Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany ny fahazavanareo
1. niryna
(
19/05/2008 02:05)
2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Isaorana anie Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika. Efesiana 4:2-4
16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. Matio 5:16
Iray ihany isika rehetra ao amin'ny Tompo,toy ny vatana izay tsy misy na iray aza afaka misaraka fa mifameno.
Tsy ho voatery hitovy amintsika avokoa ny olona,ny saina ,ny toetra ,ny fanana,ny fihaviana,ny loko,ny fahaizana,ny finoana,ny fahaizana soratra masina sns .[/b]
Ahoana moa no ahafantarana ny olona raha tsy miresaka aminy isika?
Afaka manao izany avy ny tsirairay:manandramana miresaka ireny olona tsy mitovy aminao ireny,manaova zavatra izay tsy mbola nataonao,aza tonga dia mitsara hoe tsy tiako ity,na hoe tsy tiako ity olona ity,afaka mizzara na miresaka ny antony hinoanao an'i kristy hianao,ny nahatonga anao tonga amin'izao toeranao izao,na ireny olona heverinao fa lozabe ireny aza rehefa misokatra aminy ny fonao dia ho fantatrao miandalana eny ny nahatonga azy ho lozabe,hay tsy lozabe araka ny hitsarana azy izy fa manana fanahy malemy ihany,tsy mba manana olona mitia izy ka dia atosiny avokoa izay mitady ho tia azy.
Ry Atra be fitiavana ,misaotra anao izahay noho ny fahasoavanao..Omeo hery izahay mba ho tonga fahazavana hanazava ireo manodidina anay,ampianaro izahay ahatsiaro fa ny fitiavanao no nomenao anay dia ny nanolaranao ny Zanakao maty noho ny fahotanay.Ny fihetsika,ny fiteninay ,ny fanoratray eny fa na dia ny fiarahanay rehetra eto amin'ity serasera ity aza dia ampahafantaro anay fa toy ny vatana iray ihany izahay miaraka aminao ka tsy misy mahavita tena fa mila mifanampy mba ho tonga soa amantsara ny asa nomena ho tanterahanay tsirairay avy dia ny fanampianay ireo namana maro mba ho voavonjy,mba hino sy hanankina ny fiainany irery aminao.Misaotra Ray o ,amin'ny anaran'ny Zanakao Malalanao no anavako izany vavaka izany Amena ^:^ ^:^
Fahazavanao eo amin'ny manodidina antsika avy isika ary afaka manontany tena isika hoe inona no talenta nomen'Atra ahy ,ahoana no ataoko sy ampiasaiko an'izany mba hampiroboroboko ny asan'Atra ?
(l) niryna

répondu par niryna le 20/05/2008 16:01
2. Jeankely
(
19/05/2008 03:13)
Misaotra ano fa tena ilainay maherihery firesaka sy fisainana ny lesona.
3. celesy
(
19/05/2008 13:46)
Izao no momba aho nivavaka tamin'ny Catolika ny Vadiko nefa zaho Anglikany ka nandeha ny fotoana ninjanganjanga be ny vadiko zaho koa mba namaly nefa tsisy antony ny famaliana ny ratsy dia nifonako teo anantreany Atra izany nandeha ny fotoana nanaraka aho izay tany amin'ny Anglikany nanao mariage izahay ary natao confirmation ary notendrena Evenjeliste nefa enim bolana tafarany nanendrena azy dia nisy namana nitondra dia nifindra fiangonana izy tsy fantatro ny anaram-piangonany. ampio aho ary mba omeo hevitra hinjanona amin'ny Anglikana ihany ve aho sa anaraka azy ? nefa Anglikany no mahazatra aho nefa hoy izy hoe tsy nofo iray noho izahay. misaotra tompoko !
4. xxx
(
19/05/2008 13:54)
mila mifampiresaka nareo roa aloha. Fantaro we in ny antony nifindrany finoana hafa.
5. ikaretsaka
(
19/05/2008 17:00)
marina io..fantaro aloha ny antony vao mila mi condamner.
dia iny antony iny ihany no surcontrerna..

