Tononkalo noely
1. kabatritra
(
05/12/2007 21:33)
Misy afaka manome tononkalo noely ve hampianariko ny ankizy ho amin'ny 25 desambra ? Misaotra mialoha.
répondu par rakotoniainajeanlouis9 le 09/12/2015 13:32
2. ikaretsaka
(
05/12/2007 22:04)
Noely indray ity ny andro ,ho feno indray ny ao am-piangonana
Ny akamaroan'ireo mpiangona manko , izay vo mitonatonana
Izay vao hoe handeha hivavaka fa hoe I Mesia no tonga
Nefa ny ao ambadika ao , hampirevy ny kilonga
Handeha hamonjy sasak'alina de hihira "avia ry mino"
Na ny tonony aza anefa bedebe no efa adino
De iny fa andeha hilahatra hoe handray komonio
herintaona tsy nivavaka nefa izy amin'io!
Ny filaharan'ny litorjia aza tsy hay intsony hoe ahoana
i mompera no omena tsiny fa "tsy mety vita foana"
Iny fa mivonto molotra De manomboka mangarika
nanantena fa mipetraka, kay aloha mbola mandoalika
Tsy maninona mihitsy , lazao aho hoe mahatsikaiky
Nefa tena zava misy ireo ary iarahana manaiky
Mitranga foana ireo, rehefa am' fety toa izany
Ary tena isan-taona fa tsy 'ty taona 'ty ihany
Izany ilay izy ka natao hisaintsaina.
ao aloha bizy bizt , de veloma ianao Rabainina!
Vita tompoko!

3. ravakamalala
(
05/12/2007 23:21)
Dadabe noely, 'meo bônbô zahay,
ataovy anaty kiraro refa matory 'zahay
ireo zaza maditraaaaaaa
aleo hipitrapitra!
ataovy anaty kiraro refa matory 'zahay
ireo zaza maditraaaaaaa
aleo hipitrapitra!
4. ikaretsaka
(
05/12/2007 23:32)
ny tsy azoko koa..
inona no idiran'i dadabe noely @ finoana Protestant?
izao manko.. i Dadabe noely @ katolika dia i St Nicolas nahatonga ny angalisy mbola miantso azy hoe Santa (ni)Claus!
Ny nampalaza io olomasina 1 (Eveka izy sady Viking) io dia ny fitiavany ny ankizy ary mandrafitra kilalao hazo izy homeny ny ankizy hendry (mazoto mivavaka) rehefa noely nyandro! dia nande ny legen-dy dadabe noely
Ny propesta tsy mino ny fisian'izany olomasina izany........ nefa mankalaza tokoa rehefa tonga io vanim-potoana io!
mahaliana e!

6. Rasiligaoma
(
06/12/2007 03:45)
mahagaga tokoa.. tsy mino ny fiombonan'ny olomasina ny prot
nefa tretrika ery rehefa St Valentin e, St Sylvestre e, Santa Claus e..
Mba asio plomb ihany hoa ilay fusible maty ao anaty loha!
nefa tretrika ery rehefa St Valentin e, St Sylvestre e, Santa Claus e..
Mba asio plomb ihany hoa ilay fusible maty ao anaty loha!
7. Mandefitra
(
06/12/2007 06:38)
mahagaga tokoa.. tsy mino ny fiombonan'ny olomasina ny prot
Mino ny fiombonan'ny olona masina ny prot ka, fa ny famaritana ny atao hoe "olona masina" no tsy itovizantsika :)
nefa tretrika ery rehefa St Valentin e, St Sylvestre e, Santa Claus e..
Zahay refa st valentin, ny mpifankatia no mifety
Ny dadabe noely ampifalifaliana ny ankizy ... otry ny hoe cheval de bois ...
Rehefa faran'ny taona mifety fa hifarana ny taona ka
8. veromahefa
(
06/12/2007 09:31)
:-D:-D:-D misaotra an-drizareo katolika aloha nampisy ity fety2 samihafa amin'ny kalandary fa raha tsy izany tsy misy vacances ny ambanilanitra e!
9. veromahefa
(
06/12/2007 09:34)
kabatritra> raha any Dago ianao dia mijere ao am trano printy loterana na any am librairie samihafa fa mamoaka zareo
10. rabilabila
(
06/12/2007 10:28)
ikaretsaka:
ny tsy azoko koa..
inona no idiran'i dadabe noely @ finoana Protestant?
izao manko.. i Dadabe noely @ katolika dia i St Nicolas nahatonga ny angalisy mbola miantso azy hoe Santa (ni)Claus!
Ny nampalaza io olomasina 1 (Eveka izy sady Viking) io dia ny fitiavany ny ankizy ary mandrafitra kilalao hazo izy homeny ny ankizy hendry (mazoto mivavaka) rehefa noely nyandro! dia nande ny legen-dy dadabe noely
Ny propesta tsy mino ny fisian'izany olomasina izany........ nefa mankalaza tokoa rehefa tonga io vanim-potoana io!
mahaliana e!
Ika koa tsssss!!:)
Avelao ny olona hifaly ,afoizo io fa tsy haveriny intsony ! Na izaho aza hihinana gisa amin'io ,ary hahita finoana indray fa ilay matavy ( foi(e) gras):oops:
11. ikaretsaka
(
06/12/2007 16:03)
izya izany fa voaporofo indray ilay hoe tsy i Jesoa intsony no inoan'ireny fa ny tenany, satria izay mampetipety ny fiainany ihany no reveny
hoy manko izay rangahy "ao anatin'ny fiomboan'ny olona masina" izay (Augustin no anarany):
"raha izay tiatianao sy metimety @ finoanaan'i Jesoa ihany no inoanao, fa izay tsy azoazonao dia arianao na odianao fanina, dia tsy ilay finoana an'i Jesoa intsony no inoanao fa ny finoana tenanao"

