Aza mamaly ratsy ny ratsy.
1. Ylly
(
24/02/2008 18:57)
>>>>
>
>>
midika ve io hoe tsy hamaly ny ratsy nataon'olona ahy aho fa andriko Andriamanitra atsy ho atsy hitsara sy hanasazy an'io olona?
répondu par ikaretsaka le 12/03/2008 04:24
2. Ylly
(
24/02/2008 19:12)
>misy fahadisoana kely fa hialan-tsiny.
Tsy hoe Andriamanitra ve raha mamaly zava-dratsy fa hoe >>
3. LazaDaddy
(
24/02/2008 19:53)
misaotra Ylly a! Raha ny teny hoe "aza manao ratsy" tokoa dia efa midika sahady hoe aza "mamaly ratsy" (na ny tsara na ny ratsy) :)
4. soanja
(
24/02/2008 21:43)
Ity misy mahalaza azy ao anaty baiboly.
Romana 12: 17-21
17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.
18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35).
20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
21 Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

5. rakapy
(
24/02/2008 22:01)
Amiko indray dia tokony ho entina ara-pisainana io teny io fa tsy entina ara-bakiteny.
Oh: Nirava avy niasa ianao avy nandray karama. Dia sendra ny mpanendaka,fantatrao fa mety hahavita hamono ny iray @ izy ireo ianao. Dia aleo ve avela hanao izay tiany hatao izy ireo? Ataoko fa mety tsy ho diso eo anatrehan/A/tra ianao raha toa ka niaro tena ka nahafaty na nandratra azy ireo?

6. soanja
(
24/02/2008 22:05)
Ilay teny hoe mamaly ratsy no tena fototra jerena eto mantsy.
Raha toa ka miaro tena ianao dia tsy mamaly ratsy velively izany. Fa raha toa kosa ka handripaka sy hanafoana ary hanimba azy no programanao amin'ny fotoana fahalemeny dia mazava fa ratsy izany eo imason'Andriamanitra.
Satria ho an'ny Mpino dia tsy anjaranao ny manao izany fa Andriamanitra no tompon'Andraikitra amin'izany. Izay hita mazava amin'io soratra ao amin'ny (Deo. 32. 35) io.

7. rakapy
(
24/02/2008 22:09)
Ka raha fakafakaina anie dia mamaly ny ratsy nataony anao ianao satria izy no notarika ny ratsy? Sa
8. soanja
(
24/02/2008 22:14)
Tsia raha manana basy ianao ohatra ka izy hamono dia ianao tokony hiaro tena dia atao izay hakana ilay basy eny an-tanany.
Fa raha toa kosa ka efa eny an-tananao ny basy dia izy tsy manana atifitra anao dia aza vonoana izy fa tifiro ny tanany mba tsy hitifitra anao intsony.
Raha toa kosa ka tsy ianao no anaovany toetra ratsy fa ny zaza na ny malemy sy ny kilemaina tsy manantsiny dia vitao ny aminy satria rehefa tsy eo ianao dia izy mety mbola hamely ny tsy manantsiny.

9. rakapy
(
24/02/2008 22:19)
Ka raha tifirinao ny tanany dia izy ihany no hitifitra anao eo @ lohanao ao aoriana kely?Dia maty ianao tsy misy mpiahy ny vady aman-janaka?
10. soanja
(
24/02/2008 22:24)
Raha tifitra basy aloha hatramizay de tsy maintsy mampiasa ratsan-tanana sy tanana ihany izy fa tsy azoko antsaina hoe ny tongotra no hikitika ny fanapoahana azy.
Raha tsy hoe angaha resaka Star Wars ka zavatra atosika sy tsindrihana, pihina tsy mila tanana sns de hipoaka. Asa anefa...
Ny tena tiako resahina dia hoe aza mamaly ratsy ny ratsy amin'ny fotoana fahalemeny. Fa raha mbola vonona hamono izy dia azo atao foana ny manapitra ny ainy.

