fananan-janaka

1. diamondra27 ( 17/03/2008 14:27)
Fomba fiteny ny hoe: ny zanaka de fanomezana avy @ Atra, nefa ahoana ny eritreritrareo raha teraka eo le zaza nefa tsy hanambola hikarakarana azy akory, zany we: jereo izao oh reny 4mi reny , miteraka miteraka foana de tsy zarizary le zaza, amiko fitiavan-tena izany satria ao ny hoe: fanomezan'Atra nefa ao koa ny hoe: tokony handeha ampahendrena isika , dia mitandrina mba tsy hiteratera-poana hampijaly ny ankizy
répondu par sakaizakely le 20/03/2008 08:49
2. diamondra27 ( 17/03/2008 14:33)
raha tena we tsy nahita fianarana ka miteraka de azoko ekena ilay izy fa raha efa fantatra zao ny cycle sy fahasahiranana fa tsy ho vita ny fanabeazana ny zaza nefa miteraka foana de tena tsy mety amiko zany fa egoisme be

raha accident koa de mbola ekeko
3. ikaretsaka ( 17/03/2008 14:50)
izay iray..
f aizao koa hafa..
misy ilay mpanankarena be mitaty zaza ireny fa tsary mety mahazo mahitsiny:)
4. fasaly ( 17/03/2008 14:58)
izaho aloha tsy mankasitra ireny olona miteraka maro be ireny anefa ny fivelomana tsy misy e!
io ilay hoe aleo kely tsara tsara toy izay be tsy andraofana.....sady ho aiza moa ireny raha tsy tafita amin'ny fiainana fa dia ho voasarika amin'ny asan-jiolahy handromba sns......
asa aloha kou!8-)
5. diamondra27 ( 17/03/2008 15:04)
fasaly: ka zay ange le valiteninjareo we: fanomezan'Atra le izy, de zay nefa le tsy mety amiko le raisonnement


ika: iny koa no tena mampalahelo, ka tena tsy hay mihintsy ty fiainana ity fa mistery
6. lazounet ( 17/03/2008 15:16)
Amiko! NY ZANAKA dia AINA. Ary ny AINA avy amin'ANDRIAMANITRA. Ka na vokatry ny fo, na tsia, eny na sanatrian'ny vava aza vokatry ny viol, dia fanomezan'Andriamanitra iny satria AINA.

Ary @ maha AINA azy dia tokony hokoloina fa tsy ampijaliana.Ka izay no mahatonga ny razan'ny malagasy hiteny hoe:

"Na tsy ihinana aza aho, ny zanako tsy handry fotsy".

Mampalahelo anefa fa resin'ny fahantrana sy ny fitiavantena ny ray aman-dreny ka tsy tsapan'ny intsony ny hasin'ny AINA ankehitiny (en reference au 4 am's)

Izay ny raisonnement-ko ra DIAM's fito ambiroa.:* ,ahitsio aho raha misy diso ny fiheverako:*
7. diamondra27 ( 17/03/2008 15:39)
lazounet: misy confus kely ao am le izy ary zay no nanaovako le dinika

misy we raha mbola tsy ary akory isika de efa nataon'Atra, zany we: mbola vao vinavina , resaka nifanaovan'ni dada sy neny de efa ary isika izany.

De raha aina araka ny voalazanao de tokony tsy atao tsirambina

de eo tsika zao: am maha olombelona antsika de misy ny resaka siansa ary fantatra fa we eto iska de afaka miteraka na eto tsy miteraka (cycle)
ka raha fantanao fa am fotoana mampiteraka anao no anaovanao le zaza de egoisma be zany raha toa fantanao fa tsy velonao le zaza, zay le we filan'ny nofo fa de mba hampionona ny fo de we avy any amin'Atra io

de aveo mimenomenona sy manome tsiny an'Atra refa mijaly , zay ange le vokany fa tsy de we zaza sa tsy zaza, egoisma sns

lazounet : mitovy hevitra e:*:*

8. Samoana ( 17/03/2008 15:43)
diamondra27:

Fomba fiteny ny hoe: ny zanaka de fanomezana avy @ Atra, nefa ahoana ny eritreritrareo raha teraka eo le zaza nefa tsy hanambola hikarakarana azy akory, zany we: jereo izao oh reny 4mi reny , miteraka miteraka foana de tsy zarizary le zaza...


Tsy mino an'Atra ireny RaD mamela ny zanany tsy zarizary ireny kah! Arak'izany tsy mandray ny zanany ho fanomezan'Atra izy fa raisiny ho vitan-dratsy aza. Raha mino an'ilay Nahary tokoa mantsy izy tsy maintsy nieritreritra mialoha sy mahita fomba mendrika hamelomany ny zanany hatrany.

