Natao hotohizana ity tononkira ity

1. bida ( 07/04/2008 21:22)
Vata vy nidiny gadànà
no nanangonany fananana
répondu par mmmhh le 08/04/2008 12:20
2. ralos ( 08/04/2008 11:36)
Vatavy nidiny Gadana,
No nanangonany fananana
He zandiana rovidrovitra,
No nanangonany ny tapany ah!
Te ho any Ambalatavoahangy ,
Ka somary menamenatra
Zay vao hiatrika masoandro ô
Hiandry ny isan'ny olo-marina.
3. mmmhh ( 08/04/2008 12:20)
Vata vy nidiny gadanà
no nanangonany fananana
Mba tsy ho azon-dry zalahy
Ilay kely nisasarana

Tsy nampoiziny indray andro
Rehefa avy niasa andeha hody
Tsy teo intsony ilay vata
fa lasan'ireo tsy mataho-tody.

:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3941