Mitady mpiasa ny serasera

1. hery ( 10/01/2008 15:32)
Ny serasera.org dia miantso namana vitsivitsy handray anjara amin'ny tetikasa vaovao izay hataony manomboka amin'ity 2008 ity.

Ny namana ilaina dia:

- Mpikambana eto amin'ny serasera
- Manana finiavana hiara-miasa
- Mipetraka any Madagasikara
- Tia manoratra amin'ny teny Malagasy
- Afaka mijery internet farafaharatsiny indray mandeha isankerinandro


Hanampy anao koa raha toa ianao ka:

- Mipetraka any amin'ny faritany ankoatra an'Antananarivo
- Mahay teny Frantsay na Anglisy
- Manana blaogy na mpanaraka blaogy

Raha toa ka liana ianao dia alefaso amin'ny adiresy eto ambany ny C.V. fohifohy sy ny taratasy fangatahana alohan'ny 20 Janoary 2008.

asa@serasera.org


répondu par xxx le 18/01/2008 19:29
2. ravinalah ( 10/01/2008 16:22)
Tratrin'ny taona aloha e,mahaliana be ilay asa fa mba tiako ho fantarina kosa aloha hoeinona ilay izy e? misaotra e.
3. ikalamako ( 10/01/2008 16:33)
:o sao dia hisy censure izany blaoginay izany sefo, mikasa hanao embauche-na kontrolera angaha nareo ?^^
Ary tsy mba misy asa ho anay somera aty findà ?:-D:-D:-D
4. Ralay ( 10/01/2008 18:47)
Tsy asa handraisambola io fa asa fanampiana ry ikalamako fa sao diso hevitra enao :-D

Asa handraisam-bola io kah.

Nahitsin'i hery
répondu par Ralay le 11/01/2008 07:47
5. fahamarinana ( 10/01/2008 19:20)
:arrow:d'efa tsy koty zany zà fa tsy mipetraka any dago.hi!hi! akory atao baba a!:cry:
6. ikalamako ( 10/01/2008 19:52)
:wink: fa angaha kosa ralay dia voatery asa andraisam-bola foana no azon'ny somera toa anay atao a! mba afaka manao vaolontarià koa ange e:-P Basta mba miserasera fotsiny dia mahazo fafiny ihany na tsisy drala aza koh, kany moa sefo o?=))
7. ari.malala ( 11/01/2008 05:21)
Fanontaniana, ilay hoe manana blaogy ve, blaogy actif sa manao akory? Manana iany mantsy fa ts actif le izy:P
8. xxx ( 11/01/2008 06:08)
ari.malala aza be fantanin fa alefaso klou ny cv:wink::-D
9. ANARIM ( 11/01/2008 06:27)
inn avy ny lazaina ao am CV? efa oe mipetraka aty dago, mpikambana serasera, mazoto hiara miasa, mahay manoratra (sy tia ny teny malagasy), afaka miditra aterneto matetitetika...
efa io ny CV-ko ra miady am piesinareo d vonona e!:D:o8)
10. ANARIM ( 11/01/2008 06:32)
sa v oe ilaina ampafantarina oe nianatra tatsy d reto avy ny diplaoma, manambady amanjanaka, miasa am zato sy zatsy...???
11. Ralay ( 11/01/2008 07:23)
ikalamako> Tsy olana rehefa mahafeno ny kritera tadiavina na dia tsy somera aza :-P
12. hery ( 11/01/2008 07:45)
Fanazavana fanampiny:

1. Tetikasa vaovao Serasera.org io
2. Ny asa dia handraisana tambiny
3. Ny C.V. alefa amin'ny asa@serasera.org tahaka ny C.V. alefa amin'ny fangatahana asa rehetra.
4. Ireo nolazaiko eo ambony ireo no ilaina. Rehefa mahafeno ireo ianao dia alefaso ny C.V. (raha mpitady asa ianao dia mahalala ny atao hoe C.V.)


ANARIM> Ahoana ny C.V. alefanao rehefa mitady asa?
13. Valala ( 11/01/2008 10:25)
hery,
fa inona le asa ho atao aloha, sao d tsy mivady amle asanay amzao d tsy mety koa, alohan'ny handefasana CV tokony ho fantatra aloha le asa sao tsy mifanaraka amle boritra misy.
14. hery ( 11/01/2008 11:23)
Valala> raha mila boritra efa nolazaiko teo ambony :-)

Mandefasa hafatra @ asa@serasera.org raha toa misy fanontaniana fa resaka efa manokana ny valiny.
15. ari.malala ( 11/01/2008 11:43)
xxx> aleo kosa hono manotanintany fona toy zay manaonao fona kooooo hihihi
16. xxx ( 11/01/2008 16:38)
ari.malala: eny e! fa alefaso ny c.v:-P:wink:
17. ikaretsaka ( 16/01/2008 19:17)
hery> dia ahoana raha olona mikaretsaka (feno anay izao ttl izao) ohatranay?:-P
18. xxx ( 18/01/2008 19:29)
Mba matotra ry reto fa teny malagasy sady tsotra anie ny fanazavana eny ambony e.

Raha io ary tsy mazava dia ahoana no ahafahanao iasa.

Mila miova isika mba hihala ain'ny vazivazy izay ilàna fetrany.

Red color[size=13px]Size 13px[/size]Zany moa ry Hery oRed color[size=13px]Size 13px[/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3519