fananan-janaka

21. razaordira ( 18/03/2008 04:50)
Rehefa tsy araka kosa ny mamelona zaza, dia aleo tsy miteraka e.
Raha toa moa ka efa eo bevohoka nefa tsy niriana ilay zaza, dia tokony mivonona avy hatrany amin' ny fanomezana azy any amin' ireny mpanankarena mitady zaza ireny, dieny mbola tsy teraka.


22. ari.malala ( 18/03/2008 06:52)
efa banalizena be mints ny resaka fanabeazan'aizana amzao fotoana izao, fa tsy haiko fotsiny hoe ireny olona tsy manan-kialofana ireny koa ve mba atoro izany fanabeazana aizana izany? ny zavatra hitako sy tsapako aloha amzao fotoana izao de ny fampirisihana ny olona hampiasa kapoty e! hoe rehefa tsy tandrina d mampiasà kapoty... ka tsy haiko hoe tody any @ sarababem-bahoaka ve ilay hafatra sa ahoana, fa ny hia d misy ireo efa misaringo-boridamba nefa d mbola arahin-jazakely kitoatoatra be iany ny taonany... ny eny an-trotroana tsy mandeha nefa efa iny koa fa mibontsina ny kibo... ilay zaza aveo no mahonena ny mijery azy fa apetrapetraka eraky ny sisin'arabe d asina kapoaka kely eo aloha eo, zaza menavava d ampatoriana amin'io goudron io:cry::cry:
23. vale ( 18/03/2008 10:46)
Raha izaho manonkana aloha dia tsara mintsy oe efa vonona ny hikarakarana azy, asa, efitranony etc, vao ateraka izy, saingy ny fidiram-bolan'ny ts11 tsy ary hitovy aby, misy lany andro mianatra, efa antitra mbola mianatra mba hatsara ny fivelomana, misy mikaroka2 hatrany fa tsy tafiarina, antitra ny farany, ka raha hiandry andravola tsy hivalana eo:lol:dia tsy hiteraka dol, fa kosa tokony miteraka rehefa tonga ny fotoana hiterahana raha mpivady na misy na tsy misy vola firy, fa ny isany no ferana,2 na3 ho an'izay tsy dia tsara fivelomana, ho an'izay tsara fivelomana indray 5 na 6, euh, 7lahy7vavy aza moa maninnn?:-D...fa matetika anefa ny mifahohatra no hita, ny manan-katao miteraka vitsy kely, ny tsy manana bedebeeeeeee,:lol:
zay ny anah ny hevitso:D8):D:*
24. tsiafoi1 ( 18/03/2008 13:03)
Fanomezana = zvt omena maimaim-poana vokatry ny fitiavan'ilay mpanome, mety ho nirina na tsy nirina

Ekeko ny tenin'i Laza we Zanaka = Aina omen'Andriamanitra, ka mety ho nirina, na tsy nirina izany. Fa ny fahendrena, dia ny fahaizana mandray sy mametraka izany amin'ny toeran'ny maha-Fanomezana azy. Raha misy lanjany aminao ilay Mpanome, dia hisy lanjany aminao koa ilay fanomezana nomeny=ilay zanaka izany.

Ny fiterahana maro ihany koa dia fiaraha-miasa akaiky @'Andriamanitra, @'ilay projet-ny we :"Mihabetsaha ary mamenoa ny tany". Miankina @'ny finoanao sy ny finiavanao hanatanteraka izany, fa mitaky asa sy adidy goavana ihany koa anefa ny fanatanterahana izany projet izany.

Tsy mahagaga raha ny mpanana be calcul no tsy manan-taranaka mazana, fa ny mahantra tsy manan-kohanina, sy miteraka arak'izay reviny sy fitiavany fotsiny no ambinina sy maro taranaka. Andriamanitra dia marina ary mitsinjo lavitra. Diniho lalina ny problème de vieillissement de la population any @'ireny firenena manan-katao ireny. Mitombo be tsy hay tohaina ihany koa ny taux d'immigration @'izao fotoana... Farany ny mahantra no handova ny tanin'izy ireny... Ny zavatra tsapa aza moa rehefa tsy hitan'izy ireo intsony ny andaniana ny vola aman-karenany de manangana asa soa etsy sy eroa, eo @'ny fiaraha-monina io, de diniho eo anivon'ny fianakaviana ihany koa...
25. ANARIM ( 19/03/2008 07:37)
ari.malala, tess, zay zao ty 4Mi!!!
zà aloha en tant que RAD d miezaka hatrany, fa ny ampitso tsy ananako fahefana, androany aho mety tojo ny mamy, rahampitso aho mety ho tojo ny mangidy, dia eo ilay oe tany mena ve hirehitra, fa amin'ny ankapobeny, dia miezaka...
26. sakaizakely ( 19/03/2008 07:51)
ANARIM> miombonkevitra

diams>
raha teraka eo le zaza nefa tsy hanambola hikarakarana azy akory,


oatrinn no fiheveran'i diams vola tokony ananana isanjaza ? raha ny voalazan'ny oms dia 800 €/pers aty Eoropa fa raha ambanin'izay dia azo lazaina hoe mahantra hono.

