ILAY BOKY NODORANA

1. bilakarenjy ( 17/04/2008 16:57)
Ao anatin'ilay blaogy RANDRANA no nakana ity andalan-tonokalo ity izay mamarana ny adin'ny Boky ,ka entiko, eto hakana hevitra avy aminareo

http://bilakarenjy.artiste-malgache.com/2008/01/06/%c2%b011-baiboly/

Mila mamaky ny eo aloha vao tena tafiditra tsara ao anatin'ilay izy .

Dia mamaky finaritra sy ampazahoy hevitra avy any aminareo .
répondu par xxx le 10/05/2008 14:18
2. ikaretsaka ( 17/04/2008 17:23)
eto izany le hoe miracle mon ami rehefa tena dinihina?
lasa hoe zavatra fanaovana miracle indray no andraisana ilay izy
"dory aho nefa tsy may" koa
3. bilakarenjy ( 17/04/2008 18:39)
zany no atao hoe :sarin-teny ,entina milaza fa ny teny sy ny soratra mitoetra foana ,fa raha raisina mivantana sy ara-bakiteny izy dia io hevitrao io indray no mivoaka .

saingy tsy dia izay loatra no tiana ambara , fa ny ambadiky ny fifandirana sy ny ady ataon'ireo karazam-boky eo anatrehan'ny hevitra asehon'ny baiboly .
4. rijadolly ( 17/04/2008 18:58)
Misaotra bilakarenjy a! :-*
5. ikaretsaka ( 17/04/2008 20:42)
fa ao anatin'ilay izy izany de misy karazana favoritisme foana e?
6. fijo ( 17/04/2008 21:00)
ka izay le boky ko
7. pissoa ( 17/04/2008 21:26)
Mila vakiana ny tononkalo talohany sy mifandray aminy :-D :-D :-D
8. ikaretsaka ( 17/04/2008 21:37)
zay ve nahalala... io ihany no "tsimpona" nasaina no traitena
ndraso fa hovakiana ary e
9. kiadi ( 17/04/2008 22:25)
fa nanin no nodorana ilay boky?
10. tslem ( 18/04/2008 02:27)
hs kely fa aza tsiny

Tam zah tam mbola kely d nentin'ny Rad-ko nijery théatre tao am tranompokonolona Isotry d tadidiko tsara ny titre an lé izy oe "Ilay boky nodorana nefa tsy may" nolalaovin'ny tropy Victor Solo,tsisy azoko mitsy izay lohany sy vodiny fa d io titre io fotsiny no mba tadidiko.
11. pissoa ( 18/04/2008 09:29)
ikaretsaka t@ 17-04-2008 23:37:52:

zay ve nahalala... io ihany no "tsimpona" nasaina no traitena
ndraso fa hovakiana ary e

Nefa
bilakarenjy t@ 17-04-2008 18:57:41:

Ao anatin'ilay blaogy RANDRANA no nakana ity andalan-tonokalo ity izay mamarana ny adin'ny Boky ,ka entiko, eto hakana hevitra avy aminareo

http://bilakarenjy.artiste-malgache.com/2008/01/06/%c2%b011-baiboly/

Mila mamaky ny eo aloha vao tena tafiditra tsara ao anatin'ilay izy .


:-w:-D:-D:-D

12. bilakarenjy ( 18/04/2008 15:08)
misaotra an'i pissoa nanamafy ny fanazavana .

Efa vita horonan-tsary io "Ilay boky nodorana nefa tsy levona " io ary raha somary fintiniko kely ny tena votoatin'ny tantara dia :t@ izany andro izany dia nahamay be ny fanenjehana fivavahana ka nodorana daholo ny Baiboly izay hita sy tratra tany @ olona tsirairay ,ary narahina maso akaiky ireo mpitondra fivavahana ,fa tsy nahasakana ny fivoriam-bavaka nataon'ireo mpino izany ,izay tany anaty lava-bato na ireny lozoka ireny .
Izay ny nahatonga io lohanteny io hoe : Ilay boky nodorana nefa tsy levona .
Ary io mbola nisy nanao an-dampihazo io koa .

13. niryna ( 18/04/2008 17:27)
Voafetra ihany ny zava-drehetra ,
Fa ny soratra masina no tsy manam-petra ,
BAIBOLY no anarany : manan-komena ,
Mitsabo fanahy , mamonjy ny tena .

Ity no mpampianatra tena mahay ,
Ilay boky nodorana nefa tsy may ,
Ireo teny voarakitra an’arivo taona ,
Dia tenin’ny Tompo tsy misy mivaona .

