ZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO II

1. endrika01 ( 09/12/2007 13:48)
Voalohany indrindra dia misaotra ireo namana marobe
namaly t@io loha-hevitra io tary aloha.
Ilaina fototra mafy ny Finoana mba ho tsara horona.
ka indro aho miverina indray mitondra ity hevitra ity hifapizarako aminareo .
Fanotaniana napetrakin'ny Sadoseanina t@ JESOA
"Koa nisy ary olona fito mirahalahy.Napakabady
ny lahimatoa,kanjo maty tsy namela solofo.Dia
napakatra an-dravehivavy ny faharoa,kanjo maty
tsy namela solofo;dia toy izany koa ny fahatelo
Dia samy tsy nisy namela solofo izy fito mirahalahy.Taorian'izay rehetra izay dia maty koa ra-vehivavy.Amin'ny fitsanganan'ny maty ary(raha hitsangana velona tokoa ny maty)mba ho vadin'iza ravehivavy fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
de ity no tena tsy azoko ry zareo aaaaa"Dia hoy i Jesoa hoe:Tsy izany tokoa ve no mahadiso hevitra anareo fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny Herin"Andriamanitra.Rehefa hitsangana velona ny maty,dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony,fa samy hitovy amin'ny ANJELY ANY AN-DANITRA AVOKOA.
(De ahoana zny reny mpampirafy vadin'olona reny??????amiko aloha dia tena mikorotana be ny saiko eeeeeee,)
VONJEO!!!!!!!!!!!!
répondu par endrika01 le 03/02/2008 13:12
2. Bafota ( 09/12/2007 15:18)
Toro-hevitra ny ny ahy satria zava-misy sy niainako ary mbola iainako.Alohan'zavatra rehetra dia mivavaha.Esory ao an-tsaina daholo izay manelingelina rehetra dia antsoy Jesoa fa hamaly anao izy,Manaraka izany ny mampirafy= fijangajangana,voararan'ny didy folo izany.Dia ahoana yzany ireny olona ireny hoy ianao?
Mazava ho azy fa tsy maintsy hiavaka ny vary sy ny tsiparifary.Raha ampy vavaka ianao dia tsy ho sarotra aminao ny Baiboly.Samy ho tahian'Andriamanitra e!
3. rijadolly ( 09/12/2007 18:10)
Mialatsiny an'sé aho Endrikà misy tsy azoko ny mahazo an'sé ny teny ao amin'Baiboly ve no mahatonga an'sé tsy te-hino intsony sa ity nambaran'sé ity
endrika01:
34. Mpandefa : endrika01 [ Valio ] 25-11-2007 13:53:56
Lohateny : Re : IZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO
Ho lazaiko ny tena hevitra ny tsy mapite-ho mpino ahy intsony eeeee,tsy hoe manavakavam-pivavahana aho akory tiko daholo refa manompo TOMPO iray ,de tsy iza fa ilay mpahary izao tontolo izao.
Fa ny tena tsy zakako de ireo ray aman-dreniko lasa manaraka atonkom-pivavahana hafa de rehefa mivavaka izy ireo de tsy lay vavaka toram-po milamindamina fahiny !!!!!!!!fa kotaba be ao an-trano,de za mou mody fanina be de za tsy mety mandray anjara miitsy @ lay vavaka ,satria ny foko mivonto be hoatran'ny baolina kitra,tena marina eee,
ny Mamako moa dia niteny miitsy fa raha tsy nivavahana tany @io an-tokom-pivavahana io ny raiko d'efa maty hoatr'izay,de natao Batemy vaovao tany hono,de za lasa kivy be de tsy hitako intsony zay lalana ho aleha!!!!!raha ianareo no teo @ toerako inona no fanampahan-kevitra noraisinareo??????
Endrikà malahelo an'sé aho tsy azoko,fa maninona azavao fa tena mampanahy be ihany ilay izy.
4. dailynews ( 10/12/2007 03:03)
Mitovy hevitra amin 'i bafota aho eto.
Ilay hoe ksritiana sy mino koa anie ry rijadolly dia iray ihany e. Satria ny kristiana na ny mpanaradia an i Kristy dia antsoina ihany koa hoe " mpino" koa raha mila zaianao fa tsy mino dia hmm.....

