ty ny tananao

1. floufla ( 22/02/2008 06:22)
mangataka tonony ty ny tananao tovo j'hay merci
répondu par kalialie le 22/02/2008 17:45
2. ari.malala ( 22/02/2008 07:45)
fihin-tananao no izy dia jereo ao am http://serasera.org/tononkira fa efa ao io.
3. kalialie ( 22/02/2008 17:45)
Slt!!!misaotra mankafy Tovo e!!! tohizo fôna an!!!

Fihin'ny tànanao le izy o!!!

1)'lay tsikinao isa-maraina d'efa ampy ahy
fifaliako sitrako sy tiako
fankaherezanao, manala ahiahy
tsy ho adinoiko
voasikitra am-poko
fihin'ny tananao maneho fahavononana
hiatrika izay adiko sy olana

2)Indro aho fa niova nanam-pahandrena
niova ny fiainako, niova ny fisainako
dia ts'isy afa-tsy ianao no voajeriko
mamiko tiako, tokana fidiko
tokinao; tsikinao ampy ho andriko
efa fantatrao f'ianao anie no kiadiko

Ref:raha sendra mitomany
ka tojo ilay ankaso
ny tananao inoako mahafafa ranomaso
tsy anjely anefa ianao
mifono misitery amiko
fa be fitiavana ahy
andrianiko; tiaviko

tsy taitra randram-bao
fa mionona aminao
anaty tsy mba re
tsy sanatria voafehy




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082