Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy
1. niryna
(
29/11/2007 06:10)
1-Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
2-Tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
3-Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
4-Mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
La charité est patiente, elle est pleine de bonté; la charité n`est point envieuse; la charité ne se vante point, elle ne s`enfle point d`orgueil,
Elle ne fait rien de malhonnête, elle ne cherche point son intérêt, elle ne s`irrite point, elle ne soupçonne point le mal,
Elle ne se réjouit point de l`injustice, mais elle se réjouit de la vérité;
Elle excuse tout, elle croit tout, elle espère tout, elle supporte tout.
______________________________________________________
Nindramiko kely tao amin'ny I Kor 13:5-7 ity resaka fitiavana ity. Tsy miresaka fivavahana isika fa taritiko ny saina @ resaka fitiavana fotsiny.Raha zohina izany ny fitiavana dia zava-dehibe amin'ny fiainana rehetra mihitsy.
Ny resahina eto dia ny fananana olona amin'ny fiainana izay mifampizara fiainana,namana indrindra indrindra,mila manana namana isika satria ny fiteny dia hoe tsara ny roa noho ny iray ,raha lavo ny iray dia misy mpanarina.Afaka mifanboraka alahelo
,mifanitsy,mifampizara ny fahoriana ary mifampahery.
Ahoana no fahazoanao ireo 1,2,3,4 mikasika ny fitiavana ?
Ahoana no fanantanterahana izany,mety ho mora sa sarotra tanterahana,kanefa tsy misy vola aloha fa ao anatin'ny fo no manatanteraka azy ? :D:D

répondu par niryna le 02/12/2007 07:05
2. miraymel
(
29/11/2007 06:48)
l'amour et la charité
za aloha mba mananatra ihany hoe aza miditra amin'io raha tsy tena mahazaka fa mazana sy mankarary io (fitiavana no resahiko a)
za aloha mba mananatra ihany hoe aza miditra amin'io raha tsy tena mahazaka fa mazana sy mankarary io (fitiavana no resahiko a)
3. diamondra27
(
29/11/2007 07:14)
io no atao hoe: anisan'ny fitiavana amiko fa ny fanatanterahana an'ireo ensemble no mazana
4. fahamarinana
(
29/11/2007 12:02)
:arrow:Tsy misy vola aloha tokoa,miankina amin'ny tena manokana no ahantanterahana azy na tsia ary araka ny voalaza teo hoe tena sarotra nefa tsy kivy e,miezaka hatrany...(l)
5. ari.malala
(
29/11/2007 12:22)
mahari-po sy mora fanahy, tsy mora tezitra... za nefa tena mora tezitra be mintsy, tsy manao an-dolom-po, za nefa tena rancunière be mintsy ary tena defaut ko ngeza be mintsy io... mandefitra ny zavatra rehetra, misy zavatra sasany tsy lefitra kosa ndraindray e!tsy mialona, za tsy mba mialona izany, mahay mionona amzay ananako na misy ana za:P tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy haiko aloha ny fahitan'ny manodidina e, fa io indrya ny manodidina no mitsara an'io hoe mirehareha sy mieboebo v ny olona iray..
6. niryna
(
30/11/2007 06:12)
miraymel:
l'amour et la charité
za aloha mba mananatra ihany hoe aza miditra amin'io raha tsy tena mahazaka fa mazana sy mankarary io (fitiavana no resahiko a)
ka ilay fitiavana anie tsy ho voatery hoe hiditra foana e,fitiavana amin'ny mpiara-belona ohatra,fitiavana amin'ny mpivady ohatra,ny namana izay no voafoakany.
7. niryna
(
30/11/2007 06:13)
diamondra27:
io no atao hoe: anisan'ny fitiavana amiko fa ny fanatanterahana an'ireo ensemble no mazana
dia ahoana aky .:D
8. niryna
(
30/11/2007 06:16)
fahamarinana:
:arrow:Tsy misy vola aloha tokoa,miankina amin'ny tena manokana no ahantanterahana azy na tsia ary araka ny voalaza teo hoe tena sarotra nefa tsy kivy e,miezaka hatrany...(l)
ka ny fitiavana no zava-dehibe indrindra amin'ny fiainana.Tsy ho voatery hoe mpifankatia na mpivady ihany.Raisina amin'ny fiainana an-davan'andro ohatra.Na miresaka aza isika na manana zanaka ohatra dia noho ny fitiavana azy izay.
