Ny famelan-keloka ve obligatoire?

1. maevanantenaina ( 14/01/2008 18:45)
Mba te hafantatra hevitr'olona momba ny famelan-keloka aho! Voatery tsy maintsy mamela heloka ve ny olona amiko mantsy " le pardon ça se mérite" ka tsy haiko hoe diso ve ny hevitro.Mba valio raha manak-kolazaina ianareo e
2. xxx ( 14/01/2008 19:18)
fa olona iza no tsy hamela heloka e! andriamanitra aza mahay mamela heloka! olona efa fo vato ny tsy mahay mamela heloka
3. pissoa ( 14/01/2008 19:31)
:-D:-D:-D:-D:-D

otran'ny hafa be ilay hoe Andriamanitra aza mahay mamela heloka :-D
4. xxx ( 14/01/2008 19:35)
:wink::-D kou zany kou!:-D
5. pissoa ( 14/01/2008 19:50)
:-D:-D:-D
6. xxx ( 14/01/2008 20:27)
8-)fa in aza no filaza azy:-D
7. soanja ( 15/01/2008 01:54)
maevanantenaina:

Mba te hafantatra hevitr'olona momba ny famelan-keloka aho! Voatery tsy maintsy mamela heloka ve ny olona amiko mantsy " le pardon ça se mérite" ka tsy haiko hoe diso ve ny hevitro.Mba valio raha manak-kolazaina ianareo e


Tsy misy zavatra voatery izany raha resaka finoana amiko ka. Ny fiasan'ny saina sy ny fo ary ny fanahy mpankahery, mpampihavana ary manantena fiovana no tokony hahatsapa avy any anaty na hamela heloka na tsia ny olona iray. Zany hoe safidy tokoa io ary raha hifamela na hamela dia tokony ho mihaino ny feon'ny fieritreretana fa tsy hoe i pasitera milaza fa mila mamela na ny baiboly dia hamela ianao. Mila ampitiavana hatrany ny famelan-keloka.

Tsara anefa ny mifamela heloka satria tsy lafatra isika.



8. kiranil ( 15/01/2008 02:40)
Miarahaba,

Mazava ny fampianaran\'i Jesosy Kristy momba io, ary voarakitra ao @ Soratra Masina na Baiboly izany (izay iarahana mahalala fa ambaniana sy aratsian\'ny sasany toa an-dry soanja isak\'izay mandeha).

Hoy Jesosy t@ izay nampianatra ireo mpanaradia Azy hivavaka:

mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

raha mamela ny fahadisoan\'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Fa raha tsy mamela ny fahadisoan\'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.


Dia tsotra ilay izy, aza mamela heloka raha izay no tianao atao, fa dia ny vokany dia tsy ho voavela koa ny helokao eo anatrehan\'Andriamanitra, na dia mangataka famelankeloka Aminy aza.

Ka tsy resaka hoe \"voatery\" ilay izy fa safidy, ary dia arakarak\'ilay safidinao ny vokany ho azonao.

Fehiny: Vakio ny Baiboly fa ao no ahitanao na mifanaraka @ Sitrapon\'Andriamanitra ny safidinao na tsia--

Raha ny hoe \"tokony ho mihaino ny feon\'ny fieritreretana\" lazain-dry soanja, dia ny sitrapon\'olombelona no omena lanja sy tanterahina fa tsy ny sitrapon\'Andriamanitra velively.

Misaotra.









9. nandrianina1 ( 15/01/2008 04:22)
maevanantenaina > anapiko ny tenin'i soanja "Ny fiasan'ny saina sy ny fo ary ny fanahy mpankahery, mpampihavana ary manantena fiovana no tokony hahatsapa avy any anaty na hamela heloka na tsia ny olona iray"

raha sty avy @fonao fa oh we mitaraina be iz na we mitalalon be de navelako izy de miverina foana ny fankahalanao io olon io ra vo mifanena nareo.

mahereza akia!
10. Mandefitra ( 15/01/2008 06:31)
Vakio ny Matio 18:21-35 ny fanoharana momba ny famelan-keloka :
Matio 18 :32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;
33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?

34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.

Ny otantsika rehetra, efa nentin'i Jesosy Kristy teo ambony hazo fijaliana, ka nandatsahany ny Rany.Ka zay heloka vitan'ny namantsika ve, trosa kely zany, raha oharina @ otantsika, rariny raha mamela heloka isika.
11. niryna ( 15/01/2008 06:53)
Mandefitra:

Vakio ny Matio 18:21-35 ny fanoharana momba ny famelan-keloka :
Matio 18 :32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;
33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?

34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.

Ny otantsika rehetra, efa nentin'i Jesosy Kristy teo ambony hazo fijaliana, ka nandatsahany ny Rany.Ka zay heloka vitan'ny namantsika ve, trosa kely zany, raha oharina @ otantsika, rariny raha mamela heloka isika.

=D:-*

soanja:

Tsy misy zavatra voatery izany raha resaka finoana amiko ka. Ny fiasan'ny saina sy ny fo ary ny fanahy mpankahery, mpampihavana ary manantena fiovana no tokony hahatsapa avy any anaty na hamela heloka na tsia ny olona iray.

