Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra.Hmmm!!!

1. niryna ( 04/06/2008 17:45)
2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra;

3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.
6 Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.

7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra. 1 Jaona 4

http://baiboly.org/toko.asp?boky=IJAONA&toko=4&andininy=2-8&dika=
Hmmm!!!!! Ireo ambony ireo izany no ahalalana fa avy amin'ATra ilay Fanahy .
Raha misy manana fanontaniana dia afaka mametra isika dia mamaly eto ihany ny namana izay mahay ny valiny.
Ny fahasoavan'Atra anie hiaro antsika hatrany,mino Azy,ampiharo ny hafany,vakio ny teniny satria io no isany iray ampinga hiarovana sy hiadiantsika amin'ny fahavalo(tsy olona mihitsy no fahavalontsika fa ilay fanahy izay mety mampiasa azy ao anatin'ilay olona).Izany no antony iray hivavahana ny fahavalo satria indraindray izy ireny dia tsy mahafantatra hoe manafitohina olona ny teniny na vava avoakany.
:-* :-*
Ba mamikely ho antsika rehetra ,mahereza e
(l) niryna
répondu par niryna le 08/06/2008 05:18
2. ikaretsaka ( 04/06/2008 22:51)
Mba fanontaniana kely ary:

dia ny devoly koa izany \"fanahin\'andriamanitra\" satria raha tsy diso aho ao @ evanjely dia nihaiky koa izy fa zanak\'Andriamanitra i Jesoa (tadidinao le norohasany dia nalefany tany @ kisoa izy ireo )??

(aiza ho aiza ao @ baiboly izany??? Marka 5 ngamba izy izay..za moa tsy mahay mitsimpona, dia Matio toko faha 8 koa, Lioka toko faha 8..ao afaran\'izy le nampitony ny tafiotra )
3. majesty ( 05/06/2008 05:30)
mitombina io fanamarihan'i ika io,
fa raha itarina ihany koa dia i Jodasy koa anie nihaino sy nanaiky an'i Jesoa ho zanak'Atra fa avy eo izy iny hitantsika iny ny fiafarany;izany hoe anisany ireo voalaza eo ireo fa tsy ampy.
4. prime ( 05/06/2008 09:14)
Niryna> Misaotra...

Ika> Tsy samy hafa avy hatrany ve ilay hoe miaiky sy manaiky?

Majesty> nihaino sy nanaiky tokoa ve Jodasy? impiry Kristy no efa nampitandrina azy? niara-nandray ny fanasàna akory koa aza izy tamin'ny alin'ny andro alakamisy ary mbola novakian'i Kristy bantsilana teo imason'ny rehetra fa mbola nandeha ihany hanatanteraka ny irak'i Satàna?

Ilay hevitry ny hoe "manaiky" no lakilen'ireo teny notsongain'i niryna ireo... Manantena an'i niryna hitondra fanazavàna misimisy kokoa ny tena hevitry ny hoe "manaiky an'i Jesosy"...
5. Ilo ( 05/06/2008 09:38)
dia ny devoly koa izany "fanahin'andriamanitra" satria raha tsy diso aho ao @ evanjely dia nihaiky koa izy fa zanak'Andriamanitra i Jesoa (tadidinao le norohasany dia nalefany tany @ kisoa izy ireo )??

(aiza ho aiza ao @ baiboly izany??? Marka 5 ngamba izy izay..za moa tsy mahay mitsimpona, dia Matio toko faha 8 koa, Lioka toko faha 8..ao afaran'izy le nampitony ny tafiotra )


Samihafa ny manaiky sy ny mahafantatra. Ny devoly ohatra mino fa misy A/tra ary Jesosy dia zanak'A/tra fa tsy manaiky ny fahefany izy ary tsy manompo Azy. Ary tsy ny devoly ihany no manao toy izany fa betsaka koa ny olona mahalala fa tsy manaiky.

Rom 10:9 : "satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao."
Jaona 14:15 : "Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko."
6. prime ( 05/06/2008 09:48)
Niryna> Misaotra...