Fa izao: mangala fotoana manokana dia lazao Atra hoe: te hahalala ny teninao hoe izaho fa tahaka ny misafotofoto be amiko ilay izy fa ampio aho hahalala izany hahafahako mino Anao sy mahalala ny tianao ho lazaina. Dia ataovy foana io vavaka io mandra pahazavan ny sainao fa minoa fa raha tena hahalala Azy no tianao dia hoy Izy hoe: tsy ny finaritra hoy Izy no mila mpanao fanafody fa ny marary.

5. niryna ( 10/12/2007 04:20)
dailynews:

mitovy hevitra aminao sy bafota koa aho eto miampy an'ity.
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m475ba396a57ea#m475cbbecbfd03

Mahereza ry endrika01 a :-*
6. Vitsikakely ( 10/12/2007 06:37)
Vitsikakely mbô hanapy anao.Vahao aloha ny olana vôlohany,rar niova finoana tô misy anzay io ambony io,dia rehefa milamina izay,zay indray ianao vô miditra @dingana manaraka,fa hisafotofoto ianao ka eo indrindra no hahatonga lay tsy finoana,satria hotoherinao ireo voalaza ny baiboly,any@fahaverezana no hiafaranao avy eo.Tazony mafy ny finoana efa nisy teo aminao ry endrika01,mahereza.
7. Vitsikakely ( 10/12/2007 06:38)

8. deric ( 10/12/2007 09:07)
endrika01:

(De ahoana zny reny mpampirafy vadin'olona reny??????amiko aloha dia tena mikorotana be ny saiko eeeeeee,)
VONJEO!!!!!!!!!!!!

Tsy azoko izay tena tianao hidirana ry Endrika.
- Raha sanatria ianao no mampirafy dia miovà, ka aoka hiaina amin'ilay hoe "vady tokana".
- Raha toa ka olona hafa no hitanao dia aoka ho azy izany; saingy ny vady tokana ihany no heken'Andriamanitra aminy. Raiso ho anao koa ilay velin-tenin' i Jesoa tamin'i Petera e! Rehefa nanontany no hanjo na ny ho avin'ilay mpianatra iray (Jaona) izy:"Ahoanao inona izany, fa hianao manaraha Ahy" hoy Jesoa.

9. Mandefitra ( 10/12/2007 09:12)
Aza adino fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona tsy mba handova ny fiainana mandrakizay.
Ka tsy tokony hikorontana ny sainao ... na raha sanatria manao izany enao de mibebaha fa mbola fotoana zao hialana @ zany.
10. endrika01 ( 10/12/2007 11:34)
Misaotra an\' Mandefitra nambosaka ireo fanotaniana ireo.1/tsy mba izaho no handeha hampirafy vadin\'olona,afa-tsy hoe le olona misisika hiaraka amiko mety efa vadin\'olona fa manao saka manafi-kiho,@zay fotoana zay de tsy afaka milaza ianao hoe zaho no tena tsy mendrika,fa le zalahy no tena mpamitaka.Ka io voalaza @tenin\'Atra io ve tsy midika fijangajangana,toa samy niaraka t@ra-vehivavy daholo izy fito lahy?
11. Mandefitra ( 10/12/2007 12:09)
Mikorontana marina ndry ... :-P
- Le fanoharana tsy miteny hoe nijangajanga na naka vadin olona izy fitolahy.Fa hoe nifandimby maty izy, ary ny zandriny naka ny vadin-jokiny efa maty. (mety fomba fahiny zany, ary mety zany koa no nihavian'ilay ohabolana hoe vadin-joky kilolohanjandry!)
- @ fitsangan'ny maty hoy Jesosy tsy misy resaka mpivady fa mitovy daholo ny olona, tahaka ny anjely.
Jesosy tsy niteny hoe ho any amparadisa daholo izy 7 lahy, tsy niditra t@ zay aferan izy 7 lahy akory Izy, fa zay ho toe-tsika rahatrizay mby eo @ fitsanganana @ maty no nampianariny.
- Fa ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga (ka tsy niala t@ zany fahotana zany) tsy handova ny fiainana mandrakizay.
12. veromahefa ( 10/12/2007 13:03)
hanampy izay voalazan'ny hafa dia izao no voasoratra :

