Ampidiro aloha ny tenimiafina
Lôkôm tarika mpanao heavy metal
1. betroka
(
21/02/2008 18:23)
Misy mahafantatra ve ny hiafaran'ny tarika Lôkôm (na Lokomotiva) ? Aiza izay i Maô filohan'ny tarika ?
novalian'i rakapy ny 28/02/2008 04:56
2. rakapy
(
22/02/2008 02:34)
Maizina ny tany
Tsy misy hazavana intsony
Mangina ny tontolo
Mangina satria reraka sy tony
Injany misy feo avy lavitra any
Injany misy feo manako mihovitrovitra
Tsy mahala.
Fa bibilava midonan-tsetroka
LOKOMOTIVA E!!!!!:@:@:@:@
Raha ny vaovao henoko farany dia any Anjomakely i Ra Mao no mipetraka sy miasa:^):^):^):^)
Tsy misy hazavana intsony
Mangina ny tontolo
Mangina satria reraka sy tony
Injany misy feo avy lavitra any
Injany misy feo manako mihovitrovitra
Tsy mahala.
Fa bibilava midonan-tsetroka
LOKOMOTIVA E!!!!!:@:@:@:@
Raha ny vaovao henoko farany dia any Anjomakely i Ra Mao no mipetraka sy miasa:^):^):^):^)
3. betroka
(
22/02/2008 17:28)
Tadidin'i rakapy ve ilay hira "mpivahiny" ? Asanà Dokotera ve no ataony any ?
4. rakapy
(
23/02/2008 02:12)
Mpivahiny no anarako ety
Mandalo tsy misy fitsahara
Mpivahiny maro tsy tia
Tsy mataho-pahafatesana
Izay le ref Rabetroka! Fa inona no tena hitadiavanao an'i Mao?
Mandalo tsy misy fitsahara
Mpivahiny maro tsy tia
Tsy mataho-pahafatesana
Izay le ref Rabetroka! Fa inona no tena hitadiavanao an'i Mao?
6. rakapy
(
23/02/2008 17:09)
Fa iza i Rabetroka raha tsy maha diso fa izaho nahafantatra bandy maromaro tao ihany t@ taona 87-91?
7. betroka
(
25/02/2008 23:28)
Akaman-dRa Mao aho. Mpanaraka azy tsy tapaka koa mijery spectacle tao amin'ny Lasainte sy Galliéni. Ary iza moa Rakapy ?
8. rakapy
(
25/02/2008 23:38)
Rabetroka! Izaho indray mpitsikaraka ny zava-mahadomelina ho an'ny tarika taloha. Fantatrao izany i Raxx, RaSexx,Ra Zixx sy Rapoon?
9. betroka
(
25/02/2008 23:48)
Rasexx no fantatro amin'ireo. Mpitendry tao amin'ny Lokom taloha ary namorona tarika tato aoriana (mpanao thras metal). Taty aoriana koa dia nandalo tao ny batteur an'i Kiaka amin'izao fotoana izao. Ny iray tam-po amin'i Mao no fantatro fa tsy tadidiko intsony ny anarany. Efa tamin'ny 1991 no nihaona farany (nipetraka teny Manjakaray ary nifindra tao Mahavoky ary Ampahibe nony avy eo).
10. rakapy
(
25/02/2008 23:55)
I Razixx le rahalahan'i Ramao.I Rasexx ao @ Tarika Martz amzao. Tany Amboditsiry no nipetraka ry Ramao ka!
Aona ireny heavy metal concert tao galleini ireny? Miredareda mihintsy ny afon'i Satana a? Milay reny ka!
Aona ireny heavy metal concert tao galleini ireny? Miredareda mihintsy ny afon'i Satana a? Milay reny ka!
11. betroka
(
26/02/2008 19:15)
Nahafinaritra tokoa ireny tany amin'ny Gal. ireny. Tao amin'ny Lasainte koa nahafinaritra, niaraka tamin'ny Red Métal sy Vatofantsika (Ndriana be). Tany Amboditsiry tokoa ry zareo no nipetraka taloha.
12. kelly13
(
26/02/2008 19:24)
ôtran'ny efa henoko oa io oe "lôkôm" io e! tsy ry zareo v no mihira le oe "avy lavitra zay tsy fantatra, kiaka tokana manako, tsy mijanona..." ny zokikolahy no mpijery metal tao @ galliéni (tananay kou mou eny tsinn)
14. rakapy
(
28/02/2008 04:56)
Ny LOKOMOTIVA dia ilay hoe
Biby iray mandady toy ny trambo
Mitety ny ala sy ireo tanety maro
Ny fanahy ratsy no motera ao anatiny
Hanenjika anao, izay no mba tanjony eto
Biby iray mandady toy ny trambo
Mitety ny ala sy ireo tanety maro
Ny fanahy ratsy no motera ao anatiny
Hanenjika anao, izay no mba tanjony eto
