fomba fanadinoina

1. xxx ( 09/02/2008 17:16)
aona kay ry zareo ny fomba fanadinoina bandy iray ze ef nisaraka taminao nefa itanao isan'andro (miresaka isan'andro) sady mbola tinao nf otrn ef ts d mivaky loha aminao tsony? ampio ah r reto fa mijaly b za ah! ef miarak @ ol af za(saingy ts tiko) fa mbol malahelo anazy fona sady ef ho 5mois zay zahay no nisaraka!
répondu par libys le 10/04/2008 18:42
2. soanja ( 09/02/2008 17:33)
Betsaka ny fomba fa ny tena mahomby aloha dia miala ilay tanana misy azy ka tsy mifankahita aminy matetiteika heky aloha.

Ankoatr'izay dia midira fikambanana iray zay manao zavatra tena mahafinaritra anao dia iny atao izay hahafinaritra sy hahatamana amin'iny.

Hevero hoe misy bandy bogosy vaovao manadala anao de mihetsiketsika ianao hanataitra azy. Na dia tsy misy aza io ohatra fa mba fampiakarana ny moral sns eo.

Farany dia manaova journal na diary ary soraty ao izay manelingelina anao momba ilay bandy nisaraka taminao. Ny zavatra ratsy nataony tsy zakanao no ataovy mibahana be resahina ao anatin'ilay izy.

Na SORATY ny taratasy lavabe dia teneno ao izay fanirianao mba hanadinoana azy sy ny haratsiany. ny tokony tsy hiarahanao aminy intsony. Dory io rehefa avy eo na poster-o any amin'ny paositra alefaso n'aiza n'aiza. Adiresy diso ary tsy misy adiresin'ny mpandefa. Any iny dia hiasa mangina ho anao. Hahita fahatoniana ianao amin'ny fiainanao!

Mivavaha lalandava ahita ny fitiavana maharitra amin'Andriamanitra. Izay mamparary dia tsy maharitra. Tsy tsara ho anao izany.

Good Luck!
3. ikaretsaka ( 09/02/2008 17:47)
Mivavaha lalandava ahita ny fitiavana maharitra amin'Andriamanitra. Izay mamparary dia tsy maharitra. Tsy tsara ho anao izany.

ha! mba nanaitra le Teny...
nitovy credo isika dahy teto:wink: :-$
4. tess ( 09/02/2008 18:24)
atovy izay ahitàna
solony malaky de hadino tanteraka izy e!
nahoana koa moa no hanadinoina azy vao hoe miaraka iny! indrindra fa marary ny fo fa vao mahita oul hafa enao de hadino tanteraka izy! embona sisa:wink:
5. tess ( 09/02/2008 18:26)
dizay koa aloha no mahatsara ny manana doblira fa vao misaraka am raika dia mba misy ilay raika itatsapazana, izay lay hoe tsara ny manandroa:°):^)
6. ikaretsaka ( 09/02/2008 18:27)
ka mandra pa.. busy anao amin-draha hafa aloha dia malaly kely foana le (l)
fa rehefa busy be ianao de.... veloma ze maninna de ze mifosa aza vanona eee
7. xxx ( 09/02/2008 18:50)
xxx:

aona kay ry zareo ny fomba fanadinoina bandy iray ze ef nisaraka taminao nefa itanao isan'andro (miresaka isan'andro) sady mbola tinao nf otrn ef ts d mivaky loha aminao tsony? ampio ah r reto fa mijaly b za ah! ef miarak @ ol af za(saingy ts tiko) fa mbol malahelo anazy fona sady ef ho 5mois zay zahay no nisaraka!

Fantatrao ve ny atao hoe : Alzheimer ?

8. ainaheri ( 09/02/2008 18:58)
tess:

dizay koa aloha no mahatsara ny manana doblira fa vao misaraka am raika dia mba misy ilay raika itatsapazana, izay lay hoe tsara ny manandroa:°):^)


Misy tsy ampy taona anie ato ee,aza mampianajatsy eo:-D:-D

tô efa nanana solony anie izy fa tsy reviny hono fa malahelo an'lery fona ikala

9. tess ( 09/02/2008 19:06)
ainaheri: pffff kou he izany izy hoe olona tsy tina no nasolo azy kou aiza no tsy halahelo fona fona fona fona:cry:
tsy mampianajatsy izany ry rainaheri fa ny tsy ampy taona ndrindra aza no mpilalao an'io an! mampirafy no tiko lazaina kozé:-P
10. ainaheri ( 09/02/2008 19:50)
:-D:-D:-D
11. penina ( 09/02/2008 20:15)
xxx:

miresaka isan'andro


Anontanino izy hoe: ahoana kay no nanadinoinao ahy fa izaho mantsy tena hanadinoina anao?

