mila vonjy

1. todisoa2 ( 26/03/2008 14:39)
reraka. tena reraka ara-tsaina.
tantara efa nentiko teto @ sera no mbola misy tohiny.
Resaka bourse izy ty.

Nisy ny ''bourse d'ehange'', fiaraha-miasa t@ misiona norvegiana sy ny FLM. Fiantohana ankizy iray handeha hanovo fahalalana any Norvezy izy ty (www.hald.no) ary mandritry ny 10 volana io fianarana io. Anjaran'ny SPaFi ny mandefa olona ny taona 2007. Natao ny test, azoko ny laharana voalohany.

Misy olana ngeza be anefa: Ny Pastora Filohan'ny SPaFI (Synodam-Paritany FIsakana) te-handefa ny zanany ary dia nametraka fingapingana samihafa ry zalahy.Tsy nisy afa-tsy katekista iray no nahasahy nijoro hatr@ farany nanohitra io teti-dratsin'ny ry zareo io.
Nahomby ny teti-dratsy ary dia nalefany ny zanany. Nangataka famelan-keloka izy talohan'ny nandefasana ny zanany ary dia nifamela izahay

Tsy tafavoaka anefa ny zanany ary dia notapahin'ny Norveziana hatreo ilay Bourse. Tezitra ity President Synodale ary dia nilaza tsy amim-pihambahambana izy fa hamaly faty. Izahay hono no tsy nahalasa ny zanany.
Norahonany ity katekista ity fa hesoriny @ toerany eo @ fiangonany ary dia haongany tsy ho isan'ny loterana intsony. Ny antony hono dia nanao karatra batisa sandoka izahay. Ny olana anefa dia izy tenany izao no manao sonia ny karatra t@ daty voatondro. Nolazainy koa fa tsy vita batisa velively tao @io Fiangonana io izaho.
Tena resy mila hoketraka sy hokivy aho ary tsy hitako izay hatao. Te-hanakana ny fanesorana izany katekista izany aho, izay tsy tompon'andraikitra na t@ inona na t@inona.
Mila anao namana hanoro hevitra hay hoe inona no tokony hataoko, mba tsy hotanteraka izany fanesorana an'ny DadaKaty izany.


répondu par Rasiligaoma le 02/04/2008 05:35
2. kiadi ( 26/03/2008 15:01)
olo_mpiangonana ve manao zany toetra ratsy zany?
3. diamondra ( 26/03/2008 16:13)
Mahereza mivavaka fa tsy handresy anao izy raha apetraka eo mapelatanan'Andriamanitra izany. Mahereza indrindra
4. rabingogilabanga ( 26/03/2008 16:40)
-voalohany, tsy voatery ho marina , ary tsy voatery ho diso koa, ny lazainao; tsy maintsy tenenina izany satria feondakolosy tokana ny anao hatramin'izao, ary manonona olona precis ianao, izay ataoko fa tsy mety (pastora lehiben'ny Spafi, hoy ianao)

-faharoa ny pastora na mpino manao toetra ratsy dia betsaka, ka aoka tsy hahakivy ny mpino izany.

-ho anao manokana, dia tsara raha mifandray @ fiangonana norvezianina directa ianao, mba mi-relancer ilay bourse -nao, ary raha voaporofonao fa azonao ny laharana voalohany, dia mino aho fa tsy ho olana izany, raha ny esprit ny misionera norvezianina no jerena.

-ary raha azo atao raha tsy manahirana anao dia mifindra fiangonana, satria tsy tsara ho anao intsony ny fifandraisana ao @ io fiangonanao io (katolika, pentekotista, na loterana hafa,rehefa kristianina dia mety.

sa?
5. ikaretsaka ( 26/03/2008 16:42)
izay ihany ro tsa hitiavako an'io olona mpitondra fivavahana kanefa miteraka io ooooo.

