Fikorontanana teknika eto @ serasera

1. hery ( 15/12/2007 19:52)
Manahoana daholo,

Hatramin'ny omaly dia nisy fikorontanana kely (na be) ny serasera. Mbola tsy fantatro tsara izay mitranga fa izao aho vao afaka miditra eto :-) (mbola tsy maintsy mamelon-tena e)

Ialako tsiny amin'ny rehetra (indrindra i niryna mimenomenona be io) fa tsy hita fa izao vao afaka hanamboatra. Mampihomehy fa rehefa misy zvt tsy mety eto @ serasera dia heverin'i niryna fa izy foana no lasibatra :-p ... amboary izany fisainana izany fa sao voa mafy amin'izany.

Misaotra an'ireo namana izay nangataka fanazavana sy naharitra.

Inoako fa hiravona tsy ho ela io fa hiaretana tory kely mihitsy aloha androany.

Misaotra e.
répondu par tslem le 21/12/2007 14:56
2. sipagasy ( 15/12/2007 20:20)
mazotoa miari-tory ao indray e!:oops::lol:
3. lemenakely ( 15/12/2007 20:22)
misaotra t@ filazàna izaho nihevitra fa ny ordi no misy simba hay izany ny any ampotony mihintsy !!!
4. diamondra27 ( 15/12/2007 20:27)
hery: hiiii mazotoa e:-D
5. hery ( 15/12/2007 20:29)
Eto ihany ijerena ny tohiny :-)

- Araka ny jery tombana voalohany dia nijanona tsy niasa intsony ny serveur iray tamin'ny 11 maraina tany ho any. Nijanona nandritra ny minitra maro. Rehefa niverina dia tsy ara-dalana ny daty dia nikorontana ny hafatra, bizoroka, tsikera-n'ny sary sns. (dia nimenomenona i niryna :-p)

- Tsy namaly koa ny serveur faharoa satria saturé tamin'ny request be dia be avy tao @ serasera... dia vizana.

- Nataon'i jm (radiovazogasy.com) reboot daholo ny serveur telo fa tsy hitany hoe iza amin'ireo no misy blem. Serveur 3 no indray nijanona nandritra ny minitra vitsivitsy.

- Nony niverina koa dia nisy fahasimbana ny tables sasany (vetso, tononkira, lalao). Efa nahitsy sy mandeha tsara.

... mbola mijery aho hoe in ny blem.
6. hery ( 15/12/2007 20:31)


... oups kay asabotsy hariva androany :lol:

7. Aino ( 15/12/2007 20:48)
Hery misaotra be dia be eh, efa somary azoko an-tsaina ihany satsia hafatra vao anikeo hono de lazainy fa maly, de eo @fidirana misy marika hoe misy hafatra mijery tsy misy :lol: de eto miandry izay hiverenany soa matsara eto aloha.( izay maharitra hatr@ farany hono no vadin-andrina :D) de mahereza miari-tory eh
8. bonbongasy ( 15/12/2007 21:15)
gaga koa za oe inona ary ty afatra bedebe ataon'i niryna mimenomenona otran'ny oe izy mintsy no tsy tiana:!:
ka efa mazava zao ny fanazavan'i sefo ka dia samia maharitra daholo e
courage ho an'i hery:)
9. mignone ( 15/12/2007 21:20)
sshhh i niryna ve hahagaga :-D:-D
10. pissoa ( 15/12/2007 21:31)
maztoo ry hery a !

hi hi hi - bedy za ve raha manao sary souvenira kely :oops::oops::oops:
http://farm3.static.flickr.com/2241/2113714990_c6a7fbb873_o.jpg
11. soanja ( 16/12/2007 00:37)
Mahareta Sefo a! Mazotoa ary misaotra amin'ny fikarakarana.
12. tendry77 ( 16/12/2007 04:20)
Kay ve !ny ahy ,ny router sy ny cable no tapitra voakirakira fotsiny,voavely hatramn machine ,nareo an!!o^oo^oo^o
13. Bafota ( 16/12/2007 05:37)
Dia milamina fotsiny isika izany fa ao iSefo hikarakara azy,Sady misaotra no mirary soa e!
Ny havanay efa nidaroka masinina mihitsy hoe manondrana indray ity,soa ihany fa mba tsy potika lery fa mbola mandeha.MERSHI SHEEFO O!
14. Ralay ( 16/12/2007 05:53)
Mba nanao fety kosa ny lohamasinina dia katry² ka nikorontana.:lol:
Niryna:Mba aoka izay ny menomenona fa fety ny andro :lol: dia aza fenoina ny lohahevitrao mitovy ny dinika rehetra :-P
:-* de bonne fête
15. tywa68 ( 16/12/2007 08:40)
misaotra an'ny mpikarakara rehetra namerina @ laoniny e !

pissoa bedy an :-D:-D:-D

16. fahamarinana ( 16/12/2007 11:23)
:arrow:Misaotra betsaka any Hery nampilaza fa za koa lasa saina hoe sao dia avy am ordi-ko koa aza izy ity (ny tena rahateo moa tsa mahy itony zavatra itony kou...)sady tsy nety tafiditra ihany koa aho.Mahereza dia mahavità be daholo ry mpandrindra o(l).
17. nikopol ( 16/12/2007 12:35)
Ary ny Andriamanitr'i nyrina nga tsy nilaza taminy hoe tsy i hery no nanao an'io e ?

misy tsy dia azoko loatra

18. ikalamako ( 16/12/2007 18:08)
pissoa>aza manala kosa fa izy ve nahalala. :-D:-D
Ilay feon-kira nandeha tamin'ny radio nandritra iny minitra maromaro iny fotsiny no nahakoditra ahy, nataoko dia nisy vaovao ratsy tany an-tanindrazana fa mbola tavela tao antsaiko foana tamin'ny février 1975 (nisy namono ny jeneraly Ratsimandrava) fa feon-kira mandreraka be toa ireny no nameno ny Radio Televiziona Malagasy. Satria na tsy nandeha aza ny fangatahana hira tamin'ny voalohany (O auditeurs) ka azo onona ihany fa nisy fahavizanana hatrany am-potony, dia mbola nisy hira nilahatra nandeha tsara ihany!
Ka mba azo soloina feon-kira somary gidragidra kosa ve amin'ny manaraka rehefa misy toa ireny mba tsy hanapaka lalan-drà ^^^^^^
19. kelly13 ( 16/12/2007 18:46)
misaotra an'i hery nisahirana, misahirana ary mbola hisahirana hamapndé milay ny sera² :)
20. kiadi ( 16/12/2007 19:58)
aiza le be menomenona iny aloha tokony ba hiala tsiny kely fa nakaleo be ny zavtra nataony!! ba mpivavaka ihany nefa de be menomenona eo :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2578