Imaginons ensemble un avenir meilleur

21. zamanoro ( 14/02/2008 17:56)
http://www.madagascar-tribune.com/Dessin-du-jour,3728.html
22. Jeankely ( 15/02/2008 01:53)
Manomboka @ nofinofy daholo fa misy avy dia vita izany. Ny arizato ampandriana midika hoe mila mifoha ary mivoaka mitady manao izay ahazoana ilay nofy ary mahazo mihoaatra aza rehefa mahay. Ny mpanao politika no mampanantenany zavatra tsy eo ampelantanany. Ny vola miditra sy mety ho azon'ny fanjakana no anaovana nofinofy sy vinavina fa ny an'ny mpanao politika ny any andanitra no ampanantenainy. Adalan'izay manaraka anjambany io. Ny vahoaka sy mpitondra tokony manana nofinofy hiraisana ary miezaka ny hampivaingana azy. HO AIZA MOA REHEFA TSY MIFANARAKA NY TANJONA? Na ny mpanohatra koa aza mampanonofy hoe azerao itsy fa ho azonao ity.
23. zamanoro ( 15/02/2008 15:19)
Nde aho mba hanonofy hoe mihitatra ny habean'i Mada le
24. Jeankely ( 15/02/2008 17:12)
Mba milaza ianao raha tsy nanomboka t@ eritreritra vao lasa vadinao ny vadinao ary lasa fianakaviana aty aoriana. Sa avy dia zaza?
25. zamanoro ( 15/02/2008 18:03)
nde koa aho hanonofy hoe mitsingevana eny @ rahona ity Mada ity de @ zay aho afaka manao TDM ohatran.i Cazal
26. Jeankely ( 15/02/2008 18:22)
Angaha moa misy mahasaka anao tsy hanonofy=))=))=))
27. maditra ( 17/02/2008 01:27)
zamanoro> Tena ilaina ny nofy ry zamanoro. Io no mitondra ny saina hiitatra. Mety tsy afaka hampiitatra an'i madagasikara ianao fa afaka ataonao kosa ny mampivelatrany sainao hanao zavatra maro eto Madagasikara. Aza matahotra ny hanonofy izany fa miainga amin'io daholo ny dingana lehibe rehetra.
Afaka alefanao lavitra be mihitsy ny nofy (reve) na ny eritreritrao (imagination) fa tsy misy maharatsy an'izany.
Fa izay zavatra nofinofisinao matetika no lasa solika manentana anao hanao zavatra, hiasa mafy, hisotro ny mangidy izay ahitana ny mamy. Iny no mahatonga anao hikiry. Ny tsy manana nofy no matetika faly amin'izay kely mba ananana, ka tsy te hanao zavatra tsaratsara kokoa.
28. Jeankely ( 17/02/2008 06:30)
=))=))=)). Mandainga i Zamanoro fa izy no tena mpanonofy. Vady efa eo akaiky mitazona ny azy eo aza mbola nofisiny.=))=))=))
29. zamanoro ( 18/02/2008 18:32)
Tsy misy fivoarana miainga amin'ny nofy izany sa izay ilay Ariary zato am-pandriana.
Ny fivoarana miainga amin'ny tanjona tiana ho tratrarina fa tsy nofy akory io, sy ny tarehimarika na ny antotan'isa ananana, fa tsy hoe olona tsy manana omby nefa miheritreritra hividy angadin'omby akory
30. maditra ( 18/02/2008 22:01)
zamanoro>
- Nisy nanonofy hoe, handeha eny amin'ny volana ny olombelona. Niomehy izao tontolo izao, nefa tanteraka ny nofiny.

- Nisy ranamana izay nalaza be mihitsy tamin'ny kabariny hoe "Manonofy aho" (I have a dream). Lasa hery nanosika azy hiasa mafy izany ho an'ny tanindrazany sy ny vahoakany. Tanteraka ny nofiny.

- Nisy mpitolona Malagasy, izay tsy ampy fitaovana sy tekinika, vitsy an'isa, nanonofy ny hitolona ho an'ny fahaleovan-tenany. Maro no nilaza hoe, adalana izany satria ny Frantsay dia matanjaka loatra. Nefa raha tsy nitolona ireo dia tsy ho nahazo fahaleovan-tena mihitsy isika.

- Nisy zanak'olo mahantra kely izay nanonofy ny mba hianatra any Amerika. Dia tanteraka ny nofiny.

Tsy dia resaka ariary zato ampandriana fa fahasahiana hanonofy sy hanatanteraka ilay nofy. Ny tsy sahy manonofy no matetika mivary lavo satria rehefa tsy tantiny ny zavatra mianjady amin'ny fiainany dia tsy mahita zavatra ifikirany izy. Aza matahotra ny hanonofy sy ny hananatanteraka ny nofinao ry namana.
31. rabingogilabanga ( 18/02/2008 22:42)

BONNE NUIT!
32. zamanoro ( 19/02/2008 00:32)
maditra:

Amiko ireo tsy nofy mihintsy
Ny fahitany ny vorona mety manidina no nahitany hevitra ny hoe ahoana ny hampanidinana olona. Ny fahitany ny nahavitany ny tsipika no niheritreretany hoe ahoana raha manao tsipika lehibe ka afaka mitoraka vato tonga eny amin'ny volana.
Fa tsy hoe nanonofy dia natao izay ahatanteraka ny nofy, izay le hoe revin-gadra. angaha ka

33. Jeankely ( 19/02/2008 02:21)
Iray ihany no resahinareo
34. maditra ( 19/02/2008 04:51)
zamanoro> chapeau
35. badboy ( 19/02/2008 09:43)
Marina ny an'i maditra :

  1. La vie est faite d'illusions. Parmi ces illusions, certaines réussissent. Ce sont elles qui constituent la réalité.

  2. Il faut rêver très haut pour ne pas réaliser trop bas.

Fa tsy diso koa ny an'i zamanoro :

  1. Une place pour les rêves
  2. Mais les rêves à leur place.

36. Jeankely ( 19/02/2008 10:11)
= Derik
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5094