Ika> Tsy samy hafa avy hatrany ve ilay hoe miaiky sy manaiky?

Majesty> nihaino sy nanaiky tokoa ve Jodasy? impiry Kristy no efa nampitandrina azy? niara-nandray ny fanasàna akory koa aza izy tamin'ny alin'ny andro alakamisy ary mbola novakian'i Kristy bantsilana teo imason'ny rehetra fa mbola nandeha ihany hanatanteraka ny irak'i Satàna?

Ilay hevitry ny hoe "manaiky" no lakilen'ireo teny notsongain'i niryna ireo... Manantena an'i niryna hitondra fanazavàna misimisy kokoa ny tena hevitry ny hoe "manaiky an'i Jesosy"...
7. LazaDaddy ( 05/06/2008 11:49)
Ny mahaliana ahy dia ny fanahin'ny olona tsimaintsy mila voatsiary foana :)
8. niryna ( 05/06/2008 17:50)
ikaretsaka:

Mba fanontaniana kely ary:

dia ny devoly koa izany "fanahin'andriamanitra" satria raha tsy diso aho ao @ evanjely dia nihaiky koa izy fa zanak'Andriamanitra i Jesoa (tadidinao le norohasany dia nalefany tany @ kisoa izy ireo )??



msaotra ika a.
eo indrindra izao isika.Satria misy aza ny olona milaza fa tsy misy Atra fa misy ny devoly..
Tadidinao ilay tantara noteneniko hoe tonga ity ramatoa ity nanatona ahy,fantatro avy hatrany izy fa mitondra baiboly saingy ny fanahy tato amiko no nampahafantatra fa tsy olon'Atra izy.Tsy afaka nitsara aho fa dia nitoriteny ahy fohy dia fohy ilay ramatoa,ary ny niafarany dia hoe hianao manankarena io omeo vola aho hoy i Jesosy...ary tsy misy lalana afatsy ny nandroaka ilay hery maloto tao anatiny no nataoko.....hmm .sarotra kanefa izay miaraka amin'i kristy dia tsy matahotra ny anao ny asany.Inona no nitranga? nivadika ny masony ary niteny ratsy izy.Taiza no nahalalako fa tsy olon'Atra ilay olona.Hery avy aizany no nahafantarako fa tsy miaraka amin'i kristy io na mivimbina baiboly aza?

Ie tadidiko iny ,,,ilay hoe aleo izahay hivarimbarina any anatin'ny kisoa ,,,ny fanahy ratsy izany ary taty aoriana dia mbola tsy mihinana kisoa ihany ny olona fa maloto hono ...
ikaretsaka:
(aiza ho aiza ao @ baiboly izany??? Marka 5 ngamba izy izay..za moa tsy mahay mitsimpona, dia Matio toko faha 8 koa, Lioka toko faha 8..ao afaran'izy le nampitony ny tafiotra )

itan'ika fa ilaina ilay famakianka ny tenin'Atra sy ny fitadidiana azy,isika ve moa dia hitondra baiboly eny rehetra eny ,toy ny fianarana ihany io rehefa ato anatin'ny saina ilay izy dia tsy misy afaka androba intsony.
:-*
9. niryna ( 05/06/2008 17:55)
majesty:

mitombina io fanamarihan'i ika io,
fa raha itarina ihany koa dia i Jodasy koa anie nihaino sy nanaiky an'i Jesoa ho zanak'Atra fa avy eo izy iny hitantsika iny ny fiafarany;izany hoe anisany ireo voalaza eo ireo fa tsy ampy.

misaotra majesty a,firifiry moa no nilaza fa mino an'i kristy kanefa tsy manao ny asany.na isika izao aza rehefa tonga ato antsaina ny fakam-panahy mahatonga antsika hanaonao foana dia tonga ka.
Petera im-piry izy no nampiseho fa tsy miataka amin'i kristy mihitsy ?
Kanefa dia nasehon'i kristy azy izany fa andaha azy in-telo izy ary dia tanteraka tokoa izany..
Nahatsiaro Petera ary dia nihazakazaka nivavaka.
Nampahatsiahivin'i kristy ihany koa izany rehefa niseho ny mpianany izy ka nampahafantariny ny mpianany mba hampandra an'i Petera.Porofo iray koa izany fa na iza na iza isika ka manao ny tsy mety kanefa mangataka famelana amin'Atra dia mbola ho raisiny,ho avelany koa ny fahotantsika raha manaiky izany isika.