12. Papoose ( 09/02/2008 23:43)
ainaheri: iny ary za fa tamy a!

isotroy toaka isan'andro dia tonga de matory foana enao!( raha mahantaty toaka mazava ho azy)

fa raha tsy mahatanty dia mandania andro, raha misy vola dia mividiana zvt mahafinaritra na akanjo na kiraro na tsy haiko

rehefa kamo hanao an'io ndray dia mianara mahandrohandro kaly mbola tsy natao, mba manandrakandrana

raha kamo ndray hanao an'io dia manaova zaijaitra, fa rehefa mbola kamo hanao an'io dia mandehana mivoaiazy

rehefa tsy afaka na tsy te handeha hovoaiazy dia mijery masoandro mody angamba sisa, toy izao ataoko zao:)
13. xxx ( 10/02/2008 03:04)
xxx:

aona kay ry zareo ny fomba fanadinoina bandy iray ze ef nisaraka taminao nefa itanao isan\'andro (miresaka isan\'andro) sady mbola tinao nf otrn ef ts d mivaky loha aminao tsony? ampio ah r reto fa mijaly b za ah! ef miarak @ ol af za(saingy ts tiko) fa mbol malahelo anazy fona sady ef ho 5mois zay zahay no nisaraka!



Tsy heritreretina fotsiny izy koa...lazaina oe tsy tiko tsony izy de zay...vao tady hiheritreritra azy enao de ny saina no ataovy mibaiko anao voalohany ny fonao oe tsy tiko tsony izy koa, efa nafoiko izy, izao sy izao v no nataony hay de hataoko inna koa, inna no mbola hiarahako aminy, na hoe hataoko inna tsony koa moa izy...ny hay hoe refa zay de zay tsa miheritreritra azy koa...de mikezaha mibanjina ny hoavinao mba ho @ tsara sy mendrika indrindra mba ho tafita...de refa avy teo ny fotoana no mamela manadino azy tanteraka, ary ny fotoana ihany koa moa no mitsabo ny fokelinao naratra taminy. de zay, ra mahita solony moa ianao zany d efa tsara. Zay fa mirary soa sy ny trara indrindra ho anao.
14. xxx ( 10/02/2008 07:18)
merci tamle hvtr isan-karazany!!! fe tena tsapako mints oe ny saiko sy ny foko no tsy mi-admettre anle fisarahana fa mbola tady hieritreritra fona oe mbola hiverina hiaraka zay ndray andro any!
le oe ts ahita anazy aloha d sarotra b satria azo atao oe mpiara-miasa zay sady mpinamana de ato ho ato aza misy projet oe and week end miaraka daholo d tady imaginer zvt af fona za!
de le oe itady afa hasolo azy ndray de zao ny olana, ze bandy reetra mba itako na ko oe tia ana de ampitahaiko aminy foana de tena ts misy dikany mints! tena afa mintsy izy! ndray2 ary rf sendra miaraka amin'ol afa za manD eny @ toerana falehanay taloha d any aminy fona ny saiko sn foko ary ny nostalgie reetra ary indrindra ny fitiavako fa ts mba amle ol miaraka amiko!
fa iza nefa no tsara, MIARAKA AMIN'NY OL TINAO SA MIARAKA AMIN'NY OL TIA ANAO!!!!
en tout cas, merci e!merci!!!!
15. Papoose ( 10/02/2008 08:08)
samy tsy tsara amiko raha vao tsa misy reciprocite le fitiavana!!
16. ainaheri ( 10/02/2008 08:23)
xxx:
fa iza nefa no tsara, MIARAKA AMIN'NY OL TINAO SA MIARAKA AMIN'NY OL TIA ANAO!!!!


