Simba ny toe-tsaina 1

1. bilakarenjy ( 07/05/2008 17:09)
“Misy tetibola manokana ho an’ny mpitsara...”

100 tapitrisa Ar ! Izany no volabe kirakirain’ny mpanao piraty eto amintsika. Tsy matahotra fanenjehana ry zalahy, satria araka ny vaky bantsilana nataon’ny tompon’andraikitry ny Scoop Digital, omaly, efa misy ny tetibola manokana fanome ny mpitsara, zandary, polisy, mpanao gazety rehefa tonga tokoa ny « tokoa ».

Tsy matahotra fanenjehana ireo mpanao piraty ireo, satria manana tetibola manokana hoenti-miady amin’izany, hoy ny tale jeneralin’ny Scoop Digital tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely omaly.
Nambarany ihany fa : mahatratra 12.000.000 Ar. farafahakeliny ny vola tsy kitihan-dry zareo ireo mihitsy raha tsy misy fahatratrarana. Omena ny pôlisy, zandary, mpitsara ary mpanao gazety ireo vola ireo rehefa raikitra ny « tokoa », araka ny nolazain’i Mamitiana Razafimandimby ihany.
Noho izany, tsy tokony hionona fotsiny amin’ny fanentanana sy fidradradradrana ny « aza manao piraty ! aza mividy piratyItalic text » intsony ny resaka.
Mila mandray andraikitra tanteraka ny fanjakana satria efa tamban-jotra matanjaka ny mpanao piraty eto Madagasikara.
« Manana olona sy fitaovana matanjaka kokoa noho ny an’ny mpamokatra ara-dalana ny mpanao hosoka », araka ny nambara tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.
Nolazain-dry zareo nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety kosa anefa fa « vokatry ny fanentanana nataony, tsy manaiky idiran’ny mpanao piraty intsony i Moramanga ».

"Mikirakira 100 tapitrisa ariary",

Vokatry ny fanadihadiana nataon’ny orinasa Scoop Digital nandritra ny fanentanana nataony tamin’ny ady amin’ny hosoka no nahavaky bantsilana ny tarehimarika momba ny vola ampiasain’ny mpanao piraty. Nambaran-dRazafimadimby Mamitiana, tale jeneralin’ity orinasa ity fa mpanao hosoka 20 no mamatsy mpivarotra piraty 50 isanisany. Ao anatin’ny iray andro, 20 farafahakeliny ny VCD lafon’ny iray amin’ireo. Izany hoe, mahatratra 1.000 isan’andro no VCD lafon’izy 50 ao anatin’ny iray andro.
Raha tao anatin’ny 10 andro nanaovana ny kajy, mahatratra 10.000 izany no lafo. Araka ny voalaza etsy aloha, 20 no isan’ireo mpamatsy. Noho izany, 10.000 x 20 = 200.000 Vcd no lafon’izy ireo anatin’ny 10 andro. Ny fanadihadiana natao anefa no nahalalana fa 500 ariary isaky ny VCD iray no tombony azon’ireo mpanao hosoka ireo, hoy ihany Mamitiana Razafimandimby.
Izany hoe, mitontaly 200.000 x 500Ar. = 100.000.000 Ar ny vola mihodina sy kirakirain’ny mpanao piraty eto amintsika. Marihina fa Antananarivo sy Toamasina no nahavitan’ny ekipan’ny Scoop Digital fanentanana tao anatin’izay iray volana izay.

Gazety taratra (hary Razafindrakoto)"Kolikolin’ny mpanao piraty"
samedi 26 avril 2008

Sadaikatra be ny mpanoratra raha nahita io fomba sy fihetsika ataon'ireo piraty sy mpitsentsitra ary mpitanty ra-kena e!. Tena efa mahasaky ry lerony ka .
répondu par bilakarenjy le 09/05/2008 16:36
2. kiadi ( 07/05/2008 19:01)
zah alaoh de aleo tsoriko fa leo mividy original zah fa indroa na intelo jerena le vcd de vita!!aleoko mividy pirate fa in mora folo eny no le original de tsy rarahako na simba aza avy jereny!!
firy ny vcd-ko mipetra-potsiny ato nefa vcd original fa jerena indray de vita!
refa te hiady @ osoka aloha de mila amboarina ny "qualité" ny zavatra hamidy! :wink:
3. rafavoris ( 07/05/2008 20:33)
zah ragah tsy dia manome tsiny ny mpanao piraty satria io koa ny mba fidiram_bolany ka tsy aleo ve izy mba manao anio toy zay mamaky trano sady ny original -nareo reny lafo loatra sady mora simba sady ianareo ireo koa ange malay handoa hetra e Mhavoaza anareo io Mitetike ny hanambaka olona
4. bilakarenjy ( 07/05/2008 21:12)
tsy ilay zava-bitany mihitsy no mahasadaikatra fa ilay asan'olona sy ilay sangan'asan'olona tatazany fotsiny ,tsy nandaniany fotoana no tena blem .

Eritrereto hoe : ordi sy lecteurs fotsiny raha kely indrindra no anatanterahiny ilay vokatra efa vita ,nefa ilay nanao azy sy nanantontosa azy efa nandany fotoana sy volana ary fitaovana .

Ny hoe : ratsy ilay orginal dia io indray miankina @ fitaovana ananan'ilay mpanonta , fa raha ny tena izy aloha dia ratsy ilay orginal mihoatra @ piraty .Izay no mba mahagaga ahy .Mitovy hevitra @ kiadi aloha za @ izay .

Le manao piraty anie tsy olana e!, adikanao iny de izay , fa le varotany avy eo no manimba ilay mpanankanto .(miankina @ ilay mpanankanto koa io).
5. kiadi ( 09/05/2008 13:01)
marina fa lafo ilay original indrindra ho any ny olona mipetraka any!!fa ny tena blem wa de ilay kalité!! tsy afaka ampiasaina firy de miraikitra!! de aleo ihany mividy piraty fa in mora lavitra ka na simba aza avy eo de tsy olana!
fa mila mapivôtra ny kalité ny entana amidy aloha zay vô miady @ piraty :wink:
6. bilakarenjy ( 09/05/2008 16:36)
marina zany ry kiadi a!,asa raha inona no ampiasain-dry zalahy ao fa misy tsy fihetezany ilay feo sy ny sary indraindray .

Manana mihitsy za ato fa dia jerena le izy satria vitan'ny mpanantontosa gasy .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0995