Olona mitovy

1. yvanot ( 23/04/2008 08:01)
Salama daholo e.
Nifankatia t@ i H. aho, ary 45 andro fotsiny zahay no niaraka de nindaosin'ny fahafatesana izy. Nijanona tampoka ny fony ary araka ny nolazain'ny havany de naheno hono izy fa hanamabady aho afaka ray volana, nefa diso zany. (Ajanoko eo aloha iny satria tantara hafa).
Amin'izao fotoana zao misy ingenieur stagiaire, miasa ato aminay, ary taitra aho tamin'ny voalohanay satria tena mitovy @ i H. fa i A. kosa ny anarany. Tena lasa nifankatia zahay sy i A. ary efa ho 6 mois eo zao. Tapa-bolana zay de notantaraiko t@ i A. ny momba an'i H. ary nolazaiko taminy fa mitovy na ny physique, na ny feo, eny fa hataimn'ny fihetsika fa izy somary maintimainty kely fotsiny.
Taorian'izay de ohatry ny hafa² i A. ary vao herin'andro zay nisy nampifanditra anay kely dia izao ny teniny hoe " tsy tia anahy akory ianao fa i M. no tianao fa izahi ataonao fahatsiarovana azy fotsiny". Raha tena nandinika aho tena misy fahamarinany kely zay voalazany zay nefa mahatsiaro koa fa tiako izy.
Ny tena olana de tsy toy ny taloha intsiny i A. fa malok'endrika zany foana nefa zah mandresy lahatra azy fa hoe tsisy an'izany.
Mba mangataka hevitra @ namana mpiserasera zah mba hanome vahaolana fa tena ohatry ny nofy lay fifankatiavanay sy A. teo aloha na izaho aza lasa saina be any @ i H. ndray foana zay efa maty.
Misotra mialoha @ zay manome sosokevitra.
répondu par yvanot le 24/04/2008 04:38
2. ari.malala ( 23/04/2008 08:28)
tokony tsy nitantara an'i A ny momba anao sy H alou ianao, nefa efa vita moa ka atao ahoana intsony. Raha izaho manokana de aza miezaka mandresy lahatra an'i A @ teny intsony fa @ fihetsika andresena lahatra azy @ alalan'ny fanehoana ny tena fitiavanao azy. Raha azonao atao ny tsy mieritreritra an'i H intsony d aza mampitovy azy roa iany koa satria olona roa samy hafa tanteraka i A (eo anilanao amizao fotoana izao) sy i H ef alasana. MAhereza de mirary soa:)
3. mmmhh ( 23/04/2008 13:41)
rah nahapahafantarinao azy hatrany am-boalohany i H mety tsy nampaninona azy, fa le izy tara ny fahapafantarinao azy azy, de izay le nahasorena azy.
tsisy tokony nanenenanao ny nitantara ny momba an'i H taminy, tsy hoe olona tsy tianao anie H e, ary tsy hoe nisaraka nareo fa ny fahafatesany no nampisaraka anareo roa,
Na izany na tsy izany,
ari.malala:
Raha azonao atao ny tsy mieritreritra an'i H intsony d aza mampitovy azy roa iany koa satria olona roa samy hafa tanteraka i A (eo anilanao amizao fotoana izao) sy i H ef alasana.
4. milaibe ( 23/04/2008 18:20)
Ary iza ndray le M ,toa io no hi reproche-anao koa?
5. yvanot ( 24/04/2008 04:38)
Diso tsipelina zah fa i H. no tiako tenenina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3911