Ikor 7:2"anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy;ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanan ny vadiny avy"

Ikor6:18 "mandosira ny fijangajangana. Zay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany ; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany"

Ites 4 :3"Fa izao no sitrapon'Andrimanitra,dia ny hanamasinana anareo hifadianareo ny fijangajangana"

fa ny amin'ny resakao dia izao :

Rom 7 :3 "Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia atao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza"
13. rijadolly ( 10/12/2007 14:11)
dailynews:
Mitovy hevitra amin 'i bafota aho eto.
Ilay hoe ksritiana sy mino koa anie ry rijadolly dia iray ihany e. Satria ny kristiana na ny mpanaradia an i Kristy dia antsoina ihany koa hoe " mpino" koa raha mila zaianao fa tsy mino dia hmm.....

Fa izao: mangala fotoana manokana dia lazao Atra hoe: te hahalala ny teninao hoe izaho fa tahaka ny misafotofoto be amiko ilay izy fa ampio aho hahalala izany hahafahako mino Anao sy mahalala ny tianao ho lazaina. Dia ataovy foana io vavaka io mandra pahazavan ny sainao fa minoa fa raha tena hahalala Azy no tianao dia hoy Izy hoe: tsy ny finaritra hoy Izy no mila mpanao fanafody fa ny marary.
tena miombokevitra tanteraka koa aho:-*
mendrika>Tena mila fanazavana kely aho mendrikà azafady indrindra mba tsy HS ilay resaka satria ny sujet napetraky sé tany amin' "ZA KRISTIANINA NEFA TSY MINO I" dia
endrika01:
Mpandefa : endrika01 [ Valio ] 20-11-2007 12:39:51 Lohateny : IZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO
Manao ahoana daholo,
zao ry zareo a,zaho dia kristianina nefa tsy mino.
Tsy fantatro miitsy hoe inona no mahatonga zany?
Mitady hamily lalana ahy ve Satana?????Tena mila fanampiana fa sao dia tratra aoriana,tena mitady hivadika zany aho!!!
dia namaly aho somary enjana
rijadolly:
31. Mpandefa : rijadolly [ Valio ] 25-11-2007 09:28:31
Lohateny : Re : IZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO
@ maha Kristianina ahy dia tsotra ny torohevitro
Misy làlana roa tsy maintsy alehan'olona raha miala ety -Fiainana mandrakizay miharaka amin'Andriamanitra sy Jesoa zanany,ary manopo Azy mandrakizay
-fiainana mandrakizay miharaka any amin'elo ary manopo an'satana sy ny hirakany mandrakizay