11. rakapy
(
24/02/2008 22:27)
Ka eo indrindra anie no mipetraka ny olana e! mody manao malemy ilay nanao ratsy rehefa tratranao tsara nefa ny hamaly faty anao no tanjony rehefa hitany ny occasion.
12. niryna
(
24/02/2008 23:51)
Ylly:Atra dia Atra mahari-po,tia an'ireo izay mitia Azy sy manaja ny didiny ary mamaly ratsy ho an'ireo izay manda ny teniny sy tsy mibebaka. Valiny ? Raha mbola velona ihany koa ny aina dia mifona any aminy haingana fa aza miandry ny ampitso lava,tsy hisy olona hisolo vava ho antsika intsony raha tsy nangataka famelan-keloka isika alohany andehanana hiala amin'ity tany fandalovana ity.
Ny teniny milaza fa tsy anao ny famaliana fa Ahy,mety tsy nankany aminao izy nifona kanefa koa Atra dia mpamela heloka ka raha nibaboka ny helony tany amin'Atra izy dia ho voavela tokoa ny helony.
>>
midika ve io hoe tsy hamaly ny ratsy nataon'olona ahy aho fa andriko Andriamanitra atsy ho atsy hitsara sy hanasazy an'io olona?
Ny hevitra tian'Atra ataontsika dia valiana soa ny olona izay nanao ratsy antsika.
Ny antony? Tsy hidiran'ny fakam-panahy isika ka hamalifaty an'ilay olona,ary isika koa aza mba nanao heloka voavelan'Atra izany koa maninona isika no tsy hamela izay namela antsika?
"Mamela ny helokay ,tahaka ny namelanay izay nanao meloka taminay":arrow: midika izany fa mangataka famelankeloka isika ary milaza amin'Atra ihany koa fa namela an-dranona aho Atra o,ka mba avelao koa ny heloko
Midika koa izany fa raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika dia tsy ho voavela mihitsy ny helotsika.
Hoy ny Soratra Masina 43 Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" , ary mankahalà ny fahavalonao.
44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? Matio 5: 43-44,46-47
Ny fiarovana tena dia zon'ny tsirairay fa ny famaliana ratsy izay nanao ratsy amintsika no tiana ho tenenina eto.Ivavahana izy ireny ary anjarantsika no mivavaka azy mba hovain'Atra koa ny toetrany ary ho voavonjy koa ny fanahiny .
Raha milaza isika fa tsy mila mamela heloka amin'iry aho na izaroa fa angaha adinoko ny nataon'iny tamiko(dia averin'i satana daholo ny zavatra nataon'ilay olona taminao)dia inona no mitranga rehefa mihaino an'izany hianao?Vao maika miha-mafy ny fo ary dia mandresy satana.Raha ohatra kosa ka mieritreritra ny fijaliana an'i kristy teo amin'ny hazofijaliana isika namela ny heloky ny olona rehetra dia hiova tokoa ny fo ka mangataka aminy mba hanadino ny lasa ary mba ho ampianariny ho malemy fanahy sy mpamela heloka.Tsy vitantsika irery izany fa ny fanahy masina no angatahina ary matoky tokoa fa miaraka amintsika i kristy mampianatra antsika izany .Izay dia moramora amin'izay no mamela heloka olona .Raha manamafy ny fotsika isika dia vao maika mahazo vahana satana.
mahereza ary ataovy foana ny fanandramana
13. soanja
(
25/02/2008 05:51)
rakapy:
Ka eo indrindra anie no mipetraka ny olana e! mody manao malemy ilay nanao ratsy rehefa tratranao tsara nefa ny hamaly faty anao no tanjony rehefa hitany ny occasion.
Matetika aloha raha toa ka tsy vonoinao izy nefa fantany fa manana ny fahefana hanala ny ainy ianao satria tratra izy dia tokony hahatsapa tena izy ary hiova. Io ilay hoe "toy ny vainafo ambony lohany" ny soa ataonao aminy tsy nanala ny ainy.
Matetika koa dia tsy tokony hihevitra foana ianao, Mpino, fa hamaly faty izy satria tsy mety ny mitsara ny zavatra tsy mbola nataony. Tokony lesona no azony amin'iny fifanandrinana niseho iny.
Amin'ny Mpino ny tokony ho izy tsy tokony hieritreri-dratsy ny hafa ka hoe hamaly faty izy any aoriana na tsia.
Fa raha kosa mitranga fanindroany ny zava-dratsy ataony dia mino aho fa manana adidy ianao tsy hamela azy ho isan'ny miaina intsony raha toa ka fanao ny azy ny hamono olona na hanimba olona.
Indray mandeha mitranga ny zavatra iray dia azo akana atao lesona, fanindroany mbola mitranga aminao ihany dia atao hoe solafaka fa tsy ninia, fa raha fanintelony kosa dia azoko lazaina fa tsy fahampian'ny saina hanakatra ny tena zavamisy.
14. diamondra27
(
25/02/2008 06:21)
ny ahy ny tena tsy tantiko dia ataon'nyolona fitaovana ny tenin'Atra
Efa nolazainy fa aza mamaly ratsy ny ratsy fa reseo am soa ny ratsy? Ahy ny famaliana hoy Jehovah etc... donc tsy misy tokony ilaina na ieritreretana izay ataon'Atra iny ol manao ratsy iny fa izay tandrifinao ihany no tokony hampiahy anao.
Mivavaha ho azy, mitandrema mba tsy lavo.
Izany miandry an'Atra hamaly ratsy ny olona nanao ratsy anao izany dia tahaka ny ozona ny fiheverako azy.
Andriamanitra dia mamela heloka ary tia ny olombelona rehetra na iza izy na iza , tiany hovonjena daholo ny olona mba ho tonga @ fibebahana. Ka na dia anaovana farateny hoe: Atra tsy andrinao andriko ihany aza dia izao hoe: na de assassin na voleur na mpandainga na mpanaratsy olona na mpijangajanga le olona de mbola mitia azy Atra ary manolotra ny tanany aminy foana koa tsy misy idirantsika velively izay iafaran'iny olona iny amin'ny fifandraisany @ Atra.
Tadidio ihany ilay fotoana farany nanoloran'i Jesosy ny ainy t@ namonjeny ilay brigan.
Izay mahasoa anao @ fiarahanao @ ATra ihany atao e!

