Vitamine E sy Aspirine isan'andro/nyrina???

1. Rakotofaly ( 10/03/2008 08:44)
Manahoana daholo ny mpiserasera,

Mba saika hanontany aho, ny tena marina mila fanampim-panazavana amin'ilay hoe tena tsara isika raha mihinana Vitamine E isan'andro (raha maharaka ny vola hoy ianao);

hoy nyrina hoe :" Mahatsara ny fo ny vitamine E ka izany no antony ihinanana azy io isan'andro.Tsy misy fiantraikany akory ny fihinana azy ireo isan'andro,fa ny ahy ataoko mifandimby isan'andro,miaraka amin'ny calcium.Indro kely koa ny fihinana aspirine aorian'ny sakafo iray isan'andro dia manampy antsika ny fikorinan'ny ra ary dia manampy ho fiarovana ny areti-po(heart attack) na ilay marary fo tampoka tsy afa-miteny fa miambahamba ny lela(mivadika malemy ila raha tsy voatsabo aingana).*Raha sanatria anefa marary aty na vavony dia tsy tsara ny mihinana ilay aspirine. Izay no mba fantatro mikasika an'ireo."

Inona no tena anaran'ilay fanafody exacte misy vitamine E ??? hijerena azy any @ pharmacie??? Ary mandritra ny firy andro na volana na taona no hihinanana azy???
Ary ny fihinanana an'ilay Oméga 3 Mag koa ve izany tsy misy fiantraikany koa @ vatana???
Iza no fanafody tena tsara @ fitaizana ny vatana????

Manantena valiny mahafinaritra avy amintsika mpiserasera, indrindra i nyrina.

Misaotra mialoha
répondu par niryna le 15/03/2008 02:32
2. yonikafopl ( 10/03/2008 09:08)
Rakotofaly, tsy tsara loatra hoy aho ny mihinana ireny fanafody artifisialy ireny, ny sakafo sy ny voankazo no atao tsara lanja dia mande io.
Ampifandimbiaso ny sakafo, ilay vary foana maraina atoandro hariva io mila mba ovaina.

Iza no fanafody tena tsara @ fitaizana ny vatana????


tsy misy afa tsy ny natoraly ihany raha te hitaiza vatana, de manao spaoro.
3. booboo ( 10/03/2008 14:13)
Rakotofaly > anatin'ny raha omen'ny natiora antsika dia misy an'ireo raha anontanianao ireo. Ny tsara indrindra dia ovaina² matetika ny sakafo atao satria avy @ karazan-tsakafo no hiavin'ireo karazana raha kely be dia be ilain'ny vatana. Dia araka tenin'Yonika io kounkou dia isan'ny fitaizam-batana, ankoatra ny misakafo tsara, ny mampiasa vatana ( na ho dia an-tongotra adiny 1 isan'andro aza )

Ity misy tableau kely, tsy ampy sy tsy feno, na izany aza antenaiko fahanampy anao, sy ny rehetra ihany koa...dia mazotoa homana aby :°)

http://www.proftnj.com/alimvita.htm
http://www.lactel.fr/franc/nut/spevit_inf.htm
http://www.doctissimo.fr/html/nutrition/mag_2003/mag0919/dossier/nu_7055_omega3_aliments_02.htm
4. Rakotofaly ( 10/03/2008 14:13)
vonikafop a!

Tsy izany mantsy fa i niryna no nilaza io resaka vitamine E sy aspirine azo hoanina isan'andro io ka mba tiako hohazavainy tsara ilay resaka fa sao mba mety amiko.
Misaotra
5. booboo ( 10/03/2008 14:23)
Rakotofaly > cf. io navaliko ambony io fa niara-nanoratra tsika
6. ikaretsaka ( 10/03/2008 15:01)
booboo:

Rakotofaly > anatin'ny raha omen'ny natiora antsika dia misy an'ireo raha anontanianao ireo. Ny tsara indrindra dia ovaina² matetika ny sakafo atao satria avy @ karazan-tsakafo no hiavin'ireo karazana raha kely be dia be ilain'ny vatana. Dia araka tenin'Yonika io kounkou dia isan'ny fitaizam-batana, ankoatra ny misakafo tsara, ny mampiasa vatana ( na ho dia an-tongotra adiny 1 isan'andro aza )




Mitovy hvtr @ boob's
7. sakaizakely ( 11/03/2008 08:29)
ny fihinana aspirine aorian'ny sakafo iray isan'andro


o ry niryna a !!!!
lasa lavitra ny firesaka

heverinao fa tsinontsinona ve zany mihinana fanafody @ tsy antony izany ?

mahavariana ihany raha torohevitra toy izany no inoan'i nyrina. Mba ahoana ihany ny vulgarisation des infos médicales any aminareo any ? Hoatran'ny manaonao foana farany.