voamariko mantsy rehefa misy cas ohatran'izany dia tsy maintsy poinsa kely foana ny hoe "tena milay izany fa aiza ny fika azo hanatsofohana ny kilonga sy rafotsy" foana no tonga ao an-doha : io ilay lazain'i paoly ao @ taratasiny manafatra heo tsy maintsy ny ankohonany foana aloha ny prioritaire e e (1Kor7:31-32) ngamba izy izay) .. fa bon passons...

tsy haiko loatra moa ny momban'ny rafitra FLM ry todisoa hoe iza no tena manana ny zo mandidy sy manapaka rehefa tena fanendrena olona ohatr'izao (tsy ohatran'ny hoe alefa any @ any Roma, arsidiosezy sns)
fa miny aho fa misy karazan'izany any... lazao any ny marina koa

amiko ny fivavahanana marina dia miampy koa ny ny fandraisana andraikitra fa tsy ny "mahereza mivavaka" ihany fotsiny

Ho'zy Mere Theresa izay hoe mahafaly an'Atra kokoa ny fanampiana ny mahantra sy ny impact ao amin'ny mpiara belona nohon'ny fitokonana ao am-piangonanana.
6. niryna ( 26/03/2008 17:26)
diamondra:

Mahereza mivavaka fa tsy handresy anao izy raha apetraka eo mapelatanan'Andriamanitra izany. Mahereza indrindra


mitovy hevitra ary anjaranao ny mivavak an'ireo olona ireo.Vakio ny salamo 23:1-4" na dia andeha amin'ny aloky ny fahafatesana aza aho...."
courage tody a,ny miaraka amin'Atra tsy ho very na oviana na oviana
niryna
7. ikaretsaka ( 26/03/2008 17:59)
ilay "pasitera' lazaian eto koa angaha moa tsy mivavaka koa??
kanefaaaaaaaa........
8. rakaroka ( 26/03/2008 18:42)
Mampalahelo tokoa ny manjo anao izany. Ary tranga efa mpiseho any izy io fa tsy atao mahakivy !
Nisy "cousin-ko koa tratran'ny toa anao" : lasan'ny mahitahita hono ny "bourse" tokony ho azy tao La réunion durée de stage 6 mois . Dia avy eo nijery 'info tetsy sy teroa izy. Dia nahazo bourse 18 mois taty . Be ny ankaso fa tsy atao mampitanondrika fa mila atrehina amina "courage" sy
fanaovana izay mety hatrany ny fiainana. Dia mahereza e :-*:-*:-*
9. Papoose ( 26/03/2008 21:17)
za ko mimbonkvt @ le tonga de manatona ny norvezianina dia miresaka carte sur table miaraka @ profo anananao!zay aloha step voalohany dia avy eo mijery ny manaraka ndray!
10. fijo ( 26/03/2008 21:30)
ary raha mano aizay hanatonana ny fohibe FLM????iza yngamba no fika mety ahomby kokoa raha toa ka tena io voalaza io no tranga nisy.
11. ikaretsaka ( 27/03/2008 01:38)
fijo: raha foibe flm mety vitan-drapasy ny mipasoka azy , tsy important noho i rapasy ialahy any
12. Fody ( 27/03/2008 01:40)

Azafady kely fa misy zavatra tsy azoko: angaha moa i todisoa tsy hoe: mianatra ho pastera?
Mba fanontaniana fotsiny iny!

Fa manoloana ny zavatra sahala amin'izao aloha dia ataoko fa tsy fotoana intsony ilazana fa ratsy ranona, na tsy mamely ranona.

Ataoko fa tsy filazana lava ny hoe: mivavaha no andrasana. Satria na tsy miteny izany aza ny hafa dia ataony izany amin'ny maha kristiana azy.

Raha ny hevitro, ny zavatra andrasan'i todisoa izao dia ny hoe: kristiana izy, misedra an'io olana io, inona no toro-hevitra avy amintsika akoatra ny vavaka (na fanampin'ny vavaka) hiatrehana io olana io.
Iaraho amin'i Kristy hoy indray angamba ny sasany: fa ahoana no anatanterahana an'izany, amin'ny fomba ahoana?

