Torohevitra mahasoa ny lehilahy:fanambadiana

1. niryna ( 08/02/2008 08:43)
Raha resaka fanambadiana no resahina dia samy mitady ny ho tonga lafatra ny rehetra,ny ho tonga lafatra aloha dia mety tsy hisy fa ilay marimaritra iraisana mahatonga ny fitiavana hiroborobo no misy.Ho an'izay manambady ity na ireo izay vao hiditra.
Inona avy ary ny zavatra mba tian'ny vehivavy ka eritreritanareo fa mahafaly azy ary mahatonga ny tokantrano mafana sy voaravaka ?
Ireto misy maromaro ka raha mbola misy mahita dia afaka mizara an'izany isika.(l)(l)(l)

1- mila fiantahanta ny vehivavy ary izany dia mahatonga azy hanana fahatokisana na secure amin'ilay fitiavana na ny tokan-trano.Safosafo ,orokoroka,fanaovana massage ny tongotra na tanana sns,mandalo kely fotsiny fa tsy dia hoe reraka eo akory :D mahatonga azy ho hanana ahiahy ihany koa
ary mahatonga azy tsy ho be eritreritra na ho saro-piaro fa fantany fa tia azy ilay vadiny.
2- ny teny avoakan'ny vava:teny feno fitiavana,teny feno fahatokisana,tena malefaka tsy misy latsa na miakatrafo isaky ny mihetsika,ireo dia manampy ny vehivavy tsy hiahiahy ny vadiny fa manana fahatokisana azy ary mahatonga azy hifandahatra sy hifampizara izay olana mety misy ka hiarahana miady.
répondu par endrika01 le 17/02/2008 21:46
2. niryna ( 08/02/2008 08:44)
3- ny fiderana azy na ny fankasitrahanamila tambitamby ny vehivavy ary na dia teny kely fisaorana fotsiny aza dia efa mahafaly ny fony,ny akanjony ny fitafiny,ny bikany na ny lokomena anaovana na ny kavina ,eny fa na dia zavatra kely ka hilazanao fa manendrika azy izany(amin'ny fo io an)dia efa tena zava-dehibe tokoa izany.
4-ny fanokanana andro hafakely tsy indraindray:fanaovana sakafo izay tiany na miantsena dia mahafantatra ny zavatra tiany ho hanina na fividiny na miaraka mandeha na dia miantsena na miaraka mankany amin'ny dokotera na mandeha tongotra na manokana andro iray hiarahana .Ireo dia manamafy fatorana ny fifankatiavan'ny mpivady satria samy mifanohana na araky ny eritreritra izany na mahafantatra ny tiany na tsy tiany.
5- Raha mba misy moa ny atao,na tsy misy aza fa na dia horoka kely isaky ny mifankahita na andeha hivoaka na miditra ny trano dia efa tena zava-dehibe izay.Raha misy dia mividy zavatra kely tsy dia lafo,ary tsy hoe isaky ny mietsika akory fa andro kely iray.
6-ny farany :hoy ilay pasiteranay izay hoe hivady hiareo an mifankatia tokoa,tandremo sao rehefa mitombo ny fahanterana dia miena ny fitiavana?
Afaka manoratra taratasy na e-mail kely na rehefa miresaka kely iny dia mamerimberina ny fahiny:tena ilaina io ary tena mitsiky sy finaritra tokoa mitantara ny fiainana taloha.
Ilay voady eo ambony alitara izany dia tena lamban'akoho tokoa,ny hirina dia ny toa izany,ny fanantanterahana an'izany dia tena tazomina tokoa.Ny fitiavana eo ambanin'ny fifehezan'ilay Ray mahery no tena tsara indrindra ka anjaran'ny tsirairay no mangataka fitahiana sy mivavaka ny tokantranony mba tsy ho voarimbin'ny herin'ny maizina.Tafiditra amin'izany ny fiarahana mivavaka amin'ny zanaka na olana misy eo amin'ny fiainana.
mahereza,anareo indray izao no manohy
(l)niryna

3. xxx ( 08/02/2008 13:42)
Marina mintsy zany lazainy Nirina zany.
Ilay lelahy mikarakara ny vadiny sy ny zanany, le vadiny kosa manaja azy sady mitia azy
4. theanne ( 08/02/2008 13:51)
ndana zany mitady anjely
5. tsiafoi1 ( 08/02/2008 14:51)
Réciproque ny fitiavana, izay tadiavinao @'ny vadinao de ataonao aminy de mandeha ho azy le izy avy eo. Izay no tsiambaratelon'ny fitiavana.
Mila orokoroka, tambitamby, teny malefaka, fiderana sns... Ataovy @'ny vadinao anie izany, fa ho toy izay koa ny valiny azonao, raha mbola olona normal ihany koa ilay vady.
ANDRAMO ange e!
6. ikaretsaka ( 08/02/2008 14:52)
tenamisy mitady anjely mihi8tsy marina kosa le
7. xxx ( 08/02/2008 15:36)
ny anareo zany fa nenay ny lhl izy ndray no mitady tambatambazana za aloha defa leo eh! rehefa mba mitenya azy de tsy aisany sira akory leo ny manompo lhl za za mampirafy ngamaa no vahaolona
8. pissoa ( 08/02/2008 16:36)
Samy manana ny tiany ny olona e, tsy azo atao anaty lasitra iray ny vehivavy hoe tsy maitsy izao sy izao no tiany. Fantaro fotsiny ny vady dia araka izay no hifampitondrana ao antokatrano. Raha ny tian'i Bozy atsy andrefan-trano no tadiavina ho tiany koa dia hirodana hoa azy eo ny tokatrano ! ...

