Teny fampaherezana:Davida sy Goliata.

1. niryna ( 27/03/2008 18:01)
Raha namaky ny soratra masina aho dia nahita ny tantaran'i Davida sy Goliata. Goliata ... ..Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava]Ary hoy izy tamin'i Davida:
43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina


45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.

46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.

47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 1 Sam 17

Ny zavatra mahazo antsika dia azo oharina an'i Goliata,mety ho goavana,ngeza, ary mety ho eritreretintsika fa mahery noho isika ilay fahavalo na inona izany na inona ,kanefa kosa ny miaraka amin'Atra dia tsy ho very fanantenana na rahoviana na rahoviana satria toy i Davida
Nino an'Atra izy,nanankina ny fiainany taminy izy,nahafantatra izy fa tsy ny heriny na ny tenany irery no miady fa ny fanahy masina izay noraisina .
Ary farany ny manana an'Atra ho Mpamonjy azy dia tsy mba kivy na ketraka amin'ny fisedrana mahazo satria ao anatin'izany fahoriana na fisedrana izany no ampitombo antsika ny finoana azy mandrakariva.
Mahereza ary miantso sy mivavaka amin'i kristy fa tsy lavitra izy,miandry antsika amoha ny varavaran'ny fo izy.
Andramo ka zahao fa tsara Jehovah
Niryna

répondu par niryna le 05/04/2008 04:38
2. niryna ( 28/03/2008 04:47)
1- Davida dia nanampitiavana an'Atra : 10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.

11 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany. 1 Tant 16

2-Nanome voninahitra an'Atra Israely izy: http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAMOELA&Toko=17&andininy=46&dika=
3-Ny finoan'i Davida an'Atra no nahatonga azy nanana hery hanohitra an'i Goliata http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAMOELA&Toko=17&andininy=37&dika=
4-Noho ny fametrahany ny fiainana ho eo am-pelantanan'Atra fa tsy @ herin'ny tenany irery http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAMOELA&Toko=17&andininy=45&dika=
5- Noho ny finoan'i Davida dia niaraka taminy koa ny fanahy masina 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.1 Sal 17
3. niryna ( 28/03/2008 04:57)
SALAMO 34

18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.


Efe 3:20-21
20 Ary ho an'Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,


21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.






4. niryna ( 05/04/2008 04:38)
niryna:


45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.

io dia azo oharina ireo olona izay mihevitra ny herin'ny tenany ihany ka manohitra ny tenin'Atra amin'izay fisainany sy ny fahalalany.

Davida kosa dia oharina ny oloan izay miantehitra ny fiainany eo anatrehan'Atra ary mahatoky an'izany hatramin'ny farany na inona manjo


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3785