9. niryna
(
30/11/2007 06:35)
ari.malala:inona no mahatezitra anao? tsy mifanaraka ny sitrapo sa tsy mety manao izay nampanaovinao azy ilay olona sa hafa?
mahari-po sy mora fanahy, tsy mora tezitra... za nefa tena mora tezitra be mintsy,
tsy manao an-dolom-po, za nefa tena rancunière be mintsy ary tena defaut ko ngeza be mintsy io...
mila mianatra ny mamela olona izany ari-malala,avelao any izay lasa any fa izay ho avy indray no mbanjinina.Ny tenanao no andramanao avela voalohany.Mandefitra izany e,raha ohatra hoe tsy mety raha tsy mifamaly na miteny foana ohatra dia mianatra manankombom-bava. Mila ezaka aloha a,fa tsy tonga dia hoe izay ilay izy.:D
mandefitra ny zavatra rehetra, misy zavatra sasany tsy lefitra kosa ndraindray e!tsy mialona,
efa nolazaiko ilay izy,ilay fandeferana no tena zava-dehibe na fantatrao fa marina aza hianao,izay mangina hono volamena.
za tsy mba mialona izany,
tsara be izany fa tohizo,jereo daholo izay toetra tsara aminao dia tohizo sy ampitomboy ary izay toetra fantatrao fa ratsy hiezaho hasorina tsikelikely.
mahay mionona amzay ananako na misy ana za:P
ahoana aky io? toy ny mason-tsokina ka ny kely hanana no ahiratra,na mifalia amin'izay eo am-pelantanana,sa ahoana?ka na ny olon-dehibe aza miteny hoe mba mahalala mihonina,tsy mety voky ilay zaza fa mitady foana. Raha ny fiainana ve dia ahay hionona ny olona? sa hoe rehefa izay no eo am-pelantanana dia izay fa tany mena ve hirehitra.:wink:
tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy haiko aloha ny fahitan'ny manodidina e, fa io indrya ny manodidina no mitsara an'io hoe mirehareha sy mieboebo v ny olona iray..
toa ny tena ihany dia efa mahalala an'izany ka,
Arakaraky ny tsirairay io,asa mety tafiditra ao anatiny ilay fiteny hoe ny tampany ihany no mikobana. sa ahoana? Mieboebo izany ve tsy miamboambo?
sarotra ihany ilay teny gasy k'ty :D
misaotra aky ari-malala a. Ahoana izany fieritreretanao hoe mahari-po izany sy mora fanahy?
Ao anatin'ny fitiavana dia misy fandeferana lehibe dia lehibe.Mila mifankahazo hevitra ireo olona ,ary mila mifanitsy raha tsy mifanaraka. Tsy ary mitovy daholo ny tady lokanga ka izany no antony ilay fandeferana,tsy misy fitiavan-tena izany fa mizara.
10. niryna
(
30/11/2007 06:41)
Fitiavana ve ireto izay hita eny rehetra eny:
mamono vady,mandidy ny akanjon'ilay olona iray izay tiany am-panaovina azy,tsy manaja ilay iray eo imason'ny olona,teny ratsy vary raraka no hiresahiny ilay olona rehefa mifampiresaka izy roa.
Mampirafy ka manafina ny vady aman-janany fa misy olon-kafa any ambadika any?
Teny mamy daholo izay avoakan'ny vavany kanefa tsy iny ny toetrany rehefa zohina?
Tsy mba misy fankasitrahana ny hafa fa ny tenenany ihany no fantany?
Aiza ny toeran'ny fitiavana amin'ireo karazan'ny olona ireo na mety misy hafa ihany koa?

12. niryna
(
30/11/2007 14:46)
Ylly:
tsy fitiavana akia izany ry Nyrina a!
Ilay inona aky no tsy fitiavana?
Mbola voa niaraka anie ny olon-droa dia mandeha daholo ny sentiment rehetra e.Efa naheno aho ,sendra nandalo no mifamihana izy roa kely,mijery ny lanitra :D
Io hianao ry volana,io hianao ry kintana vavolombelon'ny fifankatiavanay .:D:D Variana be fotsiny aho fa hay tonga hatramin'ny kintana sy ny volana avy ilay vavolombelona k'ty :P
14. niryna
(
02/12/2007 07:02)
Ylly:
tsy fitiavana akia izany ry Nyrina a!
ka samy tsy miala izy ireo fa mifikitra eo ihany ka
15. niryna
(
02/12/2007 07:05)
sarobidy:
enjana beuhh
:D fa ahoana? Mila mifampihaino sy mifanampy ary mifankahazo resaka aky dia mandeha tsara a.
Ny tena tsy azoko aloha dia ireny olona miteny ratsy an'ilay vehivavy ireny na manao toetra tsy zaka kanefa dia mbola eo ihany.Mety tsy an'ny tena ny lelo e.
Na resaka namana aza izay mihoatra lavitra noho ny mpihavana ny fifankatiavana aminy.Manoro,mihaino,manampy amin'ny fahoriana sy mampahery .