Ny lalan'ilay fiara mpitondra fako !!

1. niryna ( 24/02/2008 05:31)
Ny lalana voalohany

Hoy ny Soratra Masina 43 Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" , ary mankahalà ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? Matio 5: 43-44,46-47

"Im-piry tokoa moa no avelantsika hanova ny fifaliantsika ny olona tsy ampi-heverena na olona mora tohina?":wink:

Avelanao hanimba ny andronao ve ireny mpitondra fiara tsy mitandrina ireny,na ny mpampandroso sakafo miavonavona,na ny mpampiasa miolankolam-piteny na manao tsindri-hazolena,na ny mpiara-miasa mora tezi-dava ireny ?:oops:

Ny ahafantarana fa matotra sy mora mamela ny olona dia ataony toy ny zavatra tsy misy ireny ary tsy mampiraika azy akory fa ny asany ihany no imasoany.:D

répondu par niryna le 04/03/2008 07:02
2. niryna ( 24/02/2008 05:33)
Ny faniriako dia toy ilay mpitondra taxi iray izay,raha sendra nandeha nivily havanana hivoaka izahay dia iny nisy fiara maity iray tonga dia nanavatsava,tsy ampiheverena.Raha nahita an'iny ity rangahy nitondra ahy dia niova lalana haingana ary saika tsy tafajanona mihitsy aza,kely fotsiny noho tsy nandomany ny fiara iray.:cry:
Avy hatrany dia nivoaka ny lohan'ity mpitondra fiara tsy misaina ary dia izy indray no nanangam-bovona,nanopa teny ratsy vary raraka.:evil:
Ilay mpitondra taxi kosa dia nitsiky malefaka sady narahiny kopa-tanana no niriany mba ho tonga any amin'izay alehany .:-*:D
3. ikaretsaka ( 24/02/2008 05:33)
nahodin'i niryna any @ secte-ny indray ny camion'ny voirie:roll::-D
sangisangy e
4. niryna ( 24/02/2008 05:35)
Rehefa nieritreritra an'izany aho dia nahatsiaro fa im-piry tokoa moa aho no avelako hanary fako aty amiko ireny fiara mpitondra fako ireny :?:

Ary im-piry koa moa aho no mandray izay fako sy mizara izany maloto izany amin'ny olon-kafa:na ao an-trano,na eny an-dalana,na any am-piasana :?:

Tamin'izay andro izay no nitenenako fa tsy hanaiky hanarian'ny olona izao karazam-pako izao intsony aho
ary tsy hizara izay karazam-pako hanimbana ny saina sy ny eritreritra ihany koa .:D:D
5. niryna ( 24/02/2008 05:36)

Ny lalana faharoa

Hiarahantsika mahalala fa mora ny miteny noho ny manantanteraka.Ary raha ohatra mora tezitra "amin'ireny olona manimpy ny fakony" ety amintsika ireny isika,dia tokony hieritreritra fa izay ataony dia noho ny olana misy aminy fa tsy avy amintsika,na avy amin'ny hafa(ilay fahatezerana izany dia efa ao anaty ao fa miandry kendry tohana hanapoahana azy fotsiny),saingy raha toa ka manaiky izay tiany atao isika dia antsika indray izany.

Ny fihetsika izay tokony atao izay toy ny an'i kristy ary tsy maintsy mila matotra isika ka hitadiavana olana izany "fakontsika "izany.Raha tsy izany dia avelantsika ataon'ny olona taingim-bozona ka tsy hivaha velively mihitsy ny olana :oops:

Inona avy moa no mety ho azo lazaina fa fako?
Ireo toetra ratsy izay manimba ny tena na ny hafa:
ny hatezerana,ny teny tsy ampiheverana,ny fankahalana,ny fialonana,ny fifosana sy ny famafazana lainga,ny toetra ratsy izay mety mandratra ny tena na ny hafa sns...
6. niryna ( 24/02/2008 05:38)
[/color=blue]
Tompo o,ampio aho mba ahafantatra ny toetra ratsiko raha sendra ka manaonao foana na miteniteny foana na manao fihetsika izay tsy mifanaraka ny sitraponao.Ampianaro aho mba hanova an'izany ary mitady ny vahaolana hatrany izay tsy vitako izany raha tsy miaraka amin'ny fanampianao.Ho an'ireo izay mijaly kosa,te ho afaka amin'ny toetra ratsy,enga anie hianao no hanampy azy ireny hatrany na inona mitranga na inona olana izay mety aterak'izany izany, ary amin'ny fitiavana sy toy ny fitiavan'i kristy no anaovanay an'izany.
Misaotra Ray o noho ny fihainoana sy ny famalianao ny vavako hatrany.
Amin'ny alalan'ilay Zanakao Kristy no anaovako izany
fangatahana izany Amena
[/color]