Aza ampitahaina ny fitiavana rahavako,matoa izy niarahanao sy miaraka aminao donc tia anao izy zany sy tinao!!! Esory ao anaty eritreritra ny we tsy mitovy @ anona izy,fa refa zay d aza mampijaly tena manao sipa hafa fa miandrasa azy eo,fa raha itady ny mieux noho ny teo alou zany rare zany ary tsy ho itanao eo ny eo ko ny toetran'ilay oul miaraka zao,fa mandé miandalana eny io
17. xxx ( 10/02/2008 12:17)
zao marna kay r reto no hadinoko no niteny azy a!
tamzay s izy nisaraka d ts nisy resaka oe misaraka aloha fa oe PAUSE de nf ef ela be ts nisy rsk oe hiaraka zany tsony d ef samy nieritreritra zany oe nisaraka d za mbl tia b anazy fa zay zany ef ts miresaka anzany tsony e! :(
zany angamba no mahatonga ana convaincue oe mbola hiverina hiaraka zay!!! tiko iz ranga a!marna e! please help!
18. soanja ( 10/02/2008 13:07)
xxx:

zao marna kay r reto no hadinoko no niteny azy a!
tamzay s izy nisaraka d ts nisy resaka oe misaraka aloha fa oe PAUSE de nf ef ela be ts nisy rsk oe hiaraka zany tsony d ef samy nieritreritra zany oe nisaraka d za mbl tia b anazy fa zay zany ef ts miresaka anzany tsony e! :(
zany angamba no mahatonga ana convaincue oe mbola hiverina hiaraka zay!!! tiko iz ranga a!marna e! please help!


Tsy azoko ny tsy handehanana hiresahina amin'izany olon-tianao zany ny ao amponao mazava. Teneno tsara mihitsy izy fa mbola tia azy ianao sady tena zavadehibe aminao ny fisiany, MASO IMASO.

Ny antony ilazako izany mantsy dia mahagaga ny fiarahana ankehitriny. Niaraka ianareo nifanakaiky mino aho fa nisy ny serasera, ka rehefa misaraka ve dia foana daholo izany fisokafana izany koa. Tsy hinoako hoe ilay olona nihantahantako iry vao tsy ela loatra dia tsy handray izay mba tiako resahina aminy. Ny fisarahana mety misy na ny fiarahana tsy misy intsony fa ny finamanana sy ny firesahana tokony mbola hisokatra raha tsy hoe efa manana sipa hafa izy ka bedy hiresaka aminao. Raha tsy vonona hihaino anao izy dia lehilahy tsy de mamely loatra fa tsara aza ny nisarahana taminy.
Mba amizay fantatrao hoe inona no antony nisarahana sy ny tsy hiarahana intsony raha misy mba hanakatonanao ny pejy na mba hahafantarany fa mbola misy afo any aminao mirehitra ho azy.

Rehefa tsy mahita rirany any, izay vao milavo lefona.
Ny vehivavy tsy tokony hanary fanantenana mialoha zany mihitsy.

Tsy mora ny manadino olona iray. Nila niova tanana aho vao afaka nanana ny fahafahana namafa olona iray tao ampoko. Ka raha hoe mbola samy mandeha manao fetifety miaraka sns dia ho sahirana ianao. Ny hoe hiala miasa moa sarotra fa at least tsy mamonjy izay social alehany. Mila manavao famindra mihitsy rehefa hanavao fiainana. Ialana daholo ny mahazatra. Raha hampiaraka dia tsy ilay faleha no aleha fa mba toeran-kafa ndraika.
Be creative ary aza variana mandrevy valala tsy an-tanana intsony fa ny lolo ary be dia be maro loko.

Mino aho fa ianao mbola tsy nifantoka amin'ny lehilahy iray vaovao fotsiny sy miezaka mahafantatra azy. Tsy hinoako mantsy ny hoe tsy mamely noho izy aby ny lehilahy rehetra. Sokafy tsara ny maso sy ny tsapa rehetra ary avelao ny fo handeha milamina.


19. ikaretsaka ( 10/02/2008 13:20)
marina izany ry soanja. ny anay tena sata 1 manontolo, tanana 1 manontolo, zavatra atao 1 manontolo...
20. Kapistra ( 10/02/2008 13:20)
Fantaro tsara aloha ilay fitiavana e!
fa misy mantsy ilay fitiavana tsy tena izy fa mamitaka io ilay hoe fitia "heros".Fa ilay fitia "agape" no tena izy e! .
Hanontanio i Razoky Eddie
fa izy mahay tsara an'io, raha mila fanampiana ianao .
Ny tena vaha-olana mahomby dia ny mihaino tori-teny sy hira masina betsaka,fa hamelombelona ny fanahinao ireny e!olana aram-panahy mantsy io fitiavana io .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.524