Rehefa fanafody dia alao hijanona fanafody

ny ranao mikoriana foana, mazotoa fotsiny misotro rano. Na ireny olona mipetraka am dezera ireny ara nga mijanona tsy mikoriana ny rany ? Aza manaonao foana ka :{:{:{
8. yonikafopl ( 11/03/2008 08:41)
petitesakaiza za kou vo saika hiteny:roll::wink:

Ry niryna mitompo teny fatratra amin'ny toriteny lavareny ataony,Ny tenin'Andriamanitra de ampy eee sns, nefa izy indray kay no manome hevitra mifanohitra ny namana hihinana fanafody tsy amin'ny antony. Ahoana ihany azany izy izany:-w:-w:-w
9. Rakotofaly ( 11/03/2008 12:14)
Dé miandry an'i niryna handray anjara amin'ny resaka eto amin'ny serasera momba ity Vitamine E sy aspirine hohanina isan'andro ity aho tompoko.
Misaotra
10. rush ( 11/03/2008 12:31)
marina ny filazan'i yoni fa aleo minana natoraly, ny torimaso koa ezahana mba ho ampy,miazakazaka ny fiainana aty andafy ka sorena lava ny olona,nanao ty andrana ty aho:maka akondro 1,isankariva dia alona anaty rano 1 vera, tetehina, ny maraina vao mifoha alohany sakafo , io no sotroina,dokotera tany tanà no nanoro io, dia sady mahazo magnésium, potassium ianao, mahatsara ny circulation zany izy no mampa-tanjaka, azo hanina ny akondro ra tia ianao,
11. booboo ( 11/03/2008 13:02)
Rakotofaly > fa maninona no tsy hanoratana manokana ilay oul raha izy ihany no tianao hamaly anao ? :roll:
12. rush ( 11/03/2008 13:09)
ngamba te handalina ny filazany nyrina izy ry booboo
13. booboo ( 11/03/2008 13:16)
angamba tokoa ...:wink:
14. rush ( 11/03/2008 13:23)
fa betsaka ny dokotera manome aspirine fefany ho any olona misy tension,tsy ny rehetra no mazaka, fa ny vitamine E zany tsy mbola reko, ny calcium, sy vit D no matetika miaraka hanina isanandro ho any olona voan'ny arthrose oh,
15. niryna ( 15/03/2008 01:32)
yonikafopl:

petitesakaiza za kou vo saika hiteny:roll::wink:

Ry niryna mitompo teny fatratra amin'ny toriteny lavareny ataony,Ny tenin'Andriamanitra de ampy eee sns, nefa izy indray kay no manome hevitra mifanohitra ny namana hihinana fanafody tsy amin'ny antony. Ahoana ihany azany izy izany:-w:-w:-w

Nomen'Atra fahasoavana isika tsirairay fa tsy nataony ho mpampianatra avokoa na hitory teny avokoa na ho dokotera avokoa,raha izany aiza ny mpianatra,iza no hotorina,ary aiza ny marary ho tsaboin'ny dokotera.
Fa angaho hono ny olona rehefa hoe kristiana dia tsy mety marary mihitsy e. :D:D aiza alaina an-tendrony ny tenin'Atra satria rehefa tsy ao aminao ny finoana azy dia ho toherinao avokoa izay tenenin'ny olona.
Afaka mametraka ny fiainantsika amin'ATra isika,ary marina izany raha mbola tsy nametraka hianao satria hita taratra ny olona mitady an'Atra sy mangetaheta ny teniny dia miezaka ny hanana fitiavana amin'ny rehetra ary miezaka ny manao ny sitrapony.

:D:D mampalahelo ahy hianao ity a,inona no hidiran'ny fitoriko teny eto? hi,hi,safidy io mino ny tenin'Atra hianao dia mino tsy mino efa voaeloka sahady.Kristy foana hoy aho no araho fa tsy izaho,raiso izay zavatra azo sy ilainao amin'ny fiainana ary ampiharao amin'ny baiboly fa tsy ny eritreritra fotsiny hi,hi,
sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an'Atra. Mat 5:5:-*
16. niryna ( 15/03/2008 02:15)
rush:

fa betsaka ny dokotera manome aspirine fefany ho any olona misy tension,tsy ny rehetra no mazaka, fa ny vitamine E zany tsy mbola reko, ny calcium, sy vit D no matetika miaraka hanina isanandro ho any olona voan'ny arthrose oh,