(l)niryna
7. ikaretsaka ( 24/02/2008 05:49)
mahay mandika toriteny rahampitso @ teny gasy kosa i Niryna:-P:-P:-P
tantara efa hitako tany anaty bokikely 1 izay manko io:wink:
8. rijadolly ( 24/02/2008 14:49)
Ny fanetretena eo amin'ilay zava miseho no tsy tsaroana noho ny vokatr'ilay choc,eo mihitsy no mila mangataka haingana Fandefera fa raha tsy izany dia tafalatsaka tanteraka ianao.Vao azonao ilay fandefera dia tsarovy fa na dia mafy tahaka inona aza ilay fidonany na mbola apian'ilay olona aza dia tsy ahoanao akory zany satria efa notafiana ianao.Hitanao oh olona tianao hampiana izany ilay olona avy eo.Amen!=D=D=D=D.Mahery tokoa anie io Andriamanitsika io ry zareo é!
9. niryna ( 24/02/2008 22:04)
ikaretsaka:

nahodin'i niryna any @ secte-ny indray ny camion'ny voirie:roll::-D
sangisangy e

:D ny camion'ny voirie no mpanangona fako,ary dia manary azy any amin'izay toerana tiany.
Isika koa manana fakofako na fako kely na be dia tsy mba mitady an'izay hanariana aza fa angonina aloha dia rehefa mitobaka vao mitady izay hanariana azy.Raha ohatra ka nahafantatra anefa isika fa hoy i Kristy hoe "mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana" Raha nomen-tsika azy ireo enta-mavesatra ireo dia ho maivana tokoa ny zioga,sa tsy izany ry ika :D
Aleo aloha ahilika kelikely eny e ve :D
10. niryna ( 24/02/2008 22:11)
ikaretsaka:

mahay mandika toriteny rahampitso @ teny gasy kosa i Niryna:-P:-P:-P
tantara efa hitako tany anaty bokikely 1 izay manko io:wink:

mizara aho ary ny fiainantsika dia fanoharana hita taratra hatraiza hatraiza.Izany no hijoroana vavolombelona,mizara,mampiantra an'ilay izy ary mifanampy sy maka izay tsara dia mampiantra izany amin'ny fiainana.
Raha kristiana aho ohatra ka ny toetra ratsiko fahiny ihany no mbola tazomiko fa tsy mba miezaka aho ny hanao ny mety sy ny tsaratsara isan'andro ,inona no tombontsoa azoko,inona no mahasamy hafa ahy talohan'ny nahalalako an'i kristy sy tao aorian'ny nahalalako Azy,rehefa nomeko ho tantanany amin'izay ny fiainako ?

11. niryna ( 24/02/2008 22:15)
rijadolly:

Ny fanetretena eo amin'ilay zava miseho no tsy tsaroana noho ny vokatr'ilay choc,eo mihitsy no mila mangataka haingana Fandefera fa raha tsy izany dia tafalatsaka tanteraka ianao.Vao azonao ilay fandefera dia tsarovy fa na dia mafy tahaka inona aza ilay fidonany na mbola apian'ilay olona aza dia tsy ahoanao akory zany satria efa notafiana ianao.Hitanao oh olona tianao hampiana izany ilay olona avy eo.Amen!=D=D=D=D.Mahery tokoa anie io Andriamanitsika io ry zareo é!

marina tokoa izany.
Alaivo ohatra ny Israely,niala tany Egypta izy ireo,niala ny ziogan'ny fanandevozana.Nandala fotoana namaivay,ny hanohanana,ny fanenjehana,ary nifindrafindra tetsy sy tero.Nisy toerana nahafinaritra tany ary rehefa tonga ny fotoana tsy nisy rano na sakafo dia nimenomenona tamin'i Mosesy izy ireo ary dia naniry ny hiverina indray.
Toy izany koa ny fiainantsika,mety misy fotoana manana fifaliana isika,ary misy fotoana omen'Atra fisedrana amin'ny fiainana ary manontany tena hoe fa maninona na hoe avelao ihany aho hiverina fa tsy lasa ity.
12. nandrianina1 ( 26/02/2008 04:01)
Raha kristiana aho ohatra ka ny toetra ratsiko fahiny ihany no mbola tazomiko fa tsy mba miezaka aho ny hanao ny mety sy ny tsaratsara isan'andro ,inona no tombontsoa azoko,inona no mahasamy hafa ahy talohan'ny nahalalako an'i kristy sy tao aorian'ny nahalalako Azy,rehefa nomeko ho tantanany amin'izay ny fiainako ?

zay mintr manko mbo zvtr tsra no soratana ao @le pejy pianana vao² azo isanadro
mila mangataka haingana Fandefera fa raha tsy izany dia tafalatsaka tanteraka ianao.Vao azonao ilay fandefera dia tsarovy fa na dia mafy tahaka inona aza ilay fidonany na mbola apian'ilay olona aza dia tsy ahoanao akory zany satria efa notafiana ianao.Hitanao oh olona tianao hampiana izany ilay olona avy eo.Amen!.Mahery tokoa anie io Andriamanitsika io ry zareo é!

=D=D
:-*daholy nareo rhtr
13. niryna ( 27/02/2008 06:36)
nandrianina1:

:D :-*:-*
14. Rasiligaoma ( 02/03/2008 06:38)
saingy betsaka no mody hoe miangona dia mangalatra akloho dia miangona dia mangalatra akoho an
15. rijadolly ( 02/03/2008 07:20)
saingy betsaka no mody hoe miangona dia mangalatra akloho dia miangona dia mangalatra akoho an
Inona ny hevitra ataon'ny olona manao izany?
-Miala amin'Andriamanitra ve sa
-Manantona bebe kokoa amin'Andriamanitra
16. Rasiligaoma ( 02/03/2008 07:32)
aleo ilay olona no handinika ny tenany
17. rijadolly ( 02/03/2008 07:57)
Misaotra an'sé:-*:-* za anisany handinitena
18. niryna ( 04/03/2008 07:02)
Rasiligaoma:

saingy betsaka no mody hoe miangona dia mangalatra akloho dia miangona dia mangalatra akoho an

mifankaiza amin'ireto moa izany? Fahotana dia fahotana avokoa na iza manao an'izany na iza,ny tsy hitovizany fotsiny ihany dia miaiky ny fahotany ilay olona satria tsy misy marina na iray aza.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9
:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0522