olona mahay rano
1. ari.malala
(
25/01/2008 14:46)
mba nahalasa saina ana hoa, misy marina ve izany olona mahay rano izany e! tys ilay mahay milomano no teneniko eto, fa ilay olona hoe mahay misintona olona lasan'ny rano, na ranomasina io na ranomamy?
répondu par endrika01 le 14/02/2008 14:03
2. ikaretsaka
(
25/01/2008 15:46)
misy.. ie, za efa nahita... tsy haiko ary tsy hidirako lalina aloha hoe don avy aiza sy ahoana.. fa marina ilay izy
4. sympa
(
25/01/2008 19:34)
Zao aloha tsy mahay fa ny fahalalako azy de manaraka ny lalandrano "courant d'eau"-matetika hita @ ranomasina io- ry zareo; @ iny no ahitana ny niafaran'ilay razana. :roll:
5. ikaretsaka
(
25/01/2008 20:29)
dia ny fahaizana izay .. misy ianarana misy don...
fa misy tena mampisalasala hoe taleta ilay izy sa taranja nianarana.
fa indro kely koa: ny ankamaroantsika tsy mahita ireny zavatra ireny sy ireny olona "manana fahaizana" manao ireny raha ireny, tsy mampaninona anie ny mijery an'ireny dia manadihady koa e..
hialana @ le tonga de maka position be fahatany

6. soanja
(
26/01/2008 00:42)
ari.malala:
mba nahalasa saina ana hoa, misy marina ve izany olona mahay rano izany e! tys ilay mahay milomano no teneniko eto, fa ilay olona hoe mahay misintona olona lasan'ny rano, na ranomasina io na ranomamy?
Misy ny antsoina hoe zana-drano ka. Misy foko ao Madagasikara tsy mba atelin'ny rano ary tsy mba kendan'ny trondro. Afaka mijibiky maharitra anaty rano lalina mandritra ny fotoana elaela ary tsy mahatsapa akory hoe sempotra fa dia efa za-drano ny razany sy ny fianakaviany ary ny taranany.
Any ho any misy foko mino fa nipoitra avy anaty rano ny razany sasany ary mbola betsaka ny mitoetra any. Rehefa mitaingina lakana ry zareo dia misy fombafomba atao hifandraisana amin'ireo razana na havana miaina any ambany rano. Finoana daholo izany.
Amin'ireny foko ireny dia betsaka ny trondro tsy fihinany na fady satria misy ifdandraisany amin'ny tantaran'ny razana taloha.
8. endrika01
(
26/01/2008 18:01)
Ary le refa latsaka anaty honahona ?Atao ahoana no fisotona ireny?Tsy manin ve ry ari.malala raha nampiako an\'io?Mahaliana le hevitra narosonao de hoy aho hoe vao mihatsara!
11. ari.malala
(
28/01/2008 07:37)
ika sy soanja, ao anatin'ilay fombafomba ve ilay hoe izay vola tadiaviny hono na dia iraimbolanja aza d ts maints omena azy d ts mahazo mitomany refa azo ilay olona?
12. ikaretsaka
(
28/01/2008 15:34)
ilay vola tsy haiko, fa ilay hoe tsy mahazo mitomany dia ie... tsy mahazo mitomany
14. ikaretsaka
(
29/01/2008 21:21)
indraindray eny.. indraindray tsia..
ny fahitako dia misy option 3 foana ilay asan-dry zareo
hoe oviana ilay olona lasan'ny rano no tsy hita?
maty izy sa velona..?
raha maty dia alaina sa avela any?..
dia arakaraky ny fanekenao ireo no anaovany ny "asa"

15. ari.malala
(
30/01/2008 06:40)
ah ok, tena variana inray ah marina! nisy zandrin'ny vadin'i tonton anay zay tokoa latsaka tao anaty rano d efa nakàna pompier fa tsy hita mitnsy, de hoe i anona mahay rano fa ndana izy atonina, d toa vetivety ftsn hono d itany le iz hoe atsy jerena, fa efa maty alou le zaza e, d efa rimbona fa efa nohanin'ny trondro hono ny sofiny...
16. soanja
(
30/01/2008 16:22)
Hitan'ny ari.
Misy ireny olona manao firavaka varahina somary vita tefy rary miolikolika ireny amin'ny tanany. Ireny no ody lolon-drano hono. Ka raha mankany faritra avaratra ianao de betsaka ny manao an'ireny mba tsy entin-drano amin'ny tsy fidiny.
Ny zaza raha toa ka mipetraka amoron-drano boka dia tsara raha asiana an'ireny foana mba hiarovana azy. Betsaka amidy eny an-tsena ireny any avaratra.

17. jiolah
(
31/01/2008 08:52)
Ny foko anakara dia foko any atsimon'ny nosy (otraotran'ny vezo reny) de izy reo no mavita misitrika any anaty rano 1 ora be izao tsy sempotra satria manana poumon adapte @ resaka aquatique zany hoe efa presk trondro. de reo olona reo no manana fifandraisana sy afaka micommuniquer @ le etres any ambanin'ny rano. Zay le fandeany!!
19. ikaretsaka
(
31/01/2008 19:05)
ari> rehefa mipetraka amoromoron-drano dia betsaka ny olona no manao .... anay kao aloha nanao t@ mbola kely e.
le renirano tary antanana koa manko somary nasiaka izay sady feno ranomody hoe rehefa fahavaratra
le renirano tary antanana koa manko somary nasiaka izay sady feno ranomody hoe rehefa fahavaratra
20. soanja
(
01/02/2008 03:48)
ari.malala:
soanja, ok d tokony manao an'ireny foana zany?
Raha mipetraka manakaiky ranoboka na ranomasina dia tokony hahay milomano foana aloha ny zaza iray sady asiana an'ireny vao afaka avela mandeha miaraka amin'ny namany tsy misy mpanaramaso na olon-dehibe.
Resaka saina daholo no manjaka amin'izany hoe milamina ny saina fa sady mahay milomano ny zaza no misy fiaro. Izay fiasany aloha tena tsy tena arako satria hatramin'ny nahafantarako azy dia vitsy ny zaza dobo amin'ny zaza mahay rano fa ny vahiny foana no lasany matetika raha vao io resaka lolon-drano io no resahina.
Fa ny rano be fitondraka dia efa mahay azy ny zaza mipetraka amoron-drano, fantany raha mihaavo ny rano ilomanosany na ilay mahazatra, mafy ny fandehany na ny mahazatra sns dia efa manaraka ny tokony ataony izy: Manaramaso ary tsy manalavitra ny namany.