=D=D bjr aky rush a :-*
marina izany,fomba ny mizara ka anjaran'ny tsirairay no mandray izay tandrifiny e ?.
ny aspirine dia misy mahazaka ary misy tsy mahazaka ka na fefany na tapany na feno fa dia anjaran'ny tsirairay no manatona any dokotera.Izy no mahalala izay dose omeny ny olona.
Fanafody fiarovana ny olona voan'ny aretim-po (heart attack)ny aspirine ka ny fihinana azy dia manampy ny ra hikorina tsara fa tsy ho marihitra,ary raha ohatra ka marary aty (ulcer)dia tsy mahazo mihinana azy ,raha ohatra ka be asidra dia tsy mahazo mihinana azy.Ny antony mety mahatonga ny olona be asidra dia ilay olona mitebiteby lava,be adi-tsaina,tsy matory fa mamaky loha lava amin'ny fiainana.
Ny vitamine E (misy izy capsule ary misy izy menaka amin'ny tavoahangy)indray dia tsy ho voatery ihinana ilay fanafody isika,maro ny sakafo no misy azy toy ny salmon,sardine,ny omega 3 ,ireo karazana voanjo(peanut, almond,hazel,walnut,cashew.. indrindra indrindra) tsara raha afangaro dia mihinana eraky ny tanana ary ny almond raha ohatra ka tsy tia manafangaro azy dia eo amin'ny 12 eo isan'andro.Marobe ny zavatra mety ho azo avy amin'ireo ka ,manampy ny olona mafana rehefa mangatsiaka ny andro,manampy ny hoditra tsy hiroraka vetivety ,manalefaka ny hoditra,manasitrana ny fery (ny vitamine E izay vakina ka hosorana an'iny na fery maratra na fery voadidy )dia vetivety dia sitrana,(na tsy te ihinana aza hianao dia fanafody tena ilaina ao an-trano io ),na molotra vakivaky aza sy ny ankizy voan'ny fanala ny takolany dia hosorana kely an'io dia manampy ary avy eo soloina vaseline.
lava be fa azafady .
______________________
yonikafopl :
za kou vo saika hiteny

Ry niryna mitompo teny fatratra amin'ny toriteny lavareny ataony,Ny tenin'Andriamanitra de ampy eee sns, nefa izy indray kay no manome hevitra mifanohitra ny namana hihinana fanafody tsy amin'ny antony. Ahoana ihany azany izy izany

dia io voalazako io ambony io no antony hitadiavana an'Atra satria na inona zavatra mahazo antsika tsy afaka manova ny androntsika isika,tsy afaka ny hiatehitra amin'ny herin'ny tena ka dia eo amin'izay no mipetraka ny fanampiako ny namarana ry yonikafopl a "ankino amin'Atra ny fiainanao fa fantany avokoa ny mahasoa antsika,na aretina na fahoriana ary indrindra ny tebiteby sy ny ahiahy(worry). Mazava aminao amin'izay :D

Aza manahy ny amin'ny ampitso hianao fa na ny anio aza tsy fantatrao,jereo ny voro-manidina fa tsy mba manana....

5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao, Ohab 3:5-6

Manaova hoy aho fanandramana fa tsy vitan'ny hoe hoy niryna hoe ,tssss :D

**** indro kely raha sanatria ka misy olona voan'ny aretim-po tampoka ao an-trano ,tsy miteny ,
miraikidraikitra ny lelany,sns, tonga dia omeo aspirine tapany aingana alohan'ny andehanana any amin'ny hopitaly ,fiarovana ny aretim-po io izay mety hiteraka ny fahalemen'ny vatana tanana na tongotra tampoka ka lasa takaitra avy eo raha tsy voavonjy.

17. niryna ( 15/03/2008 02:32)
rush:
ny stress koa makarary tsinay, ny sakay, café sy ny epices fadio aloha, alikaola sy sigara koa,mirary soa!
+ mihinana sakafo be menaka,mihina kiendiendy,tsy mahazo tezitra,sy
mihinana ireny tsakitsaky mampatavy ireny....

Tsy mahazo matory raha vao avy nihinan-kanina satria efa malemy ilay vavony dia sarotra aminy ny mandevona ny sakafo,raha azo atao izany dia mihinan-kanina adin['ny roa alohan'ny hatory.
ireo no karazana zavatra mety tsy mahazo ataon'ny olona voan'ny aretina vavony na tsy mahazo hohaniny ,satria mamoka asidra ny vatany ka noho izany misy asidra ny aspirine dia tsy mahazo mihinana izy na tonga dia tsy mahazaka ho azy izao.Ny fisotroana rano miaraka ny tantely + voasarimankirana isa-maraina anefa dia tsy maninona fa manadio ny hoditra indrindra ny tarehy,ary manadio ny ao anaty ,saingy tsy afaka mihinana voasary,na paoma marikivy,na jus fa rano no tsara ho sotroiny ,na salade,na zavatra manta,tsy mahazo satria sarotra levonina ary tsy mahazo mihinana zavatra vita amin'ny ronono toy ny fromage,yaourt,sns..
-----------
Averiko indray raiso izay fantatrareo fa mifanaraka ny toe-pahasalamanareo fa tsy mitovy ny rehetra,mizara fotsiny no ataoko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094