zanak'antitra

1. sitlo ( 17/11/2007 00:52)
Inona moa kay ry ireto ny dikan'io?
répondu par niryna le 26/11/2007 06:28
2. ikaretsaka ( 17/11/2007 01:29)
efa bebe taona i Bainina sy bofy no niteraka an'ialahy.
samihafa non'ny taizan'Antitra io an!:wink: le hoe i Bebe no nitaiza an'ialahy ohatra
3. sitlo ( 17/11/2007 03:27)
Ka ilay izy tamin'ny hira manao hoe:
...
Ankehitrio, ny tanora mandala ny maha-malagasy lazaina fa zanak'antitra.
...
4. pika ( 17/11/2007 04:13)
raha malady fetsifetsy kely sy matotra ny zaza miohatra ny mitovy taona aminy oh dia lazain'ny olona hoe zanak' antitra na mbola tanora aza ny RAD

ao koa ny hoe mbola tanora oh nefa dia mahay mikabary, ohabolana sy ohampitenenaana, tia kalon' ny fahiny sns.... dia ambara fa zanak' antitra
5. heidi ( 17/11/2007 07:48)
amin'ny maha zanak'antitra azy dia notaizan'olona antitra izy izany...

fa indrindray ilay antsoin'ny ankizy hoe tena zanak'antitra mihintsy....satria ilay ankizy manao fihetsik'antitra, fisainan'antitra, fombafomban'antitra izay no fahazahoako azy...
6. sarobidy ( 17/11/2007 10:21)
fa sitlo ve zanak'antitra e :oops:
7. ayle ( 17/11/2007 10:27)
zanak'antitra @k de toy ireny ankizy kenakenain'irony,zany oe tsy de mahita ni fahita ny tanora reetra,voarar tsy anraka ny fandrosona,fizay vita ny ntaolo fona no atao,tsy votery no tazain'i bb na dadab,neninay ary vo 40an nef zay taizan'antitra ko
8. soanja ( 17/11/2007 14:08)
sitlo:

Ka ilay izy tamin'ny hira manao hoe:
...
Ankehitrio, ny tanora mandala ny maha-malagasy lazaina fa zanak'antitra.
...


Ny fahitako azy ry Sitlo dia izao an. lava ihany ny fanazavako an.

Rehefa miresaka ny mahaMalagasy isika dia matetika ny fihevitra/fomba fisainan'ny Ntaolo taloha no ampiadiana hevitra; ohatra hoe ny fandalana ny mahaMalagasy dia ny fihavanana, firaisan-kina, tanindrazana sns... Ka ny raha tanora iray zany manana an'io toe-tsaina na mivoy an'io dia efa tsy generation amin'izao intsony amin'ny ankapobeny no mahita an'io fa ny antitrantitra izay mbola manjohy an'io fijery io na amzao aza.

Dia izay no mahatonga ny zanak'antitra satria aiza moa no ahitan'ny tanora fomba fijery tahak'io raha tsy amin'ny izay antitra manakaiky azy , zay heverina fa nitaiza azy nanabe azy toy izany. Matetika ireo miantso izany dia te hanaratsy ilay olona heverina fa zanakantitra satria tsy maharaka tsony ny kolontsina misy amzao fotoana. Ohatra ny azy zany dia ny hoe cyber, bmw, podcast e, youtube e sns e no malaza sy tiany resahina nefa le iray ndao hamboly managahazo any ambanivohitra sns... Ny tsy fantan'ny tanora anefa ka mampiavaka ilay iray zanakantitra antsoina dia ny iray mbola te hitazona ny identite mahaMalagasy na saropiaro amin'izany sao very. Izay heverin'ny rehetra amin'ny ankapobeny eran-tany fa FAHENDRENA! na dia ataoko hoe nahita fianarana aza izy na tsia!

Matetika anefa dia ny tanora na maintsovolo dia tsy manana an'io fomba fisainana io mihitsy. Nahoana?
Sela mbola tanora loatra no namorona azy. Zany hoe sperm sy ovule tanora loatra ohatra hoe samy mbola 20 sy 24 ans izy mitsam tamin'ny nanamboatra ilay zaza izay tanora amzao fotoana milaza fa ny iray zanakantitra.
Ilay zanakantitra kosa dia mety efa lehibe kokoa ny ray amandreny nanamboatra sy niteraka azy ohatra hoe 34 sy 40 ans. Ka noho izany matotra kokoa ny atody izay lasa zaza ary matetika dia misaina kokoa sy matotra koa ny fomba fisainan'iny zaza iny.
Na dia samy zaza naloakan'ny kibo iray aza ireo dia tsy hitovy ny fahamatoran'ny atody izay lasa zaza mivoaka eo. Efa vita study siantifika izany.
Izay no mahatonga ny tanora zanakantitra mandinika kokoa noho ny tsy zanaka saingy mandray izany ho ratsy ny sasany tanora eo amin'ny fiarahamonina satria aminy tsy zava-dehibe izany.

