vay fery

1. maki ( 31/01/2008 08:49)
mitady vahaolana momba ny vay
répondu par jiolah le 01/02/2008 11:24
2. jiolah ( 31/01/2008 08:53)
toubib zao no haingana:roll:
3. sakaizakely ( 31/01/2008 09:08)
mijereva dokotera f'aza manandrakandrana izao torohevitra rehetra izao sao vao maika mihaloza sady very fotoana nefa ny raha mihombo
4. ikaretsaka ( 31/01/2008 15:43)
doko doko aleha fa aza milalao
5. soanja ( 01/02/2008 04:11)
Rehefa tsy mahita dokotera dia ireto indray andramana ary any amin'ny mpivarotra tapakazo no misy azy ireo.

Vao mivonto
Fandrikibodisy sy Takasina ary Fotsivolomanoka. Asaina ny fakan'ireo ary atao mitovy lanja tsara ny ny habetsany dia apetaka na ahosotra eo amin'ny mivonto.
Fanamasahana azy kosa raha mbola manta ilay izy.
Sindahoro sy Vahivoriravina, sakamalao, Voafotsy ary ravina giranadrelina.
Totoina miaraka daholo ireo dia apetaka amin'ny vay.
Famakiam-bay
Ravin-karongana na Sosety, na Voaloboka na Ovimanga. Lazoina amin'ny afo dia atao petagilasy anaty fehezan-damba. Tandremo fa mamay ihany ireo fa apetapetaka araka izay zaka.
Rehafa vaky dia diovina tsara mba hiala ny nana rehetra.
Alaina sakay madinika sy siramamy gasy ary savony gasy, potsehina, endasina dia atao petagilasy mbola mafana amin'ny vava fery manodidina.
Maka na mividy Fano, tetehina ny tahona 1 dia tanehina ary anasana matetika ny vavan'ny fery.

Aza manambe!

6. jiolah ( 01/02/2008 11:24)
reo efa kompile ny doc fa anampiko azy:
le fotsivolomanoka azo solona ravina kafokafoka( rare alo io e)
de le refa vaky asina ravina marotapelaka (be de be io eny antsaha)
mety ko io fika io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2026