Kristy :Mpisoronabe mahavonjy

1. niryna ( 20/02/2008 08:27)
9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.

11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.

14 Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.Heb 4


18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?

19 Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.Heb 3
:oops:



25 koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. Heb 7


:D^:^

Mahereza mikatsaka ny fahamarinana hatrany fa ao amin'i kristy irery no misy ny famonjena,tsy misy na iray aza ahazoantsika famonjena koa mivavaha,manatona Azy .Ao amin'ny fo no henoina ahazoana famonjena.
Andramo ary ny manao vavaka toram-po,tsy mila na inona na inona,raha nandaitra tamin'ireo namana mijoro vavolombelona izany dia handaitra aminao izay mbola tsy niantso azy mangina ary miresaka aminy mivantana
Ankino amin'i Jehovah ny lalanao,matokia Azy fa ataony ho lavorary sy tanteraka izany raha tena mino ka mivavaka aminy tsy misy hambahamba fa miantso azy ao am-ponao tokoa hianao. Fanahy Izy koa aoka ny fanahinao no hiantso Azy
Ataovy ny fanandramana fa tsy misy vola na zavatra vidiana raha tena te hiresaka aminy mivantana hianao
Miandry antsika rehetra Izy fa tsy tiany hisy ho very isika.
mahereza
(l)niryna
répondu par niryna le 01/03/2008 04:50
2. ainaheri ( 20/02/2008 12:24)
Misaotra betsaka niryna nizara a,lay tora-po io zao no nde ataoko isakariva,mino aho fa hanampy ahy @ fiainako iray manontolo.
3. fahamarinana ( 20/02/2008 12:50)
:arrow::-*:-*:-* niryna,mankasitraka e!(l)
4. isambo ( 20/02/2008 18:40)
ie de mbola ao @ efitra masina indrindra io Mpisoronabe io zao mifona ho antsika tandremo fa rehefa mivoaka avy ao izy dia tsy misy zavatra azo atao intsony an! ka tokony ho mailo diany izy mbola ao izao
5. rijadolly ( 20/02/2008 18:52)
Misaotra betsaka Niryna mbola nanome aim-panahy indray sy fanantenana ho an'izay nilatsakà:-*:-*:-*
6. fijo ( 20/02/2008 21:27)
ilay fitenenana hoe "irery "io mba hovao fa tssssss.manilika ny hafa avy atrany ianareo kristianina eto
7. cutie ( 21/02/2008 01:30)
tsy tafiditra ao anaty vala i fijo:-D:-D:-D:-D:-D
8. ikaretsaka ( 21/02/2008 02:34)
i cutie no tsary maharitra voalohany raha ny sinoa no mampiasa io fitenenana lazain'i fijo io
9. cutie ( 21/02/2008 02:39)
mila mikofensy malaky i Ika:twisted:
10. ikaretsaka ( 21/02/2008 02:53)
tsy izhao irery....:wink: ianao koa
11. cutie ( 21/02/2008 02:56)
mila manao vavaka tora-po haingana:-D
12. cutie ( 21/02/2008 02:58)
mila manao vavaka tora-po haingana:-D
za tsy katolika tsy mila mikofensy zany:-D
13. ikaretsaka ( 21/02/2008 03:03)
nobody is perfect...
t'es pas tres catholique izany
14. cutie ( 21/02/2008 03:05)
ataovy ny anIka fa za tsy hanao:-D
15. fijo ( 21/02/2008 21:11)
fa naninona ny sinoa????
16. niryna ( 22/02/2008 08:54)
ainaheri:

Misaotra betsaka niryna nizara a,lay tora-po io zao no nde ataoko isakariva,mino aho fa hanampy ahy @ fiainako iray manontolo.

Tena manampy tokoa ary rehefa manankina aminy irery ny fiainantsika isika,tsy misy mpanelanelana dia ho hitanao tokoa izany hoe aza manahy ny amin'ny am-pitso.
Omena Azy daholo ny enta-mavesatra rehetra dia izy no manao ny ambiny ,ny ataontsika fotsiny dia tsy mitsahatra ny misaotra,midera,mangataka fifonana tamin'izay natao,mibebaka fa diso ary miezaka amin'izay ny andeha amin'ny fahamarinana.
Ataovy anie e.


17. niryna ( 22/02/2008 08:56)
fahamarinana:

:arrow::-*:-*:-* niryna,mankasitraka e!(l)


tsy misy fisaorana ry ireto a,tiako manandrana tsy mila na inona na inona fotsiny ihanareo fa mandaitra tanteraka ary ho hitanareo izany hoe miaraka amin'i kristy izany.