Na firy na firy torohevitra manambitamby anao na iza na iza milaza fa fampitahorana.
IZA AMIN'IREO NO SAFIDINAO.
kay ity no nahazo anao
endrika:
34. Mpandefa : endrika01 [ Valio ] 25-11-2007 13:53:56
Lohateny : Re : IZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO
Ho lazaiko ny tena hevitra ny tsy mapite-ho mpino ahy intsony eeeee,tsy hoe manavakavam-pivavahana aho akory tiko daholo refa manompo TOMPO iray ,de tsy iza fa ilay mpahary izao tontolo izao.
Fa ny tena tsy zakako de ireo ray aman-dreniko lasa manaraka atonkom-pivavahana hafa de rehefa mivavaka izy ireo de tsy lay vavaka toram-po milamindamina fahiny !!!!!!!!fa kotaba be ao an-trano,de za mou mody fanina be de za tsy mety mandray anjara miitsy @ lay vavaka ,satria ny foko mivonto be hoatran'ny baolina kitra,tena marina eee,
ny Mamako moa dia niteny miitsy fa raha tsy nivavahana tany @io an-tokom-pivavahana io ny raiko d'efa maty hoatr'izay,de natao Batemy vaovao tany hono,de za lasa kivy be de tsy hitako intsony zay lalana ho aleha!!!!!raha ianareo no teo @ toerako inona no fanampahan-kevitra noraisinareo??????
dia hoy aho namaly satria tena nahatsiaro hors sujet
rijadolly:
Endrika à ,Endrika ô teste ry sé zany à tazomy mafy ny satroboninahitra fa aza arina mba tsy hisy haka.Ary aza manana heritreritra manaratsy ny azy
raha mbola tsy manohitra an'Ilay inoanao izireo(l)(l).Asehoy azy koa fa Mbola Ilay Hivavahany no mitarika an'sé amin'làlana alehan'sé hatramin'izao.Fa raha mihembotra eo sé dia mihoatra ilay olana mahazo an'sé ny olana rehefa avy eo.Zay Endrikà tsy kivy an!:-*:-*
Mba omeo fanazavana tsara endrika.
14. veromahefa ( 10/12/2007 14:29)
Endrika a! manatona mihitsy ianao an'i Mopera dia anontanio azy ny zavatra mampisalasala anao, miverena mandalina katesizy fa mampitombo anao amin'ny lafiny manontolo izany
15. ikaretsaka ( 10/12/2007 16:05)
mitovy fijery @ veromahefa:wink:
16. naughtyboy ( 10/12/2007 19:06)
hafa2 ty resaka ty otrany oe za vegetarian nefa mihinana kisoa:-D:-D:°)
17. xxx ( 11/12/2007 18:17)
Ahitsy kely angamba i karetsaka eto fa io zavatra nolazainy io ne ka tao anaty baiboly fa tsy heviny e! toraka izany izay ol milaza baiboly eto tsy heviny fa an'ny baiboly
18. rakapy ( 11/12/2007 21:03)
Izaho koa dia efa tao no niala noho ny antony samihafa. fa izaho indray mino ilay Nahary( Zanahary,A/tra, Dieu, ...)fa ilay hoe Kristianina sy ny fomba fandikany ny teny ao @ baiboly no tena mahatofoka.
19. rijadolly ( 12/12/2007 07:16)
rakapy:
Izaho koa dia efa tao no niala noho ny antony samihafa. fa izaho indray mino ilay Nahary( Zanahary,A/tra, Dieu, ...)fa ilay hoe Kristianina sy ny fomba fandikany ny teny ao @ baiboly no tena mahatofoka.
Ra tena mamaky tsara(mandinika,mamakafaka,manao ny tenanao ho tsinotsinona,mandaha ny tenanao,mahatsapa fa ianao no teneniny,am-pitiavana,...)ianao dia tonga ao aminao ilay Fanahin'Fahazavana dia tsy iza izanay fa fanahin'Ilay inoanao ilay Nahary( Zanahary=A/tra= Dieu, ...).Jesoa Kristy dia tonga oh ho antsika amin'lafiny rehetra.Noho ny fiasan'io FANAHY io dia voasoratra ny Baiboly.Noho izany raha tsy manana ilay Fanahy mihitsy isika dia hankaleo antsika ny mamaky Baiboly indrindra aty amin'TESTAMETA VAOVAO satria hanindrona antsika tahaka ny sabatra izany(misaotra Niryna).
Angatao,angatao,angatao ny FanahyNy fa omena ianao,omena ianao.:-*:-*:-*
20. ikaretsaka ( 12/12/2007 16:24)
raha mino an'i Jesoa kristy tokoa ve ka tsy mahay mamaky teny ka tsy afaka mamaky baiboly izany dia any ny anarany ry rijadolly?
Tsy miala lavitra manko fa ao atsimon'Ambatolampy dia somary bebe ihany ny tsy mahay mamaky teny , saingy mino an... raha mandeha @ iny faritra Tanala iny kao dia misy an'izany heo izy 1 tanana mihitsy no tsy misy mamaky teny na 1 aza, nefa mino
dia tsy mila baiboly izy satria tsy hainy na ny mamaky izany akory aza .. dia ahoana indray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.079