Ny zavatra tsy mety, araka ny hevitro:
1 - ny misaraka amin'i Kristy, izany hoe: manary ny finoana
2 - Ny miala amin'ny Fiangonana
3 - Ny mandrava ny firaisan'ny mpino, ka hitarika vondron'olona hanohana anao sy hanohitra an'ilay pastera.

Ataoko fa raharaha manokana anareo sy ilay pastera ary ilay katekista ity raha ity fa tsy raharaham-piangonana akory, ka ny mahavaha ny olana dia tsy misy afatsy ny fifampiresahanareo ireo ihany.

Ohatra fotsiny ny hoe: efa nifona taminao izy teo aloha, nangataka famelana. Ampatsiahivo azy izany, raha ilaina. Inona ny antony?
Tsy noho ny zavatra nataonao (raha marina izay voalazanao) no tsy nampahomby ny zanany fa ny fetran'ilay zanany (tsy ilazana hoe ny tsy fahaizany).

Mahereza!
13. ikaretsaka ( 27/03/2008 01:44)
fa entre pa..
azo atao kay izany hoe sady manitsaka no manao azafady ?

na hoe mangataka famelana aho sady hanindrona anao ihany?

toa iznay manko ny mitranga eto heo mangartaka famelana mba "handetika" sy "hahazo tombotsoa fa ialahy avelany eo"
14. Mandefitra ( 27/03/2008 05:08)
Ny Pastora Filohan'ny SPaFI (Synodam-Paritany FIsakana) te-handefa ny zanany ary dia nametraka fingapingana samihafa ry zalahy

sy
Tezitra ity President Synodale ary dia nilaza tsy amim-pihambahambana izy fa hamaly faty.

Amiko tsy mendrika ny hitandrina ny olona toy izao.
Fa saingy zay mo le olombelona ... refa mahazo toerana ambonimbony dia matetika tafiditra @ fahalemena foana :
Ny fitiavan-tena, ny fitiavam-boninahitra, ny lolom-po, ny fankahalana ... le antsoin'i Paoly hoe "ny asan'ny nofo e".
Ny azo atao dia ny mampiakatra any @ ambaratonga ambony kokoa @ fiangonana ny raharaha.
"Ny rariny tsy ho enti-mandefitra"
Aleo hiharihary ny marina mba tsy hanjakan'ny maizina.
15. Rasiligaoma ( 27/03/2008 05:25)
aleo mihitsy miharihary ny marina e
16. todisoa2 ( 27/03/2008 08:11)
kiadi:

olo_mpiangonana ve manao zany toetra ratsy zany?


io no zava-misy rakiady. tena na izaho aza tsy mahazo onina ny toetran'ireto olom-piangonana ireto.
17. Rground ( 27/03/2008 13:54)
Inona hoy ianareo no mahatonga ny fiangonana rehetra tsy misy olona intsony?..indrindra fa aty amin'ny tany be aty?
Satria tsikaritry ny rehetra rehefa ela ny ela fa lasa fitaovana POLITIKA daholo no ankamaroany:
- politika fanangonana olona hahafahana mifehy ny antokotokon'olona mitovy firazànana!
- politika hanodinana ny foto-kevitry ny maro hitongilana amin'izay heverin'ny mpitondra fiangonana fa hahazahoana tombontsoa ara-materialy
- poliFIKA hahazahoana voninahitra sy haja ary laza eo anivon'ny fiaraha-monina ka ny mpiara-mivavaka no atao tohatra fiakarana

Dia lasa ny olona rehetra mankany amin'izay fiaraha-mivavaka(Mission Evangélique na any amin'ny secte) hahatsapàny AIM-PANAHY satria tafi-tohana nohon'ny toetra hitany tamin'ireo VOAFIDY ho mpitondra Fiangonana, izay nanidy ny VARAVARAN'NY LANITRA ho azy ireo...

Any amin'ireny koa anefa misy birao sy ambaratongam-pahefàna koa...Indraindray koa misy fitaka...

