ZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO II

21. rijadolly ( 12/12/2007 16:43)
raha mino an'i Jesoa kristy tokoa ve ka tsy mahay mamaky teny ka tsy afaka mamaky baiboly izany dia any ny anarany ry rijadolly?
Andriamanitra mahay mitsara ny ao anatin'tsirairay hoe ahoana ny finoan'ity ol ity mino ve dia ampy azy zay sa ny ataony ihany ny ataony sa ahoana.Dia mbola Izy ihany mitsara ny tsy mahay mamaky teny nefa efa nitorina izy.ary isika mahay mamaky teny dia ho mafimafy kokoa ny fitsarana antsika noho ny fahalalana nomena antsika.
22. ikaretsaka ( 12/12/2007 16:50)
ka izay ilay mahatonga anahy nitady fika hoe ny ampianariko azy dia tsy hatreo @ teny fotsiny fa hatrany @ fananana ny fanahy masina ao anaty,
@ izay fantany tsara ny inoany!
aiza ao kay no milaza fa mafimafy kokoa ny fitsarana ireo mahay mamaky teny? sa noforoninao izany?:wink:
23. piste ( 12/12/2007 17:31)
Mbola ampiako aza hoe: ireo moana, marenina, adala, ankizy dia afaka mandray ny hafatr'Andriamanitra. Ny olona be marenina sy miseho be saina matetika no donto. Mahita mantsy fa tsy mana-maso....(tohizo kely ry Ika)
24. rijadolly ( 12/12/2007 18:23)
za ny hanoy azy ry piste à
ié noforoniko izany ka,fa mba tafiditra tato anatiko no sady voarahiko noho ilay sujet nomenao
ika:
Tsy miala lavitra manko fa ao atsimon'Ambatolampy dia somary bebe ihany ny tsy mahay mamaky teny , saingy mino an... raha mandeha @ iny faritra Tanala iny kao dia misy an'izany heo izy 1 tanana mihitsy no tsy misy mamaky teny na 1 aza, nefa mino
dia tsy mila baiboly izy satria tsy hainy na ny mamaky izany akory aza .. dia ahoana indray
dia nanongo tena aho,za ary moa zany mahay mamaky teny nefa mety mbola latsaka noho ireo lazain'ika ireo ny finoako.Izany hoe hadinina mihoatra ireo olona ireo aho izany satria mahafantatra bebekokoa.no(ity ilay tian'ika)afaka mandalina tsara satria eo antanako ny Baiboly.
25. tsiambaratelo ( 12/12/2007 22:50)
veromahefa:

Endrika a! manatona mihitsy ianao an'i Mopera dia anontanio azy ny zavatra mampisalasala anao, miverena mandalina katesizy fa mampitombo anao amin'ny lafiny manontolo izany



26. soanja ( 13/12/2007 05:44)
endrika01:

Voalohany indrindra dia misaotra ireo namana marobe
namaly t@io loha-hevitra io tary aloha.
Ilaina fototra mafy ny Finoana mba ho tsara horona.
ka indro aho miverina indray mitondra ity hevitra ity hifapizarako aminareo .
Fanotaniana napetrakin'ny Sadoseanina t@ JESOA
"Koa nisy ary olona fito mirahalahy.Napakabady
ny lahimatoa,kanjo maty tsy namela solofo.Dia
napakatra an-dravehivavy ny faharoa,kanjo maty
tsy namela solofo;dia toy izany koa ny fahatelo
Dia samy tsy nisy namela solofo izy fito mirahalahy.Taorian'izay rehetra izay dia maty koa ra-vehivavy.Amin'ny fitsanganan'ny maty ary(raha hitsangana velona tokoa ny maty)mba ho vadin'iza ravehivavy fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
de ity no tena tsy azoko ry zareo aaaaa"Dia hoy i Jesoa hoe:Tsy izany tokoa ve no mahadiso hevitra anareo fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny Herin"Andriamanitra.Rehefa hitsangana velona ny maty,dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony,fa samy hitovy amin'ny ANJELY ANY AN-DANITRA AVOKOA.
(De ahoana zny reny mpampirafy vadin'olona reny??????amiko aloha dia tena mikorotana be ny saiko eeeeeee,)
VONJEO!!!!!!!!!!!!


