Tononkalo noely

21. ikaretsaka ( 06/12/2007 19:54)
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=4594 ny tonony
22. pissoa ( 06/12/2007 20:07)
Ikaretsaka:
pissoa, tononkalo routine be izany ataon-dry zany...

Fa maninona no routine ?

Satria ve tsy be fitsara an-dRasoa-mpingitrika-isanalahady ?

Sa satria mba milaza (amin'ny ampahany) ny hafaliana amin'ny Noely (na ny ety ivelany na ara-panahy) ?

Tsy manda ny tokony hiresahana ny zava-misy manodidina ny noely sy ny fahavitrihan'ny Kristianina aho ... fa amin'ny lafiny iray koa, sao ny noely no efa lasa "routine" ... dia lasa toy ny "routine" koa ny fikaloana ny hafaliana amin'zany ?!

:-D:-D:-D
23. ikaretsaka ( 06/12/2007 20:09)
ie!
mba ovaina ny repertoire
24. pissoa ( 06/12/2007 20:22)
Ovaina : ie ! Fa amin'ny sens hoe "ampiana" ... fa tsy hoe esorina daholo ilay milaza ny tsaran'ny noely fa ilay miresaka ny fingitrihana sisa no atao :-D:-D:-D

25. ikaretsaka ( 06/12/2007 20:34)
ok.. ampiana tokoa..
esorina ry pissoa papanoel sy bonbon sa pain!
26. rabilabila ( 06/12/2007 20:41)
Ity misy iray ,anisan\'ny nampangotsoka ahy fony mbola vatony ,ary mbola \"miteny\" amiko hatramin\'izao noho ny maha anti-militariste azy.

Vavak\'ilay miaramila.

\'Ty miaramila ity
tsy hoe manary dia
na mamo sady doroka ,ka miteny irery
fa misy faniriana ao am-pony miery
iandrandrany lanitra
ho amin\'Andriamanitra.

Fa mba niato kely
noho ny andro noely
ny ady , hono ,androany,ka azony ny ainy
ary eto indrindra no lasa koa ny sainy.
Manaiki-molotra izy mahita ireto basy
natao ifandripahana
mijery ireto bala manenika ny lasy
mamatotra valahana.
Ny doboka tafondro midona sy mandoaka
ny atsimo sy ny avaratra
ka manatorotoro toy ny fisafaokan\'ny kotro-pahavaratra.

Hoy ny teny ireriny mijery ny habakabaka
ary toa izany no solosolom-bavaka
avy ao anaty fony,
tsy mety mba mitony:

Andriamanitra ô! Maninona ary moa
raha atao noely , noely avokoa
ny andro rehetrarehetra
mba tsy hisy intsony
ho fongatra amin\'ny tany itony ady itony?
He! Tazanonao ,ry Tompo Andriamanitra,
Fa androany izao mba manga indray ny lanitra!
Tsy nisy zera-bomba , tsy nisy poa-basy,
mangina fehizay ny faritr\'ito lasy
Kanefa vao omaly
Firy no naratra
voatifitra eo an-tratra ?
Firy ny aina ripaka
sy nitsipatsipaka?
Ny basiko irery ,raha toa ka atontaliko
ny olona efa matiny ?
Asa izay avaliko!!
Raha toa atao hoe zato
no maty tato ho ato
dia efa zaza firy no tsy manan-dray?
firy koa ny reny izay mangahiahy?
Vokatry ny tifitra nataoko samirery ?
Manongo tena aho ,ka tsy sahy mijery
enjehin\'ny eritrritra mitady mba hiery
Ary izay indrindra no hitalaoako anao
aoka tsy hisy fetra
fa ho noely foana,miatomboka hatrizao
ny andronay rehetra
K\'ireto basy ireto,izao tafondro izao
hitsonika avokoa
hirendrika ho angady,na fiasana vao
hanjary mpanasoa.
Ny bala sy ny vanja:hanaovana sekoly
ny vola lany taminy.
Ny fiarabe manidina mpanjera baoma kosa,
mpamono ,mpampijaly,
hanjary fitaterana marary sy ny osa
hahita hopitaly
Ny vola izay laniana ho entina hikarohana
baomba famonoana:
Hoentina hanampiana ireo izay mila tohana
mitady fandrosona

Fa hay na inona ady sy hoe fifandripahana
mitranga sy mamely
dia azo aàto ihany izay fifanipahana
rehefa andro noely!
Koa rehefa tsy mahay mampiato ady intsony
afa-tsy noely
ny mponina eto an-tany fa mifanao lonjony
tsy hita velively
dia iangaviako ianao,r\'ilay tsy manam-petra
miatomboka hatrizao
ataovy noely hatrany ny andronao rehetra
sy izao tontolo izao!

Hoy \'lay miaramila ,izay miangavy anao
handray ny faniriany
kanefa dia DIDINA ASAINA MBA MANAO
NY ZAVATRA TSY TIANY.

Rado
27. ikaretsaka ( 06/12/2007 21:29)
milay be kosa ilay farany a
28. razamble ( 07/12/2007 21:43)
kabatritra > misy tononkalo mifamaly momba ny noely ity sendra hitako : http://www.freewebs.com/toetraraja/tononkalonoely.htm
29. rabilabila ( 11/12/2007 11:59)
.....................

Dia tonga indray ny kirisimasy,
sy dadabénoely
Mivory ,mikorana,
ireo zazakely.
Ny anay kosa,
milalao tapa-kazo
Fa firifiry taona
Tsy mbola mba nahazo.

Izany e! no Noelinay e!
Mangidy ,mangidy nentinay e!
Izany e! no Noelinay
Niainanay hatramin'izay.


Feony -Tonony : Dadah Rabel ( Mahaleo).
30. rabilabila ( 15/12/2007 17:35)
No comment:


http://www.dailymotion.com/relevance/search/desproges/video/x35xir_un-musulman-heberge-un-couple-juif
31. kabatritra ( 31/12/2007 14:54)
Tena marina io reportage io hoy i Jacques Martin ! Firy amin'ny olombelona no afaka handray an'i Jesosy teraka ao an-tranony raha tsy lazaina azy hoe mpamonjy no tonga ?
32. rakotoniainajeanlouis9 ( 09/12/2015 13:32)
tonga krismasy vorona dimy maty,
tonga ny tombovao namono kisoa ohatry izao ny didiny atao ohatry ireny,
zarana ho any dada sy neny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0856