TENA NAMANA

1. Bazily ( 14/05/2008 15:57)
Aminao : Inona ny hoe:"TENA NAMANA" fa raha ny hevitro dia "MANOME IZAY TSY ANGATAHINA, MANOLOTRA IZAY TSY TADIAVINA" ary koa ANTSOINA RAHA MAINA ANDRO : TONGA , IANGAVIANA MISASAKA ALINA : TSY MANDA
Ary ny HEVITRAO mba ahoana ?
répondu par niryna le 18/05/2008 20:36
2. Jeankely ( 14/05/2008 16:15)
Averina amin'i Bazily koa hoe raha lehilahy sy vehivavy mpinamana dia ahoana ilay manolotra izay tsy tadiavina ? Sa ny samy lahy na samy vavy na samy mitovitovy taona io resaka io ?
3. lohabe ( 14/05/2008 16:41)
Namana izany aloha tsy misy idiran'ny sexe mihitsy ry sexistes.

Bazily> mety diso aho, fa adihevitra ny eto

Amiko dia diso be izany famaritrana hoe "manome" izany no atao hoe namana. Afaka manome anao zavatra ny olona dia mody ho namanao izy avy eo.

Ny finamanana amiko dia tsy misy takalo, tsy misy hoe "raha tsy tonga amin'ny sasak'alina dia tsy namana".

Tsy omby isika ka hoe "Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany."

Fitiavana no mitondra an'io. Ny tena namana dia ny olona tia anao amin'ny maha-ianao anao. Raha afaka manampy anao moa izy dia soava soa soava tsara.
4. pissoa ( 14/05/2008 17:25)
Ny tena namana amiko dia izay mikatsaka ny tsara nefa mahay manaiky ny maha ianao anao !

:-D :-D :-D :-D :-D
5. Jeankely ( 14/05/2008 17:42)
Aiza Bazily fa toa manokatra dia any manjavona ? Fa ny vadin'i Bazily ve avelany hanome ny rehetra ny namany sa hitongavan'ny namany sasakalina ? :-D :-D :-D
6. ainaheri ( 14/05/2008 17:42)
Ny ahy refa tsy miatsaravelatsiny amiko d namako aby,


http://www.dailymotion.com/video/xzrnh_tsiakoraka-namana
7. naritsimba ( 15/05/2008 05:17)
MANOLOTRA IZAY TSY TADIAVINA , MANOME IZAY TSY ANGATAHINA.

Marina izany!
8. nini2008 ( 15/05/2008 05:34)
NY TENA NAMANA DIA IZAY MAHAFOY NY AINY HO FAMONJENA.
9. kalovao ( 15/05/2008 05:48)

nini2008> marina izany fa ampiana kely hoe zay manao @ fo madio
10. xxx ( 15/05/2008 06:49)
kalovao:


nini2008> marina izany fa ampiana kely hoe zay manao @ fo madio

Raha efa ny aina kosa ve no afoy dia mbola ho amin'ny fo maloto ihany, tsy voa mafy ? :roll:
11. Bazily ( 15/05/2008 07:38)
lohabe:

Amiko dia diso be izany famaritrana hoe "manome" izany no atao hoe namana. Afaka manome anao zavatra ny olona dia mody ho namanao izy avy eo.

Ny finamanana amiko dia tsy misy takalo, tsy misy hoe "raha tsy tonga amin'ny sasak'alina dia tsy namana".

Tsy omby isika ka hoe "Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany."


Tsy nisy resaka takalo ny fanazavako azy tery ambony sao diso fandray ianao.
"Manome zay tsy angatahina": Tsy niandry iangaviana vao manampy.
Angamba mety mazava aminao am'zay ny tiako hambara
Jeankely=
: Teo foana aho fa mbola somary sahirana kely lesy eh!

12. ktsif ( 15/05/2008 13:52)
Misy ve ny tena namana?
Amiko dia olom-pantatra no betsaka fa ny atao hoe tena namana dia izay mamonjy anao amin'ilay fotoana mampiala ny olom-pantatra rehetra. Misy heverinao ho tena namanao nefa ny azy dia olon-kafa no tena namany
Ianao koa va namany? (ataovy eo amin'ilay "a" faharoa ny tsindrim-peo)
13. xxxx1 ( 15/05/2008 14:13)
jeankely ve azo atao hoe tia namana araky ny mombamomba azy :?:
14. xxx ( 15/05/2008 15:01)
Amiko dia olom-pantatra no betsaka fa ny atao hoe tena namana dia izay mamonjy anao amin'ilay fotoana mampiala ny olomp-pantatra rehetra

ie Manao havana raha misy patsa zany ny akamaroan'ny namana mifandray aminao.
15. niryna ( 15/05/2008 23:45)
Ny tena namana dia manoro ny marina na dia mandratra aza ilay teny , tsy mijery harina an-tava ,mitia ahy amin'ny maha izaho ahy fa tsy manao havana raha misy patsa,miara mifaly,miara ory ary miara mitady ny vahaolana ka tsy manary amin'ny fotoana rehetra ary mihoatra noho ny mpiray tampo mihitsy tsy mba arahana latsa na eso fa vokatry ny fo izay ataony sy ataoko aminy .

http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47d74a6e21e70
16. ainaheri ( 17/05/2008 04:45)
niryna>> miombon-kevitra 100 isan100
17. niryna ( 18/05/2008 20:36)
ainaheri:

niryna>> miombon-kevitra 100 isan100
misaotra ainaheri
dia afaka mianatra ny minamana ny olona izay tsy mitovy amintsika koa isika,afaka miresaka ireny olona izay heverintsika fa tsy azo resahina ireny mihitsy,rehefa tena manatona olona isika dia hita ao am-pony ao daholo no mahatonga azy ho bitter na lozabe,misy zavatra mampalahelo azy ao anatiny ao dia tsy mba manana olona hamborahana izany izy ,andramo anie e,tiavo daholo izay olona eritreretintsika fa tsy misy mpitia ireny,ao am-piasana no ataovy fanandramana fa ho hitanao fa misy zavatra mankarary fo azy ireo ary dia ho hitanao koa fa hay tsy lozaba araky ny fitsarana azy ilay olona fa manana fo malefaka sy afaka mitia olona ihany.Ilay olona mitia azy no tsy misy dia manalavitra ny rehetra izy.Experiences betsaka no efa itako .
Tsy afaka ny mitia olona isika raha tsy tia ny tenantsika aloha
Tsy afaka mitia olona isika raha tsy isika no manandrana mitia azy
Ny fitiavana dia tsy vidiam-bola ka na manana na mahantra dia afaka mizara izany ,ary raha tsy mijery tavan'olona isika fa mitia azy toy ny fitiavan'Atra antsika tsirairay dia ho fantatsika fa maro ny olona tsy ampy fitiavana ka mitady olona ho tia azy .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2421