Raha ireo lisitra nataon'i Niryna ireo mantsy no jerena dia mety lehilahy tampoka aho :-D:-D:-D:-D:-D
9. ikaretsaka ( 08/02/2008 16:43)
ny ahy izao fotsiny e:
rehefa tianao atao aminao ilay zavatra dia ataovy amin'olona koa.
10. pissoa ( 08/02/2008 16:50)
tandremo ihany fa ny tinao mety tsy ho tiany a ... dia ho ataonao aminy ve satria tinao atao aminao ?! :wink:
11. ravakamalala ( 09/02/2008 14:55)
tsy izay tianao atao aminao izany no atao fa izay tiany atao aminy no atao aminy



12. ikaretsaka ( 09/02/2008 17:40)
pissoa:

tandremo ihany fa ny tinao mety tsy ho tiany a ... dia ho ataonao aminy ve satria tinao atao aminao ?! :wink:


euh... iny dia apetrako amin'ny fahendrenao
13. niryna ( 10/02/2008 06:51)
pissoa:

Samy manana ny tiany ny olona e, tsy azo atao anaty lasitra iray ny vehivavy hoe tsy maitsy izao sy izao no tiany. Fantaro fotsiny ny vady dia araka izay no hifampitondrana ao antokatrano. Raha ny tian'i Bozy atsy andrefan-trano no tadiavina ho tiany koa dia hirodana hoa azy eo ny tokatrano ! ...

Raha ireo lisitra nataon'i Niryna ireo mantsy no jerena dia mety lehilahy tampoka aho :-D:-D:-D:-D:-D

indry ity aky tena :D:D:-D....fizarana no ataoko eto,izay te-handray mandray, izay efa nahazo dia mahazo izy izany,izany ve dia atao hamakina loha? :D

Safidy daholo ny fiainana ,anjaran'ny tsirairay no mandray izay tiany.Ny fizarana tsy midika hoe ataovy ity,fitiavana io ka izay mandray tsara ,tsy mandray fa tsy mifanaraka ny azy dia tsy maninona.
aleo aloha omena :-*:-* :D

14. niryna ( 10/02/2008 06:52)
theanne:

ndana zany mitady anjely



:D ny anjely ry xxx tsy manambady a sady tsy lahy no tsy vavy =))=))
15. niryna ( 10/02/2008 06:53)
tsiafoi1:

Réciproque ny fitiavana, izay tadiavinao @'ny vadinao de ataonao aminy de mandeha ho azy le izy avy eo. Izay no tsiambaratelon'ny fitiavana.
Mila orokoroka, tambitamby, teny malefaka, fiderana sns... Ataovy @'ny vadinao anie izany, fa ho toy izay koa ny valiny azonao, raha mbola olona normal ihany koa ilay vady.
ANDRAMO ange e!


misaotra aky a :-*
16. niryna ( 10/02/2008 06:54)
ikaretsaka:

tenamisy mitady anjely mihi8tsy marina kosa le



=))=))
17. niryna ( 10/02/2008 06:55)
ikaretsaka:

ny ahy izao fotsiny e:
rehefa tianao atao aminao ilay zavatra dia ataovy amin'olona koa.



=D=D
18. Kapistra ( 10/02/2008 16:22)
Ny hevitra aloha tsara be daholo e!
Fa ny olana anie dia ny fanantanterahana azy e!
Ohatra hoe fantatra fa ratsy ny misotro toaka ;nefa lay izy atao ihany.
Io zany mila lay finiavana e!ahoana anefa ny hananana zay finiavana izay.
Ny fomba hampitomboana izay finiavana zay koa mbola tantara iray lavabe.
Manao zavatra tsy mbola mahazatra anao;ary tohizanao matetika mba ho lasa fahazarana.
Atombohy amin'ny fanasana ny tongony isakerinandro ohatra;na ohatra hoe mitrotro kely azy isaky ny tonga ao an-trano izy.
Ianao no misafidy izay fahazarana tianao atao aminy an!;
apitomboy tsikelikely io fa ho hitanao fa ho mora ny manantanteraka ireo zavatra tsara voalaza eo ambony ireo.
19. pissoa ( 10/02/2008 17:39)

pissoa:

Samy manana ny tiany ny olona e, tsy azo atao anaty lasitra iray ny vehivavy hoe tsy maitsy izao sy izao no tiany. Fantaro fotsiny ny vady dia araka izay no hifampitondrana ao antokatrano. Raha ny tian'i Bozy atsy andrefan-trano no tadiavina ho tiany koa dia hirodana hoa azy eo ny tokatrano ! ...

Raha ireo lisitra nataon'i Niryna ireo mantsy no jerena dia mety lehilahy tampoka aho :-D:-D:-D:-D:-D

indry ity aky tena :D:D:-D....fizarana no ataoko eto,izay te-handray mandray, izay efa nahazo dia mahazo izy izany,izany ve dia atao hamakina loha? :D

Safidy daholo ny fiainana ,anjaran'ny tsirairay no mandray izay tiany.Ny fizarana tsy midika hoe ataovy ity,fitiavana io ka izay mandray tsara ,tsy mandray fa tsy mifanaraka ny azy dia tsy maninona.
aleo aloha omena :-*:-* :D




Dia inona no ilako an'io soratra io fa tsy azoko ? Fa za angaha niteny hoe aza mizara i Niryna na hoe tsy maitsy mandray ny olona sns ? :-D:-D:-D
20. ikaretsaka ( 11/02/2008 03:59)
izaho koa agny mba zheeeendana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3121