18. niryna ( 22/02/2008 09:14)
isambo:

ie de mbola ao @ efitra masina indrindra io Mpisoronabe io zao mifona ho antsika tandremo fa rehefa mivoaka avy ao izy dia tsy misy zavatra azo atao intsony an! ka tokony ho mailo diany izy mbola ao izao


marina tanteraka izany:
Marobe no hiantsoana Azy ary na inona olana misy amintsika ka mino sy manatona Azy isika dia omeny valiny avokoa.Mety ho ela,mety miandry kely fa tiany hiova na ho mafy kokoa ny finoana ,mety tsy mifanaraka ny sitrapony.
Efa naheno hianareo fa hoe raha manana finoana toa ny voantsinampy kely fotsiny ihany aza isika dia lasa hazo ngezabe noho ny hazo rehetra iny rehefa maniry?
Io fanoharana io no nihatra tamiko ary dia zaraiko anareo.
Efa naheno koa hianareo hoe rehefa mino isika dia afaka manakisaka ny tendrombohitra ?
Eny,efa nandalovako izany
Tsy mila na inona na inona ,ny vatantsika no mifanatrika amin'ATra ,ary ny vavantsika no mifona sy miresaka aminy.Raha te ahazo valimbavaka sy fiadanantsaina isika dia manandrama
Tsy misy mangidy tsy andramana hoy ny ohabalantsika,
*varavarana hidiran-tsika any an-danitra Izy koa raha mbola mivoha ny varavarana dia aza misalasala ny manatona Azy.
*Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny ray koa ra ha mbola tsy tapaka izany lalana izany dia taomy ny havana sy ny fianankaviana mba ho voavonjy.Inona moa no soa azontsika hoy ny sm raha hananantsika avokoa izao rehetra izao kanefa ho very (sanatria anie izany)ny fanahintsika(mitomany mandrakizay,mijaly mandrakizay).Izao aza isika mijaly fotoana fohy mila tsy ho zaka,soa ihany fa nisy ny mpisoronabe manampy antsika,ka maika fa hoe mijaly mandrakizay?
Tena misy ny fanjakan'ny lanitra ary tena misy ny afobe
Ahoana no anaovako an'izany?
Izay voasoratra ao anatin'ny sm dia nisy ny efa nitranga,nisy ny vao nitranga ,ary misy ny hitranga,dia ny fiverenenan'i kristy sy ny hakany ny mpiara-dia aminy(ny olony)
Raha niresaka ny mpaminany fa hisy mpamonjy teraka anio,dia tonga tokoa izany.
Raha nanao fahagagana maro sy nanasitrana ary nandroaka ny olona nararin'ny demonia Izy ,dia nisy sitrana tokoa, ary nisy afakin'ny hery ratsy.:arrow: nisy izany ny asan'ny demony ary mbola misy ihany koa izy hatramin'izao dia satana manohitra izay voalazan'ny soratra masina ary mampiasa ireo olona maro manda ny tenin'Atra hatrany,mila mivavaka ho azy ireny koa isika.Raha mino ny voasoratra izany isika kanefa misy milaza fa tsy misy izy dia vereno vakiana ny baiboly fa tsy mandainga Atra.

***Rehefa mivavaka isika dia aoka ny sitraponao Atra no ho tanteraka fa tsy ny ahy... .Miezaka mamarany ny vavaka amin'io teny io isika satria izay fantantsika ihany no hivavahantsika fa Izy irery no mahalala ny mahasoa.
:-*:-*
19. niryna ( 01/03/2008 04:50)
Kristy tokoa no Mpisoronabe mahavonjy izay mino Azy.
Tsy misy na iray aza Atra hafa manana an'ireto toetra fito ananany ireto.^:^^:^
Ny soratra masina dia manambara zavatra fito hilazan'i kristy Azy raha nanomboka nanao ny asan'Atra Izy ..ary dia nasehony tamin'ny teny hoe .."Izaho no...."
ka iray amin'ireo ny hoe "Izaho no mofon'aina "
*1- "Izaho no mofon'aina"; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.Jaona 6:35 :arrow: 53 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.

Ara-panahy io fa tsy ara-nofo intsony.Ny nofontsika vokisana sakafo na mofo ary ny fanahintsika kosa dia vokisana ny tenin'Atra ka mofon'aina no hilazana azy.

*2-" Izaho no fahazavan'izao tontolo izao"; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina. Jaona 8:12
*3-" Izaho no vavahady"; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9
*"4- Izaho no Mpiandry Tsara"; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.Izaho no mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, Jaona 10:11,14
*5-"Izaho no fananganana ny maty sy fiainana"; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25
*6-"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana"; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Jaona 14:6
*7- Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.".." Izaho no voaloboka, hianareo no sampany". Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:1,5
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0434