10. niryna ( 05/06/2008 18:04)
prime:

Niryna> Misaotra...

Ika> Tsy samy hafa avy hatrany ve ilay hoe miaiky sy manaiky?

Majesty> nihaino sy nanaiky tokoa ve Jodasy? impiry Kristy no efa nampitandrina azy? niara-nandray ny fanasàna akory koa aza izy tamin'ny alin'ny andro alakamisy ary mbola novakian'i Kristy bantsilana teo imason'ny rehetra fa mbola nandeha ihany hanatanteraka ny irak'i Satàna?

tsy misy fisaorana e

Ilay hevitry ny hoe "manaiky" no lakilen'ireo teny notsongain'i niryna ireo... Manantena an'i niryna hitondra fanazavàna misimisy kokoa ny tena hevitry ny hoe "manaiky an'i Jesosy"...

Ny atao hoe manaiky an'i Jesosy
Maro ireo finoana izay mamadika ny tenin'Atra ka nahatonga an'i kristy nampiseho io teny hoe izay tsy manaiky azy dia mpanohitra azy (anti-christ)
* ny Jaona 1:1 .Tamin'ny voalohany ny teny......
*ny nahaterahan'i kristy avy tamin'i virijiny
*ny hazofijaliany
*ny fitsanganany tamin'ny maty indray
*Zanak'Atra Izy
*lalana tokana mankany amin'ny Ray
*Avy amin'ny finoana Azy amin'ny maha Andriamanitra azy fa Mpamonjy Izy
*Izy irery no mpanelanelana antsika amin'ATRA (mediator)
*ny mbola hiverenana indray haka ny olony sy hitsara ny velona sy ny maty
*ny filazana Azy fa Andriamanitra Izy
mbola hitohy..
11. ikaretsaka ( 05/06/2008 18:57)
tan'ika fa ilaina ilay famakianka ny tenin'Atra sy ny fitadidiana azy,isika ve moa dia hitondra baiboly eny rehetra eny ,toy ny fianarana ihany io rehefa ato anatin'ny saina ilay izy dia tsy misy afaka androba intsony.

za ange ry niryna mamaky fa tsy manao fombanareo mamerin-desona fa mitadidy par concept e!

tsy natao hotadidiana io fa natao hiainana kosa... ary ireny tsy mahay tsianjery toko sy andininy ireny aza atao foana hoe tsy mamaky.. betsak any mamaky sy mahalala lavitra ilay tantara sy ny heviny noho ilay mahay andininy kely de iny no averimberina!

12. rakapy ( 06/06/2008 01:14)
Ika> ohatra ny zaza Malagasy @ izao fotoana izao ve? Tena hainy tsara mihintsy ny "Ry tanindrazanay malala" fa rehefa anotaniana hoe inona marina moa no voalaza ao dia hita fa bla bla bla be fotsiny ka ilay fahaizana ilay hira :-D :-D :-D
13. niryna ( 06/06/2008 06:06)
LazaDaddy:

Ny mahaliana ahy dia ny fanahin'ny olona tsimaintsy mila voatsiary foana :)

tonga soa Laza a ,ahoana izany ?

