Inona avy no lafitsaran'ny fipetrahana aty an-dafy?
1. veromahefa
(
07/06/2008 09:17)
Inona avy no lafitsaran'ny fipetrahana aty an-dafy r'ireto ?
Ny ahy zao ny tsapako dia hoe :
- afaka matory tsara amin'ny alina fa tsy mieritreritra mpams sy mpangalatra
Ny ahy zao ny tsapako dia hoe :
- afaka matory tsara amin'ny alina fa tsy mieritreritra mpams sy mpangalatra
répondu par endrika01 le 10/07/2008 16:28
2. fahamarinana
(
07/06/2008 09:27)
:arrow: mba tsy voahevitro ndray iny :) .Ny ahy moa dia eto aloha dia atao zay mety fa ny tena tiako dia any dago fa zany hoe tsy hary azo daholo zay tiana sy irina rehetra dia mi s'adapte aloha,amaray koa hita zay atao. (l)
3. Gie
(
07/06/2008 09:38)
veromahefa:miankina @ situation-ny tsirairay io !
Inona avy no lafitsaran'ny fipetrahana aty an-dafy r'ireto ?
Ny ahy zao ny tsapako dia hoe :
- afaka matory tsara amin'ny alina fa tsy mieritreritra mpams sy mpangalatra
ny ahy aloha de zay miankina @ fotsabohina an ! tena mandry ny saiko ! indrindra raha manana nationalié enao ! (na tsy manana aza fa ao @ komunoté européanina !
6. endrika01
(
07/06/2008 13:36)
Ilay resaka olana eo @fiaraha-monina dia aleoko aty!Halatra,vono olona,mpams,fifaninanana @fomba fiatsenana sy fitafy!Aty matory any @terasse @sasak\'alina fa mafana be ao an-trano tsisy kary miao miao sy voron-dolo mikiririoka!Mody @2ora maraina mandeha an-tongotra tsisy mpanendaka tsisy mamono,mande irery io na 2na 3,ny fiara maro be mitandahatra @arabe tsisy mipika hoatran\'ny manonofy zany enao!Ny zaridana feno voninkazo tsisy vazy na iray mipika refa maraina ny andro,mande mian-tsena any @tsena rehetra tsisy sôlefanina vidiana 20ari 50ari 500ari fa maimai-poana avokoa,mbola be d be fa refa avy eo ndray!:-P
7. rakaroka
(
07/06/2008 14:18)
Ny ahy ny tena itiavako ny aty dia ilay mifampitady @ vazaha mihitsy e! :lol: :-D :-D :-D . Raha samy gasy mantsy "limité" ny phase de jeux ! satria rehefa misy tantara mandeha ohatra tonga dia fantatra ny farany , fa aty miasa tsara ny zanak'atidoha! Ha!ha!ha!, hi!hi!hi!
9. rakapy
(
07/06/2008 20:30)
Io koa arakarak'ilay "an-dafy " misy anao. Ny an-dafy mantsy tsy voafetra ihany hoe France na Europe fa na dia any Guine Equatorial sy Commores aza dia efa an-dafy. Ka ilay fanotanian'ixxx dia mivelatra be. Izaho izao dia efa nipetraka an-dafy tany maro. Nisy ny tsara noho'i dago fa nisy koa ny pire lavitra nohon'i Dago.
10. veromahefa
(
08/06/2008 17:52)
Rakapy> Ny an-dafy tiako holazaina koa dia izay firenena rehetra ivelan'i Dago fa tsy Frantsa irery akory, tsara notsindriana tokoa izay! misaotra anao nampahatsiahy :wink:
Dia isaorana izay rehetra namaly sy naneho hevitra teto!
Mba ho fampaherezana hoan'izay rehetra aty an-dafy avokoa no ilazana izany eto. Ny fahatongavana taty mantsy mety antony ara-pitadiavana, mety ara-panambadiana sns...e ! fa tsy voatery hoe safidy sy faniriana !
Ka raha mbola misy afaka maneho hevitra dia tohizantsika foana e!...