14. rabilabila
(
06/12/2007 19:16)
Tsianjeriko farany tamin'ny arbadénoely ,sahabo 8 taona teo ho eo :
Anio ,anio ihany
Ny tenanay ho anao.
Dia anankiray koa:
Hono ho'aho Ramatoa Mpampianatra
Andro inona androany
No toa somebika hafaliana
Ny voahary eto an-tany
( tsy tadidiko intsony ny navalin'i Ramatoa Mpampianatra)==> libre tanteraka izay te-handray an'io.
Ny akanjo :zipo didy kilosy dobila fotsifo:-D:-Dtsy ,fa tsy nanana kiraro ,dia tsy nataon'i Ramatoa Rasoazanany loha-laharana nefa anisan'ny kely ara-batana:-D:-D

15. ikaretsaka
(
06/12/2007 19:35)
Tononkalo lavabe , hatao tsianjery fahatany
asaina ataon'ny ny kilonga, iny andro iny ihany
Faly ery rehefa avy eo, fa nahay nampianatra t@ io
tsy miherina ny volana, dia foana indray ny dabilio
Rehefa andro fandraisana ihany , vo iny mamonjy legilizy
Raha alahady tsotra izany , tsy mivavaka hono izy
Rehefa tonga Herintaona, izy indray no loha laharana
"izao indray masera ho'zy, ireo tononkalo mila ianarana"
Omeo anay ny salle d'oeuvre mba hanaovanay azy ho ao tsara.
Ny zaza mpanana aty aloha... ny mahantra any afara!
*Bedy n'i ramatoa eo aho rabila fa aleo handeha an!):-D:-D:-D
16. pissoa
(
06/12/2007 19:39)
ALIN'NY NOELY
Alin'ny noely,
Ho an'ny zazakely,
Ho an'ny lehibe,
Maniry te handre,
Ilay vaovao mahafaly,
Manafaka ny jaly,
Mitondra famonjena,
Ho an'ny firenena.
Krismasy sambatra !
Manjelatra sy fatratra,
Sy feon-dakolosy,
Manenika ny nosy.
Alina miravaka,
Alin'ny mpivavaka,
Alina hafa kely?
Alin'ny noely !
DadaRabe
Aix
23/12/03 14:58
Alin'ny noely,
Ho an'ny zazakely,
Ho an'ny lehibe,
Maniry te handre,
Ilay vaovao mahafaly,
Manafaka ny jaly,
Mitondra famonjena,
Ho an'ny firenena.
Krismasy sambatra !
Manjelatra sy fatratra,
Sy feon-dakolosy,
Manenika ny nosy.
Alina miravaka,
Alin'ny mpivavaka,
Alina hafa kely?
Alin'ny noely !
DadaRabe
Aix
23/12/03 14:58
17. pissoa
(
06/12/2007 19:41)
NOELY HAFAKELY
Andro iray izay hafakely
Izao diavintsika izao
Fa teraka anio , ary hobian’ny anjely
Ilay tompontsika ka derao
Aoreno mba ho latsa-paka
Ny hasin’ny mpanjakan’ny mpanjaka
Ao anatinao
Dia ho fety mihavao
Ity andro soa anio
Fa hanovo fo madio
Fa ny Fetin’ noely
Dia Andro hafakely.
NyEja (11 /12/2002)
Andro iray izay hafakely
Izao diavintsika izao
Fa teraka anio , ary hobian’ny anjely
Ilay tompontsika ka derao
Aoreno mba ho latsa-paka
Ny hasin’ny mpanjakan’ny mpanjaka
Ao anatinao
Dia ho fety mihavao
Ity andro soa anio
Fa hanovo fo madio
Fa ny Fetin’ noely
Dia Andro hafakely.
NyEja (11 /12/2002)
18. pissoa
(
06/12/2007 19:46)
NOELY
Tonga indray ny noely
ravoravo ny fanahy
isan-taona hafakely
ka mampite hizaha
Ny hira izay manakoako
sa ny fety mandondona
nampiroborobo tao ho ato
rodorodo, godogodona
somebiseby aok'izany
ny eny an-tsena asa lahy
dia ho tsena ihany
sa mba aim-panahy
Na ny tsy mpino aza
dia serona aoka izany
indreo mba mankalaza
ny nidinana teny an-tany
Ranoala (26/12/2006)
Tonga indray ny noely
ravoravo ny fanahy
isan-taona hafakely
ka mampite hizaha
Ny hira izay manakoako
sa ny fety mandondona
nampiroborobo tao ho ato
rodorodo, godogodona
somebiseby aok'izany
ny eny an-tsena asa lahy
dia ho tsena ihany
sa mba aim-panahy
Na ny tsy mpino aza
dia serona aoka izany
indreo mba mankalaza
ny nidinana teny an-tany
Ranoala (26/12/2006)
20. ikaretsaka
(
06/12/2007 19:52)
pissoa, tononkalo routine be izany ataon-dry zany...
tsy aleo misaina an le hira hoe "Noel noel".. an'i bessa?:wink:
tsy aleo misaina an le hira hoe "Noel noel".. an'i bessa?:wink: