Te hiova va hianao?Arotsay ny harato any @ rano lalina.

1. niryna ( 11/02/2008 07:35)
Nifofo be ny rivotra teny an-dranomasina ka tonga ny mpiantso ilay mpitondra sambo mba hanova ny lalany.Tsy nety niova izy fa dia ny sitrapony ihany no nataony.Niantso ny lehiben'ilay ta-tsambo ary nampahafantatra azy fa izy no lehibeny ary miteny aminy indray mba hanova ny lalana noho ny rivo-doza mety hitranga.Farany dia niova lalana ihany izy ary dia tonga soa aman-tsara tamin'ny diany.
Ny fiainantsika dia Atra no mibaiko ny lalan-kaleha,miaro antsika,ary mitarika mba hanaraka ny marina.Raha tsy mihaino an'izany isika dia mety hisy loza anjo na toa tsy manana fifaliana na fahabangana amin'ny fiainana.Raha manaraka ny teniny kosa anefa isika dia mahita hazavana ary dia mametraka ny fiainana ho eo am-pelantanany.
Ny lalana izay fantatra fa tsy tokony aleha dia mila hovaina,Atra dia tsy miova fa isika no be siasia.
Lioka 5:1-11

Raha hoy i Kristy tamin'i Petera hoe arotsay ny haratonao dia nisalasala izy. Samoela kosa dia niteny fa narotsakay hatramin'ny marainan'andro ka hatramin'izao ny harato kanefa izahay tsy nahazo trondro,fa raha izany no teninao dia arotsako ity.
Ary dia nahazo trondro marobe tsy zaka bataina izy ireo.
Raha nahita an'izany kosa Petera dia nifona tamin'i kristy noho ny mahakely finoana azy.

Arotsay ao anaty rano ny haratonao ary mino sy miaraha amin''i kristy izay hanova ny fiainanao izay heverinao fa tsy hiova mihitsy.

niryna
répondu par niryna le 12/02/2008 07:07
2. rakaroka ( 11/02/2008 12:20)
O Mandrosoa ry mpanaraton'i Jesoa
izay no baiko azontsika ka mandrosoa
fa ny mora kivy dia hanenina tokoa.
Raiso k'arotsay ny haratonao...
Dia tsaroako ilay fomba firesaka hitako tato anaty sera izay hoe, ny trondro maty an-drano no manaraka..ho azy:roll::oops::oops
3. ikaretsaka ( 11/02/2008 14:19)
tandremo rovitra aza
rakaroka> tsssssss:-D:-D:-:wink:D
4. niryna ( 11/02/2008 17:40)
rakaroka:

O Mandrosoa ry mpanaraton'i Jesoa
izay no baiko azontsika ka mandrosoa
fa ny mora kivy dia hanenina tokoa.
Raiso k'arotsay ny haratonao...
=D=D





5. niryna ( 11/02/2008 17:44)
Ho an'ny kristiana ny tenin'Atra no mitondra antsika amin'ny fiainana,mampianatra antsika ny tokony atao sy ny tsia.
Kristy dia miakaraka amintsika ka inona onjan-drano mahazo,na fahoriana mahazo,dia hitony ny ranomasina manonja rehefa bakoiny mba hitony.Rehefa manatona Azy tokoa isika dia manana fahantonam-panahy .
Inona no mahasamihafa ny mpino sy ny tsy mpino raha samy misy onjan-dranomasina mandalo amin'ny fiainany?
6. ikaretsaka ( 11/02/2008 18:48)
misy izay Mompera zezoita mpanao fandaharana hoe One minute wisdom izay ..
dia noresahiko an'io resak'i niryna io de ho'zy lery hoe famafiso tsara ary aloha ny harato ngo rovitra
7. mbaliana ( 11/02/2008 19:58)
IKa> :-D:-D:-D=D
8. niryna ( 12/02/2008 06:07)
mbaliana:

IKa> :-D:-D:-D=D



:D
9. Rasiligaoma ( 12/02/2008 06:10)
Amboary tsara ary aloha ny harato sao mijefojefotra haka ndrondro ka ny eny an-tanana indray no votsitra
10. niryna ( 12/02/2008 07:07)
Rasiligaoma:

Amboary tsara ary aloha ny harato sao mijefojefotra haka ndrondro ka ny eny an-tanana indray no votsitra



:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0714