6. niryna
(
19/05/2008 17:56)
Jeankely:
Misaotra ano fa tena ilainay maherihery firesaka sy fisainana ny lesona.
tsy misy fisaorana ka,mahereza hatrany
Ny fahasoavan'ny tompo anie ho anao
7. niryna
(
19/05/2008 18:05)
celesy:
Izao no momba aho nivavaka tamin'ny Catolika ny Vadiko nefa zaho Anglikany ka nandeha ny fotoana ninjanganjanga be ny vadiko zaho koa mba namaly nefa tsisy antony ny famaliana ny ratsy dia nifonako teo anantreany Atra izany nandeha ny fotoana nanaraka aho izay tany amin'ny Anglikany nanao mariage izahay ary natao confirmation ary notendrena Evenjeliste nefa enim bolana tafarany nanendrena azy dia nisy namana nitondra dia nifindra fiangonana izy tsy fantatro ny anaram-piangonany. ampio aho ary mba omeo hevitra hinjanona amin'ny Anglikana ihany ve aho sa anaraka azy ? nefa Anglikany no mahazatra aho nefa hoy izy hoe tsy nofo iray noho izahay. misaotra tompoko !
misaotra betsaka celesy a
Fiteny ny hoe do not yoke to non-believers. Izany hoe aza miaraka ny tsy mpino hoy ny soratra masina.Inona hitovizan'ny olona mino an'Atra sy ny mpanompy sampy?
Saingy rehefa tafiditra ao anaty tokantrano kosa ny olona roa dia tsy afaka miala intsony raha tsy ohatra angaha ka hoe manitsakitsaka na mampirafy ilay iray ,io dia anjaran'ny tsirairay ihany koa.
Ny anaran'ny fiangonana dia tsy mahavonjy antsika fa ny finoana an'i kristy irery ihany,koa raha mitady fiangonana izy ka mahatsapa fa misy fanahy masina ao amin'ny fiangonana izay itany ,ataoko fa tsy misy olana izany,tsy izay ahazoana famonjena ve no tadiavintsika ?
Mahereza,atolotry an'i kristy ny fiainanao,mifona aminy ary mamela ny vadinao,tantanao eo am-pelantanany isan'andro ny tokantranonareo fa Atra tsy mamela ny olony
mahereza e
niryna
8. rebeccaF
(
19/05/2008 18:06)
celesy: Mifampiresaha ianareo. Nefa aza adino ny mihaino ny consiansa-nao amin'izay mety hitoeranao akaiky kokoa an'andriamanitra sy hanataterahanao ny sitrapony.
Mivavaka ho anao aho.
9. xxx
(
19/05/2008 19:15)
tsara le resakao ry Nirina fa tena mikorotana be...tsy hitan'ny mpamaky akory hoe inona no tianao hahatongavana? Sa mitory teny fotsiny?
10. niryna
(
20/05/2008 15:47)
rebeccaF:
celesy: Mifampiresaha ianareo. Nefa aza adino ny mihaino ny consiansa-nao amin'izay mety hitoeranao akaiky kokoa an'andriamanitra sy hanataterahanao ny sitrapony.
Mivavaka ho anao aho.
izay indrindra,mitovy izany koa ny hevitro,izay toerana misy mahatonga anao hanakaiky an'Atra no hidiro.Toy ny misotro rano io ,mangetaheta dia misotro,tsy mangetaheta dia tsy nisotro.Ny fiangonana andro iray tsy ampy fa ny fampiharana azy amin'ny fiainana andavanandro no tena zava-dehibe
Ohatra hoe mangetaheta ny tenin'ATra aho kanefa aho tsy mamaky na te hihaino ny teniny ahoana no ahatongavako amin'izay tanjona tiako atao dia ny hanatonako aza be be kokoa ?
11. niryna
(
20/05/2008 16:01)
xxx:
tsara le resakao ry Nirina fa tena mikorotana be...tsy hitan'ny mpamaky akory hoe inona no tianao hahatongavana? Sa mitory teny fotsiny?
misaotra anao nanontany.
16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. Matio 5:16
Iray ihany isika rehetra ao amin'ny Tompo,toy ny vatana izay tsy misy na iray aza afaka misaraka fa mifameno.
Tsy ho voatery hitovy amintsika avokoa ny olona,ny saina ,ny toetra ,ny fanana,ny fihaviana,ny loko,ny fahaizana,ny finoana,ny fahaizana soratra masina sns .[/b]
1 Pet 2:12 12 ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
io no mitovy hevitra ny tiako ho tenenina.
mifanampy,mifanoro,mifanitsy ary mizara izany fahasoavana nomen'Atra antsika izany.Misy toetra na taratra tazan'ny tsy mpino ao aminao ary mety mangetaheta izy ny amin'izany ka anjaranao no mizara ny fitiavan'Atra azy.
Mazava sa mbola tsy mazava ?