N'aiza na aiza ry Todisoa dia misy foana ireo manangatra, FANTARO ny nanirahana anao fony ianao nanaiky hanao ny asan'ny Tompo ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, aza manahy ny amin'ny tombontsoanao..

... rehefa mivavaka ianao dia mihidia ao amin'ny efitra iray ianao irery, dia lazao ao ny nahazo anao, ary indrindra ny alahelonao sy ny fikasànao sy ny tetika tianao hatao sy izay rehetra tsy azonao lazaina amin'olona fa manavesatra anao...mangataha famelàna mba hodiovina ny fonao aloha..
... dia mankanesa avy eo any amin'ilay olona nanafitohana anao dia anontanio azy izay LANJAN'ilay "Test" nataonao ka nahazahoana voalohany... inona no afaka hataonao... AVERENO AMIN'NY TOERANY IZY!
18. todisoa2 ( 27/03/2008 15:13)
ikaretsaka:

fijo: raha foibe flm mety vitan-drapasy ny mipasoka azy , tsy important noho i rapasy ialahy any



marina mints zay raika. N blem anefa dia ts azo esorin'iza eo @ toerany ny katekista raha tsy izy tenanany no miala na ny Fiangonana misy azy no manaisotra azy. Rafitra FLM io
19. ikaretsaka ( 27/03/2008 16:02)
eto @ stade ambonimbony e
za koa pour an'ilay hoe

Ny azo atao dia ny mampiakatra any @ ambaratonga ambony kokoa @ fiangonana ny raharaha.
"Ny rariny tsy ho enti-mandefitra"
Aleo hiharihary ny marina mba tsy hanjakan'ny maizina.

20. rijadolly ( 27/03/2008 17:11)
Todisoa2>>>>>Fantatro tsara raha ny fahendrena ananao.Tsy ianao mihitsy angamba no hitarika ka ahatonga ny fisarahana.Fampaherezana no omeko anao sisa fa betsaka azo dinihina tsara ny hevitry ny Namana marobe ka hanantanteraka ny fikasanao izay efa nanoloranao tena.Indro tononkalo kely atolotro hampahery anao
FANDEFERANA

Tsy resy akory ianao Rafandeferana
Tsy resy akory ianao raha toa ka voavely
Aleo ho azy ny toerana
Raha donginy samy irery

Ho voatsindrona ny fonao Rafandeferana
Raha mihondrika milefitra
tsinjon-defona tsy azo ferana
Izany no niharetan\'Mpandefitra

Mahafantatra ny tsy rariny ianao Rafandefera
Ka tena te- hitrahotra
Ny hevitra hamaly mety hiserana
Nefa aleho mihonina misaotra

Tsy anao ny Fotoana Rafandeferana
Eny tsy anao ny Famaliana
Mivava ho azy,ho an\'ny tenany
Raha izany no hiriany

Nefa misy Hery mivoaka
Manameloka ny mpanao tsy rariny
Ao am-po tsy miloaka
Ny Fandeferana no Marina

Ao anaty Fandeferana
Ny hanefena ny fonao
Hipotran\'ny Harena
HanoroaNy ny lalanao

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=25&andininy=9-9&dika=
Rground:
N\'aiza na aiza ry Todisoa dia misy foana ireo manangatra, FANTARO ny nanirahana anao fony ianao nanaiky hanao ny asan\'ny Tompo ho an\'ny vahoakan\'Andriamanitra, aza manahy ny amin\'ny tombontsoanao..

... rehefa mivavaka ianao dia mihidia ao amin\'ny efitra iray ianao irery, dia lazao ao ny nahazo anao, ary indrindra ny alahelonao sy ny fikasànao sy ny tetika tianao hatao sy izay rehetra tsy azonao lazaina amin\'olona fa manavesatra anao...mangataha famelàna mba hodiovina ny fonao aloha..
... dia mankanesa avy eo any amin\'ilay olona nanafitohana anao dia anontanio azy izay LANJAN\'ilay \"Test\" nataonao ka nahazahoana voalohany... inona no afaka hataonao... AVERENO AMIN\'NY TOERANY IZY!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.131