Fa nifidy an'iza daholo kay le teny mahamasina?

1. dodanina ( 13/12/2007 08:50)
Tsy misy vahoaka sarotra entina toy ny gasy oa, tsy hainao mintsy ze any ampony, alefaso eo ny vola be sns fa ny azy ny ataony ihany no ataony, efa be anie no voa t@ zany talou e
répondu par DotMG le 13/12/2007 11:40
2. hery ( 13/12/2007 09:11)
Tsy vao izao izany no nitranga kah. Adala ny mpanao politika tsy mahalala an'izany.

Tsy hitako mihitsy anie izay nandaingana sy nanaovana montage-na sary t@ VIVA hoe be olona be teny Antsonjombe e. Efa fantatra fa na be olona na vitsy olona, efa manana ny safidiny ny olona.

3. ravatorano ( 13/12/2007 10:10)
ny mpijery spectacle no bobaka amin'ireny e
4. nibie ( 13/12/2007 10:31)
Aza marary fo e!tsy misy montage na sary izany tamin'ny VIVA fa ny olona rehefa te ho jamba dia minia tsy mahita. Asa mba mponina Tana ihany ve ianao? sa dia jamba tokoa?
Ny fantatra aloha dia mila fivoarana sy tanora ny malagasy amin'izao ary io fandresena ny jeune izay natao hampandroso ny firenena araky ny tenin'Andriamtoa filoha
5. niainalynx ( 13/12/2007 10:35)
tsy azoko 'lay hoe montage-na sary t@ VIVA?!!!!! Za rangahy 'ty teny Antsonjombe fa tsisy montage zany ny sary t@ VIVA a ? Aza mamorona mitsy rahery a!!!!!! Ny an'nyTIM teny Mahamasina no hita sy voaporofo fa nanangona olona hatrany Manjakandriana tany, teny Itaosy, Sab Nam sns.... nentina teny Mahamasina dia niedinedina hoe feno hiboka Mahamasina dia nanantena fandresena kay reisn'ilay Bandikely !!!!!!!
6. akama2006 ( 13/12/2007 11:08)
mafy loatra ho any hery ny kapoka koa!lolllllllllllllllllll:-*
7. DotMG ( 13/12/2007 11:40)
Ireny olona teny Mahamasina ireny dia maro taminy no nifidy TIM, fa saingy tsy teto Antananarivo Renivohitra angamba fa fari-pifidianana hafa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082