Imaginons ensemble un avenir meilleur

1. maditra ( 11/02/2008 12:18)
Nahavariana ahy be io loha hevitra amin'ny Madagascar tribune io. Vakio fa mahafinaritra tokoa.
Amin'izao taona arivo fahatelo izao dia tokony fomba fisainana hafa no entintsika mivoy ny raharaha politika. Tokony ovaina amin'izay ilay toetra "izay tsy miaraka aminay dia fahavalonay."

Fantatro fa samy maniry izany "avenir meilleur" izany daholo isika, ho antsika sy ireo taranatsika any afara ( na efa tonga :) )

Raha mahafinaritra atsika ilay hevitra dia ndao atomboka ato.

Enga anie ka hifandray tanana i Jeankely sy i Badboy, na i Tezitra sy ny namana sasany izany e :wink:

Ekeko fa ny tsy fitoviana dia tsy maintsy misy, ary ilaina koa mba hanatsarana zavatra. Ka ndao entina hanatsarana zavatra tokoa ny tsy fitoviantsika fa tsy entina hifandrangitana fotsiny.
répondu par Jeankely le 19/02/2008 10:11
2. simplex ( 11/02/2008 12:56)
3. Jeankely ( 11/02/2008 14:05)
Misaotra anao. Na izany na tsy izany aza adino fa misy no efa lo ny fomba fisinany ary tsy ny hampivoatra ny Firenena no tiany fa ny hampivelatra azy sy ny iray antoko aminy na ny fiakaviany ihany fa ny rehetra ompaina sy alaina baraka eran'izao tontolo izao amin'ity tenimbazaha. Tsy hidera anao mihintsy tokoa ny vazaha. Rehefa samy mifampintantana any @ tsara dia lasa izao fa raha manimba saimbahoaka dia mitorajofo ihany. Ohatra maninona no midongy antaninolona nefa lazaina fa tsy tokony omena vahana any Madagasikara ny vazaha?
4. badboy ( 11/02/2008 14:16)
Ny tery saina hita misongadina eny foana!! Antso avo no ataon'ny "maditra" zavatra hafa no dradradradraina!!:twisted::twisted::twisted:
Mankasitraka ary mankatelina ny hevitrao ny tenako manokana maditra!!! De ho toa anie ny teninao ary ho tonga @ lay tanjona "ensemble un avenir meilleur"!!:wink:
5. zamanoro ( 11/02/2008 14:53)
maditra:

Imaginons ensemble un avenir meilleur... ho antsika sy ireo taranatsika any afara ( na efa tonga :) )

Dia mbola vaovao amin'ny maditra foana ve le 4L sy frigo isan-tokantrano eh
"Nodradraina ny hoe izay manana hevitra malalaka ny varavarana" Saingy mba teo ambaravarana ihany izahay, angezan'izay varavarana izany. Saingy tsy mivoha ho an'olona tsy manana antoko, sy olon-tsotra tsy manana miliara ilay varavarana
6. maditra ( 11/02/2008 17:42)
Jeankely sy Badboy> tsss, tsy miezaka akory ary lisany kou, fa misaotra ihany e. Sady tsy vita androany androany izany, ary ny diavolana mbola lava, mbola betsaka ny fotoana.

zamanoro> Aza mora kivy e, miezaha hatrany.... :)
7. zamanoro ( 11/02/2008 20:31)
maditra:

Aza mora kivy e, miezaha hatrany.... :)

Misaotra, fa tsy misy mpankahery aza moa mankahery tena ihany, maika fa misy namana toa anareo.
8. Jeankely ( 12/02/2008 03:11)
Na tery saina izahay na malalaka feno rivotra ny sainareo ry Badboy dia tsy mampaninona loatra. Ny tiako hazavainao fotsiny dia hoe Fa maninona no mitomany mipetraka andafy, mividy tany ary tiana hanambady vazaha ny zanaka sy anabavy nefa lazaina mivarotra ny tanindrazana ny fanomezana fahafahana mividy tany ny mpampiasa vola? Ny farany tsotra io ary ankoatr'izay fisehoana ho dadany. Milaza mahay nefa tsy mbola niakatra kianja ary tsy mahalala ny olana sy ny vahaolana fa ny firentirentin'ny andafy no milentika ao andoha.
9. maditra ( 12/02/2008 04:09)
zamanoro> Ianao no hisaorana kah. Zah dia mino tanteraka fa afaka manamboatra izany ho avy tsaratsara kokoa izany isika raha toa ka mahay miray hina sy miara-miasa.