Tsy manery ny Soratra masina fa mampianatra ny andeha amin'ny lalana tokony alehany ny kristiana,raha olona hita maso ery aza tsy amelan-keloka maika fa Atra tsy hitan'ny masony dia ahoana no angataka famelan-keloka any Aminy?
soanja:
Zany hoe safidy tokoa io ary raha hifamela na hamela dia tokony ho mihaino ny feon'ny fieritreretana fa tsy hoe i pasitera milaza fa mila mamela na ny baiboly dia hamela ianao. Mila ampitiavana hatrany ny famelan-keloka.
=))=)) izany ve,fa angaha moa i pasitera no ahatonga antsika ho voavonjy tsy i kristy izay nampianatra ny famelan-keloka ?safidy tokoa io na hino ny tenin'Atra dia mamela heloka satria tsy ho voavela ny helokao raha tsy izany na tsy mino azy dia izay tsy manao na inona na inona fa dia tazomy ao am-po aho foana ilay hatezerana mandra-pa :D.
kiranil:

Dia tsotra ilay izy, aza mamela heloka raha izay no tianao atao, fa dia ny vokany dia tsy ho voavela koa ny helokao eo anatrehan'Andriamanitra, na dia mangataka famelankeloka Aminy aza.
=D
http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&asa=add&parid=m468ddf63f3ccf"e=m468ddf63f3ccf
12. diamondra27 ( 15/01/2008 07:15)
raiso am fo tsy miangatra aloha we inon ny atao we: heloka

"heloka ibabohana hono mody rariny"
donc raha izao tontolo izao aza mahalala io we tokony hibaboka ianao raha nanao heloka maina va fa ny kristiana

maninona no mamela heloka?

Ilaina ny famelan-kelona satria entamavesatra ao anatinao iny raha tsy avelanao

oh fotsiny : nisy olona 1 niady taminao , tsy avelanao izy, tsy mamela ny helony ianao====>vokany itonbdra alehelo ho anao eny foana ny nataony kanefa refa hoy ianao hoe: efa navelako izy dia tsy ao aminao intsony iny alahelonao aminy


ilaina ny famelankeloka satria mba tsy ho vato misakana anao @ fanarahana ny Tompo izany.

Mila clean ny kristiana rehefa te ho mpianatr'i Krosty sy mpanaradia Azy
Ary tsy mipetraka intsony izany fanontaniana izany fa tonga dia tsapa eny ho azy satria tellement tena tianao Jesosy de tsy tianao hisy hanembatsembana izany fitiavanao azy zany na inona na inona.

Raha mbola tsy tena tafaray tanteraka Aminy ianao dia mangataha hoe: manjaka tanteraka amiko ianao Jesosy ary ampio aho mba hahay hamela heloka


"Aza atao tratry ny masoandro milentina ny fahatezeranareo": Bible

====>mamelà heloka isanandro am olona ze hanananao heloka eny fa an dia zavatra kely tsy misy dikany aza

mahereza daholo
:-*:-*
13. LazaDaddy ( 15/01/2008 07:20)
Ny famelan-keloka ve obligatoire?
1) Vokatry ny fitiavana ny famelan-keloka. Fitiavana noraisina avy amin'Andriamanitra.
2) Raha misy ny fitiavana dia manaraka ho azy ny famelan-keloka
3) Raha tsisy fitiavana dia mety ho "obligation" na "tsianjery" fotsiny ny "famelan-keloka"
4) Samihafa ny famelan-keloka sy fanadinoana heloka
14. Ylly ( 15/01/2008 07:25)
Ny famelan-keloka ve obligatoire?
-ka inona ary no atao?

-tsy hamela ve?

-hihaina @ io isan'andro?

-dia natao tsianjery maimbo fotsiny ve ny fivavahana izay nampianarin'ny Tompo hoe >
15. xl ( 15/01/2008 13:21)
Mamelà, hanajanony na ho sombiny aza
na dia hoe!, ny feonao sisa reko
Afaka Aho!
^:^^:^
16. veromahefa ( 15/01/2008 13:33)
Miombon-kevitra am Kiranil sy Mandefitra :lol:
17. nandrianina1 ( 15/01/2008 16:00)
4) Samihafa ny famelan-keloka sy fanadinoana heloka
tsy mazava tsara famba azavao kely azafady!
misaotra
18. cutie ( 15/01/2008 16:37)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 15-01-2008 08:20:55
Lohateny : Re : Ny famelan-keloka ve obligatoire?
Voalaza teo :
Ny famelan-keloka ve obligatoire?
1) Vokatry ny fitiavana ny famelan-keloka. Fitiavana noraisina avy amin'Andriamanitra.
2) Raha misy ny fitiavana dia manaraka ho azy ny famelan-keloka
3) Raha tsisy fitiavana dia mety ho "obligation" na "tsianjery" fotsiny ny "famelan-keloka"
4) Samihafa ny famelan-keloka sy fanadinoana heloka

mba niombon-kevitra t@ Laza za t@ iny :-d
19. rabilabila ( 15/01/2008 16:53)
Cutie

Ka mba tsy nisy satana ts'inona koa!!
20. nandrianina1 ( 15/01/2008 17:13)
ka tsy hain'n satana zany famelan-keloka zany de tsisy ambara izy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1664