Ny fanasana lamba @ fahoriana rehefa misy maty??

1. niryna ( 07/04/2008 16:07)
Manao ahoana daholo e .mba misy mahalala ny antony mahatonga ny olona manasa lamba ve rehefa misy maty? Ny foko rehetra aty amintsika ve manao an'io daholo sa ny sasany ihany.Maninona no entina any amoron-drano daholo ny lamba maloto rehetra? fa tsy misitona rano eo am-pantsakana na hoentina eny amin'ny bassin?
hoy ny olona hoe ireo izay nifanerasera ny maty ihany no sasana ny lamba !
kanefa toa hoentina daholo ny lamba ao an-trano ?
Maninona ny ambon'ny savony tsy hoentina mody intsony?
Raha tsy mbola nampiasaina koa ve dia avalana rano ihany koa ?
fanontaniana toa adaladala ilay izy fa izaho mbola tsy nahatsiaro nandeha tamin'ireny fomba ireny .
misaotra betsaka antsika rehetra e
ba mamikely :-*
(l) niryna
répondu par niryna le 14/08/2008 04:36
2. ainaheri ( 07/04/2008 17:00)
Tena tsara le fantanina.....,tsy haiko tsara ny antony fa ny fahalalako azy tô fomba le izy ,zany we finoana ny natiora,....Tsy nampiasaina ny rano eny @ bassin na eny ampatsakana fa kosa entina eny amoron-dranony ny akanjo sasana, d arina doli ny ambin-javatra reetra,ny antony fahafantarako azy d mbola ilay finoana ny fomba² iany ,satria ny eny amoron-drano d arabakiteny we mandeha ny rano d entin'iny doli ny loza retra²
3. mirianah ( 07/04/2008 17:23)
na tsy lamba maloto aza fa rehefa lamban'ilay maty dia mety daholo, ary tsy maintsy rano mikoriana, ny antony dia mba ho lasan'ilay rano mikoriana ny mety ho loza rehetra , entiny manaraka azy any zany, finoana araky ny voalaza io ambony io ilay izy.
4. ravatorano ( 08/04/2008 05:37)
mba ho lasan'ny rano mivalana any daholo ny loza araky ny finoana ihany io
ka ny lamba maloto rehetra indrindra fa ny nanaovan'ny tompo-manjo tamin'ny nandalovan'ilay fahoriana dia tsy maintsy sasana .
Araky ny finoana sy ny fomba amampanao ihany izay ny ety ampovoan tany ihany no manao azy dia tsy azo entina mody ny savony ambiny fa avaalana anaty rano fa ny mbola tsy nampiasaina kosa azo atao tsara ny mitahiry aza raha mbola tsy nikasi-drano na lamba "maloto" izany.
aza adino koa ary fa "taloha" dia dorana fandriana nahafatesan'ilay maty ary ariana mihitsy ny lamba na akanjo nanaovany farany iny.
Ny anton'izay moa dia mba ho lasan'izay ny loza araky ny finoana ihany io .
Mifandraika main'izay koa dia izao ny labozia na afokasoka izay netina niditra tao ampasana rehefa mandevina na mamadika dia tsy azo entina mivoaka intsony satria ny natao ho an'ny maty hafa ary ny ho an'ny velona hafa ihany koa ary mbola araky ny finoana sy ny fomba amam panao malagasy ihany izay.

ravatorano :wink: :wink: :wink:
5. niryna ( 08/04/2008 15:49)
ainaheri:

Tena tsara le fantanina.....,tsy haiko tsara ny antony fa ny fahalalako azy tô fomba le izy ,zany we finoana ny natiora,....Tsy nampiasaina ny rano eny @ bassin na eny ampatsakana fa kosa entina eny amoron-dranony ny akanjo sasana, d arina doli ny ambin-javatra reetra,ny antony fahafantarako azy d mbola ilay finoana ny fomba² iany ,satria ny eny amoron-drano d arabakiteny we mandeha ny rano d entin'iny doli ny loza retra²

ainaheri a,dia ny foko rehetra ve no manao an'io?
fomba ilay izy izany ?
misaotra anao