10. Jeankely ( 12/02/2008 05:28)
Mazava fa firaisankina no nahafahan'ny firenena hafa nivoatra. Nahita izany notafihan'ny sasany ary mahalala ny hoe mpiray tanindrazana ny olona ivelany. Ny Malagasy kosa rehefa mivoaka andafy dia samy milaza ho dadany ary fahantairana mahita olona manompa Filohampirenena, manivaiva Mpitondra Fanjakna no nahatonga ahy nandray anjara teto. Tsy ny Mpitondra voaompa no manahirana ahy fa ny VOKANY AVY EO MILAZA NY SASANY FA TSY MISY INTSONY NY FIFANAJANA NA AIZA NA AIZA SATRIA NY FILOHA AZA AZO OMPAINA AMIN'NY HAVANY. Mazava fa hatrany antokatrano, fokotany, sns io. Tsy soa ho an'ny vahoaka Malagasy izany aminay ary firaisana tsikombakomba amin'ny zavatra ratsy.
11. tontavao ( 12/02/2008 09:40)
iZAHO KOA MBA torak'izany tsy mifanaraka amin'ny atidohako ny fanompana olona indrindra fa izany filoham-pirenena izany. Io no ananana ka io izy iaraha-mahita io fa kosa mivadika ho fahotana sy hakanosana raha mahita zavatra tsy mety dia mangina fotsiny izao. Tsy fitiavana tanindrazana izany AMIKO; ka sahia ry malagasy fa betsaka ny zavatra tsy mandeha amin'izay laoniny intsony. FISEHOSEHOANA NO BETSAKA ataon'ny mpitondra fa tsy dia misy zavatra azo tsapaintanana loatra ka misy fiantraikany amin'ny fiainam-bahoaka ny zavatra misy (ohatra fandraisana sommet UA, Francophonie,...). FISEHOSEHOANA IVELANY NO BETSAKA NEFA NY GASY ANY REHETRA ANY EFA Tsy mihinam-bary intsony fa mangahazo sy saonambo no atao be ambilany.
12. Jeankely ( 12/02/2008 10:26)
Misehoa ianao dia omeo ny vahaolana fa tsy mety kosa angamba raha himonomonona fotsiny ry dadatoa. Izany hatrany na aiza na aiza ary na inona na inona. Hita ny olana dia manome vahaolana. Manaraka an'iny ny olona reha hitany mahavaha ilay olana iny. Mijery hatrany kosa ny olona hoe sao dia olana vaovao indray koa no entinao.
13. salopard ( 12/02/2008 11:46)
imaginons, revons, dormons, pensons, revingadra-ons, nofinifi-ons,...


de ny sasany mameno ny paosiny,
de ny sasany mandritra izany fotoana izany, maty ny hanoanana,

42 ans ny fahaleovantena ve dia imaginons foana,

ndao ary e! fumons, sniffons, chouffons...

Tsy ampy aloha zoki a! sao misy any ra-jeankely a! ary ra-jakta aiza e!...

sniff, sniff, tchoufff....
14. badboy ( 12/02/2008 15:10)
Et oui!! Comm d'hab!! BLABLABLA!!!:-@:-@:-@
SA zay le oe mitoraka bilao!!:@:@
15. maditra ( 12/02/2008 18:11)
salopard> Marina izany, efa tsy tokony fotoana hi-imagine-vana intsony izao, kanefa diniho kely ihany hoe aiza ho aiza ny toe-tsaintsika Malagasy raha ny amin'ny ankapobeny no lazaina. Mbola tsy manana ilay toetra ilaina hampandrosoana. Mbola misy ny tsy mahita tory sambatra ka ahafahany manonofinofy. Ny nofy sy ny imagination no tsy maintsy iaingana. Ny nofiko ohatra dia ny hanamboatra an'ny Madagasikara ho tany mandroso sy mandry fahalemana. Dia miezaka aho hanatanteraka izany amin'izay kely mba vitako. Raha manana an'izany nofy izany koa ianao dia manao izay azonao atao amin'ny tontolo ahafahanao manao izany. DIa raha samy otr'izany isika rehetra dia mino aho fa efa misy impacte positive lehibe @ntsika izay. Ary mety tsy hitovy isika amin'ny fomba fanantanterahana azy fa mitovy kosa amin'ny tanjona dia tsy maintsy mahita marimaritra iraisana hatrany.
16. badboy ( 12/02/2008 18:52)
Be "bon sentiment" daolo fotsiny!! Ny tena marina sy mitombona ary iainan'ny gasy @ zao, ary @ ho avy, de io volazan'i salopard io!!!

"Rêvons", f'aza manantena loatra sao diso fanatenana!!

Dia miezaka aho hanatanteraka izany amin'izay kely mba vitako.

Tsy mbola kobonao foana anga fa mbola tsy manomboka enao d'efa sakanan'ny tery saina sy tsy tia fivoarana maianakavy! Ny antony :"ny savorovoron'ny hafa, fifalian'ny sasany"!!
Io samy manao zay iarovany ny rambony tsy ho tapaka : tsy ny filaminan'i dago sy ny fitombon'ny manapahaizana mihintsy no hahafahan'ireo eo ijanona eo amin'ny toerany, noho izany ny teny filamatra "korotany sy abadoy anjakana"!!
17. maditra ( 12/02/2008 19:40)
badboy> Marina izany. Fa ny tsy mora kivy koa no tsy maintsy anampiana ilay fanantenana. Sady raha maro no miara-miezaka dia ho azo ihany ny vokatra tsara.
Fa raha vitsivitsy aloha dia tsy hankaiza loatra e.
18. fijo ( 12/02/2008 21:51)
efa hendry maditra
19. LazaDaddy ( 13/02/2008 02:25)
Imaginons
20. Jeankely ( 13/02/2008 13:01)
Efa ela io no nifampitaritana teto baba a. Ary hisaorana anao nandray ny gazety sy nanamafy indray. Ny asa tsy vita mora izany. Ny sasany no faly sy ravo lazain'ny olona hoe MADAGASIKARA MORA MORA ary mahazo volabe aza angamba noho izany fa ny rehetra mila miasa mafy, tsemboka ary tsy tokony hitaraina lava. Ny jamba marobe aza manana doctorat koa ny olona ara-dalana no hitaraina? F'angaha izy ity ve dia hifaninana amin'ny mangataka sy mitaraina araky ny esoeson'ny sasany lava eto. Na lazainy tsy mivoatra; na lazainy be taraina; na lazainy be trosa; na asainy mitokona amin'ny tsy fantatra hoe ho aiza na ho aiza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.318