Indray andro any anefa rehefa miala amin'io environnement manao tsinotsinona ny kolontsaina nipoirany io izy tsy zanakantitra ka mandeha mitety an'izao tontolo izao dia ahatsapa sy hianatra ihany fa diso ny fomba fijeriny ary mety hanova fihetsika izy. Satria eo izy vao mahalala fa hafa ihany ny mahaHAFA anao na special anao.

Na izany anefa na tsy izany dia ny environnement to tena mi-shape na mamolavola ny zaza na tanora iray hanana fisainana miavaka na mavitrika na matotra na tsia sns... ankoatran'ny genes na sela hazo tamin'ny fahaterahana. Zava-dehibe ny fahatsapan'ny Ray amandreny hoe alefako ary ny zanako hianatra, hipetraka aty izahay fa tsy be korontana na crime na mpangalatra aty sns satria iny no antoka ny ho avin'ny zanakao ho olom-banona na hanam-pahaizana na hanondrana sns io environnement.

Io koa anefa dia matetika miady amin'ny DNA na ny mahailay olona an'le zaza na tanora. Ka eo no nisy ny conflits raha toa tsy tsara base tsara ilay zaza (mila sela matanjaka, matotra)na ara-tsela (genes) izany na ara-potokevitra nitaizana tao antrano!

Good luck mitaiza!


9. sitlo ( 18/11/2007 16:48)
za ngamba zanak'antitra :-D
10. ikaretsaka ( 20/11/2007 16:06)
soanja:
Zany hoe sperm sy ovule tanora loatra ohatra hoe samy mbola 20 sy 24 ans izy mitsam tamin'ny nanamboatra ilay zaza izay tanora amzao fotoana milaza fa ny iray zanakantitra.
Ilay zanakantitra kosa dia mety efa lehibe kokoa ny ray amandreny nanamboatra sy niteraka azy ohatra hoe 34 sy 40 ans. Ka noho izany matotra kokoa ny atody izay lasa zaza ary matetika dia misaina kokoa sy matotra koa ny fomba fisainan'iny zaza iny.
Na dia samy zaza naloakan'ny kibo iray aza ireo dia tsy hitovy ny fahamatoran'ny atody izay lasa zaza mivoaka eo. Efa vita study siantifika izany.
Izay no mahatonga ny tanora zanakantitra mandinika kokoa noho ny tsy zanaka saingy mandray izany ho ratsy ny sasany tanora eo amin'ny fiarahamonina satria aminy tsy zava-dehibe izany.


Hanampiako kely an'io fotsiny: ialahy rehefa eo @ sehafa hafa noho ilay categoria misy an'ialahy dia sokajiana outsider foana
raha trano fisoko gana 1 tarika ka ialahy irery no sarindokotra dia tsy norme ialahy aminy . par contre raha fisokona sarin-dokotra ka ialahy no gana dia tsy norme ialahy aminy!

dia izany io: raha eo @ monde na tanora ka 20-24 ans ny atody namoronana azy dia ny an'ialahy 30-34 ans... dia ialahy no tsy norme sy outsiders aminy
fa raha laisany samy nivoaka t@ atody efa antitra no misy bandy zanaka 16-18 ans miditra any dia ilay bandy no tsy norm
11. suzuki ( 21/11/2007 10:18)
taizan'Bebe sy Dadabe zany e, le hoe "taizandrenibe, voky hanina sy mseo malala fomba nefa pondrodory"
12. ikaretsaka ( 21/11/2007 18:22)
tsy voatery o pondrodory fa ny fikarakaranao ny coco anao ihany io
13. pifa ( 22/11/2007 11:54)
Ny an'i pika no marina ny famaritana ny atao hoe zanak'antitra "zaza maladilady, kingakinga, efa fetsy oharina amny taonany, matomatotra, misaina, mandinika" zany oe" karazany nahazo tsy nahy ny traikefam'piainan'ny ray amand'dreniny izy"
14. niryna ( 26/11/2007 06:28)
pifa:

Ny an'i pika no marina ny famaritana ny atao hoe zanak'antitra "zaza maladilady, kingakinga, efa fetsy oharina amny taonany, matomatotra, misaina, mandinika" zany oe" karazany nahazo tsy nahy ny traikefam'piainan'ny ray amand'dreniny izy"


mitovy hevitra.Matetika ireny ankizy notazain'ny olondehibe na ny iray amin'ny rar no efa zoky olona dia matotra raha oharina ny ankizy mitovy azy.Ilay ho zanak'antitra koa efa lehibe izy roa vao niteraka dia matetika toa lehibe ,hafahafa izany ny tarehiny ,toa antitra kely sahady raha oharina amin'ny ankizy mitovy azy,saingy matsilo saina na mora matotra kokoa noho ilay fitenenana ataon'ny ao an-trano azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3144