra a afaka mihaino ny hetahetambahoaka ?
Sao ianao no mampanantena ny tsy misy satria ny tany miodina ihany ary taona tapitra ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0518