Fandaingana

1. niryna ( 27/11/2007 18:30)
Inona tokoa no mahatonga ny olona tia mandainga e?
Ataovy hoe nandainga aho androany,dia inona no mitranga aorian'iny?
Misy anarana maro hilazana azy :ao ny hoe ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra,ao ny manao lainga masina,ao ny mpamoron-dainga,
tranon-dainga,mpilaza habobo,lainga varimasaka,atsanga tsy aman'orana(inona izany atsanga?),mpampitombo resaka.Ny marina rehetra tsy filaza,dia avadika lainga izany ilay izy?
Toetra ve ireo sa fahazarana?
Dia ahoana raha zatra mandainga ka tsy asiana lainga intsony ilay resaka? maivana ve? sa toa tsy feno :D
Ny eritreritra no tiako resahina?Tsy manenjika ve ,sa mandeha ho azy ilay izy?
Tadidiko nisy zavatra nandaingako izay indray andro ary avy eo tsy tadidiko ilay izy kanefa tsy dia zavatra goavana.:oops:

Mba tantarao hoe na faly na ahoana ny fihetsem-ponareo rehefa mandainga hianareo :o
répondu par niryna le 29/11/2007 05:15
2. sitlo ( 28/11/2007 05:34)
Manja ny sipa misy fandaingana kah, ilay izy mitsiky iny sweet.

[center][/center]
3. sarobidy ( 28/11/2007 12:34)
hoy ny fitenenana zay hoe "Aleo mifanena am mpamosavy toy izay mifanena am mpandainga"

Niryna: manenjika ny lainga kah :lol:
4. diamondra27 ( 28/11/2007 14:53)
manao ps fa tsy tena anarana zao de efa mandainga sa tsia?
5. niryna ( 28/11/2007 17:25)
sitlo:

Manja ny sipa misy fandaingana kah, ilay izy mitsiky iny sweet.

[center][/center]



http://transition.turbulence.org/Works/saddest/images/258.jpg
sitlo a ,fitaka no ao ambadikin'ny lainga,very fanantenana izay tratran'ny mpandainga.:D http://www.eaglesondesign.com/images/illustr/lies.jpg
Mamitaka ny tenany koa izay tranon-dainga.8O
Izany koa no mahatonga ny fiteny hoe manao vavan'ny mpanao gazety,ny antsasany ihany no marina raha misy aza.:D
6. niryna ( 28/11/2007 17:28)
sarobidy:

hoy ny fitenenana zay hoe "Aleo mifanena am mpamosavy toy izay mifanena am mpandainga"

Niryna: manenjika ny lainga kah :lol:


marina tokoa izany .Sarobidy ve efa nifanena tamin'ny mpamosavy? Izaho mbola tsy nahita a .:D
7. niryna ( 28/11/2007 17:29)
diamondra27:

manao ps fa tsy tena anarana zao de efa mandainga sa tsia?



anarambositra izany lainga sa tsia?
ps nomeny safidy ny rehetra hanome anarambositra ka,asa na lainga izany na tsia? 8O :D
8. niryna ( 28/11/2007 17:31)
sarobidy:

hoy ny fitenenana zay hoe "Aleo mifanena am mpamosavy toy izay mifanena am mpandainga"

Niryna: manenjika ny lainga kah :lol:


Misy olona ve aoriana manenjika an'i sarobidy sa ahoana izany manenjika izany tokoa rehefa zohina?8O :D
9. ikaretsaka ( 28/11/2007 18:01)
ary ilay "lainga masina"?
10. niryna ( 29/11/2007 05:15)
ikaretsaka:

ary ilay "lainga masina"?



Ahoana tokoa io? Raha hamonjena olona tsy ho faty na anala ny ainy hono dia mahazo mandainga ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2494