Misy mpanana be ividianany tolabil sportif lafobe ny zanany, ananganany orinasa matanjaka, villa de luxe, vao milalao barbie ny vavikely dia efa entina any am mpanao volo, esthéticiennes sns... Eo @ 1 million € isanjaza no vola laniny isambolana

Iza amin'ireo ohatra roa ireo no manana alalana hiteny amin'iza hoe tokony tsy miteraka nareo fa mahantra, na tokony ferana ny isanjanakareo ?

Iza no olona tsy tokony hiteraka raha ny fihevitrareo manokana ? Fahasambarana ny zanaka, ataoko fa manana alalana hanana ny anjara fahasambarany daholo ny olombelona rehetra.

Ny resaka fitaizana indray, iza no olona tonga lafatra ka afaka hiteny hoe tsy mahay mitaiza ianao ? tsy hoe rehefa manana moyens hamelomanjaza dia mahay fanabeazana koa izay. Misy manambola be, nefa tsy mahafoy fotoana iarahana amin'ny zanany. Tokony ho ferana tsy hiteraka koa ve ireny nefa manana ny ampy be mihitsy ?

Sarotra be ny amaliana ilay fanontaniana fa aleo hanao izay fantany fa mety fotsiny daholo.
27. tsiafoi1 ( 20/03/2008 08:05)
Raha le calcul aloa no enti-mandray décision de tena tsy ho ampy hanalehibiazana zaza iray akory ny revenu isam-bolana, fa io tonga amin'ny tenin'Andriamanitra we "Tsinjovy ny voro-manidina fa tsy mba mamafy na mijinja na mitaona ho any an-tsopitra, kanefa ny Tompo Andriamanitra mihahy sy mitsimbina azy ihany"

Fa raha ny fahitako azy de Miteraha araka izay irin'ny fonao sy zakan'ny ainao, ary ao anatin'ny fe-potoana nomen'Andriamanitra tokony hanaovana izany ka mety hanalehibiazana azy. Fa tsy misy otran'ny maro ihany aloa.
28. sakaizakely ( 20/03/2008 08:31)
tsiafo1:
Ny zavatra tsapa aza moa rehefa tsy hitan'izy ireo intsony ny andaniana ny vola aman-karenany de manangana asa soa etsy sy eroa, eo @'ny fiaraha-monina io, de diniho eo anivon'ny fianakaviana ihany koa...


Tsy dia hitako loatra ny votoatiny sy ny tianao lazaina

Raha orinasa mitsangana afaka hanomezana asa hiveloman'ny mpiasa dia tsy hitako loatra izay maharatsy an'zany. Aleoko aza mahita olona manangana orinasa toy izay mahita azy mandanilany foana (cf. salon des milliardaires any Rosia) sy misotro na mandrongony dia miafara ary am cure de desintox ary

Tsy dia hitako loatra ny idiran'ny fanananjanaka am io ohatra iray io

Ny tsy iraisako hevitra am Tsiafo ilay tsy manao calcul, nefa dia calcul be ny fiainana ka raha tsy mahay mandamina an'io de ilaozan'ny mahay mihahaka eo. Ny firenena mandroso manana an'io toetsaina io. Marina fa olana mipetraka ny fahanterana, ny misotro ronono mila hitovy isa am actifs miasa, sarotra ny ahitana ny fonds andoavana ny retiretin'izy ireo. Olana be izay

Etsy andaniny ary Madagasikara tsy manana ilay toetsaina mi kalkil fa de alefa ze te andefa. Mety mandroso ihany isika fa miadana beeeeeeee tsy hita akory izay vokatsoa. tsy misy pb na vieillissement de la population. Fa ny toekarena koa tsy maharaka na izany aza.

Iza amin'ireo ary no tsara kokoa ka tokony alaintahaka ? Za tsy mahita aloha

Aleo samy maka ny azy, miaina sy mandalanjalanja arak'izay tiany sy mety aminy.
29. sakaizakely ( 20/03/2008 08:49)
raha ny fihevitro manokana aloha dia aleo manaraka moramora ny standing n'ny firenena ipetrahana dia mba afaka mitovitovy am oul ny fiainana fa tsy hiavaka be, satria ny ankizy koa tsy maintsy manohatena am namany ka raha mahatsiaro tena ho miavaka de tsy mety @ fivelaran'izy ireo.

Hevitro ahy irery izay, fa malalaka daholo no tsi1 1 hanao izay fantany fa mety, à condition hoe tompontsafidy sy tomponandraikitra daholo amin'ny fiainany fa tsy miharitra fotsiny ny zavamisy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0438