14. niryna ( 06/06/2008 06:14)
[quote=ikaretsaka]
tan'ika fa ilaina ilay famakianka ny tenin'Atra sy ny fitadidiana azy,isika ve moa dia hitondra baiboly eny rehetra eny ,toy ny fianarana ihany io rehefa ato anatin'ny saina ilay izy dia tsy misy afaka androba intsony.

za ange ry niryna mamaky fa tsy manao fombanareo mamerin-desona fa mitadidy par concept e!
_____________________________
tsy dia tsara ny manambony tena loatra angamba ,na miala ny pli-vava,miditra ny fitsimponana izao indray manambany ny olona hoe fa tsy manao fombanareo mamerim-desona ,,,mila mampiseho fitiavana foana isika izay no tanjona iray takian'Ata antsika raha izara tenin'Atra ,fa tsy mahita teny hi tsikerana ,fidio foana ny vava avoaka fa vahoaka maro no mamaky ity fivavahana ity.
[quote ]
tsy natao hotadidiana io fa natao hiainana kosa... ary ireny tsy mahay tsianjery toko sy andininy ireny aza atao foana hoe tsy mamaky.. betsak any mamaky sy mahalala lavitra ilay tantara sy ny heviny noho ilay mahay andininy kely de iny no averimberina![/quote ] io indray fa tonga ny
HS an-dra ika
:roll: :D :D :D :D
izay zavatra tiana dia tonga ho azy ao ambava io rehefa mangetaheta ny tenin'Atra isika, marina izany tsy natao tsianjery kanefa nahay ny marika ve isika raha tsy natao tsianjery ......hiova indray izao ity sujet-ko ity ,itako eto sahady :wink:
15. niryna ( 06/06/2008 06:15)
rakapy:

Ika> ohatra ny zaza Malagasy @ izao fotoana izao ve? Tena hainy tsara mihintsy ny "Ry tanindrazanay malala" fa rehefa anotaniana hoe inona marina moa no voalaza ao dia hita fa bla bla bla be fotsiny ka ilay fahaizana ilay hira :-D :-D :-D

izany ve

16. niryna ( 06/06/2008 06:24)
niryna:

2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra;


7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.

io izao dia resaka fitiavana no fototra iray izay ahafantarana fa ny fanahin'Atra no ao anatin'ilay olona.Raha milaza izy fa tia an'Atra kanefa mankahala ny rahalahiny izy dia tsy misy fitiavana an'Atra ao anatiny.

8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. 11Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.

12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.

13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. 1 Jaona 4
17. ikaretsaka ( 07/06/2008 03:42)
k'hita fa mpamerin-desona koa.. ny fiteninao matetika anie de ho'zy ny baiboly hoe .. ho'zy i pasiteranay hoe
ko tsy "mamerina" ve izany?
18. niryna ( 07/06/2008 04:50)
ikaretsaka:

k'hita fa mpamerin-desona koa.. ny fiteninao matetika anie de ho'zy ny baiboly hoe .. ho'zy i pasiteranay hoe
ko tsy "mamerina" ve izany?
marina izany ary raha tsy nomena ny teny tsy ho tonga any amin'izay mihaino sy mandray azy.
_______________________________________________
Ny maizina tsy mandray satria tsy fantany fa ao anaty maizina izy,raha mangetaheta jiro izy ka mitady an'izany dia ahita ,raha tia ny maizina izy dia ny ao anatin'ny maizina ihany koa no fantany sy tiany ....enga anie ny Fanahy Masina hanazava an'izany amintsika
.
Ataovy foana ny fanandramana,raha mangetaheta isika dia raiso naoty dia alefaso ny fizarana ao anaty blaogy na zarao fa izay no hafan'i kristy mandehana ka torio ny filazantsara ho an'izao tontolo izao fa izay rehetra mino sy atao batisa no ho vonjena

8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. Sal 34:8,18

11 Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,Ka hamonjy anao amin'ny làlan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
Oha 2:11-12


Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira; Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
Salamo 1:1-2


19. ikaretsaka ( 07/06/2008 05:26)
de rehefa marina de mihaiky
20. niryna ( 08/06/2008 05:18)
ikaretsaka:

de rehefa marina de mihaiky



:roll: :D =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0333