Fahatezerana ao anaty ve ilay mikasika tanana olona sa ?

1. niryna ( 07/04/2008 16:24)
Indraindray dia mahatonga saina ny mijery ny olona mitondra telecel eny amin'ny arabe ka tezitra mafy mivazavaza.hila ho tapaka ny lalandrany
Efa nahita an'ireny olona ireny ve hianao"
Inona tokoa ny tena mahatonga ny olona ho tezitra misafaoka e? ilay olona resahiny ve no mampatezitra azy ny ataony,ny teniny sa ilay fahatezerana mihitsy no efa ao anatin'ny fony?
Miteny mandratra olona ,ilay olona ve no tiany hanamparana ny fahatezerany sa ilay izy mihitsy no ao anaty dia avoakany amin'izay tratrany?
Ny fikasihantanana:ilay fahatezerana ao anatiny izay tsy ainy ny mandanjalanja azy ka izay tratry no hanamparany azy sa dia mailaka sy kinga fotsiny ny tanany mipelika,tsy voatanany dia voadaroka ny ankizy,ny lohan-jaza moa dia voa foana ,dondrona,tsy mahay na inona na inona dia mino tokoa ilay zaza fa dondrona hono izy k'ty.
Maninona ny lehilahy sasany mamono vady na ny tsy manambady aza fa manana sipa toa manaiky vonoin'ny lehilahy dia tsy miteny na toa tsy afaka manoatra ?Misy ankizy aza tonga dia pelika fotsiny izao dia vonoiny daholo izay manadala azy.
Avy amin'ilay olona vonoina ve no mahatonga azy ireo hikasika tanana sa izy mihitsy no efa misy habibiana,fahatezerana amin'ny fiainany dia tsy mety mivoaka ilay izy ka ny hafa no hanamparany?
Ahoana ho hevitrao?
niryna
répondu par niryna le 10/04/2008 13:38
2. xxx ( 08/04/2008 09:29)
Ny mikasitanana dia entina ampiheverana fa tsy ny fo,zay no tena izy.Samy manana ny fandraisany azy ny tsirairay,miankina @ lay seho nisy izy io.Ny fikasihantanana dia fampiharana farany aorian'ny fampitandremana satria ny famerenana an'ilay tranga dia midika tsy fanajana,tsy fahaizana mifehy ny tena,fanaovana fanahinina tsotra zao.
Tsy omena tsiny aloha ny mpitazana mahita an'lay fikasihatanana zay milaza hoe tsy rariny,habibina sns...tsy mahalala ny antony.
Tsy afangaro @ fikasihantanana maimaimpoana kosa e,samihafa zay,hetraketraka njay zay
3. niryna ( 08/04/2008 15:35)
xxx:

Ny mikasitanana dia entina ampiheverana fa tsy ny fo,zay no tena izy
marina izany dia tokony tsy hikasika tanana izany fa vitan'ny resaka kosa e sa tsy maintsy mikasi-tanana ilay olona
.Samy manana ny fandraisany azy ny tsirairay,miankina @ lay seho nisy izy io.
mino izany koa aho .Ary raha ohatra ka efa zatra mipelika ny tanany,tadidiko nisy ankizy izay maditra ilay izy ka misy olona mitaraina foana ao antranony dia ny reniny no mifona,ary rehefa misy mahazo iol ankizy io indray dia ilay namono azy iny no teneniny dia iny no mamono ilay ankizy namono ilay iray vao novonoiny teo.
Ny fikasihantanana dia fampiharana farany aorian'ny fampitandremana satria ny famerenana an'ilay tranga dia midika tsy fanajana,tsy fahaizana mifehy ny tena,fanaovana fanahinina tsotra zao.
toa tsy misy fampitandramana kosa ilay izy fa tia mipelika fotsiny ny tanany ary rehefa tenenina ho marary izany izay izy vao miteny oh! hono koa

Tsy omena tsiny aloha ny mpitazana mahita an'lay fikasihatanana zay milaza hoe tsy rariny,habibina sns...tsy mahalala ny antony.
ka ilay mpitazana tokoa no mahita ilay ataon'ilay iray e

Tsy afangaro @ fikasihantanana maimaimpoana kosa e,samihafa zay,hetraketraka njay zay
ny itako indray dia tia sangisangy mahery matetika ny ankizy lahy,ity namana iray dia noketohany hono ny sofin-dreniny :roll:
Nisy vavikely iray izay indray nahafinaritra azy ny tarehin'ilay zaza dia noketohany ary dia bora-mena mihitsy,izay izy vao tonga saina rehefa nitomany niatatra teo ilay zaza
4. iriko ( 09/04/2008 23:23)
eeeeeeeieh! efa zatra mipaipaika ireny dia tsy mety intsony fa mamely foana.

sady te hampiseho ny heriny koa. :? :? :? nefa tandremo fa ny manana toetra sahala @ireny dia mora maty. 8O 8O 8O 8O
5. iriko ( 10/04/2008 00:21)
eeeeeeeieh! efa zatra mipaipaika ireny dia tsy mety intsony fa mamely foana.

sady te hampiseho ny heriny koa. :? :? :? nefa tandremo fa ny manana toetra sahala @ireny dia mora maty. 8O 8O 8O 8O
6. mmmhh ( 10/04/2008 08:09)
nisy boky izay novakiako, tsy tadidiko tsony fa efa elaela, fa izao no nambarany,
"Ny tanana hono, tsy hatao hanafay izany, ny tanana dia natao hanehoana fitiavana, fa tsy ny fikasihan-tanana olona akory no fanehoam-pitiavana,
tsisy zavatra tsy vitan'ny fifampiresahana zany, "
Tsy vahaolana mintsy ny fikasihan-tanana amiko, fa matetika ny olona manao azy io, @ resaka mpivady na mpisipa no tiako tenenina eto, de ny lehilahy tsy be teny no matetika manao azy ireny, na koa raha miady ohatra izy mi-tsam ka le vehivavy be vava be tsisy andaharany de iny izy no mailaka tanana. Na izany na tsy izany misy ny lehilahy / vehivavy efa mafana rà angamba no hilazako azy?! zvtr tsisy dikany de ..... PPPIIA!
7. niryna ( 10/04/2008 13:38)
iriko:

eeeeeeeieh! efa zatra mipaipaika ireny dia tsy mety intsony fa mamely foana.
izay tokoa ilay hoe ny tanana efa mitsotra tsy afaka hivokona intsony e,misy hatezerana tsy mety avoakany hono ao anaty ao ka raha mbola kely ny ankizy dia tsara raha ampanaovina ireny fanatanjahantena mahery vaika ireny any izy no manala ny adalany ,hi,

sady te hampiseho ny heriny koa. :? :? :? nefa tandremo fa ny manana toetra sahala @ireny dia mora maty. 8O 8O 8O 8O
fa ahoana ry iriko no mora maty,be fo dia tsy mitandrina ?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0727