Ilay teny fiainana , ilay teny velona ,
Ho vatsim-panahin-draolombelona ,
Tsy maintsy torina , tsy maintsy ambàra ,
Ny soa raiketin’ny filazantsara .
misaotra betsaka e
Ho deraina mandrakizay anie ny anaran'ny tompo izay tsy miova ,anio ,rahampitso ary mandrakizay.
Ny fahasoavan'ilay Kristy mahery nandatsaka ny rany noho ny fahotantsika rehetra anie ho ao amintsika tsirairay avy ,andramo ka zahao fa tsara izy ary mandrakizay ny famindrampony.
Atao ny fanandramana,manatona azy ,mibebaha,mamelaha heloka ary minoa fa maty teo amin'ny hazofijaliana tokoa izy ary ny rany no efa nanadiovany antsika,mino azy ary ankalazao mandrakariva ny anarany,tandremo ny didy izay nomeny hatrizay .Amena


=D> =D> =D> ^:^ =D> =D> =D>
14. fijo ( 18/04/2008 20:05)
film momba an drasalama io .efa itako fony aho mbola kely.film moa ka dia no jerena fa tsy azo akory tamin'izany
15. niryna ( 18/04/2008 21:04)
fijo:

film momba an drasalama io .efa itako fony aho mbola kely.film moa ka dia no jerena fa tsy azo akory tamin'izany



=)) =)) ka hatramin'izao io mbola manankery ka ,na lazain'ny olona aza hoe io foana dia io no ankany izao tenin'Atra hotsipahiny izao ihany ,nga tsy mampihomehy,ao ihany no ankany kanefa ao ihany koa no hitsipahany .
Misaotra an'Atra isika fa noho ny fitiavany antsika dia nomeny ny teniny,nomeny ireo olona marobe mba ho fantatsika ny tokony atao na tsia.
16. pissoa ( 19/04/2008 17:39)
bilakarenjy:

misaotra an'i pissoa nanamafy ny fanazavana .

Efa vita horonan-tsary io "Ilay boky nodorana nefa tsy levona " io ary raha somary fintiniko kely ny tena votoatin'ny tantara dia :t@ izany andro izany dia nahamay be ny fanenjehana fivavahana ka nodorana daholo ny Baiboly izay hita sy tratra tany @ olona tsirairay ,ary narahina maso akaiky ireo mpitondra fivavahana ,fa tsy nahasakana ny fivoriam-bavaka nataon'ireo mpino izany ,izay tany anaty lava-bato na ireny lozoka ireny .
Izay ny nahatonga io lohanteny io hoe : Ilay boky nodorana nefa tsy levona .
Ary io mbola nisy nanao an-dampihazo io koa .



tsisy fisaorana !

Hay ve io ilay horonan-tsary e ! Izaho tsy mbola nahita mantsy :oops: :oops: :oops:

Misaotra e
17. ikaretsaka ( 19/04/2008 18:05)
Ity no mpampianatra tena mahay ,
Ilay boky nodorana nefa tsy may ,


kay le ... kay lasa mahay mampianatra @ zao koa ny "boky"?

tena sampisampianareo marina le izy le
18. bilakarenjy ( 20/04/2008 16:06)
Ny boky no ahazoana fianarana sy akaiky anao ,ankoatra ny zavatra hitanao eny rehetra eny sy ny andavanandronao ,izay fianarana ho anao daholo mandrapâhatapitry ny fofonainao .

Ary lazainy eto hoe : MPAMPIANATRA ,fa tsy zavatra hafa akory ,fa raha hoy ianao hoe : sampy dia efa zavatra hafa indray zay .Tsy ao anatin'ny resaka mihitsy .
19. ikaretsaka ( 20/04/2008 18:03)
mila mpampianatra aloha ianao (mpampianatra mamaky teny ohatra) izay vao mahazp ny fampianaran'ny boky fa tsy misy boky mpampianatra iznay e...
na ianao t@ mbola kely namaky lalasy noro aza..tsy tonga de t@ izao fotsiny
mba realiste
20. bilakarenjy ( 21/04/2008 06:40)
Ka ity resaka ity anie ho an'ny olona efa mahay mamaky teny tsara sy mahay manoratra e! matoa amporisihana hamaky boky ,fa tsy hoe : vao manomboka hampianarina mamaky teny akory .

Ary ny boky dia mpampianatra tsara mihitsy ankoatra ny tena mpampianatra .

Ianao zao raha mamaky gazety fotsiny ohatra ,ka mijery ny lahatsoratra eo @ pejy voalohany .Matetika ny lahatsoratra soratana eo dia mbola mitohy any @ pejy manaraka ary soratana eo @ faran'ilay lahatsoratra manazava ny fitohizany .
Dia ianao izany ndeha hitady mpampianatra hoe : aiza ny tohin'ity lahatsoratra ity ,nefa efa asiany fanamarihana eo ambany momba izany .Zany zao efa fampianarana tsy mila mpampianatra .

Ary ny angatahiko hevitra aminareo dia ny fifandirana ataon'ireo boky eo anatrehan'ny baiboly ,fa tsy ny fahaizana mamaky teny sy ny mila mpampianatra akory .

Ika > ary ny hevitra asehonao dia ivelan'ny dinika foana a!.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0866