6. niryna ( 08/04/2008 15:51)
mirianah:

na tsy lamba maloto aza fa rehefa lamban'ilay maty dia mety daholo, ary tsy maintsy rano mikoriana, ny antony dia mba ho lasan'ilay rano mikoriana ny mety ho loza rehetra , entiny manaraka azy any zany, finoana araky ny voalaza io ambony io ilay izy.

ny saina izany no mitondra an'ilay izy satria mino ny saina hoe ho lasa amin'izay ny ratsy rehetra e,fa tsy midika izany fa tsy hisy ratsy ho avy tampoka sa misy dia elabe indray vao misy maty ? misaotra e

:roll:
7. niryna ( 08/04/2008 15:54)
ravatorano:

mba ho lasan'ny rano mivalana any daholo ny loza araky ny finoana ihany io
ka ny lamba maloto rehetra indrindra fa ny nanaovan'ny tompo-manjo tamin'ny nandalovan'ilay fahoriana dia tsy maintsy sasana .
Araky ny finoana sy ny fomba amampanao ihany izay ny ety ampovoan tany ihany no manao azy dia tsy azo entina mody ny savony ambiny fa avaalana anaty rano fa ny mbola tsy nampiasaina kosa azo atao tsara ny mitahiry aza raha mbola tsy nikasi-drano na lamba "maloto" izany.
aza adino koa ary fa "taloha" dia dorana fandriana nahafatesan'ilay maty ary ariana mihitsy ny lamba na akanjo nanaovany farany iny.
Ny anton'izay moa dia mba ho lasan'izay ny loza araky ny finoana ihany io .
Mifandraika main'izay koa dia izao ny labozia na afokasoka izay netina niditra tao ampasana rehefa mandevina na mamadika dia tsy azo entina mivoaka intsony satria ny natao ho an'ny maty hafa ary ny ho an'ny velona hafa ihany koa ary mbola araky ny finoana sy ny fomba amam panao malagasy ihany izay.

ravatorano :wink: :wink: :wink:

misaotra betsaka e,hay mbola mitohy hatrany am-pasana ihany koa ilay izy ,mety mbola misy maro koa aza o
8. ikaretsaka ( 08/04/2008 16:53)
raha ny @ vakinankaratra aloha dia io nolazain'i ravato io.. mino aho fa misy mifandraindraika @ izay ihany

fa ny principe dia io hoe "ho lasan'iny ny ratsy rehetra" io sy hoe aleo ny an'ny maty ho an'ny maty
9. ravatorano ( 09/04/2008 09:52)
tena mbola misy maro ny fombafomba amin'ireny fahafatesana ireny ary manomboka eo amin'ny fanadiovana ilay maty(fampandroana) ka hatrany amin'ny fanasan-damba nefa io koa miova araky ny faritra misy anao fa ny ety ampovoan-tany saika mitovitovy daholo ihany kah !

Ataoko fa nahazo valiny mahafapo ianao ry niryna é !
:wink:
:-*
10. niryna ( 10/04/2008 14:39)

misaotra betsaka nanazava e.

11. Vitsikakely ( 02/05/2008 03:46)
Ary ny vola.
12. haritianah ( 21/07/2008 17:13)
na samy ao ampovoantany dia ts ny rehetra ny manao io fanasana lamba io, misy manao ary misy ny ts manao zany.
Zahay na avy @ mamanay na avy @ dadanay ts misy manao izany, fa nefa misy namanay dia isany misy maty dia manao an'io.Tsy ny ampovoantany retra fa zé notezaina t@ lé izy dia ts manaiky ny saina raha ts manao azy.
13. niryna ( 14/08/2008 04:36)
Vitsikakely:

Ary ny vola.

maninona ny vola ry vitsikakely ?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5627