Maty radio K7 sy retrovizera

1. rakapy ( 23/01/2008 20:26)
Nahazo asa hono ity sofera iray hitondra fiara mpitatitra olona mampitohy an'i Fianar-Tana.Faly tokoa ny lehilahy satria manana sakaiza maro @ iny RN7 iny ny tenany.Tamin'izany moa mbola tsy nisy mini bus fa dia 404 sy 504 no fiara mpitatitra olona.Ka dia eo @ olona 9 fara fabeny no zakan'ny fiara iray. Indray andro ho sendra ireo olona tsy mahay izay ombony sy ambany momban'ny fiarakodia ity sofera ka dia nanaraotra izany. Nijanona foana ny lehilahy isaky ny tanana satria misy sipany ao.Efa niha-hariva ny andro mbola tsy tonga any Fianar ihany ny fiara.Ka farany dia mba nanotany ihany ity vavy antitra mpandeha hoe :fa angaha anaka misy olana ny fiara fa toa mijanona lava isika izany. Dia namaly ilay sofera hoe :tena misy olana ny fiaratsika Raneny.Dia nanotany ilay vavy antitra hoe: nefa toa mizotra tsara ihany ny fiara rehefa avy mijanona isika? Dia hoy ilay soafera: Ny motera sy akapbeny anie Raneny ka tsy misy olana fa ny radio K7 sy ny retrovizera no tsy mandeha tsara ka izay no mahatonga antsika hijanona matetika.
répondu par rakapy le 24/01/2008 00:56
2. rova30 ( 23/01/2008 20:42)
:-D Dia ahoana izany raha vavy tanora no nanontany an-dRasofera?
3. rakapy ( 23/01/2008 20:49)
Ka i lery anie efa nijery tsara hoe karazan'olona domdoma daholo ny pasazy de izay vao nanao io e!
4. rova30 ( 23/01/2008 21:10)
:-D:-D Hay koa misy karazana pasazy domdoma izany koa? Tena hadinon'ilay saofera kosa angamba ny solomasony e!;-)
5. rakapy ( 24/01/2008 00:56)
Ilay hoe domadoma dia ireny karazan'olona tsy dia mahalala loatra ny momban'ny zavatra iray. Ny solomaso tsy adino fa na dia efa maizina be aza ny andro dia mbola manao ray ban mivilana be ihany i lery:-D:-D:-D de mbola mifoka gauloise koa aza anaty tombil:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.278