11. aloalo
(
08/06/2008 19:58)
Afaka miravaka volamena tsara tsy hisy hanendaka enao eny an-dalana.
Rehefa mafana d afaka sokafana ny varavarakely, tsy misy tebiteby hoe hisy hamono.
Fa maro ny lafiratsiny kosa alou e !
Rehefa mafana d afaka sokafana ny varavarakely, tsy misy tebiteby hoe hisy hamono.
Fa maro ny lafiratsiny kosa alou e !
12. xxx
(
10/06/2008 08:07)
Euh! aiza no tsisy mpangalatra? raha ny misy ahy de efa be ny mpangalatra cagoulé efa saika hamaky trano a 3h du mat fa saingy taitra de vo hitany oe mamono jiro na vo mahita ny camera sy detecteur de mitsoka ry zalah @ BMW, en plus armé ry zareo!!!!! hummmmm!!!!
13. LazaDaddy
(
11/06/2008 02:33)
Inona avy no lafitsaran'ny fipetrahana aty an-dafy?1) Raha any Allemagne dia mahamenatra an-dRavalomanana ka tambatambazany tsy hiteniteny
2) Raha any France dia tsy mahatsiaro ho lavita satria be Gasy, kanefa ny toe-karena tsy dia ratsy
3) Raha any Canada dia afaka manao "gorisa gorisa"
4) Raha any Etazonia dia tsy mila miteny Frantsay
5) Raha any Malaysie dia afaka mividy sakafo eny an-tsena na @ 2 maraina aza (mamak), mora fiainana.
6) Raha any Singapore dia tsy mila dia tongotra alavitra satria kely ilay firenena, mora fiainana.
7) Raha any Australie dia tsy sahirana mitady Parking (afa-tsy ao an-tampontananan'i Sydney sy Melbourne)
8) Raha any Suisse dia be chocolats
9) Raha any Autriche dia afaka mitaingim-boatiry sy sambo amin'ny vidiny mirary
10) Raha any Pays Bas (Amsterdam) dia "mivoamboana" rehefa mivoaka ny "coffee shop" hahaha!
11) Raha any Jakarta (Indonezia) dia mahatsiaro fa saro-bidy ny fahafahana ara-pivavahana any @ firenen-kafa.
14. veromahefa
(
11/06/2008 08:18)
M'sotra an'i LazaDaddy...izany rehetra izany lafy tsara avy...tena nentinao nitety ilay firenena mihitsy zahay an!
Aleo manko mba asiana zavatra tsara fa raha ny lafiratsy zao no nanontaniako, na izany ihany aza dia efa nahita pejy maromaro...
Ka zay an! ho antsika zay hanohy ty resaka ty...zay tsara ihany lazaina eto :wink:

15. niryna
(
19/06/2008 16:52)
:D misy lafitsarany maro : mifanohitra ny fiainana any amintsika no tena betsaka, misy ny tsara ary ao koa ny ratsy,toy ny fanariana zavatra,na sakafo izany dia malahelo ny olona any an-tanana. ary lavitra ny elanelan-tany,raha mba hoe etsy akaiky etsy moa dia mandeha foana.
ny lafiratsiny ? lavi-kavina,tsy dia misy firaisan-kina toy ny any amintsika fa samy olon-ko azy no tena betsaka. Na dia misy ihany aza saingy tsy mitovy ny sinoa ,ny karana,ny italiana na ny firenena hafa miaraka mifanohana na miaraka manao bzn

16. rastafarai
(
20/06/2008 03:10)
:lol:Nena ny tena tiko any an-dafy d le fitovina @ maha olona,tsy d we misy miavaka b fa mitovitovy daholo ihany ny fari-piainana refa miasa ara-dalana,
17. malalatinasoa
(
23/06/2008 02:28)
Tsy misy maty manota fa na filoham-pirenena na mpamafa trano dia mitovy zo, samy mifafa doly ny mpanao kitoutou. Rehefa diso dia diso sy manefa sazy, tsy misy ankanavaka.
18. xxx
(
25/06/2008 03:54)
- Misy karazany kokoa ny fialam boly
- Aty aho mahakarakara havana fa tsy ny tena fotsiny
- Manana fahafahana mitety firenena fa tsy mikarama mafy hohanina fotsiny
- Raha tany Alemaina dia ilay fahadiovana sy firindrany zavatra rehetra koa tena hafa miohatra amintsika. Alemaina sy Aotrisy no hitako madio hatramin izao, ny ambony toa tsy miavaka ary rehefa mahita tanana sasany aho izay tsy hotononiko dia manao anankampo hoe...tsy mahagaga raha toy izao isika malagasy...Isika hoy aho satria tsy manala tena aho. Rehefa mahita ny tsy fahadiovana rehefa any Madagasikara dia marary ny aiko...Tsy lazaina moa ny fahantrana saingy tsy Andriamanitra ny tena tsy mahavita miracle...
Ny lafiny sarotra no hilazako azy fa tsy ratsy kosa dia misy hifandraisany @ hoe tsy tompon tany daholo....Kanefa aleo mijanona manorina dia mifantoka @ izay tsara!

19. chrislyd2
(
27/06/2008 09:27)
xxx:
Experience ...
Cosmopolitan kokoa, na resaka finoana na fihaviana na inona ...
Ny aty koa tsy misy embouteillage be ! zany no tena mampiferin'aina ahy tanteraka any Madagasikara sy ny filaharana bus rehefa mody @ hariva.
Be loatra ny fotoana very eny an-dalana !
Aty koa izany tsy dia hita loatra ny fahasamihafana fa raha jerena indray mi-py maso dia mitovy daholo ny olona rehetra, lafiny social sy économie io an !
20. ninietbou
(
03/07/2008 13:46)
ny ahy indray dia milamina lalandava ny saiko satria mbola tsy ary sahirana arabola ohatrin ny any dago zany.ny sakafo toa mbola azoazo ny fitafiana misy an ireny solde ireny.ny fahasalamana tena zavadehibe aty misy ss noho izany finaritra lalandava ny saina.