15. Ylly
(
25/02/2008 09:59)
soanja:misaotra anao aho ry Soanja a!tena misy hiheritreretina lalina dia lalina tokoa ireo voalaza ireo.
Ity misy mahalaza azy ao anaty baiboly.
Romana 12: 17-21
17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.
18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35).
20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
21 Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
Diamondra27 a!misy maharatsy azy ve ny fametrahana fanontaniana raha tsy hainao ilay izy?io izao fa nahazo valiny tena mahafam-po ahy aho avy @ Soanja.
16. tsiafoi1
(
25/02/2008 11:52)
Tsarovy ny vavaka nampianarin'i Tompo :
"MAMELA NY HELOKAY TAHAKA NY NAMELANAY IZAY MELOKA TAMINAY"
Tsy hahazo famelan-keloka isika raha tsy mahay mamela heloka

17. soanja
(
25/02/2008 17:59)
Ylly> Tsy misy fisaorana akory fa mifalia ao amin'ny Tompo lalandava amin'izay atao. :-*:-*
18. rijadolly
(
26/02/2008 15:46)
soanja:
Ilay teny hoe mamaly ratsy no tena fototra jerena eto mantsy.
Raha toa ka miaro tena ianao dia tsy mamaly ratsy velively izany. Fa raha toa kosa ka handripaka sy hanafoana ary hanimba azy no programanao amin'ny fotoana fahalemeny dia mazava fa ratsy izany eo imason'Andriamanitra.
Satria ho an'ny Mpino dia tsy anjaranao ny manao izany fa Andriamanitra no tompon'Andraikitra amin'izany. Izay hita mazava amin'io soratra ao amin'ny (Deo. 32. 35) io.
Raha te hamaly ratsy ny ratsy ianao dia mila fotoana.Ny tiako lazaina dia izao meloka eo anatrehan'Andriamanitra ianao raha toa ka manana fotoana hamaliana ny ratsy(mikotrika).Jereo daholo anie ireo tenyn'Andriamanitra rehetra nometsika ireo raha tsy mila fotoana é!
Sa za gardien no mahatonga ahy ilaza izany(mpiandry mpangalatra):oops::oops:
19. fijo
(
26/02/2008 22:36)
za aloha tsy hiandry izay tsy hita any hamaly e.za no nanaovan aratsy,dia za izany no tomponandraikitra hamaly azy raha hafaka mamaly