Misaotra anao milaza ny fanahianao.

Ny hitako azo hamaliana anao ara-pinoako dia hoe tsy ity vatana tafiantsika ity no hiainantsika any an-danitra fa fanahy. Aza manahy izay aty sy any fa hafa ny any fivoakany. Izy Andriamanitra ihany no mahalala izany.
Isika manao ny tsara izay heverintsika fa mendrika eo imasontsika no adidintsika.


27. piste ( 13/12/2007 09:55)
Ny hitako azo hamaliana anao ara-pinoako dia hoe tsy ity vatana tafiantsika ity no hiainantsika any an-danitra fa fanahy.

Tandremo fa teolojia diso be izany ry Soanja.
Olona = fanahy + vatana
Raha esorinao ny iray @ ireo dia tsy olona intsony izany. Raha fanahy fotsiny izany dia tsy olona fa avelo, raha vatana fotsiny kosa dia biby.

Vatana resuscité no tafiantsika any an-danitra, izany hoe tsy corps organique mety lò intsony fa transformé io ka lasa corps glorieux na vatana be voninahitra tsy mety lò fa mandrakizay.
28. endrika01 ( 13/12/2007 12:12)
Tsapako fa tena tia ahy ianareo satria,vonona ny hanampy ahy @ tena olanako tsy vazivazy na ,haitratra mba te hametraka hevitra,fa tena zavatra hianako @zao fotoana izao.
veromahefa>ianao milaza ery ambony hoe;miresaha @mompera!!!!!tsara dia tsara ny hevitrao fa misy indro kely ny amiko cherie
"izaho dia anisan'ireo namana nampianatra katesizy,(sekoly alahady)indrindra hoan'ireo tanora
zaza,handray ny fanasan'ny Tompo,na kominio voalohany,
tsy izay ihany anefa fa efa nitondra fikambanana maro maro ihany hoy ilay tsy mahay manisa.
(I.K , V.K )Angamba asa fotsiny zay ho havalin'reny ray am-panahy reny ahy.Mety hiteny izy ireo hoe mpitari-bato vilam-bava aho,tsia,taloha dia tena nafana fo tokoa aho,fa taona vitsivitsy zay dia banga
be ny fiainako,tsy haiko,FITSAPANA VE?:snif::snif::snif::snif:
29. achrafhanna ( 06/01/2008 10:47)
Dia manantena hahita fiovana hoanao ry endrika
amin'zao taona vaovao izao.
Mivavaha mafy fa tsy maintsy hiova ianao.
Fitsapana ataon'A/tra anao izao,fa tsy misy kristianina tsy mino izany.^:^^:^^:^^:^
30. endrika01 ( 06/01/2008 14:17)
Ka iza aminareo ary no sahy miteny fa ireny kristianina mitory be ny filazantsara sy mitory teny ireny tena mba manao ny marina daoly??
na manantanteraka 'zay lazain'ny vavany ,
sa manao pitari-bato vilam-bava ka izay lazain'ny vavany hafa, ny tondroin'ny molotra hafa??????

Mino aho fa tsy hanome tsiny ahy ianareo,fa indray andro mety ho ianao io no ho tonga eo @ toerana misy ahy ,dia ahatsiaro tsara ny ps ny endrika,ho eo tena mila fanasitranana ara-pinoana marina iny namana iray iny.

teny fohifohy,mafonja,tsy asiana kabary be dia mino aho fa ho sitrana tsikelikely ny fery.:!::!::!::!::!:
31. endrika01 ( 03/02/2008 13:12)
zaho wa tena misy andro mampihidihidy vava
ahy mihitsy ny 2 resaka fivavahana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3241