9. diamondra27 ( 17/03/2008 15:53)
Samoana : zany tokoa angamba

10. soanja ( 17/03/2008 16:28)
diamondra27:

Fomba fiteny ny hoe: ny zanaka de fanomezana avy @ Atra, nefa ahoana ny eritreritrareo raha teraka eo le zaza nefa tsy hanambola hikarakarana azy akory, zany we: jereo izao oh reny 4mi reny , miteraka miteraka foana de tsy zarizary le zaza, amiko fitiavan-tena izany satria ao ny hoe: fanomezan'Atra nefa ao koa ny hoe: tokony handeha ampahendrena isika , dia mitandrina mba tsy hiteratera-poana hampijaly ny ankizy


Diamondra>

Amiko raha amin'ny fahalalako dia mizara telo lehibe ny zavamisy na ny tontolo iainantsika olombelona ka tafiditra ao isika olombelona:
1- Ny fahalalana
2- Ny tsy fahalalana
3- Ireo izay mody tsy mahalala na minia tsy mahalala.

Ka raha mazava ireo telo ireo dia ahita valiny ny fanontanianao.

Miankina amin'ilay teny hoe Fanomezana no mitoetra ny resaka. Inona moa no atao hoe fanomezana? ary inona ny tsy fanomezana?

Iza/inona moa ilay Andriamanitra resahina eto koa? Ahoana ny fihevitry ny tsirairay io Andriamanitra resahan'ny vavany io?


11. penina ( 17/03/2008 16:32)
Izaho aloha tsy hiditra resaka Andriamanitra aza. Fa ny taranaka amiko saro-biby foana. Ireny no hitoetra eo amin'ny taninao any aoriana any. Ka na mahantra izy na manana, ny hanabehazana azy no tokony hilofosana.

Tany misy fanjakana isika. Tokony tsy hisy anao ny danin'ny kibony amin'ny fampijaliana ny hafa izany. Ka noho izany, amiko tokony horaisin'ny fanjakana an-tanana ny fanasaziana ireo RAD-ny.

Ny fanjakana, ny tra-boina foana no izesitiavana anaovana fanampiana. Fa tsy mba vita ve ny manao ohatra ny an'i Pere Pedro na tsy miankina amin'ny finoana aza?
12. tess ( 17/03/2008 16:43)
I2 ZAY MITSY asiana ny fanaraha maso n'izy ireny no metilmety kokoa
13. ikaretsaka ( 17/03/2008 17:05)
Ny fanjakana, ny tra-boina foana no izesitiavana anaovana fanampiana. Fa tsy mba vita ve ny manao ohatra ny an'i Pere Pedro na tsy miankina amin'ny finoana aza?


eny tokoa HOA?
14. ravakamalala ( 17/03/2008 18:36)
Ka noho izany, amiko tokony horaisin'ny fanjakana an-tanana ny fanasaziana ireo RAD-ny.


hoy aho hoe tsy tokony ho saziana izy fa tokony ampianarina, ohatra hoe ny fanabeazana aizana (ara natoraly)
aiza moa no ahafantarana an izay cycle any raha ohatra izy ka tsy nandia fianarana?

fa ilay hevitra fanampiana tahaka ny ataon i pere pedro io tokoa no tokony isan ny imasoan ny fanjakana marina!
15. kelly13 ( 17/03/2008 19:16)
ka inona indray ary no mety hoy ianareo: zaza tsy satry fa ateraka iany sa zaza tsy satry d esorina? mety oe hs b za satria ny fanontaniako eto tsy miankina @ fivelomana na fananan'ny RAD!
16. tess ( 17/03/2008 19:22)
ka raha zaza tsy satry indray mande ohatra anie ky! misy eritreretana amin'ny manaraka e! izany hoe ateraka fa atao izay hamelomana sy hanarahana ny fiainany mandrapaha-lehibeny, fa misy de efa tsy mananana anton'asa ivelomana fa de faly miteraka bdb, ireny no tena mahatonga saina ny mpijery:°)
17. tess ( 17/03/2008 19:24)
nu tiko lazaina hoe mba misy hieritreretana dia ny mba hangalàny fepetra hosorohana izany fiterateraham-poana izany, raha misaina izy dia manatona miresaka amin'ny olona faraharahatsiny tsy misy iray tsy ilazan'izay hanampy azy amin'izany akory! mè bon! sarotra be ilay fiaraha-monina e!:-P
18. milaibe ( 17/03/2008 21:02)
Tokony hifandinika ny R&Dreny alohan'ny hoe hiteraka (Ho an'zay mahalala ny cycleny ny tsy mahalala kosa ngamba tsy hoe egoïsme,mila fanorona ny ong na fanjakana,,, ) satria rah tsy nifanarahana dia tena fitiavan-tena io le mbola@ lay vinavina ; lay efa misy (existence)ndray iny koa manaiky aho fa ilaina ny fanabehazana satria Aina io avy @ Atra
19. ikaretsaka ( 17/03/2008 21:13)
miombonkevitra @ milaibe.
ny ahy dia izao fotsiny hoe
tsy mety ny tsy mampisy indray ny efa nisy... indrindra hoe resaka aina
20. diamondra27 ( 17/03/2008 21:28)
ekena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0868